Aoka isika tsy hiala amin’ny fahatahorana an’i Jehovah
“Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.”— MALAKIA 1:14.
1, 2. a) Hafatra mahery inona no voarakitra ao amin’ny bokin’i Malakia? b) Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’ireo teny voalohandohany amin’ny hafatr’i Jehovah?
“TENY faminaniana [fanambarana lehibe, MN ] avy tamin’i Jehovah nampitondrainy an’i Malakia ho amin’ny Isiraely.” (Malakia 1:1). Amin’ireo teny mandona ireo no manomboka ny bokin’i Malakia. Ao amin’ny Baiboly, ny fanambarana lehibe iray dia mandrakariva fiampangana. Azo antoka fa izany no hita ny amin’ilay ao amin’ny bokin’i Malakia, dia boky mirakitra hafatra mivantana sy mahery natao ho an’ny firenen’Isiraely. Ny fandinihana azy dia hanipika fa ilaintsika tanteraka ny hitana ny fahatahorana sy ny fitiavana an’i Jehovah.
2 Azo atao ny manatsoaka fianarana avy amin’ireo andininy roa voalohany amin’ny bokin’i Malakia. Ao Jehovah dia manome toky an’ireo mpihaino azy fa iriny ny hanampy azy ireny. “Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah.” Fampidiran-dresaka manome toky, mampahery re izany ho an’ireo olona tso-po anisan’ny firenen’ny Isiraely nikomy! Mitohy toy izao ny hafatra: “Nefa hoy hianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ny amboadia any an-efitra.” — Malakia 1:2, 3.
3. Inona no nahatonga ny fihetseham-pon’i Jehovah tamin’i Jakoba sy Esao?
3 Nahoana moa Jehovah no tia an’i Jakoba ary, tatỳ aoriana, ireo taranany, ny Isiraelita? Satria Jakoba natahotra azy ary nanaja ireo ray aman-dreniny izay natahotra an’Andriamanitra koa. Esao kosa anefa dia tia tena, tsy natahotra an’Andriamanitra izy. Tsy ampy fanajana ireo ray aman-dreniny izay nanana zo, ara-dalàna sy araka ny sitrapon’Andriamanitra, ny hanantena ny hankatoavany azy ireo, izy. Rariny àry ny nitiavan’i Jehovah an’i Jakoba fa nankahalany an’i Esao kosa. Aoka ho fampitandremana ho antsika izany! Aoka isika tsy hanary mihitsy ny fahatahorana an’Andriamanitra na ho tonga fatra-pitia ny zavatra ara-nofo tahaka an’i Esao, izay tsy nitady afa-tsy ny hanome fahafahampo ny faniriany ara-nofo. — Genesisy 26:34, 35; 27:41; Hebreo 12:16.
4, 5. a) Inona avy moa no vokatry ny fitondrantenan’i Jakoba sy Esao teo amin’ny taranak’izy ireo? b) Inona no fianarana tokony ho notsoahin’ny Isiraelita avy amin’izany?
4 Raha fitahiana ho an’ireo taranany, ny Isiraelita, ny fitondrantenan’i Jakoba, ny an’i Esao kosa dia ny nifanohitra indrindra tamin’izany ho an’ireo taranany, ny Edomita. Tsy nanana ny fitahian’i Jehovah ireo, fa niharan’ny fankahalany kosa noho ny fanoherana mafy nasehony tamin’ny olony, dia ny olon’ny fanekena. Nanafika azy ireny, ny tafik’i Nebokadnezara, avy eo dia ny Arabo. Tamin’ny farany, araka ny nanambaran’i Jehovah azy, dia nanjavona ny firenen’izy ireo. — Obadia 18.
5 Ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Edoma dia nanomboka talohan’ny andron’i Malakia. Fianarana inona no tokony ho notsoahin’ny Isiraelita avy amin’izany? Hoy Jehovah tamin’izy ireo: “Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny hianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny [eo amin’ny, MN ] tanin’ny Isiraely”! (Malakia 1:5.) Rehefa nandeha ny taonjato maro, dia hitan’ny ‘mason’ny’ Isiraelita ny fitiavana tsapan’i Jehovah ho an’ny firenen’izy ireo.
Asehon’ny fitondrantenantsika raha matahotra an’Andriamanitra isika
6. Inona moa no niampangan’i Jehovah ny Isiraelita?
6 Mitohy toy izao ilay fanambarana lehibe: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako.” (Malakia 1:6; Eksodosy 4:22, 23; Deoteronomia 32:6). Jehovah dia nanitsy, namahana sy niaro ny Isiraelita toy ny ho nataon’ny ray iray ho an’ny zanany. Zony ny hanantena inona ho valiny? Ny hanajan’izy ireo sy hatahorany azy. Tsy nanao toy izany velively anefa ny Isiraelita, anisan’izany ireo mpisorona, fa tsy ampy fanajana ny anaran’i Jehovah ary nanamavo izany. Tonga “zaza mpiodina” izy ireo. — Jeremia 3:14, 22; Deoteronomia 32:18-20; Isaia 1:2, 3.
7. Ahoana no niheveran’ny Isiraelita izany fiampangana izany, ary ahoana no navalin’i Jehovah azy ireo?
7 Nanontany toy izao ny Isiraelita. “Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?” Namaly mafy azy ireny toy izao Jehovah: “Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako. Nefa hianareo manao hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’i Jehovah dia fanazimbazimba. Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, — tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, — tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ny governora manapaka anao ange izany, — moa hahazo sitraka na fitia aminy va hianao? hoy Jehovah Tompon’ny maro.” — Malakia 1:6-8.
8. Nampiseho inona ny nataon’ny Isiraelita?
8 Azo atao mora foana ny maka sary an-tsaina Isiraelita iray mandinika ny andian’ondriny sy manokana an-kafetsen-dratsy, biby jamba na mandringa iray mba hatolotra ho an’i Jehovah. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia toa nanolotra fanatitra mety izy, kanefa notehiriziny ho azy ny tsara indrindra tamin’ny andian’ondriny. Azo antoka fa tsy ho sahy ny hanao toy izany tamin’ny governora izy! Nanao toy izany tamin’i Jehovah anefa ny Isiraelita — toy ny hoe tsy afaka nahita ny sain-dratsiny sy ny famitahany Jehovah! Ara-drariny tokoa àry ny nanontanian’i Jehovah azy ireny hoe: “Aiza izay tahotra Ahy?” Marina fa nilaza ho natahotra an’i Jehovah izy ireny, nefa nampiseho mazava ny mifanohitra amin’izany ny nataon’izy ireo. — Deoteronomia 15:21.
9. Ahoana no nandraisan’ireo mpisorona ny fanatitra naterin’ny Isiraelita?
9 Ahoana no nandraisan’ireo mpisorona izany fanatitra fanazimba izany? Hoy izy ireo: “Tsy ratsy (...) izany.” Nalany tsiny ny fitondrantena ratsin’ny Isiraelita. Araka izany, na dia nampiverina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tamin-jotom-po aza izy teo am-boalohany, ireo babo tafaverina avy any Babylona dia nanjary meloka ho tsy niraharaha na inona na inona sy nieboebo tatỳ aoriana, sady nilaza tena ho marina. Nariany ny fahatahorana an’i Jehovah. Nanjary sarintsariny fotsiny ny asa nataony tao amin’ny tempoly ary nanomboka nitandrina ireo andro firavoravoana ara-pomba fotsiny izy. — Malakia 2:1-3; 3:8-10.
10. a) Fanatitra inona no irin’i Jehovah hatolotsika azy amin’izao androntsika izao? b) Amin’ny ahoana ihany no hankasitrahan’i Jehovah ny fanatitra aterintsika?
10 Ny sasany angamba hanohitra hoe: ‘Tsy mihatra amintsika izany; tsy manolotra biby ho fanatitra intsony isika amin’izao andro izao.’ Marina izany, nefa tokony hanolotra karazam-panatitra hafa ho an’i Jehovah isika, araka ny miharihary amin’izao fananarana mandodona nataon’i Paoly izao: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” (Romana 12:1). Ny fanatitra tian’i Jehovah hatolotsika amin’izao andro izao dia ny tenantsika mihitsy! Ny herintsika, ny talentantsika sy ny fahaizantsika. Tsy hankasitraka izany izy raha tsy ny tsara indrindra amintsika no omentsika azy. Raha ny ambinambiny no atolotsika azy, azo lazaina hoe biby mandringa sy marary, dia tsy maintsy ho simba noho izany ny fifandraisana tanantsika aminy.
11. Fandinihan-tena manokana inona no tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay avy?
11 Na dia toa hilaza aza ny sasany hoe: ‘Tsy ratsy izany’, dia fantatsika ny ho fiheveran’i Jehovah izany. Aoka àry hodinihintsika amim-pitandremana ny “fanatitra”, izany hoe ny “fanompoana masina” atolotsika ho azy. Voafaoka amin’izany ny fandraisantsika anjara amin’ny fitoriana, ny fianarantsika manokana, ny vavaka sy ny famonjena ireo fivoriana. Azonao antoka ve fa atolotrao ho an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amin’ny tenanao? sa ny ambinambiny fotsiny? Mampidi-doza ny miala voly amin’ny faran’ny herinandro ka tsy hanam-potoana na hery hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sy hanatrehana ireo fivoriana intsony. Ny fiainantsika manontolo, ny asantsika isan’andro, anisan’izany ny toe-tsaintsika sy ny antony manosika antsika, dia tokony hifanaraka amin’ny fanatitra atolotsika ho an’i Jehovah. Aoka tsy ho latsaka mihitsy ny tsara indrindra amintsika no homentsika azy.
Aoka hofantarintsika ireo izay matahotra tokoa an’Andriamanitra
12. Torohevitra inona no omena antsika izao?
12 “Koa masìna hianareo, andeha mifona amin’Andriamanitra hamindrany fo amintsika.” (Malakia 1:9). Tamin’ireo teny ireo, dia nananatra ny Isiraelita Jehovah mba hanao izay mahitsy, hatahotra azy araka ny tokony hatao, ary hanolotra ho azy, sorona mendrika azy. Tokony hanao toy izany isika amin’izao androntsika izao. Amin’ny fitandremana ireo fepetra takin’i Jehovah ihany no mety hahazoantsika sy hitanantsika ny fankasitrahany.
13. a) Raha manary ny fahatahorana an’i Jehovah isika, dia mety ho latsaka ao anatin’ny fandrika inona? b) Ahoana no nanimban’ny faniriana mihoa-pampana ireo mpisorona isiraelita?
13 Raha tsy ananantsika ny tahotra an’Andriamanitra araka ny mety, dia mety ho tonga amin’ny fanompoana azy ara-pomba fotsiny isika, na noho ny faniriana amim-pitiavan-tena ny handray tombony avy amin’izany. Aoka homarihintsika ireo fanontaniana napetrak’i Jehovah ho an’ireo mpisorona isiraelita momba ny asan’izy ireo tao amin’ny tempoly: “Enga anie ka hisy aminareo [iza aminareo mihitsy aza no, MN ] handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Malakia 1:10). Mazava ho azy fa ireo mpisorona dia nanatanteraka ny adidiny tao amin’ny tempoly, nanidy ny varavaran’ny fitoerana masina ary nandrehitra ireo alitara. Tsy nataotaony foana anefa izany. Nitady izay hahazoana fanomezana sy tsolotra avy amin’ny Isiraelita izay tonga nanatitra fanatitra tao amin’ny tempoly izy ireny. Tsy nahafaly an’i Jehovah, ary mbola toy izany ihany amin’izao andro izao, ny asa tanterahina noho ny fikendrena fotsiny ny handray tombotsoa mampiseho fitiavan-tena avy amin’izany. Zavatra maharikoriko eo imasony izany.
14. Nahoana moa isika no tokony hitandrin-tena hatrany amin’ny faniriana mihoa-pampana?
14 Amin’izao andro izao koa, dia tokony hitandrina isika mba tsy ho resin’ny fitiavan-tena na ny fitsiriritana. Ny Soratra masina dia mampitandrina antsika imbetsaka amin’ny faniriana mihoa-pampana. Ambarany fa tsy mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ny olona mierina (1 Korintiana 6:10; Efesiana 5:5). Aoka àry ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fahatahorantsika azy hisakana antsika tsy hanao ny fanompoantsika noho ny fikendrena ny handray tombotsoa mampiseho fitiavan-tena avy amin’izany! Aoka isika ho mailaka ny hanaisotra izany fironan’ny fontsika izany raha mitsiry ao izany. Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia manana adidy indrindra ny ‘tsy ho tia harena maloto’. (Titosy 1:7; 1 Timoty 3:8; 1 Petera 5:2.) Ny sasany mety hinia hitana fifandraisana misy tombontsoa amin’ireo rahalahiny afaka hitondra fanampiana ara-nofo ho azy ireny. Amin’izany izy ireny dia hizaha tavan’olona sy hisalasala ny hanoro hevitra azy. Tsy tiantsika velively ny hitovy amin’ireo mpisorona mpierina teo amin’ny Isiraely izay naniry hahazo fanomezana sy tsolotra avy amin’ireo rahalahiny isiraelita.
15. a) Ahoana moa no teny nampisehoan’i Malakia fa hisy olona hatahotra an’i Jehovah maneran-tany? b) Andinin-teny hafa inona ao amin’ny Baiboly no manamarina an’io faminaniana io?
15 Amin’izao andro izao, raha manontany Jehovah hoe: “Aiza izay tahotra Ahy?”, hisy firenena ho afaka ny hamaly azy toy izao ve: ‘Ireto izahay! Izahay no matahotra anao’? Azo antoka fa izany tokoa! Iza àry izany? Ireo Vavolombelon’i Jehovah mahatoky miely patrana amin’ny tany manontolo. Izany antokon’olona avy amin’ny firenena rehetra izany sy ny asa tanterahiny dia nambara tamin’izao teny izao ao amin’ny Malakia 1:11: “Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa, ary any amin’ny tany rehetra no (...) hanaterana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — Jereo koa Salamo 67:7; Isaia 33:5, 6; 41:5; 59:19; Jeremia 32:39, 40.
16. Mety hilaza inona indrindra moa ny fitenenana hoe hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, ary inona no tena ataon’ireo mpanompon’i Jehovah?
16 Tamin’ireo teny ireo dia nolazalazain’i Malakia tsara ny asa lehibe tanterahina amin’izao andro izao, dia asa fitoriana ny vaovao tsara amin’ny tany manontolo (Matio 24:14; Apokalypsy 14:6, 7). Amin’ny heviny ara-jeografia, ny fitenenana hoe hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia milaza hoe hatrany atsinanana ka hatrany andrefana. Marina tokoa fa na aiza na aiza itodihantsika amin’izao andro izao, dia mahita olona matahotra an’i Jehovah sy misahirana manao ny sitrapony isika. Io fitenenana io koa dia mety hilaza hoe eo amin’ny fanombohana ka hatreo amin’ny faran’ny andro. Raha ny marina, ireo mpanompon’Andriamanitra izay matahotra azy dia mampiakatra fiderana mankany aminy mandrakariva. Araka ny nampanantenain’i Jehovah, ny anarany dia ambaran’ireo izay matahotra azy marina tokoa amin’ny tany rehetra. — Eksodosy 9:16; 1 Tantara 16:23, 24; Salamo 113:3.
Aoka tsy hariantsika ny tahotra tokony ho an’i Jehovah
17. Inona no mety hitranga amintsika raha manary ny fanajana sy ny fahatahorana an’i Jehovah isika?
17 Manjary mavesatra ho an’ireo izay mitsahatra tsy manaja sy matahotra azy ny mivavaka amin’i Jehovah sy manompo azy. Izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny Isiraelita: “Fa hianareo kosa manamavo izany amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. Hoy koa hianareo: Tsy mba hasasarana lahy!” (Malakia 1:12, 13). Amin’izao androntsika izao, ireo izay manary ny fahatahorana an’i Jehovah dia mety hanjary hamelona fihetseham-po sahala amin’izany. Amin’izy ireny dia hanjary ho enta-mavesatra ny fivoriana, ny fitoriana sy ireo asa kristiana hafa.
18. Inona no mitranga amin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany amin’izao androntsika izao?
18 Izao no azo novakina tao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 1 martsa 1937 momba ireny olona ireny: “Ho an’ireo nivadika, ny tombontsoa hanompo an’Andriamanitra sy hitondra ho an’ny hafa ireo vokatr’ilay Fanjakana, araka ny baikony, dia tonga fombafomba mamizana sy ivelany; izany tokoa dia tsy manolotra ho azy ireny mihitsy, fahafahana hamirapiratra eo imason’ny olona. Mampietry loatra ho an’ireny mieboebo ireny ny mitondra ny hafatra vita an-tsoratra momba ilay Fanjakana isam-baravarana sy ny mampanaiky izany ny olona. Tsy mahita fahafinaretana avy amin’izany mihitsy izy ireny (...). Izany no antony nilazan’izy ireo hatramin’izao andro izao hoe: ‘Tsy inona fa fivarotam-boky io fitetezana mitondra zavatra vita an-tsoratra io. Ary toy inona ny asa mamizana takiny!’ ” Amin’izao andro izao koa, ny sasany dia mbola mahita fa mahatofoka ny fitoriana ary manorisory ireo fivoriana. Mety hanjary hieritreritra toy izany isika raha tsy mahatsiaro tahotra na fitiavana an’i Jehovah intsony.
19. Ahoana no azontsika anohizana maneho ny fankasitrahantsika noho ireo fandaharana ataon’i Jehovah ho antsika?
19 Raha tsy manary ny fahatahorana an’i Jehovah isika, dia hanetry tena hatrany eo anatrehany ary ho velom-pankasitrahana azy noho izay rehetra nataony ho antsika. Na hanatrika fivoriana kely atao ao amin’ny tokantrano iray isika na hanatrika fihaonambe misy olona an’aliny maro voalamina ao amin’ny kianja iray, dia velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny tombontsoa ananantsika afaka miara-mivory amin’ireo rahalahintsika kristiana. Haneho ny fankasitrahantsika isika amin’ny fahatongavana sy amin’ny famporisihana ny mpanatrika hafa ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” amin’ny alalan’ny resaka mampandroso ataontsika, ary koa amin’ireo valin-teny homentsika mandritra ireo fivoriana (Hebreo 10:24, 25). Raha manana tombontsoa isika mandray anjara amin’ny fandaharana dia tsy ao anatin’ny minitra farany vao hiomana, amin’ny fanangonana hevitra vitsivitsy maimaika. Tsy hihevitra na oviana na oviana ireny fanomezana anjara ireny ho tsy dia manao ahoana isika. Tombontsoa masina izany, ary ny fomba iantsorohantsika izany dia filazana fanampiny ny halalin’ny fanajana sy ny fahatahorantsika an’i Jehovah.
20. a) Inona no tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana? b) Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana isika?
20 Fiafarana mampangitakitaka toy inona moa no hitan’ireo izay manary ny fahatahorana an’i Jehovah! Tsy ampy fankasitrahana noho ny tombontsoa ho an’izay tsy mendrika akory atolotra antsika mba hitanana fifandraisana amin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao izy ireo. “Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.” (Malakia 1:14; Apokalypsy 15:4). Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana izany. Aoka ny tsirairay avy amintsika hanahaka ny mpanao salamo izay nilaza hoe: “Naman’izay rehetra matahotra Anao aho.” (Salamo 119:63). Taorian’ny fandinihana an’io raharaha io, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra tahaka ny nataon’i Solomona isika, dia ny hoe: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” — Mpitoriteny 12:13, 14.
Fianarana tokony hotsoahina avy amin’ny bokin’i Malakia:
◻ Nahoana moa ny Isiraelita no tsy maintsy natahotra an’i Jehovah?
◻ Ahoana moa no ampisehoan’ny ataontsika fa matahotra an’i Jehovah tokoa isika?
◻ Inona moa no porofo ananantsika fa misy olona matahotra an’i Jehovah manerana ny tany amin’izao andro izao?
◻ Nahoana moa isika no tsy tokony hanary ny fahatahorana an’i Jehovah?
[Teny notsongaina, pejy 18]
Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, dia asandratra hatrany ny anaran’i Jehovah.
[Sary, pejy 17]
Nanamavo an’i Jehovah ny Isiraelita tamin’ny fanolorana ho fanatitra, biby jamba, mandringa na marary.