Sarin’ny Tany nampanantenaina
“Lozanao, ry Korazina!” — Nahoana?
AZO antoka fa tsy irinao ny hanozonan’Andriamanitra anao, sa tsy izany? Raha izany no izy, dia alao sary an-tsaina izay tsy maintsy ho tsapan’ny Jiosy tao amin’ny tanànan’i Galilia telo, rehefa nihiaka toy izao ilay Mpitsara voatendrin’Andriamanitra, dia ny Zanany mihitsy:
“Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona izy. Fa lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. Ary hianao, ry Kapernaomy (...)? Hietry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita hianao.” — Matio 11:21-23.
Ny sary hita etsy ambony dia mampiseho amintsika ny anankiray amin’ireo tanàna ireo: Korazina. Hita koa io sary io ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1989 ho amin’ny volana jolay sy aogositra. Afa-tsy izany koa, ireo tenin’i Jesosy ireo, voasoratra ao amin’ny Matio 11:21-23, dia tafiditra ao anatin’ny fandaharana famakiana ny Baiboly harahin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny volana aogositra. Inona no tsara ho fantatra momba an’i Korazina?
Mariho eo amin’ny sary aloha ny tanànan’i Korazina taloha. Hita eo anoloana ny sisan-javatra rava avy aminy. Hitanao koa ve iry ala kely ery amin’ny morontsiraka avaratry ny ranomasin’i Galilia? Teo no nisy an’i Kapernaomy, tokony ho telo kilaometatra avy eo Korazina. Na dia mety hahatonga hieritreritra aza io sary nalaina avy eny ambony io fa azo lazaina hoe lemaka ny tany, raha ny marina, Korazina dia teo ambony havoana, tany amin’ny 270 metatra ambonin’ny ranomasin’i Galilia.
Ilaina ny mahafantatra fa i Betsaida kosa dia eo amoron-tsiraka lavidavitra kokoa, mitovitovy halavirana amin’ny mankany Kapernaomy. Rehefa niteny mafy ireo tanàna telo ireo àry i Jesosy, dia nampifantoka ny saina ho amin’ny faritra kely nanodidina ny foiben’ny asany tany Galilia (Matio 4:13; Marka 2:1; Lioka 4:31). Inona no antony nanononany an’izany ozona izany?
Nandany fotoana naharitra i Jesosy tao amin’io faritra io, niarahana tamin’ireo apostoly, ka nanatanteraka asa lehibe maro tao. Teo akaikin’i Betsaida izy no namahana tamin’ny fomba mahagaga vahoaka 5000 mahery sy nampahiratra ny mason’ny jamba iray (Marka 8:22-25; Lioka 9:10-17). Tao Kapernaomy na teny amin’ny manodidina, dia nositraniny ny zaza iray tsy teo anatrehany, nanafaka lehilahy iray tamin’ny fanapahan’ny demonia izy, nanasitrana malemy iray ary nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’ny anankiray tamin’ireo mpanapaka ny synagoga (Marka 2:1-12; 5:21-43; Lioka 4:31-37; Jaona 4:46-54). Na dia tsy ampahafantarin’ny fitantaran’ny Baiboly antsika aza hoe “asa lehibe” inona no nataon’i Jesosy tao Korazina, dia asehon’ny Matio 11:21 fa nanao fahagagana tao anaty mandany izy na teo akaikiny. Na dia tao aza izany, dia tsy nibebaka ireo Jiosy teo amin’io toerana io; tsy nino an’i Jesosy ho Mesia nanana ny fanohanan’Andriamanitra izy ireo.
Rehefa mijery ny fisehoan-javatra eto akaiky, izay ahitana an’i Jesosy manao ireny fahagagana ireny ianao dia angamba manontany tena hoe ahoana no nahafahan’ny mponin’i Korazina naneho tsy firaikana toy izany. Ny tapany amin’ny valiny dia mety ho hita ao amin’ireo vato bazalta mainty nofongarin’ireo arkeology teo afovoan’ireny sisan-javatra rava ireny izay nisy tany amin’ny taonjato fahatelo. Anisan’ny sisan-javatra tavela ny synagoga iray tao afovoan’ny tanàna, mbamin’ny fari-ponenana teo akaiky teo. Ny sasany tamin’ireo vato tamin’ny synagoga dia voaravaky ny sary sokitra tsy fahita. Nampiseho inona izany? Olon’ny angano grika, toy ny “Méduse” feno bibilava ny lohany, sy “centaure”, mananaina izay olona ny tapany ary soavaly ny tapany. Raha ny ara-dalàna, dia tokony ho nanda mafy ny sarin’ny mpanompo sampy toy ireny ny Jiosy. Nahoana àry ireo manam-pahefana tao amin’ny jodaisma no nandefitra teo anoloan’ny fisian’ireny sary ireny teo amin’ny rindrin’ny synagoga?
Araka ny fanombantombanana iray, dia “lovantsofina tao amin’ilay faritra angamba ny fileferana”, ka izany dia ho namela an’i Jesosy hanantena fandraisana tsara tao amin’ilay tanànaa. Raha tsy maintsy mampahafantatra antsika zavatra momba ny fihetsik’ireo mponina tao Korazina tamin’ny andron’i Jesosy ireny sary fandravahana tao amin’ny synagoga ireny, dia satria ny ankamaroany tsy niahy indrindra ny hivavaka amin’ny “Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, araka ny porofoin’ny nandavany ny Mesia sy ireo fahagagany. — Jaona 4:23.
Rehefa naniraka ireo mpianany 70 hitory i Jesosy, dia nampiasa teny fanitarana indray ny amin’ny tsy firaikan’ny mponina tao Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy. Koa satria ny mpiray tanindrazana tamin’i Jesosy mihitsy, dia ireo Galiliana tao Korazina, tsy nandray tsara na dia teo anoloan’ny asa lehibe nataony aza, dia tsy tokony ho gaga ireo mpianatra raha tsy handray azy ireo ny mponina any amin’ireo tanàna hafa hitoriany. — Lioka 10:10-15.
Amin’izany, ny fahitana ireo sisan-javatra rava manjombona sy foana ao Korazina dia tokony hanosika antsika hihevitra ho zava-dehibe ny fampitandremana tsy mivantana voarakitra ao amin’ny fiantsoan’i Jesosy “loza” ho an’io tanàna io. Ireo izay tsy mibebaka, miseho ho tsy miraika amin’ny asa tontosain’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia tena mety ho ringana, hahita fiafarana mampangitakitaka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Le monde de la Bible (anglisy), boky faha-5, pejy faha-44, navoakan’ny Educational Heritage, Inc., New York, 1959.
[Sarintany, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
Korazina
Betsaida
Kapernaomy
Ranomasin’i Galilia
Tiberiasy
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.