ENTANA, ENTA-MAVESATRA
Zava-mavesatra entina ara-bakiteny na an’ohatra. Teny hebreo sy grika samihafa no ilazan’ny Baiboly ny hoe “enta-mavesatra” na “entana”, izay indraindray manana heviny ara-bakiteny, nefa koa matetika manana heviny an’ohatra hoe andraikitra, nenina, na hafatra avy amin’Andriamanitra. Midika hoe “mavesatra” ny iray (kaved) amin’ireo fototeny hebreo ilazana enta-mavesatra sy entana. (Ge 18:20; ampit. 1Sa 4:18.) Midika hoe ‘mampiakatra, mitondra’ ny matoanteny hoe nasaʼ (Ge 45:19; 47:30), izay fototenin’ny hoe massaʼ (‘enta-mavesatra; anjara entana’). (2Ta 35:3; No 4:15) Iray tarika amin’ny hoe sabbal (“mpitondra entana” [Ne 4:10]) sy sevel (“entana” [Ne 4:17]; ‘fanompoana tsy maintsy atao’ [1Mp 11:28]) ny matoanteny hoe saval (‘mitondra entana’ [Ge 49:15]).
Adika indraindray hoe “entana” koa ny teny hebreo hoe keli. Misy heviny maro izy io, anisan’izany ny hoe “fitoeran-javatra.”—Jereo FIADIANA, FITAOVAM-PIADIANA.
‘Nampahory ka nampitondra enta-mavesatra’ an’ireo Israelita ny lehiben’ny mpanao asa an-terivozona tany Ejipta, ary nanery azy ireo hitaona sy hampiasa rihitra tanimanga sy biriky. (Ek 1:11-14; 2:11) ‘Namoaka azy ireo ho afaka tamin’ny enta-mavesatra nampitondrain’ny Ejipsianina’ anefa i Jehovah. (Ek 6:6; Sl 81:6) Nanana ny anjara entany avy ny Levita Kehatita sy Gersonita ary Merarita, rehefa nafindrafindra toerana ny tranolay masina sy ireo fitaovany. (No 4) Nisy 70 000 ny mpitondra entana nampiasain’i Solomona. (1Mp 5:15; 2Ta 2:18) Nila sy nampiasa mpitondra entana koa i Josia Mpanjaka rehefa nanamboatra ny tempoly (2Ta 34:12, 13), sy Nehemia rehefa nitarika ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema tatỳ aoriana.—Ne 4:17; jereo FANOMPOANA TSY MAINTSY ATAO.
Ny zavatra nilain’ny tafika nitoby, ny mpanao dia lavitra, ny mpamonjy fivoriambe avy lavitra, sy ny toy izany, no entana nentin’izy ireo. (1Sa 10:21, 22; 17:22; 25:9-13) Namoaka fitsipika i Davida hoe hozaraina mitovy amin’ireo nandeha niady sy amin’ireo navela hiambina entana ny zavatra azo babo tany an’ady.—1Sa 30:21-25.
Nasaina nanomana ‘entana’ i Ejipta “fa hatao sesitany.” Tsy maintsy ho resin’i Babylona mantsy izy, araka ny faminanian’i Jeremia. (Je 46:13, 19) Nitondra entana “toy ny entan’olona hatao sesitany” nivoaka ny tranony tamin’ny andro antoandro i Ezekiela, mba hampisehoana fa hatao sesitany any Babylona ny mponin’i Jerosalema.—Ezk 12:1-4, 7-11.
Biby matetika no nitondra entana fahiny. Raha hitan’ny Israelita nivalampatra voatsindrin’ny entana ny ampondran’ny olona mankahala azy, dia tsy tokony hilaozany fotsiny ilay olona fa ‘tsy maintsy nampiany hanala ilay entana.’—Ek 23:5.
Heviny an’ohatra. Matetika no ilazana entana na enta-mavesatra ara-bakiteny ny hoe massaʼ (heb.), nefa ilazana koa “hafatra mafonja”, toy ilay nolazain’ny renin’i Lemoela Mpanjaka mba hanitsiana azy. (Oh 31:1) Midika koa izy io hoe fanambarana mavesa-danja na fanamelohana, toy izay atao amin’ny ratsy fanahy.—Is 13:1; 14:28; Ezk 12:10; Na 1:1.
Afaka mametraka an’izay manavesatra azy, toy ny fitsapana sy tebiteby, amin’i Jehovah ireo tsy mivadika aminy. Hoy i Davida: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” (Sl 55:22; ampit. 1Pe 5:6, 7.) Hoy koa izy: “Hisaorana anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan’andro, eny, ilay Andriamanitry ny famonjena antsika!”—Sl 68:19.
Mety ho andraikitra mavesatra omen’i Kristy ny hoe “enta-mavesatra.” (Ap 2:24) Tsy te hanampy “enta-mavesatra” ho an’ny Kristianina ny fanahy masina sy ny filan-kevi-pitantanana, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: “Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.”—As 15:28, 29.
Nanome toky i Paoly fa tsy ho enta-mavesatra ho an’ny Korintianina izy, ary tsy hitady ny fananan’izy ireo, fa ‘ho faly [kosa] hanome izay rehetra ananany sy hanao sorona tanteraka ny fiainany’ ho azy ireo. (2Ko 12:14-18) Apostolin’i Kristy izy ka nanana zo ny ho “enta-mavesatra” ho an’ny Tesalonianina. Tsy nihinam-potsiny ny sakafon’olona anefa izy, fa ‘niasa mafy sy nisasatra andro aman’alina kosa mba tsy hampitondra enta-mavesatra na iza na iza tamin’izy ireo.’ Te ho modely ho azy ireo mantsy izy.—2Te 3:7-10.
Hoy i Jesosy momba ny mpanora-dalàna sy Fariseo: “Enta-mavesatra no feheziny ka apetrany eo an-tsoroky ny olona, nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika izany amin’ny rantsantanany.” (Mt 23:2, 4) Navesatra be tokoa ireo fitsipika sy lovantsofina maro be nasain’izy ireo narahin’ny vahoaka, nefa tsy te hanala na fitsipika kely iray aza izy ireo mba hanamaivanana ny olona.—Mt 23:13, 23, 24.
I Jesosy kosa nanafaka ny olona tamin’ireny lovantsofina ireny. (Jn 8:31, 32) Nasainy nanatona azy sy nitondra ny ziogany ary ho lasa mpianany ireo niasa mafy sy navesatra entana. Ho velombelona izy ireo, satria malemy fanahy sy manetry tena izy. Hoy mantsy izy: “Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mt 11:28-30) Tsy nasiaka na nampahory i Kristy fa tsara fanahy, ka nandray tsara an’izay nanatona azy. Maivana ny ziogany, tsy hoatran’izay nampitondrain’ny mpitondra fivavahana nanaraka lovantsofina. Toa te hilaza koa i Jesosy hoe ho velombelona ireo rera-tsaina noho ny fahotany sy fahadisoany, raha manatona azy. Faly nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Nila nahafantatra sy nanao izay notakin’Andriamanitra koa àry ireo nitondra ny ‘entan’i’ Jesosy. (Jn 17:3; 4:34) Toy ny manao hazakazaka ny Kristianina, ka nampirisihin’i Paoly ‘hanaisotra izay rehetra manavesatra sy ny ota izay mora mamatopatotra’, ary ‘hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloan’izy ireo’, sady hibanjina tsara an’ilay ‘Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoany, dia i Jesosy.’—He 12:1, 2.
Mifampitondra izay mavesatra. Hoy i Paoly tamin’ny Galatianina: “Mifampitondrà foana izay mavesatra [na “izay manahirana”; a.b.t.: zavatra mavesatra], ary tanteraho amin’izany ny lalàn’i Kristy.” (Ga 6:2) Ny teny grika hoe bare (mr.; tkn.: barôs) izay ilazana foana zavatra manavesatra na mavesatra no nampiasainy eo. Mavesatra amin’ny olona iray tokoa ny mieritreritra ny fahotana vitany raha ‘sendra nanao fahadisoana’ (and. 1) izy. Hoy koa anefa i Paoly: “Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay” (and. 5), izany hoe samy handray ny andraikiny. Fôrtiôn (gr.) ilay hoe ‘entana’ eo, ary ilazana zavatra entina izy io, fa tsy ny lanjan’ilay izy. Tsy mitovy àry ny hoe “izay mavesatra” sy ny hoe ‘entana’ noresahin’i Paoly. Raha manana olana ara-panahy ny Kristianina iray ka tena mavesatra aminy ilay izy, dia hanampy azy ny mpiray finoana be fitiavana. Izany no dikan’ny hoe mifampitondra izay mavesatra sy manatanteraka ny lalàn’i Kristy. (Jn 13:34, 35) I Paoly koa efa nampirisika ny hanitsiana an’izay sendra manao fahadisoana (Ga 6:1), ary azo atao izany raha maneho fitiavana, tsara fanahy, ary mivavaka ilay manitsy. (Ampit. Jk 5:13-16.) Ny hoe mifampitondra izay mavesatra anefa tsy midika hoe miantsoroka ny andraikitry ny hafa eo anatrehan’Andriamanitra. Nilaza koa i Paoly fa mamita-tena izay mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona. Tokony “handinika izay ataony avy” àry ny Kristianina tsirairay, mba “hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.” (Ga 6:3, 4; ampit. 2Ko 10:12.) Taorian’izay i Paoly vao nilaza hoe ‘samy hitondra ny entany avy ny tsirairay’, izany hoe samy handray ny andraikiny eo anatrehan’ilay Mpitsara Fara Tampony, dia i Jehovah Andriamanitra.