-
‘Fitahiana Be dia Be Mihoatra Noho Izay Ilaina’Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah
-
-
1, 2. a) Inona no soa mety ho azonao? b) Inona ilay faminaniana tanteraka izay mety hahazoantsika fitahiana?
FOTOANA fitsarana izao, nefa koa fotoana ahazoana fitahiana. Mihena ny herin’ny ankamaroan’ny fivavahana, fa naverina tamin’ny laoniny kosa ny fivavahana marina. Azo antoka fa ho tianao ny handray soa avy amin’izany dieny izao sy amin’ny hoavy, ary ho tianao koa ny hahazo fitahiana! Inona anefa no tokony hataonao? Hanampy anao ny fandinihana ny faminaniana iray, izay nisy fahatanterahany lehibe taoriana kelin’ny nanombohan’ny “andro farany” tamin’ny 1914. (2 Timoty 3:1) Hoy izy io: ‘ “Ho avy ao amin’ny tempoliny [i Jehovah] ilay tena Tompo tadiavinareo sy ilay iraky ny fifanekena izay sitrakareo. Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.’—Malakia 3:1.
-
-
‘Fitahiana Be dia Be Mihoatra Noho Izay Ilaina’Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah
-
-
FOTOANA ANADIOVANA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA
3. Inona no nahatonga an’i Jehovah hifidy ny “Israelin’Andriamanitra”?
3 Tonga tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Jehovah, 500 taona teo ho eo taorian’ny naminanian’i Malakia. Nahoana? Mba hitsara an’ilay vahoaka nanaovany fifanekena. I Kristy no nisolo tena azy tamin’izay, satria izy io no “iraky ny fifanekena”, dia ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Tsy mendrika ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah intsony anefa ilay firenena, ka nolaviny. (Matio 23:37, 38) Porofon’izany ny zava-nitranga tamin’ny taona 70. Nifidy ny “Israelin’Andriamanitra” indray àry i Jehovah. Firenena ara-panahy misy Kristianina 144 000 avy amin’ny firenena rehetra, izy io. (Galatianina 6:16; Romanina 3:25, 26) Tanteraka ankehitriny koa anefa ny faminanian’i Malakia, izay hanampy anao hahazo ‘fitahiana be dia be, mihoatra noho izay ilainao aza.’
4. Inona no fanontaniana nilana valiny, taorian’ny nanendrena an’i Jesosy ho Mpanjaka tamin’ny 1914?
4 Hita amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, fa notendren’i Jehovah ho Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Avy eo dia tonga ny fotoana hijerena hoe Kristianina iza no mendrika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Iza àry no hita hoe madio ny fivavahany? Hoy i Malakia: ‘Iza no hahatanty ny andro iaviany, ary iza no hahajoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly izy.’ (Malakia 3:2) Oviana àry i Jehovah no tonga tao amin’ny “tempoliny” mba hitsara, ary tamin’ny fomba ahoana?
5, 6. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo nihambo ho mpanompony, rehefa nankao amin’ny tempoliny ara-panahy izy? b) Inona no nilain’ireo Kristianina voahosotra?
5 Tsy tao amin’ny tempoly vita tamin’ny vato Andriamanitra no tonga mba hitsara, satria efa rava tamin’ny taona 70 ilay tempoly foiben’ny fivavahana marina. Nankao amin’ny tempoly ara-panahy kosa izy. Tsy inona izy io fa ny lamina napetrany mba hahafahan’ny olombelona hanatona azy sy hanompo azy, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Hebreo 9:2-10, 23-28) Tsy ireo fiangonan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy io. Nandray anjara tamin’ny famonoan’olona mantsy izy ireo, ary nijangajanga ara-panahy sy nampiely fampianaran-diso. ‘Mailaka nijoro ho vavolombelona hiampanga’ azy ireo i Jehovah, ary ara-drariny ny fanamelohany azy. (Malakia 3:5) Nisy tena Kristianina kosa anefa nanompo teo an-tokotanin’ny tempoly ara-panahy, taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra ireo Kristianina voahosotra ireo, na dia niharam-pitsapana mafy aza. Nila nodiovina anefa izy ireo. Nanasongadina izany ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12, satria mirakitra fampanantenana mampahery hoe hifandray tsara amin’Andriamanitra indray ny mpanompony, ary ho lasa lavorary. Nilaza, ohatra, i Malakia fa hisy vahoaka ‘hodiovin’i Jehovah toy ny volamena sy volafotsy.’ Ho lasa vahoakany izy ireo ka ‘hanolotra fanatitra atao fanomezana izay atolotra amim-pahamarinana.’—Malakia 3:3.
6 Voaporofo fa nanomboka nanadio ny Kristianina voahosotra i Jehovah tamin’ny 1918. Nila nodiovina ny fivavahan’izy ireo, ary nila nahitsy ny fanao sy ny fampianarana nandoto azy ireo.a Nandray soa lehibe tamin’izany izy ireo, sy ny “vahoaka be” niaraka taminy tatỳ aoriana. (Apokalypsy 7:9) Miara-manolotra “fanatitra atao fanomezana” izy ireo, ary “atolotra amim-pahamarinana” izany. ‘Ankasitrahan’i Jehovah’ io fanatitra ataon’izy ireo io.—Malakia 3:3, 4.
7. Inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretintsika?
7 Raha nodiovina toy izany ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany, ahoana kosa ny amintsika tsirairay? Tsara ny manontany tena hoe: ‘Sao dia misy tokony hahitsy ny toe-tsaiko sy ny zavatra ataoko? Sao dia mila manatsara ny fitondran-tenako aho, satria na ny voahosotra aza nodiovin’i Jehovah?’ Efa hitantsika tany aloha fa nasongadin’ireo mpaminany 12 hoe inona no toe-tsaina sy fitondran-tena mety, ary inona kosa no tsy mety. Nanjary fantatrao tsara kokoa izay “takin’i Jehovah aminao.” (Mika 6:8) Mariho ilay hoe “aminao.” Midika izany fa tokony handini-tena isika tsirairay, sao mbola misy tokony hodiovina amintsika, izany hoe hahitsy na hohatsaraina.
-