TSIRANOKA MIVOAKA
Teny ampiasain’ny Baiboly mba hilazana izay mitranga amin’ny taovam-pananahan’ny lehilahy sy ny vehivavy. (Le 15:2, 19, 25; No 5:2, 3; 2Sa 3:29) Raha lehilahy no misy tsiranoka mivoaka, dia aretina ilay izy. Mivoaka amin’ny filahiany ilay tsiranoka, na manentsina azy io. (Le 15:2, 3) Raha nisy tsiranoka nivoaka tamin’ny filahian’ny iray tamin’ny taranak’i Arona, dia tsy nahazo nihinana tamin’ny “zava-masina” izy, satria naloto.
Ampiasaina hilazana ilay ra mandeha ara-dalàna amin’ny vehivavy, mandritra ny fadimbolany, koa ilay teny hebreo nadika hoe “tsiranoka mivoaka.” (Le 15:19-24) Nilazana aretina koa anefa izy io, raha maharitra ela noho ny mahazatra ny fandehanan’ny ra. (Le 15:25-30) Izany no nanjo an’ilay vehivavy “nandeha ra” nandritra ny 12 taona ka nositranin’i Jesosy Kristy.—Mt 9:20-22.
Milaza ny Lalàna fa naloto izay olona nisy tsiranoka nivoaka. Lasa naloto koa àry izay zavatra na olona nokasihiny. Raha aretina ilay tsiranoka nivoaka taminy, dia tsy maintsy nanaraka fombafomba fidiovana ilay olona rehefa sitrana.—Le 15; jereo MADIO, FAHADIOVANA.