Nahoana izany no tokony hahaliana anao
‘INONA no tokony hahaliana ahy?’ Ny fiovana ho avy lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona: ny fahantomoran’ny fandraisan’ny fanapahana iray vaovao tanteraka, noforonin’Andriamanitra, ny fahefana eto amin’ny tany (Daniela 2:44). Ho soa ho azy na ho loza ho azy, ny lehilahy rehetra, ny vehivavy rehetra, ny ankizy rehetra, dia ho voakasik’io fiovana hiavaka io, izay hitranga ao anatin’ny taranaka voatonona ao amin’ny Matio 24:34. Noho izany antony izany, ny rehetra dia tokony hihevitra amim-pahatsorana sy amin’ny fo rehetra ny hafatra manambara io fiovana io. Marina tokoa fa ho diso ny tena raha milaza hoe: ‘Tsy mahaliana ahy izany.’
Ny tsy fisian’ny fahalianana naseho taloha
Tsy vao voalohany akory izao no anambarana hafatra tena lehibe iray sy ilaina maika dia maika heverina fa hanaitra ny fahalianan’ireo izay nasaina hihaino azy. Ohatra, efa hita izany tamin’ny andron’i Noa. Teo anoloan’ny faharatsiana, ny fahalotoam-pitondrantena sy ny herisetran’ny olombelona, dia tapa-kevitra Jehovah Andriamanitra ny handringana azy ireny tao amin’ny safodrano iray naneran-tany (Genesisy 6:5-7, 13). Talohan’ny hanafoanana ny ratsy fanahy anefa, dia nataony izay hahatonga an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, hampiomana azy ireny ny amin’ny fahantomoran’ny safodrano sy ny dingana tokony hatao mba hahavonjy ny aina. Na dia zava-dehibe tokoa aza io hafatra io, ny fitambaran’olona nandre izany dia ‘tsy nahalala’. (Matio 24:39; Lioka 17:26, 27; 2 Petera 2:5.) Tsy rototra izy ireny, tsy niraika — raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia tsy nahaliana azy ireny izany! Nahatonga azy ireny hamoy ny zavatra rehetra izany fihetsika izany.
Sodoma sy Gomora, tanàna roa nalaza ratsy tamin’ny fahalotoam-pitondrantena, dia nahita tarehin-javatra sahala amin’izany. Rehefa nampiomanina ny mponina ny amin’ny fandringanana nandrahona azy noho ny faharatsiany nihoa-pampana, dia tsy nety nihaino izy ireny. Tsy nahaliana azy ireny koa izay rehetra nety hanakorontana ny fahazarany teo amin’ny fiainana. Naningana i Lota. — Genesisy 18:20-30; 19:1-29; Lioka 17:28-30.
Araka izany àry, ny mponina tao amin’ireny tanàna ireny dia tsy nanaiky tsara ny hafatra. Angamba izy ireny niahy bebe kokoa ny amin’izay hoeritreretin’ny manodidina azy ny aminy raha liana amin’izany izy, na nety ho natahotra ny ho voatery koa izy ny ho tsy maintsy hanao fiovana tsy tiany. Azo inoana fa nahita fahafinaretana tamin’ny fiainany naloto izy ireny (Joda 7). Noho izany antony izany, mandra-pahatongan’ny fotoana nandringanana azy ireny, dia tsy nanahy na inona na inona izy ireny ary tsy nahatakatra izay nadiva hitranga.
Ny tsy fisian’ny fahalianana tamin’ny andron’i Jesosy
Fony teto an-tany Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, dia naniraka ireo mpianany izy hanambara ny vaovao tsara momba ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra (Matio 10:7). Raha ny marina, dia nampahafantariny an’ireo mpianany ny fomba hampisehoana an’io hafatra tsy mahazatra sy tena lehibe io isan-tokantrano, sy izay tokony hatao rehefa misy tsy maneho fahalianana amim-pahatsorana. Aoka hohenointsika izy mampiofana ireo mpianany: “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.” — Matio 10:12-14.
Aoka homarihintsika fa nanoro hevitra an’ireo mpianany i Jesosy mba ‘hanintsana ny vovoka amin’ny tongotr’izy ireo’ amin’ny fandaozana trano na tanàna iray izay haneho tsy fahalianana tanteraka ny amin’ny Fanjakan’i Jehovah. Inona no tiany holazaina tamin’izany? Rehefa manintsana ny vovoka tamin’ny tongony ilay mpianatra dia nilaza fa nialany izay rehetra nety ho andraikitra raha ny amin’ny ho vokatry ny tsy fahalianana amin’ny hafatr’Andriamanitra eo amin’ny olona iray. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo mpianatr’i Jesosy dia nandao tamim-pilaminana an’io trano na tanàna io, tamin’ny famelana azy ireny hahita ny vokatra hoentin’Andriamanitra eo aminy amin’ny farany.
Manehoa fahalianana: miankina amin’izany ny fiainanao!
Aoka hosoritantsika fa Jesosy Kristy dia nampitaha ny fihetsiky ny olona amin’izao andro izao amin’ny an’ireo niara-belona tamin’i Noa sy ireo mponina tany Sodoma sy Gomora (Matio 24:37-39; Lioka 17:26-30). Nanjaka ny fahalotoam-pitondrantena sy ny herisetra tamin’ny andron’i Noa toy ny tamin’ny andron’i Lota. Tena very hevitra sy ory tokoa Lota marina rehefa nahita ireo izay nanodidina azy tsy niraharaha ny lalàna sy tafalentika tao anatin’ny fitondrantena mahamenatra. — 2 Petera 2:6-8.
Rehefa mampahatsiahy ny andron’i Noa na Lota anefa i Jesosy, dia manintona ny saintsika, tsy ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny herisetra tamin’ireny fotoana ireny, fa ho amin’ny zavatra mitana ny saina isan’andro — fihinanana, fisotroana, fampakaram-bady, fividianana, fivarotana, fanorenana sy fambolena. Nasehony fa be dia be no tsy hihaino ny hafatra momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa ho voatanan’ny fanahiana isan’andro eo amin’ny fiainana izy ireny ka, noho izany, dia tsy hihevitra mihitsy ireo fikasan’i Jehovah. Iankinan’ny aina ny hafatra. Hovidin’izay tsy mihaino azy lafo izany. Fahotana lehibe ny tsy fiheverana izany mihitsy na ny tsy firaharahana izany tanteraka. — Jereo Matio 6:31, 32.
Hatraiza ny halehiben’izany? Manohy ny fanazavany toy izao i Jesosy: “Amin’ny andro Fitsarana dia ho moramora kokoa ny sazy ho an’ny mponina any Sodoma sy Gomora noho ny ho an’ny mponina ao amin’io tanàna io”, izay tsy nihaino na naneho fahalianana ho an’ny vaovao tsara (Matio 10:15, La Bible en français courant). Raha maneho fahalianana ho an’ny hafatra ny olona iray, mihaino sy mino izany, dia azony atao, na dia manana fiainana feno fahalotoam-pitondrantena sy herisetra aza izy, ny manova ny toetrany ka mahita sitraka eo imason’i Jehovah mba hahatongavana ho vahoakan’ilay Fanjakana. Izany indrindra no nataon’ireo kristiana voalohany tany Korinto. — 1 Korintiana 6:9-11.
Tamin’ny resaka rehetra nifanaovany tamin’ireo mpianany, dia namporisika azy ireny i Jesosy Kristy mba hihaino, hampifantoka ny saina sy hampiseho fahalianana amin’ny hafatra lehibe momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mba hanairana ny sain’ireo mpihaino azy, dia nananatra azy ireny tamin’izao teny izao izy: “Koa tandremo ny fihainonareo.” “Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino!” “Mihainoa Ahy hianareo rehetra, ka mahafantatra.” “Mihainoa ka mahafantara.” — Lioka 8:18; Marka 4:9; 7:14; Matio 15:10.
Noho izany, rehefa handondòna ao am-baravaranao amin’izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia mba hahasoa anao no hilazanao hoe: ‘Mandrosoa, mahaliana ahy izany.’