-
“Mba Handeha Hiaraka Aminareo Izahay”Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Janoary
-
-
1, 2. a) Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga ankehitriny? b) Inona no hodinihintsika ato? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
NASAIN’I Jehovah naminany i Zakaria hoe: “Amin’izany andro izany, dia hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: ‘Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.’” (Zak. 8:23) Tanteraka izany ankehitriny. Iza ilay hoe “Jiosy iray”? Ny Kristianina voahosotra na “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Ireo “olona folo” mihazona ny akanjon’ilay Jiosy kosa, dia ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Faly izy ireo miara-miasa amin’ny voahosotra. Fantany mantsy fa mitahy an’io antokon’olona io i Jehovah.
-
-
“Mba Handeha Hiaraka Aminareo Izahay”Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Janoary
-
-
4. Ahoana no hahafahantsika “handeha hiaraka” amin’ireo voahosotra mbola eto an-tany, raha tsy fantatsika ny anaran’izy ireo?
4 Ahoana àry no hahafahan’ny ondry hafa “handeha hiaraka” amin’ireo Israelita ara-panahy mbola eto an-tany, raha tsy fantany ny anaran’izy ireo? Hoy i Zakaria ao amin’ilay andininy: ‘Hisy olona folo hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”’ Marina fa “Jiosy iray” no voaresaka eo, nefa misy hoe “aminareo” sy “anareo” koa eo. Midika izany fa tsy olona iray ilay hoe “Jiosy iray” fa olona maromaro. Tsy ilaina àry ny mamantatra azy ireo tsirairay, ary avy eo manaraka azy. Ilay antokon’olona kosa no tokony hofantarintsika sy hotohanantsika. Tsy mampirisika antsika hanaraka olon-tokana mihitsy ny Soratra Masina. I Jesosy ihany no Mpitarika antsika.—Mat. 23:10.
-