Fanohanana ny Teny Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Amin’ny Tsy Fivadihana
“Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay”. — 2 KORINTIANA 4:2.
1. a) Mitaky inona ny fanatanterahana ilay asa voalaza ao amin’ny Matio 24:14 sy ny 28:19, 20? b) Nanao ahoana ny fielezan’ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny olona, rehefa nanomboka ny andro farany?
TAO amin’ilay faminaniany lehibe momba ny fotoana hanatrehany amin’ny maha-mpanjaka azy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra tranainy, dia nanambara mialoha toy izao i Jesosy Kristy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Nanome izao toromarika izao an’ireo mpanara-dia azy koa izy: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidi[ak]o anareo”. (Matio 24:14; 28:19, 20). Ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo dia mahafaoka asa be dia be eo amin’ny fandikana sy fanaovam-pirinty ny Baiboly, eo amin’ny fampianarana ny olona ny hevitr’izy io, ary eo amin’ny fanampiana azy ireo hampihatra azy io eo amin’ny fiainany. Tena tombontsoa tokoa ny mandray anjara amin’izany asa izany! Tamin’ny 1914, dia efa navoaka tamin’ny fiteny 570 ny Baiboly na ny tapany taminy. Nanomboka tamin’io fotoana io anefa, dia nisy fiteny an-jatony maro hafa sy fitenim-paritra maro be nanampy izany, ary misy fandikan-teny maherin’ny iray amin’ny fiteny maro.a
2. Antony manosika samihafa inona avy no nanan-kery tamin’ny asan’ireo mpandika sy mpampanonta Baiboly?
2 Zava-tsarotra ho an’ny mpandika teny rehetra ny mandika fanazavana amin’ny fiteny iray mba ho azon’ny olona mamaky sy mandre fiteny hafa. Ny mpandika tenin’ny Baiboly sasany dia nanao ny asany tamim-pahatakarana mazava tsara fa Tenin’Andriamanitra no nadikany. Ny hafa dia voasintona amin’ilay tetik’asa satria fotsiny hoe zava-tsarotra ampiasana saina ilay izy. Mety ho nihevitra izay raketin’ny Baiboly ho toy ny lova ara-kolontsaina sarobidy fotsiny izy ireo. Ho an’ny sasany, dia ny fivavahana no anton’asany, ka ny famoahana boky iray mitondra ny anarany, noho izy nandika na nampanonta azy io, dia anisan’ny fivelomany. Miharihary fa misy heriny eo amin’ny fomba anatontosan’izy ireo ny dika teniny ny antony manosika azy.
3. Ahoana no niheveran’ny Komitin’ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ny fandikan-teny nataony?
3 Mendri-komarihina itỳ fanambarana nataon’ny Komitin’ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao itỳ: “Ny fandikana ny Soratra Masina dia midika ho filazana amin’ny teny hafa ny hevitra sy ny tenin’i Jehovah Andriamanitra (...). Tena mampisaintsaina izany. Ireo mpandika an’itỳ fandikan-teny itỳ, izay olona matahotra sy tia an’ilay Andriamanitra Loharanon’ny Soratra Masina, dia mahatsiaro ho manana andraikitra manokana Aminy, dia ny hampita amin’ny fomba marina araka izay azo atao ny hevitr’Andriamanitra sy ny fanambarany. Mahatsiaro ho manana andraikitra koa izy ireo, amin’ireo mpamaky manao fikarohana, izay miankina amin’ny fandikan-tenin’ny Teny ara-tsindrimandrin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ny fahazoany famonjena mandrakizay. Noho ny fahatsapana izany andraikitra lehibe izany no nanaovan’ireo lehilahy be fandavan-tena anisan’io komity io ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, tao anatin’ny taona maro.” Ny tanjon’ilay komity dia ny hananana fandikan-tenin’ny Baiboly izay sady hazava sy ho mora azo no hifikitra akaiky dia akaiky amin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany, ka ho fototry ny fitomboana mitohy eo amin’ny fahalalana araka ny marina.
Natao ahoana ny anaranAndriamanitra?
4. Manao ahoana ny halehiben’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly?
4 Ny fanampiana ny olona hahafantatra an’ilay Andriamanitra marina no iray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny Baiboly. (Eksodosy 20:2-7; 34:1-7; Isaia 52:6). Nampianatra ireo mpanara-dia azy i Jesosy Kristy mba hivavaka ny amin’ny ‘hanamasinana’, na hiheverana ho masina, ny anaran’ny Rainy. (Matio 6:9). Nasain’Andriamanitra nampidirina ao amin’ny Baiboly ny anarany manokana, ka im-7 000 mahery no isehoan’izy io ao. Iriny ho fantatry ny olona io anarana io sy ny toetran’Ilay mitondra azy io. — Malakia 1:11.
5. Ahoana no nampisehoan’ireo mpandika teny samihafa ny anaran’Andriamanitra?
5 Mpandika tenin’ny Baiboly maro no nampiseho fanajana tamim-pahatsorana ny anaran’Andriamanitra ka nampiasa azy io tsy tapaka tao amin’ny fandikan-tenin’izy ireo. Tia kokoa ny hoe Iaveh ny mpandika teny sasany. Ny hafa moa dia nifidy endriny iray amin’ny anaran’Andriamanitra izay sady nampifanarahina tamin’ny fiteniny no mbola mifandraika tsara amin’izay miseho ao amin’ny soratra hebreo. Azo inoana fa endriny iray be mpahalala izy io, noho izy efa nampiasaina hatry ny ela. Mampiasa im-7 210 ny hoe Jehovah ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.
6. a) Tato anatin’ireo taona faramparany, inona no nataon’ireo mpandika teny rehefa nisy firesahana ny anaran’Andriamanitra? b) Manao ahoana ny fielezan’io fanao io?
6 Tato anatin’ireo taona faramparany, dia mihazona ny anaran’ny andriamanitra sampy toa an’i Bala sy i Moloka ireo mpandika tenin’ny Baiboly. Na dia izany aza anefa, dia mihamatetika no anesoran’izy ireo ny anarana manokan’ilay Andriamanitra marina, tsy ho ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Teniny ara-tsindrimandry. (Eksodosy 3:15; Jeremia 32:35). Ao amin’ireo andalan-teny toy ny Matio 6:9 sy ny Jaona 17:6, 26, ny fandikan-teny albaney iray miely patrana dia mandika ilay teny grika nadika hoe “ny anaranao” (izany hoe ny anaran’Andriamanitra), amin’ny hoe “ianao” fotsiny, ka toy ny hoe tsy misy firesahana anarana mihitsy amin’ireo andinin-teny ireo. Ao amin’ny Salamo 83:18, ny The New English Bible sy ny Today’s English Version dia sady manala ny anarana manokan’Andriamanitra no tsy manisy firesahana mihitsy hoe manana anarana Andriamanitra. Na dia miseho ao amin’ireo fandikan-teny tranainy kokoa amin’ny Soratra Hebreo aza ny anaran’Andriamanitra amin’ny ankamaroan’ny fiteny, ireo fandikan-teny vaovao kokoa dia matetika no manala azy io na manilika azy io ho eny amin’ny fanamarihana eny amin’ny sisim-pejy. Izany no mitranga amin’ny teny anglisy, mbamin’ny fiteny maro fampiasa any Eoropa, Afrika, Amerika Atsimo, India, ary any amin’ireo nosin’i Pasifika.
7. a) Ahoana no nanaovan’ireo nandika Baiboly afrikana sasany ny anaran’Andriamanitra? b) Ahoana no fiheveranao izany?
7 Mihoatra noho izany aza no ataon’ireo mpandika tenin’ny Baiboly ho amin’ny fiteny afrikana sasany. Tsy manolo ny anaran’Andriamanitra amin’ny anaram-boninahitra araka ny Soratra Masina, toy ny hoe Andriamanitra na Tompo, fotsiny izy ireo fa mampiditra anarana nalaina avy tamin’ny zavatra inoana ara-pivavahana eo an-toerana. Ao amin’ny The New Testament and Psalms in Zulu (dikan-teny tamin’ny 1986), ilay anaram-boninahitra hoe Andriamanitra (uNkulunkulu) dia azo nampifanoloana tamin’ny anarana manokana iray (uMvelinqangi) izay manondro ‘ilay razambe tolorana fanompoam-pivavahana amin’ny alalan’ireo razana olombelona’, ho an’ny Zoloa. Ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazetiboky hoe The Bible Translator, tamin’ny Oktobra 1992, dia nitatitra fa tamin’ny fanomanana ilay Baiboly tamin’ny teny chichewa, izay hantsoina hoe Buku Loyera (Boky Masina), ireo mpandika teny dia nampiasa ny hoe Chauta, ho anarana manokana hisolo toerana ny hoe Jehovah. Ny hoe Chauta, hoy ny fanazavan’ilay lahatsoratra, dia “ilay Andriamanitra efa fantatr’izy ireo sy nivavahan’izy ireo foana”. Maro amin’ireny olona ireny koa anefa no mivavaka amin’izay inoany ho fanahin’ny maty. Marina ve fa raha mivavaka amin’ny “Fisiana Fara Tampony” iray ny olona, dia mifanitsy ara-dalàna amin’ilay anarana manokana hoe Jehovah ny anarana rehetra ampiasain’izy ireo ho an’ilay “Fisiana Fara Tampony”, na inona na inona zavatra hafa mety ho tafiditra amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo? Tsy izany velively! (Isaia 42:8; 1 Korintiana 10:20). Ny fanoloana ny anarana manokan’Andriamanitra amin’ny zavatra izay mahatonga ny olona hihevitra fa marina ny zavatra inoany nentim-paharazana, dia tsy manampy azy ireny hanatona akaiky kokoa an’ilay Andriamanitra marina.
8. Nahoana no tsy foana ny fikasan’Andriamanitra hampahafantatra ny anarany?
8 Sady tsy nanova no tsy nanafoana ny fikasan’i Jehovah hampahafantatra ny anarany izany rehetra izany. Amin’ireo fiteny fampiasa any Eoropa, Afrika, any amin’ireo tanin’i Amerika, any Orient, ary any amin’ireo nosin-dranomasina, dia mbola misy mampiasa Baiboly maro ahitana ny anaran’Andriamanitra. Misy koa Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 5 400 000, any amin’ny tany 233, manokana ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona, amin’ny fitambarany, mba hiresahana amin’ny hafa momba ny anarana sy ny fikasan’ilay Andriamanitra marina. Manao pirinty sy mampiely Baiboly — izay mampiasa ny anaran’Andriamanitra — amin’ny fiteny ampiasain’ny olona tokony ho 3 600 000 000 amin’ny mponin’ny tany, izy ireo, anisan’izany ny teny anglisy, sinoa, rosiana, espaniola, portogey, frantsay ary holandey. Manao pirinty zavatra vita an-tsoratra izay manampy amin’ny fianarana Baiboly koa izy ireo, ary vita amin’ny fiteny fantatry ny ankamaroan’ny mponina amin’ny tany izy ireny. Tsy ho ela Andriamanitra dia hanao zavatra mba hahatanteraka tsy misy diso ilay fanambarany fa ‘ho fantatr’ireo firenena fa izy no Jehovah’. — Ezekiela 38:23.
Rehefa ny zavatra inoan’ny tena no mamolavola ny fandikan-teny
9. Ahoana no ilazan’ny Baiboly ilay andraikitra lehibe mipetraka amin’ireo mampiasa ny Tenin’Andriamanitra?
9 Andraikitra lehibe no mipetraka amin’ireo mandika ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ireo mampianatra azy io. Nilaza toy izao momba ny fanompoan’ny tenany sy ny an’ireo mpiara-niasa taminy ny apostoly Paoly: “Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.” (2 Korintiana 4:2). Ny hoe manatsatso dia midika hoe manimba, amin’ny fanampiana zavatra hafa na ambany kokoa. Ny apostoly Paoly dia tsy tahaka an’ireo mpiandry tsy nahatoky teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Jeremia, izay nanarin’i Jehovah noho izy ireo nitory ny heviny manokana fa tsy izay voalazan’Andriamanitra. (Jeremia 23:16, 22). Inona anefa no mitranga amin’izao andro maoderina izao?
10. a) Antony manosika inona, ankoatra ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra, no nanan-kery tamin’ny mpandika teny sasany amin’izao andro maoderina izao? b) Anjara asa inona no noraisin’izy ireo, kanefa tsy izany no tokony ho izy?
10 Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy teôlôjiana sy pastora anisan’ny komity iray, niara-niasa tamin’ny fitondram-panjakana nazia tany Alemaina mba hanaovana “Testamenta Vaovao” iray nohavaozina. Izy io dia nanala ny teny tsara rehetra momba ny Jiosy, mbamin’izay filazana rehetra fa Jiosy no razamben’i Jesosy Kristy. Vao haingana kokoa, ireo mpandika teny nanao ny The New Testament and Psalms: An Inclusive Version, dia nirona ho amin’ny lalan-kafa, ka nikely aina nanaisotra ny filazana rehetra fa nanana andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Kristy ny Jiosy. Nihevitra koa ireo mpandika teny ireo fa ho faly kokoa ireo mpamaky miaro ny zon’ny vehivavy raha tsy Ray, fa Ray-sady-Reny, no iresahana an’Andriamanitra, ary koa raha tsy lazaina hoe Zanakalahin’Andriamanitra i Jesosy fa Zanany fotsiny. (Matio 11:27). Rehefa nanao izany izy ireo, dia nanaisotra ilay fotopoto-pitsipika ny amin’ny faneken’ny vehivavy ny vadiny sy ny fankatoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny. (Kolosiana 3:18, 20). Mazava fa tsy nanana ilay fahatapahan-kevitry ny apostoly Paoly ny amin’ny tsy ‘hanatsatsoana ny tenin’Andriamanitra’ ireo nanao an’ireny fandikan-teny ireny. Nohadinoin’izy ireo ny anjara asan’ny mpandika teny, ka naka ny toeran’ny mpanoratra izy ireo ary namoaka boky nanararaotra ny lazan’ny Baiboly mba hampandrosoana ny hevitry ny tenany.
11. Amin’ny ahoana no mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy (âme) sy ny fahafatesana ny fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
11 Mazàna ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana no mampianatra fa fanahy (esprit) ny fanahy (âme) olombelona, mandao ny vatana eo amin’ny fahafatesana izy io, ary tsy mety maty. Mifanohitra amin’izany fa, amin’ny ankamaroan’ny fiteny dia manambara mazava ireo fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy kokoa fa fanahy (âme) ny olona, fanahy (âme) ny biby, ary maty ny fanahy (âme). (Genesisy 12:5; 36:6; Nomery 31:28; Jakoba 5:20). Nahasanganehana ny klerjy izany.
12. Amin’ny ahoana ny fandikan-teny vao haingana sasany no manamaizina ireo fahamarinana ara-baiboly fototra?
12 Ankehitriny dia manamaizina ireo fahamarinana ireo ny fandikan-teny sasany vaovao kokoa. Amin’ny fomba ahoana? Halavirin’izy ireo tsotra izao ny fandikana mivantana an’ilay anarana hoe neʹphesh (fanahy [âme]), ao amin’ny andinin-teny sasany. Ao amin’ny Genesisy 2:7, dia mety hilaza izy ireo fa “nanomboka niaina” (fa tsy hoe “nanjary fanahy [âme] velona”) ilay lehilahy voalohany. Na mety hilaza hoe “zavamananaina” izy ireo, fa tsy hoe “fanahy [âme]”, raha ny amin’ny biby. (Genesisy 1:21). Amin’ny andalan-teny toy ny Ezekiela 18:4, 20, dia “ny olona” (fa tsy “ny fanahy [âme]”) no resahin’izy ireo fa ho faty. Azo hamarinina angamba izany dikan-teny izany ho an’ilay mpandika teny. Inona anefa no fanampiana entin’izany ho an’ny olona mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana, izay efa voavolavolan’ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina avy tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny fisainany?b
13. Tamin’ny fomba ahoana no nanafenan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany?
13 Ho fanohanana ny finoany fa ho any an-danitra ny olo-marina rehetra, ireo mpandika teny — na ireo teôlôjiana izay nanao jery kiana ny dikan-tenin’izy ireo — dia mety hikely aina koa mba hanafina izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Ao amin’ny Salamo 37:11, dia misy fandikan-teny maromaro milaza fa hanana “ilay faritra amin’ny tany” ny olona manetry tena. Ny hoe “faritra amin’ny tany” dia azo andikana ilay teny (ʼeʹrets) ampiasaina ao amin’ny soratra hebreo. Mihoatra noho izany anefa no ataon’ny Today’s English Version (izay natao fototry ny fandikan-teny ho amin’ny fiteny maro hafa). Ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, dia im-17 io fandikan-teny io no mandika ilay teny grika hoe ge amin’ny hoe “tany”. Na dia izany aza anefa, dia ny hoe “izay nampanantenain’Andriamanitra” no asolon’izy io ny hoe “tany”, ao amin’ny Matio 5:5. Mazava ho azy fa hieritreritra ny lanitra ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Tsy nampahafantarina araka ny marina izy ireo hoe tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, i Jesosy Kristy dia nilaza fa “handova ny tany” ny malemy fanahy, na ny olona manetry tena.
14. Antony manosika feno fitiavan-tena inona no miharihary amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany?
14 Ny fomba filaza zavatra ao amin’ny fandikan-tenin’ny Soratra Masina sasany dia miharihary fa nokendrena mba hanampiana ireo mpitory teny hahazo karama tsara. Marina aloha fa manambara ny Baiboly hoe: ‘Ny mpiasa mendrika hahazo ny karamany.’ (1 Timoty 5:18). Ao amin’ny 1 Timoty 5:17 anefa, izay ilazana fa tokony “hahazo fanajana roa heny” ny loholona izay mitondra tsara, dia ny ara-bola no hany voninahitra heverin’ny sasany amin’izy ireo fa mendri-kotononina. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 5:2.) Araka izany, ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara dia milaza hoe “aoka handray valin-kasasarana avo roa heny” ireny loholona ireny, ary ny Contemporary English Version dia milaza fa “mendrika ny homena karama avo roa heny” izy ireny.
Fanohanana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana
15. Ahoana no ahafahantsika mamaritra izay fandikan-tenin’ny Baiboly hampiasaintsika?
15 Midika ho inona moa izany rehetra izany ho an’ny mpamaky Baiboly sy ho an’ireo izay mampiasa ny Baiboly mba hampianarana ny hafa? Amin’ny ankamaroan’ny fiteny be mpampiasa, dia misy fandikan-tenin’ny Baiboly mihoatra ny iray izay azo isafidianana. Manehoa fahaiza-manavaka eo amin’ny fifantenana ny Baiboly ampiasainao. (Ohabolana 19:8). Raha tsy marina ny fandikan-teny iray eo amin’ny fampahafantarana ny momba an’Andriamanitra — ka manala ny anarany tsy ho ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, na inona na inona antony — moa ve tsy nety ho namboamboatra ireo tapany hafa amin’ny teny ao amin’ny Baiboly koa ireo mpandika teny? Rehefa mampisalasala ny maha-marim-pototra ny fandikan-teny iray, dia mikeleza aina mba hampitaha azy io amin’ny fandikan-teny tranainy kokoa. Raha mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia ireo fandikan-teny izay mifikitra akaiky amin’ny soratra hebreo sy grika tany am-boalohany fidina.
16. Ahoana no ahafahantsika isam-batan’olona mampiseho tsy fivadihana, raha ny amin’ny fampiasantsika ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra?
16 Tokony tsy hivadika amin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehetra isam-batan’olona. Manao izany isika raha maneho fahalianana ampy amin’izay raketiny, ka maka fotoana isan’andro hamakiana ny Baiboly. (Salamo 1:1-3). Manao izany isika amin’ny fampiharana amin’ny fomba feno eo amin’ny fiainantsika ny zavatra lazain’izy io, amin’ny fianarana hampiasa ireo fotopoto-pitsipiny sy ohatra omeny, ho fototra hanaovantsika fanapahan-kevitra tsara. (Romana 12:2; Hebreo 5:14). Asehontsika fa mpanohana tsy mivadika ny Tenin’Andriamanitra isika, amin’ny fitoriana azy io amin-jotom-po amin’ny hafa. Manao izany koa isika raha mampiasa ny Baiboly amim-pitandremana rehefa mampianatra, ka tsy hanolana azy io na oviana na oviana na hanitatra izay lazainy mba hifanarahany amin’ny hevitsika. (2 Timoty 2:15). Ho tanteraka tsy hisy tomika izay nambaran’Andriamanitra mialoha. Tsy mivadika izy raha ny amin’ny fanatanterahana ny Teniny. Enga anie isika ka hanohana azy io amin’ny tsy fivadihana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Efa navoaka tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra miisa 2 167 ny Baiboly, na izy manontolo izany na ny tapany taminy, araka ny lisitra nataon’ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra, tamin’itỳ taona 1997 itỳ. Tafiditra amin’io isa io ireo fitenim-paritra maro amin’ny teny sasany.
b Io fandinihana io dia mifantoka amin’ireo fiteny izay azo anazavana tsara an’io raharaha io, saingy nifidy ny tsy hanao izany ireo mpandika teny. Amin’ny fiteny sasany dia mametra be izay azon’ny mpandika teny atao ny voambolana misy eo am-pelatanana. Amin’izay àry, dia hanazava ireo mpampianatra ara-pivavahana manao ny marina fa na dia nampiasa teny samihafa aza ilay mpandika teny, na koa nampiasa teny iray izay mamofompofona zavatra tsy araka ny Soratra Masina, ilay teny tany am-boalohany hoe neʹphesh, dia ampiharina amin’ny olombelona sy ny biby ary milaza zavatra miaina sy mihinan-kanina ary mety maty.
Tadidinao Ve?
◻ Antony manosika inona avy no nanan-kery tamin’ny asan’ireo mpandika tenin’ny Baiboly amin’izao andro maoderina izao?
◻ Nahoana no tsy nanafoana ny fikasan’Andriamanitra momba ny anarany ny fironana arahin’ny fandikan-teny maoderina?
◻ Ahoana no anamaizinan’ny fandikan-teny sasany an’ireo fahamarinana ara-baiboly momba ny fanahy (âme) sy ny fahafatesana ary ny tany?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika mampiseho fa manohana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana isika?
[Sary, pejy 16]
Fandikan-tenin’ny Baiboly inona no tokony hampiasainao?