Tadidinao ve?
Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:
Nahoana isika no handray soa raha manokana fotoana hiresahana sy hihainoana ary hisaintsainana momba an’i Jehovah?
Handray fanapahan-kevitra tsara kokoa isika, hahay hampianatra kokoa, hihamatanjaka ny finoantsika, ary vao mainka isika ho tia an’i Jehovah.—w22.01, p. 30-31.
Nahoana no mahasoa ny mianatra matoky an’i Jehovah sy ny solontenany?
Izao isika no tokony hianatra hatoky hoe mety foana ny ataon’i Jehovah. Manao an’izany isika raha tsy misalasala rehefa misy toromarika omen’ny anti-panahy sy misy fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo. Rehefa tonga ny fahoriana lehibe, dia ho vonona hankatò isika na dia toa hafahafa na tsy mitombina aza ny toromarika azontsika.—w22.02, p. 4-6.
Inona no tian’ilay anjely holazaina tamin’i Zakaria rehefa niresaka momba ‘ny pilao teny an-tanan’i Zerobabela’ Governora izy? (Zak. 4:8-10)
Nanome toky ny vahoakan’Andriamanitra io fahitana io hoe ho vita tanteraka ilay tempoly ary hifanaraka amin’izay itiavan’i Jehovah azy, na dia hoatran’ny hoe tsotra kely aza.—w22.03, p. 16-17.
Inona no azontsika atao mba “ho modely ... amin’ny teny” isika? (1 Tim. 4:12)
Miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja isika rehefa manompo, mihira amin’ny fo, ary mamaly foana rehefa mivory. Milaza ny marina koa isika, milaza zavatra mampahery, ary tsy manevateva.—w22.04, p. 6-9.
Miresaka bibidia (fanjakana) hoatran’ilay ao amin’ny Daniela toko faha-7 ny Apokalypsy 13:1, 2, saingy ny azy bibidia iray fa ilay ao amin’ny Daniela bibidia efatra samy hafa. Nahoana?
Tsy manondro fitondram-panjakana iray fotsiny, ohatra hoe Roma, ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13. Ny fitondram-panjakana rehetra nifehy ny olona hatramin’izay no tiana horesahina ao.—w22.05, p. 9.
Ahoana no ampisehoantsika fa matoky isika hoe hanao ny rariny Andriamanitra?
Raha nisy naneso, nanao ratsy, na nanota tamintsika, dia miezaka ny tsy ho tezitra na hitana lolompo isika. Apetratsika eo am-pelatanan’i Jehovah kosa izany. Matoky isika hoe hofoanany daholo ny zava-dratsy vokatry ny fahotana.—w22.06, p. 10-11.
Inona no tokony hotadidin’ny rahalahy iray asaina mivavaka any am-pivoriana?
Tsy natao hanomezana torohevitra ho an’ny fiangonana ny vavaka, na hanaovana fampandrenesana. Tsy ilaina ny manao vavaka “lava be”, indrindra amin’ny fiandohan’ny fivoriana. (Mat. 6:7)—w22.07, p. 24-25.
Inona no dikan’ny hoe ‘hatsangana mba hotsaraina izay zatra nanao ratsy’? (Jaona 5:29)
Tsy homelohina noho izay nataony talohan’ny nahafatesany ry zareo. Hodinihina kosa ny fitondran-tenany sy ny toe-tsainy aorian’ny hananganana azy amin’ny maty.—w22.09, p. 18.
Inona ilay fampirisihan’i J. Rutherford nandritra an’ilay fivoriambe tamin’ny Septambra 1922?
Izao no nolazainy tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia: “Manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no irahiny hampahafantatra an’izany. Noho izany dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!”—w22.10, p. 3-5.
Inona avy ireo fomba telo anampian’Andriamanitra antsika hiaritra, araka ny Isaia toko faha-30?
1) Mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika izy, 2) mitari-dalana antsika, ary 3) mitahy antsika dieny izao sy amin’ny hoavy.—w22.11, p. 9.
Nahoana isika no afaka milaza fa efa tanteraka ny Salamo 37:10, 11, 29, sady mbola ho tanteraka?
Mahalaza tsara ny fiainana tany Israely ireo tenin’i Davida ireo, ohatra hoe tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona. Niresaka momba ny Paradisa amin’ny hoavy koa i Jesosy, dia nanonona ny andininy faha-11. (Mat. 5:5; Lioka 23:43)—w22.12, p. 8-10, 14.