Fotoam-pitsapana sy fanasivanana
“Ary ny [tena] Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny (...) ary ny Anjelin’ny [iraky ny, MN ] fanekena (...). Ary hipetraka handrendrika sy hanadio (...) Izy”. — MALAKIA 3:1, 3.
1, 2. a) Toe-piainana inona no nisy teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taonjato faha-V alohan’ny fanisan-taona iraisana? b) Nahoana ny faminanian’i Malakia no tokony hahaliana antsika?
“AIZA [NY] Andriamanitry ny fitsarana?” Ireo, tamin’ny taonjato faha-V talohan’ny fanisan-taona iraisana, izay nametraka io fanontaniana io tamin’ny toe-peo mihantsy dia nanambara koa hoe: “Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra”. Noho ny fikororosian’izy ireo ara-pitondrantena sy ara-pivavahana, ny Jiosy, vahoakan’Andriamanitra, dia tonga tamin’ny fisalasalana ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Nefa ilay Andriamanitra marina, izay tsy natory, dia nandinika azy ireo. Nanankina hafatra tamin’i Malakia, mpaminany hebreo, àry izy; tokony hampiomana azy ireo izy fa hisy asa fanadiovana, fa hitranga ny fotoam-pitsapana sy fanasivanana. Ho fantatr’ireo Jiosy hoe aiza “[ny] Andriamanitry ny fitsarana” rehefa ho tonga tampoka mba hitsara azy ireo izy. — Malakia 2:17; 3:1, 14, 15.
2 Ny faminanian’i Malakia dia tokony hanome eo imasontsika mihoatra noho ny fahalianana ara-tantara tsotra fotsiny, satria hita marina fa manana fahatanterahana amin’ny androntsika izy io (Romana 15:4). Ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny tokoa dia nahita fotoam-pitsapana sy fanasivanana. Tamin’ny ahoana izany? Ny fandinihana amim-pitandremana ny faminanian’i Malakia dia hanampy antsika hamaly an’io fanontaniana io.
3. Ahoana no nandrendrehana metaly iray tamin’ny andro fahiny?
3 Nefa, voalohany indrindra, nahoana moa Jehovah no mampandalo ny vahoakany amin’ny fitsapana sy ny fanasivanana? Noho izy “Mpamantatra ny fo”, dia nanomana ny handrendrika ny vahoakany voalamina izy (Ohabolana 17:3; Salamo 66:10). Tamin’ny andron’ny Baiboly, mba handrendrehana metaly iray dia nohafanaina izany ambara-pahatrarany ny hafanana fiempoany, taorian’izany dia nosodihina tamin’ny lotony na tain-drendriny ilay izy. Izao no vakintsika momba izany: “Ny mpandrendrika, mitsangana na mipetraka, dia miambina ny atao amim-pitandremana lehibe indrindra, ambara-pahatongan’ny (...) metaly [ranon-javatra] hanana endriky ny fitaratra iray tena nofotsiana, izay mampahita taratra ny zava-drehetra eo akaiky eo. Ilay mpandrendrika mihitsy, rehefa mijery ilay vaingana metaly izy, dia mahita ny tenany toy ny ao amin’ny fitaratra iray ary, noho izany, dia afaka manombana amin’ny fomba marina ny fahadiovan’ilay metaly. Raha afa-po izy, dia esoriny ny vainafo ary avoakany avy ao amin’ny fatana fandrendrehana ilay metaly. Nefa raha mihevitra izy fa tsy madio ilay metaly, dia ampiany firamainty izany, ary averina indray ny fanaovan-javatra.” (Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nosoratan’i J. McClintock sy J. Strong). Ny volamena na ny volafotsy narendrika toy izany àry dia nanana vidiny lehibe kokoa. — Jereo Apokalypsy 3:18.
4. Nahoana Jehovah no mamela ny mpanompony handalo amin’ny fitsapana sy ny fanasivanana?
4 Jehovah dia mamela ny mpanompony handalo amin’ny fitsapana sy ny fanasivanana mba ho voarendrika na voadio, ka izany dia hanampy azy hampahita taratra marina kokoa ny endriny (Efesiana 5:1). Mandritra ny fanaovana ny fandrendrehana, Jehovah dia misodika ny tain-drendrika amin’ny fampanjavonana ny fanao sy ny fampianarana tsy madio (Isaia 1:25). Amin’ny fanasivanana ny mpanompony, dia esoriny koa ireo anisany izay tsy mety manaiky an’io fandrendrehana io, izany hoe ireo “mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka”. Izany dia mamela ireo “zanaky ny fanjakana”, ny Isiraelita ara-panahy, hamirapiratra tahaka ny masoandro, mba hahafahan’ny kilasy iray eto an-tany ho voangona koa sy hifikitra amin’ny fandaminana izay voaforon’izy ireo, mba hahatafita velona azy. — Matio 13:38, 41, 43; Filipiana 2:15.
Ny fanirahana an’i Malakia
5, 6. a) Iza indrindra no tompon’andraikitra tamin’ny toe-piainana ara-panahy mampalahelo hitan’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Malakia? Nahoana? b) Inona no hery manimba nananan’izany teo amin’ny Isiraelita amin’ny ankapobeny?
5 Malakia dia naminany taorian’ny taona 443 alohan’ny fanisan-taona iraisana, izany hoe efa ho taonjato iray taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tamin’ny fahababoany tany Babylona. Efa 70 taona mahery no lasa hatramin’ny nitokanana ny tempoly naorin’i Zerobabela indray. Niharatsy ny toe-piainana ara-panahin’ny Isiraelita; nampalahelo izany. Ireo mpisorona no tompon’andraikitra indrindra tamin’izany. Izy ireo tokoa dia ‘nanamavo’ ny anaran’i Jehovah, tamin’ny fanekena ho fanatitra biby marary na mandringa (Malakia 1:6-8). Izy ireo dia “nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna” satria nofadiany ny nampianatra ny vahoaka ary nitsara tamim-piangarana izy. — Malakia 2:6-9; Jakoba 3:1.
6 Toy izany no nahatonga ny Isiraelita amin’ny ankapobeny hisalasala ny amin’ny maha-zava-dehibe ny hanompoana an’Andriamanitra, ka tonga hatramin’ny fandavana tsy handoa ny ampahafolon-karena araka ny notakin’ny Lalàna (Malakia 3:6-10, 14, 15; Levitikosy 27:30). Lasa lavitra aoka izany izy ireo teo amin’ny fialany tamin’ny lalàn’Andriamanitra hany ka ‘namitaka’ ny vadiny ny sasany. Tsy isalasalana fa nanary azy izy ireny mba hanambady vehivavy mpanompo sampy. Eny fa na dia ny fanao maharikoriko toy ny fanaovana sikidy, ny fijangajangana, ny lainga ary ny fanambakana aza dia fanao nahazatra tamin’izany teo amin’ny vahoakan’i Jehovah. — Malakia 2:10-16; 3:5.
7, 8. Inona moa ny fanirahana an’i Malakia mpaminany?
7 Ny fanirahana an’i Malakia dia tena nazava tsara. Tsy nitsitsy ny teniny izy hamakiana betroka ny fanaovan’ny mpisorona tsirambina, ary nanokatra ny mason’ny vahoaka izy mba hahita ny tena toetoetrany ara-panahy. Kanefa dia nasehony fa ilay Andriamanitra fitiavana sy famindrampo dia vonona hamela heloka. “Miverena amiko, dia mba hiverina kosa Aho”, hoy Jehovah (Malakia 3:7). Nanambara i Malakia fa ny “[tena] Tompo” dia ho tonga ao amin’ny tempoliny mba hitsara. Ireo mpisorona àry dia tsy maintsy nanadio ny tenany mba ‘hahatongavana ho an’i Jehovah olona izay manolotra fanatitra amim-pahamarinana’. (Malakia 3:1-3.) Fanampin’izany, ny vahoaka dia nampiomanina fa “ny [tena] Tompo” dia ho tonga “vavolombelona faingana” hanohitra an’ireo rehetra izay hikiry amin’ireo fanaony maharikoriko. — Malakia 3:5.
8 Niseho nahatoky tamin’ny fanirahana azy i Malakia; nampitainy ny fampiomanana. Nahasoa an’ireo mpisorona sy ny vahoaka tamin’ny androny ireo fanambarany. Kanefa dia taonjato maro no lasa alohan’ny hahitan’ny lafiny sasany amin’ny faminaniany fahatanterahana voalohany.
Fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany
9. Nandritra ny fahatanterahan’ny faminanian’i Malakia, iza no niharihary ho ilay “iraka”? Nahoana no mamaly toy izany ianao?
9 Raha niresaka avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony ilay Mpitsara lehibe, dia nanambara hoe: “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako”. (Malakia 3:1a). Iza moa io “iraka” io? Marka, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia mampifandray ireo faminanian’i Malakia 3:1 sy Isaia 40:3 izay samy ampihariny avy amin’i Jaona Mpanao-batisa (Marka 1:1-4). Jesosy Kristy ihany koa dia nampahafantatra an’i Jaona ho io “iraka” io. (Matio 11:10-14.) Tamin’ny lohataonan’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana àry ny nanombohan’i Jaona Mpanao-batisa ny asany amin’ny maha-“iraka”, mpialoha lalana azy. Tsy maintsy nisava ny lalana ho amin’ny fahatongavan’i Jehovah, ilay Mpitsara, izy, tamin’ny fanomanana ny Isiraelita ho amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy, ilay Solontena lehibe indrindran’Andriamanitra.
10. Tamin’ny ahoana i Jaona Mpanao-batisa no ‘namboatra firenena voaomana ho an’i Jehovah’? (Lioka 1:17.)
10 Tamin’ny fanirahana an’i Jaona ho toy ny mpialoha lalana, Andriamanitra dia nampiseho ny hatsaram-pony tamin’ny Jiosy. Satria tafakambana tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanekena iray, dia ny Lalàna, izy ireo, dia tokony hibebaka tamin’ny fahotana nataony tamin’ny fandikana izany. Jaona dia nanarina ny toe-javatra amin’ny lafiny ara-panompoam-pivavahana ary naharihariny ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana (Matio 3:1-3, 7-12). Namporisika ireo Jiosy tso-po izy hiandry ny Kristy ary avy eo dia hanaraka azy. — Jaona 1:35-37.
11. Ahoana no azo amantarana “ny [tena] Tompo” izay ho avy tampoka ao amin’ny tempoly?
11 Manohy toy izao ny faminanian’i Malakia: “Ary ny [tena] Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny [iraky ny, MN ] fanekena izay irinareo, dia, indro, tamy [tokoa] Izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Malakia 3:1b). Iza moa ny “[tena] Tompo” izay, “tampoka” na amin’ny fomba tsy ampoizina, dia ho avy ao amin’ny tempoliny? Amin’ny teny hebreo, dia hita ny fitenenana hoe ha’Adhôn. Satria ny mpanondro ha (“ny”) ampiasaina miaraka amin’ny anaram-boninahitra hoe ’Adhôn (“Tompo; Mpampianatra”), io anaram-boninahitra io dia tsy azo ampiharina afa-tsy amin’i Jehovah Andriamanitra. Ao amin’ny “tempoliny” tokoa no hahatongavan’i Jehovah. — Habakoka 2:20; Salamo 11:4.
12. Iza moa “ny iraky ny fanekena”, ary “iraky” ny “fanekena” inona izy io?
12 Rehefa avy nilaza ny iraka voalohany i Malakia, dia nampiseho fa “ny [tena] Tompo” dia ho avy ao amin’ny “tempoliny” arahin’ny iraka hafa iray, samy hafa amin’ilay voalohany, dia “ny iraky ny fanekena”. Ho iza àry io “iraky ny fanekena” io? Rehefa jerena ny fizotran’ny fisehoan-javatra, io “iraka” io dia ara-dalàna raha i Jesosy Kristy, izay nasehon’i Jaona Mpanao-batisa an’ireo mpianany ho toy “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. (Jaona 1:29-34.) Nefa ny Mesia moa dia “ny iraky” ny “fanekena” inona? Ny zava-misy voatantara ao amin’ny Lioka 1:69-75 sy ny Asan’ny apostoly 3:12, 19-26 dia mamela hieritreritra fa izany dia ny fanekena natao tamin’i Abrahama, izay noho ny aminy no nahatonga ny Jiosy ho ny voalohany notolorana ny fahafahana ho tonga mpandova ny Fanjakana.
13. Amin’ny heviny ahoana “ny [tena] Tompo” Jehovah no ho avy ao amin’ny tempoly?
13 “Ny [tena] Tompo” Jehovah dia tsy tonga ara-bakiteny tao amin’ny tempoly vato tany Jerosalema (I Mpanjaka 8:27). Tonga tao izy amin’ny heviny hoe nosoloan’ny ‘iraky ny fanekeny’ tena, dia Jesosy Kristy, izay niseho tamin’ny anarany ary nanana ny fanohanan’ny fanahiny masinaa.
14. a) Nahoana moa ny fanadiovana izay nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly tamin’ny taona 30 no niharihary fa tsy nanome afa-tsy hevitra ny amin’izay hitranga any aoriana? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana ny tempoly no nodiovina ho fahatanterahan’ny Malakia 3:1?
14 Tamin’ny lohataonan’ny taona 30, Jesosy dia tonga tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema ary nandroaka an’ireo izay nanao izany ho “trano fivarotana”. (Jaona 2:13-16.) Nefa tamin’izany izy dia tsy nanome afa-tsy ara-keviny ny amin’izay hitranga mifanaraka amin’ny faminanian’i Malakia. Taorian’io fitrangan-javatra io, Jaona, amin’ny maha-“iraka” azy, dia nanohy nanao batisa ny mpianany ary nitarika azy nankany amin’i Jesosy (Jaona 3:23-30). Nefa tamin’ny 9 Nisana 33, Jesosy dia niditra tamim-pandresena tao Jerosalema, nampiseho ny tenany ho toy ny Mpanjaka (Matio 21:1-9; Zakaria 9:9). Fa raha ny amin’i Jaona, dia nahavita ny asany izy ary notapahin’i Heroda ny lohany herintaona teo ho eo talohan’izay. Rehefa tonga àry Jesosy tao amin’ny tempoly ny 10 Nisana, dia izy no “[ilay] iraky ny fanekena” amin’ny fomba ofisialy, ny solontena ara-dalànan’ilay “[tena] Tompo” Jehovah, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Malakia 3:1. Nanadio ny tempoly izy, tamin’ny fandroahana ireo izay nanao izany ho toeram-pivarotana sy tamin’ny fanjerana ireo latabatry ny mpanakalo vola. Niteny izy hoe: “Tsy voasoratra hoe va [ao amin’ny Isaia 56:7]: ‘Ny tranon’i Jehovah hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’ Fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy”. — Marka 11:15-18.
15. Ahoana, amin’ny maha-kilasy azy, no nandraisan’ireo filoha ara-pivavahana jiosy ny fandrendrehana nataon’ilay Mpandrendrika lehibe, nefa inona no azo lazaina ny amin’ny mpisorona sasantsasany?
15 Tamin’izany no nampahafantarana ireo filoha ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely fa tonga ny oran’izy ireo. Amin’ny maha-kilasy azy, dia nanda ny “iraky ny fanekena” [MN ] avy amin’i Jehovah izy ireo. Tsy ‘nahatanty ny andro hihaviany’ izy ireo, satria nanda tsy hanaiky amim-panetren-tena ny fandrendrehana nomanin’ilay Mpandrendrika lehibe (Malakia 3:2, 3). Mendrika natokan’ny fanivanana ho amin’ny fandringanana àry izy ireo. Kanefa, nisy “taranak’i Levy” nampiseho fa nanana fo tsara izy ireo, satria fotoana kely taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia “maro be kosa ny mpisorona [izay Levita] nanaiky ny finoana”. — Asan’ny apostoly 6:7.
16. Tamin’ny fomba ahoana ary oviana moa “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” no nianjera tamin’ny firenena jiosy?
16 Ny 11 Nisana, ampitson’ny fandraisany anjara tao amin’ny tempoly mba hanadiovana izany, Jesosy dia niampanga tamin-kery ny fihatsarambelatsihin’ireo filoha ara-pivavahana ary nanambara ny fandravana ny tempoly sy ny fandehan-javatra jiosy (Matio, toko faha-23 sy 24). Raha ny marina, “[ny] Andriamanitry ny fitsarana” dia tonga tokoa tahaka ny “vavolombelona faingana” hamely ny firenena jiosy, 37 taona taty aoriana, tamin’ny 70, rehefa nianjera taminy “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” (Malakia 2:17; 3:5, 23, 24). Tamin’io taona io ihany, tamin’ny lafiny fitambarany, Isiraely, fandaminana nampitahaina tamin’ny hazo iray tsy namoa voa tsara, dia ‘nokapaina ary natsipy tany anaty afo’ rehefa noravan’ny Romana ilay firenena (Lioka 3:3-14). Izany rehetra izany dia ‘satria tsy nahafantatra ny andro namangiana azy izy’. — Lioka 19:44.
Fahatanterahana amin’ny androntsika
17. Inona no manondro fa ny faminanian’i Malakia dia tokony hahita fahatanterahana hafa iray amin’ny andro ankehitriny?
17 Nefa moa ve amin’ny androntsika misy fahatanterahana faharoan’ny faminanian’i Malakia? Tamin’ny taonjato voalohany, ny fahatanterahana voalohany dia nitranga taorian’ny nanosoran’ny fanahy masina an’i Jesosy mba ho tonga ny Mpanjaka voatendrin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ara-dalàna àry fa tsy maintsy nisy fahatanterahana iray hafan’ilay faminaniana taorian’ny nandraisana an’i Jesosy ho mpanjaka tany an-danitra tamin’ny 1914. Ireo teny ampiasaina mihitsy ao amin’ilay faminaniana dia nanondro fa hanana fahatanterahana izany “dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. (Malakia 3:23.) Raha marina fa nianjera tamin’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana ny “andron’i Jehovah” iray izay tokony hitranga amin’ny androntsika, dia ny an’ny ‘fanatrahan’i Kristy’ [MN ]. — Matio 24:3; II Tesaloniana 2:1, 2; II Petera 3:10-13.
18. Tamin’ny ahoana, tamin’ny 1922, ireo mpanompon’i Jehovah no nanjary nahatsapa fa niaina tao amin’ny fotoam-pitsarana izy?
18 Hatramin’ny 1922, ireo mpanompon’i Jehovah dia nanjary nahatsapa fa niaina tao amin’ny fotoam-pitsarana iray izy ho fahatanterahan’ny faminanian’i Malakia. Izao tokoa no azo novakina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 septambra amin’io taona io (fanontana febroary 1925 amin’ny teny frantsay): “Ny faminanian’i Malakia dia mijery any ambadiky ny fahatanterahana tapany mifandray amin’ny fahatongavana voalohan’ny Tompontsika. Izany dia mibanjina ny fotoana hahatongavan’ny Mesia ao amin’ny voninahitra sy ny hery, ary hitsarany ny vahoakany (...). Indray mandeha koa, ankehitriny, dia tonga ny fotoam-pitsarana, ary ireo izay milaza tena ho vahoakany dia tsapaina indray toy ny amin’ny afo. Ireo zanak’i Levy tena tso-po dia angonina ho amin’ny asa.”
19. Amin’ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny, amin’ny fomba ahoana no nanirahana “iraka” iray amin’ny maha-mpialoha lalana?
19 Araka ny nanambaran’ny Malakia 3:1 azy, ny iraka manokana iray dia nirahina amin’ny maha-mpialoha lalana. Io iraka io dia niharihary tsy ho lehilahy iray, fa kilasin’olona iray izay manatanteraka asa mitovy amin’ny an’i Jaona Mpanao-batisa. Nanomboka tamin’ny 1881, io kilasy io dia nampiasa izay atao amin’izao andro izao hoe ny Fikambanana Watch Tower mba hanatanterahana asa miavaka iray fampianarana ny Baiboly. Naharihary indray ny fahamarinana fototra maro izay azo nalentika tao am-pon’ireo sakaizan’ny Baiboly. Ireto ny sasany amin’ireny fanazavana ireny: Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona, fa izy no fanahy; tsy misy ny afobe mirehitra; tsy tokony hiverina ao amin’ny nofo Jesosy Kristy; Jehovah dia Andriamanitra tokana, fa tsy Trinite. Izany dia tena asa iray izay’ nanamboatra lalana teo alohan’i Jehovah’ ho fitsinjovana ny fitsarana.
20. a) Oviana, raha ny fahitana azy, no tonga tao amin’ny tempoliny Jehovah? b) Mampipoitra fanontaniana inona izany?
20 Tampoka, Jehovah, “ny [tena] Tompo”, dia tonga tao amin’ny tempoliny ara-panahy. Nefa oviana? Aoka hodinihintsika ny ohatra navelan’ny fahatanterahan’ny faminaniana tamin’ny taonjato voalohany. Tonga Jesosy ary nanadio ny tempoly telo taona sy tapany taorian’ny nanosorana azy tao Jordana mba ho Mpanjaka. Mifanaraka amin’io ohatra io, satria Jesosy notendrena amim-piandrianana ho Mpanjaka tamin’ny fararanon’ny 1914, dia toa ara-dalàna ny hiheverana fa telo taona sy tapany taty aoriana dia azo nampoizina ny hiarahany amin’ilay “[tena] Tompo” ao amin’ny tempoly ara-panahy. Araka ilay faminaniana, inona moa no hanomboka amin’izay? Fotoam-pitsapana sy fanasivanana. Nefa mampipoitra fanontaniana lehibe izany: Inona avy no porofo ananantsika fa efa nitranga tokoa io fanadiovana io? Mitohy ve izany amin’izao fotoana izao? Ary ahoana no ikasihan’io fanadiovana io antsika rehetra? Izany no hojerentsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny fotoana sasantsasany, dia nisy anjely iraka niteny toy ny hoe Jehovah Andriamanitra izy ireny, satria nanao zavatra tamin’ny naha-solontenany izy ireny. — Genesisy 31:11-13; Mpitsara 2:1-3; jereo Genesisy 16:11, 13.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana Jehovah no mamela ny mpanompony hahita fotoam-pitsapana sy fanasivanana?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no niasan’i Jaona Mpanao-batisa tamin’ny naha-“iraka” na mpialoha lalana?
◻ Tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no nahatongavan’i Jesosy tao amin’ny tempoly tamin’ny naha-“iraky ny fanekena”?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa ny faminanian’i Malakia dia tokony hahita fahatanterahana iray amin’ny androntsika?
[Sary, pejy 13]
Sahala amin’ny iraka iray, Jaona Mpanao-batisa dia nanomana ny vahoaka ho amin’ny fahatongavan’ny “iraky ny fanekena”.