-
JaonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tamin’i Jaona tany am-ponja, dia henony fa nanao fahagagana maro i Jesosy, anisan’izany ny nananganany ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tao Naina. Te hahazo toky avy tamin’i Jesosy i Jaona, ka naniraka mpianatra roa mba hanontany azy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” Tsy namaly nivantana i Jesosy fa nanasitrana olona maro teo anatrehan’ireo mpianatr’i Jaona ireo, ary namoaka demonia mihitsy aza. Nasainy nolazain’izy ireo tany amin’i Jaona, avy eo, hoe sitrana ny jamba sy ny marenina ary ny malemy tongotra, ary nitoriana ny vaovao tsara ny mahantra. Tsy tamin’ny teny fotsiny àry, fa tamin’ny atao koa, no nampaherezany an’i Jaona sy nanomezany toky azy fa i Jesosy tokoa no Mesia (Kristy). (Mt 11:2-6; Lk 7:18-23) Rehefa lasa ireo irak’i Jaona, dia nolazain’i Jesosy tamin’ny vahoaka teo fa mihoatra noho ny mpaminany i Jaona, ary izy raha ny marina no ilay nambaran’i Malakia mpaminanin’i Jehovah. Nampihariny tamin’i Jaona koa ny faminanian’i Isaia (Is 40:3), toy ny efa nataon’i Zakaria rain’i Jaona.—Ml 3:1; Mt 11:7-10; Lk 1:67, 76; 7:24-27.
-
-
Malakia, Bokin’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Resahin’ilay boky fa ho avy ny Mesia sy ny andron’i Jehovah. Haniraka ny ‘irany’ koa i Jehovah. Ho mpialoha lalana fotsiny anefa io iraka io. Hialoha an’ilay “iraky ny fifanekena” izay hiaraka amin’i Jehovah izy io. (Ml 3:1) Asehon’ny Filazantsaran’i Matio (11:10-14; 17:10-13) sy Marka (9:11-13) ary Lioka (1:16, 17, 76) fa i Jaona Mpanao Batisa, izay nialoha lalana an’i Jesosy, no ilay ‘iraka’ sy ilay “Elia” noresahin’ny Malakia 3:1 sy 4:5, 6.
-
-
IrakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo ilazana anjely ny teny hebreo sy grika nadika hoe “iraka.” (Sl 104:4; Jn 1:51) Ny teny manodidina no ahalalana hoe olona sa anjely no tiana horesahina. Anjely, ohatra, ilay resahin’ny Isaia 63:9 hoe “iraka manokana” nalefan’i Jehovah, satria namonjy ny Israelita izy io.—Ampit. Ek 14:19, 20.
Naniraka anjely i Jehovah mba hampita hafatra tamin’olona sy hanatanteraka asa hafa. (Jereo ANJELY.) Imbetsaka koa anefa izy no nampiasa olona. Irak’i Jehovah teo amin’ny firenen’Israely ny mpaminaniny sy ny mpisorony. (2Ta 36:15, 16; Hg 1:13; Ml 2:7) Azo antoka fa ho tanteraka ny tenin’ny mpaminaniny, satria i Jehovah no “Ilay manatontosa an-tsakany sy an-davany ny hafatra ambaran’izay irahiny.”—Is 44:26.
-