Fanekena mifamatotra amin’ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra
“Jehovah (...) mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay (...), dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby.” — SALAMO 105:7, 8.
1, 2. Nahoana no azo atao ny milaza fa mifamatotra amin’ny fahaveloman’ny ankamaroan’olona ny fanekena iray?
AZO inoana tokoa fa misy fanekena mifamatotra amin’ny fahavelomanao — amin’ny fiainanao tamin’ny lasa sy ankehitriny ary ho avy. ‘Fanekena inona izany?’ hoy angamba ianao. Tsy inona izany fa ny fanambadiana. Ny ankamaroantsika tokoa dia teraka avy amin’ny fanambadiana ary maro be no manambady. Na dia ireo tsy manambady aza dia angamba mikasa ny hanandrana ireo fifaliana avy amin’ny fanambadiana indray andro any.
2 Taonjato maro lasa izay, Malakia mpaminany hebreo dia niresaka ny amin’ny “vadin’ny fahatanoranao”, “namanao sady vady efa vita fanekena taminao”. (Malakia 2:14-16.) Azony natao ny nampitovy ny fanambadiana tamin’ny fanekena, satria izany fanekena na fifanarahana ampahibemaso, fifanarahan’ny andaniny roa noho ny zava-kendrena iombonana. Ny fanambadiana dia fanekena ifanaovan’olon-droa aneken’ny andaniny roa ho tonga mpivady sy anantenany handray soa maharitra avy amin’izany.
3. Nahoana moa no mety hahakasika antsika bebe kokoa noho ny fanambadiana ny fanekena hafa?
3 Mety ho hita fa ny fanambadiana no fanekena misy vokany indrindra eo amin’ny olombelona. Miresaka ny amin’ny fanekena mbola lehibe kokoa ihany anefa ny Baiboly. Raha nampifanohitra ireo fanekena ao amin’ny Baiboly tamin’ny fanekena ara-pivavahana hafa ny firaketana iray dia nilaza mazava fa ao amin’ny Baiboly ihany izany “fandaharana ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ireo mpanompony izany no tonga fandehan-javatra lehibe tokoa hisy akony eo amin’izao rehetra izao manontolo amin’ny farany”. Ireny fanekena ireny tokoa dia mifamatotra amin’ny fikasana mandrakizain’ny Mpamorona antsika tia. Araka ny ho hitantsika, dia mety hitondra soa tsy hay lazaina ho antsika izany. Aoka hodinihintsika hoe amin’ny fomba ahoana.
4. Inona moa ny fanekena vaovao izay manazava ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra?
4 Fantatra tsara ireo vokatra mahatsiravin’ny fikomian’i Adama sy Eva tamin’ny fahefan’Andriamanitra. Avy amin’izy ireo no nandovantsika ny tsy fahatanterahana izay miteraka aretina sy fahafatesana amin’ny farany (Genesisy 3:1-6, 14-19). Afaka ny ho faly anefa isika satria ny fahotan’izy ireo tsy nanakantsakana ny fikasan’Andriamanitra izay maniry ny hameno ny tany amin’ny tena mpanompony hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tsara sy ny fahasambarana. Ny amin’izany, dia nanorina ny fanekena hita ao amin’ny Genesisy 3:15 i Jehovah: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” Miteraka fanontaniana maro tsy mbola voavaly anefa io fitenenana fohy sy misy fanoharana io. Ahoana no hanatanterahan’i Jehovah ireo fampanantenana mifamatotra amin’io fanekena io?
5, 6. a) Tapa-kevitra ny hampiasa inona moa Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany? b) Nahoana moa isika no tokony hihevitra ny fomba ampiasain’Andriamanitra mba hahatongavana amin’izany?
5 Tapa-kevitra Andriamanitra ny hanomana fitohitohizam-panekena hafa, ka fito ny isany amin’ny fitambarany, raha ampidirina ilay nomarihina tany Edena. Manana adidy hahafantatra ireo fanekena ireo izay rehetra maniry hahita fahasambarana mandrakizay. Ilaintsika ny mahafantatra ankoatra ny zavatra hafa ny fotoana sy ny fomba nanaovana izany, iza no nifanaiky, ahoana no voalaza sy ny zava-nokendrena taminy, ary inona no fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hanome ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò. Tena amin’ny ilàna azy ny fandinihana ireny fanekena ireny rehefa manatona ny andro fahatsiarovana, andro hivorian’ireo kongregasiona kristiana mba hahatsiarovana ny Sakafo harivan’ny Tompo, sakafo misy fifandraisana mivantana amin’ireny fanekena ireny.
6 Marina fa amin’ny olona sasany, ny firesahana ny amin’ny fanekena dia maina, mifandray amin’ny fomban-javatra ary tsy mahaliana firy ny olombelona. Izao anefa no azo vakina ao amin’ny Rakibolana ara-teolojia momba ny Testamenta Taloha (anglisy): “Fahizay, ny teny adika hoe ‘fanekena’ any Atsinanana Akaiky, any Grisia ary any amin’ny tany romana (...) dia misy lafiny roa raha ny amin’ny heviny: ny fianianana sy ny fanekena etsy andaniny, ny fitiavana sy ny fisakaizana etsy ankilany.” Azo atao ny mihevitra izany lafiny roa izany — fianianana sy fisakaizana — ho fototra iankinan’ireo faneken’i Jehovah.
Ny fanekena natao tamin’i Abrahama: fototry ny soa mandrakizay
7, 8. Karazam-panekena inona moa no nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama (1 Tantara 16:15, 16)?
7 Abrahama patriarka, “rain’ny olona rehetra izay mino” dia “sakaizan’i Jehovah”. (Romana 4:11; Jakoba 2:21-23.) Nanao fanekena taminy Andriamanitra, ka nanamarika tamin’izany, fanekena izay fototry ny fanantenantsika hahita fahasambarana mandrakizay. — Hebreo 6:13-18.
8 Raha mbola nonina tany Ora i Abrahama, dia nilaza taminy Jehovah mba hiainga ho any an-tany hafa izay tsy iza fa Kanana, ka nanome azy izao fampanantenana izao: “Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; (...) ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tanya.” (Genesisy 12:1-3). Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nanome miandalana, andinindininy ny amin’izay antsointsika ara-drariny hoe ny fanekena nifanaovana tamin’i Abrahama: ny taranaka na mpandova an’i Abrahama dia handova ny Tany nampanantenaina; tsy ho hita isa ny taranany; hisy mpanjaka ho anisan’ny taranak’i Abrahama sy Saraha. — Genesisy 13:14-17; 15:4-6; 17:1-8, 16; Salamo 105:8-10.
9. Ahoana no ahafantarantsika fa mety hitondra soa ho antsika ny fanekena natao tamin’i Abrahama?
9 Nantsoin’Andriamanitra hoe “fanekeko ho amiko sy ho aminao [Abrahama]” io fanekena io. (Genesisy 17:2.) Tokony ho fantatsika anefa fa mahakasika ny fiainantsika izany, satria tatỳ aoriana dia nanitatra ny vidiny Andriamanitra tamin’ny fanambarana hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:17, 18). Koa satria anisan’ireny “firenena” ireny isika, dia mety hitondra soa ho antsika io fanekena io.
10. Inona no ampahafantarin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama antsika?
10 Aoka hodinihintsika izao izay mety hampahafantarin’ny fanekena nifanaovana tamin’i Abrahama amintsika. Sahala amin’ilay fanekena natao tany Edena talohany, io fanekena io dia manambara “taranaka” mbola ho avy, ka mampahafantatra izany fa ho avy amin’ny taranak’olombelona io taranaka io (Genesisy 3:15). Handalo amin’i Sema io taranaka io, avy eo dia amin’i Abrahama sy amin’Isaka zanany. Hisy mpanjaka aminy ary hitondra fitahiana amin’ny fomba isan-karazany izy, tsy ho an’ny fianakaviana iray monja, fa ho an’olombelona avy amin’ny tany rehetra. Ahoana no nahatratraran’io fanekena io ny zava-kendreny?
11. Nahita fahatanterahany ara-bakiteny inona moa ny fanekena natao tamin’i Abrahama?
11 Ireo taranak’i Abrahama nateraka tamin’ny alalan’i Jakoba, na Isiraely, dia nihamaro ka tonga firenena lehibe. Noho izy ireo, araka ny nofo, taranak’i Abrahama tsy hita isa, dia nanokan-tena ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’ilay Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy ireo (Genesisy 28:13; Eksodosy 3:6, 15; 6:3; Asa. 3:13). Matetika ny Isiraelita no niala tamin’ny fivavahana madio, kanefa “Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy (...) noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy.” (2 Mpanjaka 13:23; Eksodosy 2:24; Levitikosy 26:42-45.) Na dia taorian’ny nandraisan’Andriamanitra ny kongregasiona kristiana aza, dia nanohy kelikely naneho fankasitrahana manokana ny Isiraelita, izay nahaforona ny taranak’i Abrahama araka ny nofo izy. — Daniela 9:27.
Ny taranaka ara-panahin’i Abrahama
12, 13. Ahoana moa no nihariharian’i Jesosy ho ny lehibe indrindra anisan’ny taranaka teo amin’ny fahatanterahana ara-panahin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama?
12 Nisy fahatanterahany hafa, ara-panahy kosa, ny fanekena nifanaovana tamin’i Abrahama. Ho sarotra ny hahatakatra ny heviny talohan’ny andron’i Jesosy, nefa soa ihany fa azo atao izany amin’izao androntsika izao. Io fahatanterahany lehibe kokoa io dia hazavaina amintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Paoly: “Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ‘ary ho an’ny taranakao’, dia Kristy izany.” — Galatiana 3:16.
13 Tokony ho avy amin’ny fiaviana na fianakaviana iray monja tokoa ilay taranaka. Izany no hita tamin’i Jesosy, Jiosy araka ny nofo, taranak’i Abrahama (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-34). Afa-tsy izany koa, tany an-danitra izy dia anisan’ny fianakavian’ilay Abrahama Lehibe. Aoka hotadidiantsika fa rehefa netsehin’ny finoana lalina i Abrahama patriarka dia vonona ny hanao sorona an’i Isaka zanany raha tian’Andriamanitra izany (Genesisy 22:1-18; Hebreo 11:17-19). Toy izany koa, Jehovah dia naniraka ny Zanany lahitokana teto an-tany, mba hanomezany sorom-panavotana ho an’ny olombelona izay hino azy (Romana 5:8; 8:32). Takatra àry ny hoe nahoana i Paoly no nanondro an’i Jesosy Kristy ho ny lehibe indrindra amin’ny taranak’i Abrahama voatonona ao amin’io fanekena io.
14. Iza moa no tapany manarakaraka amin’ny taranak’i Abrahama, ary inona no tokony hodinihintsika koa?
14 Nilaza nanaraka izany i Paoly fa, tamin’ny fahatanterahany ara-panahy, Andriamanitra dia ‘hahamaro ny taranak’i Abrahama’. Izao no nosoratany: “Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” (Genesisy 22:17; Galatiana 3:29). Ireo mpandova ireo dia ny kristiana voahosotra 144 000 izay mahaforona tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama. Tsy nanohitra ny lehibe indrindra anisan’ny taranaka izy ireo fa “an’i Kristy”. (1 Korintiana 1:2; 15:23.) Fantatsika fa maro be amin’izy ireny no tsy taranak’i Abrahama, satria avy amin’ny firenena tsy jiosy. Ny mbola zava-dehibe kokoa, amin’ny fahatanterahany ara-panahy, dia tsy anisan’ny fianakavian’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah, avy hatrany izy ireo, fa avy amin’ny fianakaviana tsy tanterak’i Adama mpanota. Ilaintsika àry ny mandinika ireo fanekena tatỳ aoriana mba hahitana ny fomba mety hahafenoan’ireny mpandova ireny ireo fepetra takina mba hahatongavana ho anisan’ny “taranak’i Abrahama”.
Nanampy vonjimaika ny faneken’ny Lalàna
15-17. a) Nahoana moa ny faneken’ny Lalàna no nanampy ny fanekena natao tamin’i Abrahama? b) Ahoana no nahatratraran’ny Lalàna izany zava-kendrena izany?
15 Taorian’ny nanaovan’Andriamanitra ny fanekena tamin’ny alalan’i Abrahama, fandaharana tena lehibe ho an’ny fahatanterahan’ny fikasany amin’ny ho avy, ahoana no hiarovana ny fiavian’ilay Taranaka amin’ny fandotoana na ny fahafoanana mandra-pahatongan’ny fotoana voatendry hisehoany? Ary rehefa ho tonga ilay Taranaka, ahoana no mety hahafantaran’ireo mpivavaka marina aminy? Namaly ireo fanontaniana ireo ny apostoly Paoly tamin’ny fanazavana ny fahendren’Andriamanitra nasehony tamin’ny fanampiana vetivety ny faneken’ny Lalàna. Izao no nosoratany:
16 “Inona ary ny lalàna”? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’anjely teo an-tànan’ny mpanalalana izany. (...) Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” — Galatiana 3:19, 24.
17 Teo an-tendrombohitra Sinay, Jehovah dia nanao fanekem-pirenena tsy nanam-paharoa teo amin’izy sy ny Isiraely: ny faneken’ny Lalàna izay Mosesy no mpanalalana taminyb (Galatiana 4:24, 25). Neken’ny vahoaka ny hiditra tamin’io fanekena io, izay natao tonga ara-dalàna tamin’ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny osilahy (Eksodosy 24:3-8; Hebreo 9:19, 20). Nomeny ho an’ny Isiraelita ny lalàna teokratika sy ny fotopototry ny fitondram-panjakana marina. Io fanekena io dia nandrara azy ireo tsy hifanambady tamin’ny mpanompo sampy, tsy hanana fitondrantena maloto na handray anjara amin’ireo fanaon’ny fivavahan-diso. Tamin’izany no niarovany azy ireo sady niantoka ny fahadiovan’ny fiaviana nitarika ho amin’ilay taranaka (Eksodosy 20:4-6; 34:12-16). Kanefa satria tsy nisy mihitsy Isiraelita tsy tanteraka afaka nanaraka izany tamin’ny fomba feno, ny Lalàna dia nahatonga ny fahotana hiharihary (Galatiana 3:19). Nohazavainy koa fa nilaina ny mpisorona tanteraka, maharitra iray, sy sorona tsy hila ny hohavaozina isan-taona. Ny Lalàna dia toy ny mitaiza mitarika ankizy iray ho amin’ny mpampianatra ilainy. Ho ny Mesia, na Kristy, izany mpampianatra izany (Hebreo 7:26-28; 9:9; 10:1-4, 11). Rehefa ho nahatratra ny zava-kendreny ny faneken’ny Lalàna dia hifarana. — Galatiana 3:24, 25; Romana 7:6; jereo “Fanontanian’ny mpamaky”, pejy faha-31.
18. Fahatsinjovan-javatra hafa inona moa no nifamatotra tamin’ny faneken’ny Lalàna, kanefa nahoana no sarotra ny nahatakatra izany?
18 Fony izy nanao io fanekena vonjimaika io, dia nampahafantatra izao zava-kendrena miavaka izao Andriamanitra: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo (...). Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Tonga firenen’ny mpanjaka sady mpisorona! Fahatsinjovan-javatra be voninahitra re izany! Fa ahoana no hetezan’izany? Araka ny nolazain’ny Lalàna mazava tatỳ aoriana, ilay foko nitondra (Joda) sy ilay foko nanana fisoronana (Levy) dia nanankinana andraikitra samy hafa (Genesisy 49:10; Eksodosy 28:43; Nomery 3:5-13). Tsy nisy mihitsy olona afaka ny sady ho filoha sivily no ho mpisorona. Kanefa, ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Eksodosy 19:5, 6 dia mitarika antsika hieritreritra fa amin’ny fomba tsy nambara, ireo izay teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna dia hanana fahafahana hanome ireo ho anisan’ny ‘fanjakà-mpisorona sy firenena masina’.
Ny fanekena natao tamin’i Davida momba ny Fanjakana iray
19. Ahoana moa no nanambaran’ireo fanekena ny fiandrianana?
19 Rehefa nandeha ny fotoana, dia mbola nanao fanekena hafa koa Jehovah, ka izay dia nanazava tsara kokoa ihany ny fomba hanatanterahany ny fikasany, mba hahasambatra antsika mandrakizay. Hitantsika fa ny fanekena natao tamin’i Abrahama dia nanambara fiandrianana avy amin’ny taranak’i Abrahama araka ny nofo (Genesisy 17:6). Nanambara koa ny faneken’ny Lalàna fa hisy mpanjaka eo amin’ny olon’Andriamanitra, satria hoy Mosesy tamin’ny Isiraely: “Rehefa tonga any amin’ny tany [ny Tany nampanantenaina] (...) hianao ka (...) manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, dia izay hofidin’i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao (...) fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ny rahalahinao hianao.” (Deoteronomia 17:14, 15). Ahoana no hanorenan’Andriamanitra io fiandrianana io, ary inona no hifandraisan’izany amin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama?
20. Ahoana moa no nahatafiditra an’i Davida sy ny taranany?
20 Saoly, avy amin’ny fokon’i Benjamina, no mpanjakan’ny Isiraely voalohany, kanefa ny nandimby azy dia Davida, lehilahy be herim-po sy nahatoky avy amin’ny fokon’i Joda (1 Samoela 8:5; 9:1, 2; 10:1; 16:1, 13). Rehefa voaorina tsara ny fanjakan’i Davida, dia tapa-kevitra Jehovah ny hanao fanekena taminy. Izao aloha no nolazainy taminy: “Hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko; dia io no hanao trano ho an’ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay.” (2 Samoela 7:12, 13). Mifanaraka amin’ireo teny ireo, dia Solomona, zanak’i Davida, no nandimby an-drainy sy nanorina trano na tempoly ho an’Andriamanitra tany Jerosalema. Tsy izay ihany anefa.
21. Nilaza inona moa ny fanekena ny amin’ny Fanjakana iray natao tamin’i Davida?
21 Rehefa avy eo dia nanao izao fanekena izao tamin’i Davida Jehovah: “Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (2 Samoela 7:16). Miharihary fa tamin’izay Andriamanitra dia nanorina tarana-mpanjaka ho an’ny Isiraely tao amin’ny fianakavian’i Davida. Tsy ho fifandimbiasa-mpanjaka avy amin’i Davida tsy hisy fahatapahany fotsiny izany. Amin’ny farany tokoa dia hisy iray fiaviana amin’i Davida hanjaka “mandrakizay, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako [Andriamanitra]”. — Salamo 89:20, 29, 34-36; Isaia 55:3, 4.
22. Inona moa no vokatry ny fanekena natao tamin’i Davida teo amin’ny fiavian’ny Taranaka, ary inona no nitranga tamin’ny farany?
22 Hita mazava àry fa ny fanekena natao tamin’i Davida dia nilazalaza akaiky kokoa ny fiaviana nitarika ho amin’ilay Taranaka. Na dia ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany aza dia nahafantatra fa tokony ho taranak’i Davida ny Mesia (Jaona 7:41, 42). Jesosy Kristy, ilay lehibe indrindra tamin’ny anisan’ny taranaky ny fanekena nifanaovana tamin’i Abrahama, dia nahafeno ireo fepetra notakina mba hahatongavana ho Mpandova maharitra an’io Fanjakana avy amin’i Davida io, araka ny noporofoin’ny anjely iray (Lioka 1:31-33). Nanana zo hanjaka teo amin’ny Tany nampanantenaina, dia ny fanjakana teto an-tany nanjakan’i Davida, àry i Jesosy. Tokony hampitombo ny fitokiantsika an’i Jesosy izany. Tsy amin’ny fomba tsy ara-dalàna, amin’ny fakana an-keriny, akory no anjakany, fa araka ny fandaharana ara-dalàna, araka ny faneken’Andriamanitra.
23. Fanontaniana inona avy no mbola mila fanazavana?
23 Tsy nijery afa-tsy efatra monja tamin’ireo faneken’Andriamanitra mifamatotra amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hitahy mandrakizay ny olombelona, isika. Araka ny azo inoana fa ampoizinao, dia mbola misy raharaha tokony hohazavaina: Koa satria ny olombelona mbola tsy tanteraka ihany, mpisorona iza, sorona inona, no ho afaka hitondra fanafodin’izao tarehin-javatra izao amin’ny fomba maharitra? Ahoana no mety hahatonga olombelona hahafeno ireo fepetra takina mba hahatongavana ho anisan’ny taranak’i Abrahama? Moa ve misy antony tokony hinoana fa tsy ho voafetra ho amin’ny faritra eto an-tany fotsiny ny zo hanjaka? Ahoana no hitondran’ny taranak’i Abrahama, na ny lehibe indrindra aminy, na ny manarakaraka, fitahiana ho an’ny “firenena rehetra ambonin’ny tany”, ao anatin’izany ny tsirairay avy amintsika? Aoka hodinihintsika ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fanekena mihatra amin’ny ankilany ihany izany, satria andaniny iray ihany (Andriamanitra) no niantoka ny fanatanterahana ny voalaza aminy.
b “Ny hevitra ny amin’ny fanekena dia toetra nampiavaka ny fivavahan’ny Isiraely, ny hany nitaky fahatokiana feno sy nandidy ny tsy hivadika tanteraka amin’ny raharaha iray na maromaro, mifanohitra amin’ny fivavahana hafa.” — Rakibolana momba ny teolojian’ny Testamenta Taloha (anglisy), boky II, pejy faha-278.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana moa no nametrahan’ny fanekena natao tamin’i Abrahama fototra izay hahatonga antsika ho afaka hahazo fitahiana mandrakizay?
◻ Iza moa no taranak’i Abrahama araka ny nofo? Ny taranaka ara-panoharana?
◻ Nahoana moa ny faneken’ny Lalàna no nanampy ny fanekena natao tamin’i Abrahama?
◻ Tamin’ny ahoana moa ny fanekena ny amin’ny Fanjakana natao tamin’i Davida no niasa ho an’ny fikasan’Andriamanitra?
[Kisary, pejy 13]
(Jereo ny gazety)
Fanekena tany Edena Genesisy 3:15
Fanekena tamin’i Abrahama
Taranaka lehibe indrindra
Taranaka manarakaraka
Soa mandrakizay
[Kisary, pejy 14]
(Jereo ny gazety)
Fanekena tany Edena Genesisy 3:15
Fanekena tamin’i Abrahama
Faneken’ny Lalàna
Fanekena ny amin’ny Fanjakana tamin’i Davida
Taranaka lehibe indrindra
Taranaka manarakaraka
Soa mandrakizay
[Sary, pejy 10]
Mba hanatanterahana ny fikasany ny amin’ny olombelona, dia nanao fanekena tamin’i Abrahama nahatoky Andriamanitra.