-
KapokaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nampiasa karavasy koa ny Jiosy tatỳ aoriana. (He 11:36) Maharary kokoa noho ny kapohina amin’ny hazo ny karavasina. Tsy nifototra tamin’ny Lalàna io sazy io, na dia ara-dalàna aza tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 10:17; 23:34) Nokaravasina toy izao ilay voasazy, araka ny voalazan’ny Mishnah izay toa namelabelatra ny lovantsofina jiosy:
“Afatotra eo amin’ny andry iray ny tanany roa, toy ny hoe mamihina an’ilay andry. Sintonin’ny mpiandraikitra ao amin’ny synagoga ny akanjony, ka mety ho tataka na rovitra tanteraka, ary miseho ny tratrany. Asiana vato ao aoriany mba hitsanganan’ilay mpiandraikitra, izay mitana karavasy vita amin’ny hodi-janak’omby. Aforitra roa ilay karavasy, avy eo aforitra efatra, ary misy tady roa [mifatotra] aminy . ...
“Toy ny sakan’ny felatanana ny lavan’ny tahon’ilay karavasy sy ny sakany, ary tsy maintsy hatreo amin’ny foitran’ilay kapohina ny tendron’ilay karavasy. Atao eo amin’ny tratrany ny ampahatelon’ny kapoka, ary eo amin’ny lamosiny ny roa ampahatelony. Tsy azo kapohina izy rehefa mitsangana na mipetraka fa rehefa miondrika ihany, satria voasoratra hoe: Hasain’ny mpitsara ampandriana izy. Mikapoka amin’ny tanan’ila amin’ny heriny manontolo ilay mikapoka.
“... Raha maty ilay olona, dia tsy meloka ilay nikaravasy. Tsy maintsy mandositra miala ny taniny anefa izy raha be loatra ny kapoka nataony ka maty ilay olona.”
“Firy ny kapoka azo atao? Efapolo latsaka iray, satria voasoratra hoe: Hatramin’ny efapolo; [izany hoe] latsaka ny efapolo.”—Makkôt 3:12-14, 10, nadikan’i H. Danby.
-
-
KapokaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nampiasa karavasy koa ny Romanina. Natsotra ilay olona, ary toa nafatotra tamin’ny tady hoditra teo amin’ny tsato-kazo ny tanany. (As 22:25, 29) Ny mpitari-tafika no nibaiko hoe hatao impiry ny kapoka. Olona hofantsihana amin’ny hazo fijaliana matetika no nokaravasina. Niantsoantso mafy ny Jiosy hoe tokony hofantsihana i Jesosy. Nanaiky àry i Pilato ka nafahany ho azy ireo i Barabasy, ary ‘tamin’izay, dia nalainy i Jesosy ka nokaravasiny.’ (Jn 19:1; Mt 20:19) Indraindray nokaravasin’ny Romanina izay tiany ‘hofotopotorana’ mba hibaboka na hijoro ho vavolombelona. (As 22:24, 25) Mastigôô (Mt 10:17) sy mastizô (As 22:25) ny matoanteny grika nadika hoe ‘mikaravasy’ sy “mikapoka”, ary iray tarika amin’ny hoe mastiks, izay midika ara-bakiteny hoe ‘karavasina’ (As 22:24; He 11:36) sy manana heviny an’ohatra hoe ‘aretina mampijaly’ (Mr 3:10; 5:34). Tsy azo natao anefa ny nikapoka Romanina, araka ny Lalàna Valeria, raha nangataka ny hotsarain’ny vahoaka ilay olona, ary na tsy nangataka an’izany aza, araka ny Lalàna Porcia. Nivoaka teo anelanelan’ny 509 sy 195 T.K. ireo lalàna ireo.
-