-
EsaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ahitana ny fomba fihevitr’i Jehovah. Hita avy amin’ny toetran’i Esao fa tsy hoe niangatra na nifidifidy olona i Jehovah Andriamanitra rehefa nifidy an’i Jakoba ho razamben’ilay Taranaka nampanantenaina. Tsy nankasitraka ny tombontsoa nomen’i Jehovah i Esao, sady tsy nieritreritra afa-tsy ny hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony, ka tsy mendrika ny ho razamben’ilay Taranaka nampanantenaina. Izany no nahatonga an’i Jehovah hilaza toy izao tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Tiako anefa i Jakoba, fa i Esao kosa halako.” Mitanisa an’ireo vavolombelona maro be nanam-pinoana i Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Tsy nataony anisan’izy ireny anefa i Esao, satria nanoratra izy hoe finoana no nahatonga an’i Abrahama ‘hitoetra an-tranolay niaraka tamin’i Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova aminy an’io fampanantenana io.’—Ml 1:2, 3; He 11:8, 9; 12:1.
-
-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny Malakia 1:2, 3, izay nosoratana ela be taorian’ny andron’i Jakoba sy Esao, no naverin’i Paoly rehefa nilaza izy fa tian’i Jehovah i Jakoba, fa i Esao kosa halany. Tsy milaza àry ny Baiboly hoe efa izay no fihetseham-pon’i Jehovah tamin’ireo kambana ireo, tamin’izy ireo mbola tsy teraka. Porofoin’ny siansa fa vao miforona ao an-kibo ny zaza dia efa azo fantarina ny ankamaroan’ny toetrany, satria nolovany tamin’ny rainy sy ny reniny izany. Fantatr’Andriamanitra izany, matoa nilaza i Davida hoe hitan’i Jehovah izy “na dia mbola vao niforona aza.” (Sl 139:14-16; jereo koa Mpto 11:5.) Tsy fantatra raha izany no nahatonga an’i Jehovah hilaza mialoha fa i Jakoba no ho tiany kokoa noho i Esao. Tsy midika anefa izany hoe efa voalahatra ho ringana i Esao sy ny Edomita taranany. Voaozona koa ny firenena kananita, nefa nisy Kananita nifandray tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ihany ka nahazo fitahiana. (Ge 9:25-27; Js 9:27; jereo KANANA, KANANITA No. 2.) Tsy tia zavatra ara-panahy i Esao ka tsy nomen’i Isaka rainy azy ilay tsodrano natokana ho an’ny lahimatoa, fa nomeny an’i Jakoba. Tsy nibebaka mihitsy i Esao ka tsy nahazo an’ilay tsodrano, na dia nitalaho mafy tamin-dranomaso aza izy mba ‘hiova hevitra’ i Isaka.—Ge 27:32-34; He 12:16, 17.
-
-
FankahalanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Misy fankahalana mety. Tsy ratsy foana anefa ny mankahala, satria voalaza fa “misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana.” (Mpto 3:1, 8) Lazaina mihitsy aza fa halan’i Jehovah i Esao. (Ml 1:2, 3) Tsy hoe halan’Andriamanitra fotsiny tamin’izao izy. Efa nasehon’i Esao mihitsy mantsy fa tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah izy: Nataony tsinontsinona sy namidiny ny zon’ny lahimatoa, ka lasa nataony tsinontsinona koa ny fampanantenana sy ny fitahian’Andriamanitra izay tokony ho azy. Nikasa ny hamono an’i Jakoba rahalahiny koa izy. (Ge 25:32-34; 27:41-43; He 12:14-16) Halan’i Jehovah koa ny maso miandranandrana, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy. Raha fintinina àry dia halan’i Jehovah izay olona na zavatra manohitra an-kitsirano azy sy ny lalàny marina.—Oh 6:16-19; De 16:22; Is 61:8; Za 8:17; Ml 2:16.
-