Akaiky ny Fanasitranana ny Olombelona Amin’ny Fomba Mahagaga
“TSY mbola nahita izay toy izao izahay.” Izany no nolazain’olona nanatri-maso ny nanasitranan’i Jesosy teo no ho eo, tamin’ny fomba mahagaga, lehilahy iray nararin’ny paralysisa. (Marka 2:12). Nanasitrana ny jamba sy ny moana ary ny mandringa koa i Jesosy, ary nanao toy izany koa ireo mpanara-dia azy. Hery inona no nanaovan’i Jesosy izany? Inona no toerana notanan’ny finoana? Fanazavana inona no omen’ireny fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany ireny momba ny fanasitranana mahagaga amin’izao andro izao? — Matio 15:30, 31.
“Ny finoanao no nahasitrana anao”
Ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’izao andro izao dia tia ny manonona ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao”. Izy io dia teniny tamin’ny vehivavy iray narary nandritra ny 12 taona, izay nanatona azy mba hositranina. (Lioka 8:43-48). Te hilaza ve i Jesosy fa niankina tamin’ny finoan’ilay vehivavy ny nahasitrana azy? Moa ve izany ohatra iray ny amin’ny “fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana”, araka ny atao amin’izao andro izao?
Rehefa mamaky amim-pitandremana ny fitantaran’ny Baiboly isika, dia mahita fa tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia tsy notakin’i Jesosy sy ireo mpianany ny hanambaran’ireo marary hoe nino izy ireo, talohan’ny nanasitranana azy. Tonga nanatona ilay vehivavy voalaza etsy ambony, ary tsy niteniteny tamin’i Jesosy fa avy hatrany dia nanendry moramora ny lambany avy tao andamosiny izy, ary “niaraka tamin’izay dia nijanona ny aretiny”. Tamin’ny fotoana hafa, dia nanasitrana lehilahy iray anisan’ireo tonga hisambotra azy, i Jesosy. Nanasitrana lehilahy iray tsy nahalala azy akory aza izy. — Lioka 22:50, 51; Jaona 5:5-9, 13; 9:24-34.
Inona àry no toerana notanan’ny finoana? Rehefa tany amin’ny distrikan’i Tyro sy i Sidona i Jesosy sy ireo mpianany, dia nisy vehivavy kananita iray nanatona ka niantsoantso hoe: “Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.” Eritrereto ny famoizam-pony teo am-pitalahoana hoe: “Tompoko ô, vonjeo aho.” Onena azy i Jesosy ka namaly hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao.” Ary dia sitrana “tamin’izay ora izay” ny zanany vavy. (Matio 15:21-28). Mazava fa nisy finoana teo, nefa finoan’iza? Mariho fa ny finoan’ilay reny, fa tsy ny an’ilay zaza narary, no noderain’i Jesosy. Ary finoana ny inona? Niaiky ampahibemaso ilay vehivavy fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina, tamin’ny niantsoany azy hoe “Tompoko, Zanak’i Davida”. Tsy fanehoana tsotra fotsiny finoana an’Andriamanitra na finoana ny herin’ilay mpanasitrana izany. Rehefa nilaza i Jesosy hoe “ny finoanao no nahasitrana anao”, dia te hilaza izy hoe raha tsy nino azy ho Mesia ireo olona ory, dia tsy ho tonga nanatona azy mba hositranina.
Avy amin’ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina ireo no ahitantsika fa tena hafa be noho ny fahita na ny lazaina matetika amin’izao andro izao, ny fanasitranana nataon’i Jesosy. Sady tsy naneho fihetseham-po tafahoatra — antsoantso, teniteny atao an-kira, fidradradradrana, fahatoranana, sy ny toy izany — ny vahoaka, no tsy taitaitra nihetsi-po be i Jesosy. Fanampin’izany, dia mbola tsy nisy mihitsy ny hoe tsy nahasitrana ireo osa i Jesosy ka nitady fialan-tsiny hoe tsy ampy finoana izy ireo na tsy nalala-tanana tsara tamin’ny fanomezany.
Fanasitranana tamin’ny herin’Andriamanitra
Ahoana no nitrangan’ny fanasitranana nataon’i Jesosy sy ireo mpianany? “Ny herin’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] dia tao aminy mba hahasitranany”, hoy ny valin-tenin’ny Baiboly. (Lioka 5:17). Taorian’ny fanasitranana iray, dia hoy ny Lioka 9:43: “Talanjona izy rehetra noho ny [herin’Andriamanitra, NW ].” Nifanaraka tamin’izany fa tsy nanintona ny saina ho amin’ny tenany i Jesosy hoe izy ilay mpanasitrana. Indray mandeha, dia hoy izy tamin’ny lehilahy iray izay nafahany tamin’ny fampahorian’ny demonia: “Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] taminao sy ny namindrany fo taminao.” — Marka 5:19.
Koa satria ny herin’Andriamanitra no nanasitranan’i Jesosy sy ireo apostoly, dia mora hita ny hoe nahoana no tsy nilaina foana ny finoana teo amin’ilay nositranina, mba hanasitranana azy. Kanefa, tena nilaina kosa ny finoana mafy teo amin’ilay mpanasitrana. Noho izany, rehefa tsy nahavita namoaka demonia iray nahery tokoa ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia nolazainy tamin’izy ireo toy izao ny antony: “Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany”. — Matio 17:20.
Ny zava-nokendren’ny fanasitranana mahagaga
Na dia nanao fanasitranana be dia be aza i Jesosy nandritra ny fanompoany manontolo teto an-tany, dia tsy ny fanaovana ‘fanompoana amin’ny fanasitranana’ no vaindohan-draharahany. Tsy zava-dehibe toy ny zavatra nahiny voalohany indrindra, dia ny ‘fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana’, ny fanasitranana mahagaga nataony — izay tsy nahitana mihitsy hoe nampandoaviny vola ny olona na nangatahany fanomezana. (Matio 9:35). Lazain’ny fitantarana fa indray mandeha, “Izy [dia] nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny”. (Lioka 9:11). Ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara, dia matetika i Jesosy no nantsoina hoe “Mpampianatra”, fa tsy nantsoina na oviana na oviana hoe “Mpanasitrana”.
Nahoana àry i Jesosy no nanao fanasitranana mahagaga? Voalohany indrindra, dia mba hanaporofoana fa izy no ilay Mesia nampanantenaina. Rehefa naiditra am-ponja tsy ara-drariny i Jaona Mpanao Batisa, dia naniry hahazo toky izy fa nahatontosa izay nanirahan’Andriamanitra azy ny tenany. Nandefa ny mpianany nankany amin’i Jesosy izy mba hanontany hoe: “Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?” Mariho izay nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianatr’i Jaona: “Mandehana hianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.” — Matio 11:2-5.
Eny, tsy ny nanaovan’i Jesosy fanasitranana ihany, fa ny nanaovany ireo asa mahagaga hafa koa voarakitra ao amin’ny Filazantsara, no nanaporofo marina fa izy “Ilay ho avy”, ilay Mesia nampanantenaina. Tsy nilain’iza na iza ny ‘hiandrasana hafa’.
Fanasitranana mahagaga amin’izao andro izao hoe?
Tokony hampoizintsika àry ve ny hanaporofoan’Andriamanitra ny heriny amin’ny alalan’ny fanasitranana amin’izao andro izao? Tsia. Tamin’ireo asa mahagaga nataon’i Jesosy tamin’ny herin’Andriamanitra, dia noporofoiny tsy nisy nisalasalana fa izy no ilay Mesia nampanantenain’Andriamanitra fa ho avy. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly mba hovakin’ny rehetra ireo asa lehibe nataon’i Jesosy. Tsy ilaina ny hanaporofoan’Andriamanitra ny heriny amin’ny famerimberenana ny asa toy izany, isaky ny taranaka mifandimby.
Mahaliana fa tsy nampiaiky ny rehetra ny fanasitranana sy ny asa mahagaga hafa. Na dia ny olona sasany nanatri-maso ny fahagagana nataon’i Jesosy aza dia tsy nino fa nahazo ny fanohanan’ny Rainy any an-danitra izy. “Na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo”. (Jaona 12:37). Izany no antony nahazoan’ny apostoly Paoly tsindrimandry mba hilaza toy izao, taorian’ny niresahany momba ny fanomezana mahagaga maro samihafa — faminaniana, fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, fanasitranana, sy ny toy izany — izay nomen’Andriamanitra ny olona maro samihafa anisan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany: “Raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.” — 1 Korintiana 12:28-31; 13:8-10.
Mazava ho azy fa tena zava-dehibe ny finoana an’Andriamanitra mba hahitantsika soa. Kanefa, tsy hitarika afa-tsy ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny fanorenana ny finoan’ny tena amin’ny fampanantenana sandoka ny amin’ny fanasitranana. Ankoatra izany, mikasika ny fotoan’ny farany, dia nanome izao fampitandremana izao i Jesosy: “Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.” (Matio 24:24). Ankoatra ny fitsaboana sandoka sy ny fanambakana, dia hisy koa ny fampisehoana ny herin’ny demonia. Vokatr’izany, dia tsy tokony hahagaga antsika ny filazana ny amin’ny fisehoan-javatra tsy hay hazavaina, ary azo antoka fa tsy fototra tsara hanorenana finoana marina an’Andriamanitra izy ireny.
Koa satria tsy misy olona manao fanasitranana toy ny nataon’i Jesosy amin’izao andro izao, maty antoka ve isika? Tsy izany velively. Raha ny marina, dia nanjary narary indray tatỳ aoriana, ireo nositranin’i Jesosy. Nihantitra sy maty avokoa izy rehetra. Tsy dia naharitra ny soa azony tamin’ilay fanasitranana. Kanefa, manana heviny maharitra ireo fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy, noho izy ireny tandindon’ny fitahiana ho avy.
Noho izany, taorian’ny nandinihany ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, i Alexandre sy i Benedita, voalaza teo aloha, dia tsy nino intsony ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanasitranana amin’ny alalan’ny spiritisma atao ankehitriny. Na dia izany aza, dia miaiky izy ireo fa tsy zavatra efa navalon’ny lasa ny fanasitranana mahagaga. Nahoana moa? Sahala amin’ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany, dia miandrandra fitahiana amin’ny fanasitranana eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. — Matio 6:10.
Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana
Araka ny efa hitantsika teo aloha kokoa, dia tsy ny hanasitrana ny marary sy hanao fahagagana hafa akory no zava-nokendren’ny fanompoan’i Jesosy lehibe indrindra. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa no vaindohan-draharahany. (Matio 9:35; Lioka 4:43; 8:1). Io Fanjakana io no fitaovana hampiasain’Andriamanitra mba hanatontosana ny fanasitranana ny olombelona amin’ny fomba mahagaga sy hanafoanana ny fahavoazana rehetra nateraky ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana teo amin’ny fianakavian’olombelona. Amin’ny fomba ahoana ary rahoviana no hanatontosany izany?
Nanambara ny hoavy lavitra i Kristy Jesosy rehefa nanome izao fahitana ara-paminaniana izao an’i Jaona apostoliny: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny”. (Apokalypsy 12:10). Asehon’ny porofo rehetra fa nanomboka tamin’ny 1914, i Satana, ilay mpanohitra lehibe an’Andriamanitra, dia nazera tetỳ amin’ny manodidina ny tany, ary tena eo am-perinasa tokoa izao ilay Fanjakana! Napetraka teo amin’ny toerany ho Mpanjakan’ilay Fanjakana Mesianika i Jesosy, ary vonona hanao fanovana lehibe eto an-tany izy ankehitriny.
Amin’ny hoavy akaiky dia akaiky, ny fitondram-panjakan’i Jesosy any an-danitra dia hanapaka eo amin’ny fitambaran’olona vaovao sy marina, izany hoe “tany vaovao”, raha ny marina. (2 Petera 3:13). Hanao ahoana avy ny toe-piainana amin’izany? Indro misy topy maso mialoha be voninahitra: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany (...). Ary hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1, 4.
Azonao alaina sary an-tsaina ve hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa ho tanteraka ilay fanasitranana ny olombelona amin’ny fomba mahagaga? “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.” Eny, hanatontosa izay tsy ho vitan’ny mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana na oviana na oviana Andriamanitra. “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”. Eny tokoa, “Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. — Isaia 25:8; 33:24.
[Sary, pejy 7]
Eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny olombelona dia hositranina amin’ny fomba mahagaga