Jesosy — Iza moa izy io?
VITSY ireo soratra ivelan’ny fivavahana miresaka ny amin’i Jesosy. Misy sasantsasany amin’izy ireny anefa izao anaovan’ny Firaketana britanika fanambarana toy izao: “Ireny fitantarana tsy miankina ireny dia mampiseho fa tamin’ny fotoana taloha dia tsy nisalasala mihitsy ny amin’ny nisian’i Jesosy marina na dia ireo mpanohitra ny kristianisma aza. Tany amin’ny faran’ny taonjato faha-18 sy nandritra ny taonjato faha-19, ary teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 no voalohany nandavan’ny mpanoratra samihafa ny maha-ara-tantara an’i Jesosy noho ny antony tsy ampy.”
Aoka isika hisaintsaina. Raha toa ka olon’ny angano fotsiny Jesosy, moa ve ho nilaina ny niandry ny taonjato faha-18 vao hahatsikaritra izany? Aoka hoheverintsika koa fa amin’izao andro izao dia misy olona iray lavitrisa mahery milaza ho mpianatr’i Jesosy. Tsy azo lavina ny herin’ny fampianaran’i Jesosy teo amin’ny kolon-tsaina sy ny fanabeazana, ny fomba fanapahana, raha ny marina, teo amin’ny fizotry ny Tantara iray manontolo. Araka ny fandrindran-kevitra, azo atao ve ny milaza ireny vokatra rehetra ireny ho avy amin’ny angano iray tsy hentitra?
Raha toa ka olona tena nisy tokoa ilay mpaminany arabo atao hoe Mahometa, mpanorina ny fivavahan’ny silamo, antony azo ekena inona no ananantsika mba hinoana fa Jesosy Kristy, ilay mpanorina ny kristianisma dia tsy toy izany? Marina fa niaina 600 taona teo ho eo talohan’i Mahometa Jesosy, kanefa ny mpanorina ny bodisma, Siddārtha Gautama — i Bouddha na “ilay Nohazavaina” — dia mbola velona taloha kokoa, 500 taona mahery talohan’i Jesosy Kristy. Noho izany raha olona tena nisy tokoa i Bouddha, nahoana isika no hisalasala fa torak’izany koa i Jesosy?
Rehefa avy niresaka an’i Flavius Josèphe mpanoratra tantara jiosy, sy Suétone ary Plina mpanoratra romana, ary indrindra indrindra an’i Tacite mpanoratra tantara romana i Hans Einsle mpanoratra tantara sady arkeology alemana, dia nanoratra toy izao: “Izy rehetra dia manamafy ny maha-ara-tantara an’i Jesosy sy ireo asany lehibe indrindra.”
Mihoatra noho ny olona tsotra ve izy?
Tena nisy marina tokoa i Jesosy. Iza anefa izy io? Milaza ny sasany fa olona tsotra fotsiny izy, na dia ekeny aza fa nanam-pahendrena lehibe sady nanana ny tenin’ny fahamarinana izy. Izany koa aza no voatery neken’ny mpanohitra azy tamin’ny taonjato I rehefa nilaza izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa (...) tsy mba mizaha tavan’olona Hianao, fa mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra.” — Marka 12:13, 14.
Ny hafa anefa mihevitra fa tsy maintsy ho nihoatra noho ny olona tsotra fotsiny Jesosy. Nahoana? Satria nanatanteraka asa izay tsy vitan’ny olona tsotra izy. Moa ve ianao mahalala olona afaka mandeha eny ambonin’ny rano, manova ny rano ho divay, mamoky olona 5000 amin’ny hazandrano madinika roa sy mofo vary hordea dimy, mampahiratra ny jamba na manangana ny maty? — Matio 14:25, 26; Marka 8:22-25; Jaona 2:1-11; 6:1-13; 11:30-44.
Jesosy koa dia afaka nanavatra zavatra izay tsy hain’ny olona tsotra iray. Hoy ny navaliny ny vehivavy iray izay nilaza taminy fa tsy nanam-bady: “Marina ihany izay nolazainao hoe: ‘Tsy manam-bady aho’; fa efa nanambady indimy hianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny.” Taitra tokoa ravehivavy ka nantsoaka hevitra hoe: “Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.” (Jaona 4:16-19). Ho hitanao ao amin’ny Lioka 22:31-34, 54-62 ny ohatra iray amin’ny fahaizana mahagaga nananan’i Jesosy hahafantatra ny ho avy rehefa resahina ny momba ny fandavan’i Petera.
Nanana fahefana niavaka i Jesosy. “Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna” (Marka 1:22.) Ambonin’izany, Jesosy dia ‘nanome ho an’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra’. — Matio 10:1.
Mendri-pitokisana ve ny fitantarana?
‘Nefa, hoy angamba ianao, moa ve tsy nampitomboina ny tsipiriany sasany momba an’i Jesosy?’ Tsy toy izany ny hevitr’i F. Bruce, profesora taloha ny amin’ny fitsikerana sy fivoasan-teny ao amin’ny Baiboly tany amin’ny oniversiten’i Manchester. Izao tokoa no nosoratany: “Amin’ny ankapobeny dia tsy azo atao ny manamarina amin’ny alalan’ny porofo ara-tantara sy amin’ny an-tsipiriany kely indrindra ny fahamarinan’ny soratra tranainy iray, na fitantarana ao amin’ny Baiboly izany na hafa. Ampy fotsiny ny mahalala raha mendri-pitokisana amin’ny ankapobeny ilay mpanoratra. Raha izany no mitranga dia azo heverina avy hatrany fa ny tsipirian-javatra omeny dia marina. (...) Ny Testamenta Vaovao dia tsy voatery hoe hanam-bidy ara-tantara latsaka kokoa noho ny fitantarana hafa iray, satria fotsiny heverin’ny kristiana ho toy ny soratra ‘masina’ izany.”
Ny zavatra rehetra dia manondro fa mendri-pitokisana ny mpanoratra ny Filazantsara. Araka izany, dia tsy mifanohitra ireo fitantarany na dia aseho amin’fomba samy hafa aza indraindray ny tsipiriany sasantsasany. Tsy mifanohitra akory ny vavolombelon’ny lozam-pifamoivoizana roa raha toa ka manambara ny anankiray fa ny fiarakodia menamena avay any ankavia dia nifandona tamin’ny fiarakodia maitso avy any ankavanana, raha mbola milaza kosa ilay hafa fa aotomobilina Mercedes nandeha nianatsimo no nandona aotomobilina Renault nandeha nianavaratra. Ny fahasamihafana kely hita ao amin’ny Filazantsara dia manaporofo kosa ny fahamarinany. Raha toa ka nitady hamitaka ny olona tokoa ireo mpanoratra tamin’ny namoronany angano, dia tsy isalasalana fa ho nanao izay hampifanarahana ny fitantarany izy ireo.
Na dia ireo fahavalon’i Jesosy aza dia nino ny fahamarinan’ny fitantarana momba azy. Izao no vakintsika: “Nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ny olona tany amin’i Jesosy. Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana (...) Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: ‘Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia’ ” (Matio 9:32-34). Azo marihina fa tsy nandà akory ny Fariseo fa nahavita fahagagana Jesosy. Tsy nekeny kosa fa avy amin’ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra ny fahefan’i Jesosy.
Manome ho antsika porofo fanampiny ny amin’ny fahamarinan’ireny fitantarana ireny ny fampianaran’i Jesosy, satria misy fotopoto-pitsipika tena mahasoa, izay ahafahan’ny tena mahita fahombiazana amin’ny fiainana sy fahasambarana, azo tsoahina avy amin’izany. Ambonin’izany, dia hitantsika tanteraka ankehitriny ireo faminaniana maro mahatratra lavitra notononin’i Jesosy, tahaka izay hita ao amin’ny Matio toko faha-24, ao amin’ny Marka toko faha-13 sy ao amin’ny Lioka toko faha-21.
Jesosy ve “Ilay antsoin’ny Testamenta Taloha hoe Jehovah”?
Miharihary fa olona niavaka tamin’ny rehetra Jesosy. Araka ny anazavan’ny Baiboly azy dia tsy nisy toa azy amin’ny heviny hoe efa velona tany amin’ny faritra ara-panahy izy talohan’ny nahatongavany teto ambonin’ny tany (Jaona 6:38, 62). Tamin’izany no nananany fahalalana sy fahaizana mihoatra noho ny an’ny olombelona tsotra. Izany koa no ahafahana manazava ny fahagagana nataony sy ny fahendreny mahagaga.
Nefa moa ve ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy midika fa Andriamanitra izy? Izany no lazain’ny boky fianarana iray izay amakiana hoe: “Isaky ny miresaka ny amin’ny tenany Jesosy amin’ny filazana hoe ‘Izaho, aho, (...), dia mampitovy ny tenany amin’ilay antsoin’ny Testamenta Taloha hoe Jehovah izy.” Marina tokoa ve izany?
Araka ny Baibolin’ny kardinaly Liénart, dia nametraka izao fanontaniana izao ao amin’ny Eksodosy 3:13, 14 i Mosesy: “Indro, rehefa hankany any amin’ny zanak’Isiraely aho ka hilaza aminy hoe: “ny Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.” Ilay boky mitondra ny lohateny hoe Ny “Pentateuque” (Boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly) sy ny Mpaminany (soratra hebreo arahin’ny dikan-teny anglisy sy fanazavana heviteny, navoakan’i J. Hertz) dia manazava fa “ao amin’ny fitenenana hoe ‘Izaho izay izy’ (...) dia soritana ny fisehoana miasan’ny fisian’Andriamanitra.” Nety tanteraka àry ny nampiasana an’io fehezanteny io mba ho anaram-boninahitra na ho anaran’Andriamanitra izay nadiva hampiseho ny tenany tamin’ny vahoakany tamin’ny fomba mahagaga, amin’ny fanafahana azy avy amin’ny fanandevozana tany Egypta. Mbola nanampy i J. Hertz fa “ankehitriny dia maro no nanaraka an’i Rashi [frantsay nalaza mpivaofy tenin’ny Baiboly sy ny Talmoda tamin’ny vanim-potoana nantsoina hoe ‘Moyen Age’] tamin’ny fandikana an’io fehezanteny io amin’ny hoe: ‘Hiseho ho izaho aho.’ ” Mifanaraka amin’ny an’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao izany dikan-teny izany, izay andikana an’io andininy io toy izao: “HAMPISEHO NY TENAKO AMIN’NY MAHA-IZAHO AHY AHO.”
Ao amin’ny Jaona 8:58, ny Baibolin’ny kardinaly Liénart dia mampiasa indray ny fitenenana hoe “Izaho aho” rehefa mandika ny tenin’i Jesosy, izay nilaza momba ny tenany hoe: “Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho.” Araka ny isehoany eto anefa, ny fampiasana an’io fitenenana io dia hafa dia hafa noho ilay ampiasaina ao amin’ny Eksodosy 3:14. Tsy nampiasa izany toy ny anarana na anaram-boninahitra tokoa Jesosy, fa nampiasa azy mba hanazavana fotsiny fa nanana fiainana izy talohan’ny naha-olombelona azy. Noho izany, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika marimarina tokoa ny Jaona 8:58 amin’ny filazana hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia nisy aho.”
Tsy misy antony araka ny Baiboly mihitsy àry ahafahana milaza fa Jesosy no Ilay antsoin’ny Soratra hebreo hoe Jehovah. Izany koa no eken’ilay boky fianarana nolazaina tetsy ambony. Izao no vakina ao: “Ny hoe nisian’i Jesosy fotsiny talohan’ny nahaterahany tao Betlehema dia tsy ampy hanaporofoana fa izy no Andriamanitra (nety ho nisy tokoa tamin’ny endriky ny anjely izy).” Talohan’ny naha-olombelona azy, dia “andriamanitra na fisiana araka an’Andriamanitra Jesosy, fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha, izay manana anarana hoe Jehovah. — Jaona 1:1-3; I Tesaloniana 4:16.
Koa satria izany tsy Andriamanitra Jesosy, iza àry izy?
[Sary, pejy 5]
Tamin’ireo fahagagana nataony dia noporofoin’i Jesosy fa tsy olona tsotra fotsiny Izy.