-
Fomba Anamaivanana ny Vesatry ny Adim-piainanaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Desambra
-
-
Eo ambanin’ilay zioga
9, 10. Nanondro inona ny zioga hatramin’izay, ary nahoana i Jesosy no nanasa ny olona hitondra ny ziogany?
9 Asa raha voamarikao fa nilaza i Jesosy ao amin’ny Matio 11:28, 29 hoe “ento ny ziogako, ka mianara amiko.” Nihevi-tena ho nitondra zioga mihitsy ny sarambaben’olona, tamin’izany andro izany, rehefa niasa. Nanondro ny fanandevozana foana ny zioga hatramin’izay. (Genesisy 27:40; Levitikosy 26:13; Deoteronomia 28:48) Nilanja zioga ara-bakiteny mba hitondrana entana mavesa-be ny ankamaroan’ny mpiasa nandray karama isan’andro, tamin’ny andron’i Jesosy. Misy zioga mety tsara amin’ny hatoka sy ny soroka, fa mety hisy kosa hanorisory satria mankarary, arakaraka ny nanamboarana azy. Mety ho efa nanamboatra zioga i Jesosy satria mpandrafitra, ary mety ho hainy ny nanao zioga “mora.” Nasiany hoditra na lamba angamba ilay zioga, mba hahafinaritra ny mitondra azy.
10 Angamba nampitovy ny tenany tamin’ny mpanome zioga tsara i Jesosy, rehefa nilaza hoe “ento ny ziogako.” Zioga “mora” ho an’ny hatoka sy ny sorok’ilay mpiasa angamba no namboariny. Izany no nahatonga azy hilaza koa hoe: “Maivana ny entako.” Nidika izany fa nahafinaritra ilay zioga, sady tsy asan’andevo koa ilay asa. Marina aloha fa tsy nanamaivana ny olona tamin’ny fahoriana rehetra nisy tamin’izany i Jesosy, rehefa nanasa azy ireo hitondra ny ziogany. Tena hamelombelona azy ireo anefa ny fomba fihevitra vaovao nasehony. Hahazoan’izy ireo fanamaivanana koa ny fanovana ny fomba fiainany sy ny fomba fanaovany zavatra. Ambonin’izany, dia ho hitan’izy ireo fa hanjary ho maivana kokoa ny adim-piainana, rehefa manana fanantenana mazava sy mafy orina izy ireo.
Afaka mahazo famelombelomana ianao
11. Nahoana i Jesosy no tsy nilaza fa ho afaka amin’ny zioga rehetra ny olona rehefa mitondra ny ziogany?
11 Mariho fa tsy nilaza akory i Jesosy hoe ho afaka amin’ny zioga rehetra ny olona, rehefa handray ny ziogany. Mbola hifehy azy ireo mantsy i Roma, ary mifehy ny tany misy ny Kristianina koa ireo fanjakana ankehitriny. Tsy maintsy nandoa hetra tamin’ny Romanina ihany izy ireo. Mbola nisy koa ny aretina sy ny zava-nanahirana ara-bola. Mbola nisy vokany tamin’ny olona koa ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana. Nahazo famelombelomana anefa izy ireo, rehefa nanaraka ny fampianaran’i Jesosy, ary afaka mahazo izany koa isika.
12, 13. Inona no hitondra famelombelomana, araka ny nantitranterin’i Jesosy, ka inona no nataon’ireo nahazo izay nolazainy?
12 Ny fanaovana mpianatra no tena fampiharana ilay ohatra noraisin’i Jesosy momba ny zioga. Tsy isalasalana fa ny fampianarana no nimasoany, ka ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nantitranteriny. (Matio 4:23) Tokony hanaraka azy hanao io asa io koa àry ireo nilazany hoe “ento ny ziogako.” Hita ao amin’ny Filazantsara fa nanosika olona tso-po hiova asa i Jesosy, na dia nibahan-toerana teo amin’ny fiainan’izy ireo aza ny asany. Tadidio ilay fanasana nataony tamin’i Petera, Andrea sy Jakoba ary Jaona: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.” (Marka 1:16-20) Io asa io no nataon’i Jesosy vain-dohan-draharahany. Nasehony an’ireo mpanarato ireo fa ho afa-po tokoa izy ireo raha manao azy io, ka manaraka ny tari-dalany sy mandray ny fanampiany eo am-panaovana izany.
13 Nisy Jiosy nahazo ny tiany holazaina, ka nampihatra izany. Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga teny amoron-dranomasina, voatantara ao amin’ny Lioka 5:1-11. Nisy mpanarato efatra niasa mafy nandritra ny iray alina manontolo, nefa tsy nahazo na inona na inona. Feno tampotampoka teo anefa ny haratony rehefa nalatsany! Tsy kisendrasendra izany, fa noho ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tazan’izy ireo teny amoron-dranomasina ny vahoaka nihaino tsara ny fampianaran’i Jesosy. Noho izany, dia nazava izao tenin’i Jesosy tamin’izy efa-dahy izao: “Hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho [azonareo].” Inona àry no nataon’izy ireo? “Nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy.”
14. a) Inona no hamelombelona antsika? b) Inona ilay vaovao tsara mamelombelona notorin’i Jesosy?
14 Tena afaka manao toy izany koa ianao. Mbola mitohy ny asa fampianarana ny fahamarinana ara-baiboly. Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa eo ho eo eran-tany no nanaiky ny fanasan’i Jesosy ‘hitondra ny ziogany’, ka lasa “mpanarato olona.” (Matio 4:19) Manontolo andro no anaovan’ny sasany izany, fa misy kosa manao izany tapa-potoana, araka izay vitany. Tsapan’izy rehetra fa mamelombelona izany, ka tsy dia mafy aminy intsony ny adim-piainana. Zavatra mahafinaritra azy ireo mantsy no ataony, dia ny filazana ny vaovao tsara, izany hoe ny “filazantsaran’ny fanjakana.” (Matio 4:23) Mahafaly foana ny milaza vaovao tsara, indrindra fa io vaovao tsara io. Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny hevi-dehibe ilaina mba handresena lahatra ny olona, fa azony atao ny miatrika tsara kokoa ny adim-piainana.—2 Timoty 3:16, 17.
15. Inona no soa azo avy amin’ny fampianaran’i Jesosy momba ny fiainana?
15 Efa nandray soa tamin’ny fampianaran’i Jesosy momba ny fomba fiaina, na dia ireo vao nanomboka nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra aza. Betsaka no afaka milaza fa tena namelombelona sy nanampy azy hanova tanteraka ny fiainany ny fampianaran’i Jesosy. Mba hanamarinanao izany, dia diniho ny fitsipika vitsivitsy momba ny fiainana, misongadina ao amin’ny fitantarana momba an’i Jesosy sy ny fanompoany, indrindra fa ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka.
Fomba ahazoana famelombelomana
16, 17. a) Aiza no ahitana ny sasany amin’ireo fampianarana fototra avy amin’i Jesosy? b) Inona no ilaina, raha tiana ny hahazo famelombelomana avy amin’ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy?
16 Malaza mandraka ankehitriny ilay lahateny nataon’i Jesosy tamin’ny 31 am.f.i. Toriteny teo An-tendrombohitra no ahafantaran’ny maro azy io. Voasoratra ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 sy ny Lioka toko faha-6 izy io, ary mamintina ny ankamaroan’ny fampianaran’i Jesosy. Misy fampianaran’i Jesosy koa ao amin’ny toerana hafa ao amin’ny Filazantsara. Mora azo nefa mety ho sarotra ampiharina ny ankamaroan’ny zavatra nolazainy. Ahoana raha vakina sy dinihina tsara ireo toko ireo? Avelao hanan-kery amin’ny fomba fisainanao sy ny toetranao ny hevitra fonosin’izy ireo.
17 Misy fomba maro azo anasokajiana ny fampianaran’i Jesosy. Ireo fampianarany fototra no hatambatsika. Amin’izay dia handinika iray isan’andro isika mandritra ny iray volana, ka ny hampihatra izany amin’ny fiainana no tanjona. Ahoana no hatao? Aza lalovana fotsiny ireo hevitra. Tadidio ilay mpanan-karena nanontany an’i Jesosy Kristy hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Nampahatsiahivin’i Jesosy azy ny zava-dehibe takin’ny Lalàn’Andriamanitra, ka namaly izy fa efa tandremany avokoa izany. Takany anefa fa tsy ampy izany. Nasain’i Jesosy niezaka mafy kokoa àry izy mba hampihatra ny fitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, fa tsy ho mpianatra anarany fotsiny. Toa tsy vonona hanao izany rehetra izany anefa io lehilahy io. (Lioka 18:18-23) Izay te hianatra ny fampianaran’i Jesosy àry, dia tokony hitadidy fa tsy ampy ny manaiky ny fampianarany, fa ilaina koa ny mampihatra azy ireny, mba hanamaivanana ny adim-piainana.
18. Hazavao ny fomba azo ampiasana ilay faritra voafefy mba hahitana soa.
18 Hojerentsika ny hevitra voalohany amin’ilay faritra voafefy, mba hanombohana ny fandinihana sy ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy. Ny Matio 5:3-9 no asaina jerena. Mety haka fotoana misimisy ihany ny fisaintsainana ireo torohevitra tsara ao amin’ireo andinin-teny ireo. Inona anefa no toe-tsaina tokony hananantsika, raha atao indray mijery ireo? Inona no ilainao, raha tena maniry hahazaka ny adim-piainana mavesatra loatra ianao? Inona no soa horaisinao, raha miezaka ianao mba hamela ny zavatra ara-panahy hibahana kokoa ao an-tsainao? Sao dia tsy tokony hampiasa saina loatra amin’ny zavatra sasany ianao, mba hahatonga ny zavatra ara-panahy hibahana kokoa ao an-tsainao? Hitombo sahady ny fahasambaranao, raha manao izany ianao.
19. Inona no hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ireo fampianaran’i Jesosy?
19 Misy zavatra hafa azonao atao indray izao. Ahoana raha miara-mandinika ireo andinin-teny ireo amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa, angamba ny vadinao, na havanao akaiky na namanao? (Ohabolana 18:24; 20:5) Tadidio fa nanontany olona ilay mpanan-karena. I Jesosy no nanontaniany. Afaka nampitombo ny fahasambarany sy nanalava ny androm-piainany ny valin-teny azony. Marina fa tsy hitovy amin’i Jesosy ilay mpiara-manompo handinika ireo andinin-teny ireo miaraka aminao. Samy handray soa anefa ianareo, rehefa miresaka momba ny fampianaran’i Jesosy. Iezaho atao haingana izany.
20, 21. Inona no fandaharana tsara arahina mba hianarana ireo fampianaran’i Jesosy, ary ahoana no ahitanao raha mandroso ianao?
20 Jereo indray ilay faritra voafefy hoe “Fampianarana Natao Hanampy Anao.” Natambatra ireo fampianarana ireo mba handinihanao anankiray isan’andro. Azonao vakina aloha izay nolazain’i Jesosy ao amin’ireo andinin-teny. Avy eo, dia saintsaino izay nolazainy. Eritrereto ny fomba azonao ampiharana izany. Raha heverinao fa efa manao izany ianao, dia saintsaino indray izay zavatra hafa azonao atao mba hanarahana io fampianaran’Andriamanitra io. Ampiharo mandritra io andro io izany. Raha sarotra aminao ny mahazo ny hevitr’ilay izy na ny fomba ampiharana azy, dia io ihany saintsainina ny ampitso. Tadidio anefa fa tsy voatery ho hainao ampiharina tanteraka izy io vao hianatra zavatra hafa ianao. Afaka mandinika fampianarana hafa ianao ny ampitson’iny. Azonao jerena, amin’ny faran’ny herinandro, hoe nanao ahoana ny fampiharanao ny efatra na dimy tamin’ny fampianaran’i Jesosy. Ampitomboy isan’andro ny zavatra ianaranao ny herinandro manaraka. Aza kivy, raha hitanao fa nisy fampianarana tsy nampiharinao tsara. Hanjo ny Kristianina rehetra izany. (2 Tantara 6:36; Salamo 130:3; Mpitoriteny 7:20; Jakoba 3:8) Iezaho ampiharina indray ilay izy mandritra ny herinandro fahatelo sy fahefatra.
21 Mety ho vitanao ao anatin’ny iray volana eo ho eo ireo hevitra 31. Na izany na tsy izany, inona no ho vokany tsapanao? Tsy ho sambatra kokoa ve ianao, na mety hahazo aina kokoa? Na kely fotsiny aza ny fanatsarana vitanao, dia azo inoana fa ho maivana kokoa ny adim-piainana, na fara faharatsiny, ho zakanao kokoa izany, sady fantatrao izay tokony hatao. Tadidio fa mbola nampianatra zavatra hafa mahafinaritra i Jesosy, ankoatra ireo efa eo amin’ilay lisitra. Ahoana raha karohina izany, ka iezahana ampiharina?—Filipiana 3:16.
22. Inona no mety ho vokatry ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy, nefa inona koa no tokony hodinihintsika?
22 Mora tokoa ny ziogan’i Jesosy, na dia misy lanjany aza. Maivana ny entany, izany hoe ny fampianarany sy ny hoe mpianany. Izao no nolazain’ny apostoly Jaona, naman’i Jesosy, taorian’ny 60 taona mahery naha mpianatr’i Jesosy azy: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Afaka matoky izany koa ianao. Arakaraka ny hampiharanao ny fampianaran’i Jesosy no hahitanao fa tsy hampahory anao loatra ireo zavatra mahatonga adim-piainana ho an’ny maro. Ho hitanao fa tena nihamaivana ny adim-piainanao. (Salamo 34:8) Misy zavatra hafa tokony hodinihinao momba ilay ziogan’i Jesosy anefa. Nilaza koa mantsy i Jesosy fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. Ahoana no hanahafantsika azy amin’izany? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Matio 11:29.
-
-
“Mianara Amiko”Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Desambra
-
-
“Mianara Amiko”
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”—MATIO 11:29.
1. Nahoana no mahafinaritra sady mahafa-po ny mianatra amin’i Jesosy?
NIERITRERITRA sy nampianatra ary nanao zavatra nety foana i Jesosy Kristy. Vetivety ihany izy no teto an-tany, nefa nahafinaritra sy nahafa-po azy ny asa nataony, ary faly foana izy. Nanangona mpianatra izy ary nampianatra azy ireo ny fomba hivavahana amin’Andriamanitra sy hitiavana ny olona ary handresena izao tontolo izao. (Jaona 16:33) Nomeny toky izy ireo, ary “ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay.” (2 Timoty 1:10) Inona no dikan’izany hoe mpianatra izany, raha anisan’ny mpianany ianao? Hanampy antsika hanatsara ny fiainantsika ny fandinihana izay nolazain’i Jesosy momba ny atao hoe mpianatra. Ilaina amin’izany ny miezaka hanana ny fomba fiheviny ary misy fitsipika fototra tokony hampiharina.—Matio 10:24, 25; Lioka 14:26, 27; Jaona 8:31, 32; 13:35; 15:8.
2, 3. a) Inona no atao hoe mpianatr’i Jesosy? b) Nahoana no ilaina ny manontany tena hoe: ‘Mpianatr’iza marina moa aho?’
2 Ny atao hoe “mpianatra”, araka ny Soratra Grika Kristianina, dia olona mampitodika ny sainy amin’ny zavatra iray. Misy teny mitovy amin’izy io ao amin’ny Matio 11:29, milaza hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” Matetika ilay hoe “mpianatra” ao amin’ireo Filazantsara no manondro an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy akaiky, izany hoe ireo niara-nandeha nitory taminy sy nampianariny. Mety ho nanaiky ny fampianaran’i Jesosy fotsiny ny sasany, ary ny sasany nanaiky izany tamim-piafenana. (Lioka 6:17; Jaona 19:38) Miresaka momba “ny mpianatr’i Jaona [Mpanao Batisa] sy ny mpianatry ny Fariseo” koa ireo mpanoratra ny Filazantsara. (Marka 2:18) Nasain’i Jesosy nitandrin-tena tamin’ny “fampianaran’ny Fariseo” ny mpanara-dia azy, ka tokony hanontany tena isika hoe: ‘Mpianatr’iza marina moa aho?’—Matio 16:12.
3 Tokony ho velombelona ara-panahy ny hafa rehefa miaraka amintsika, raha mpianatr’i Jesosy isika, ka nianatra taminy. Tokony ho hitan’izy ireo fa nanjary malemy fanahy sady tsy miavona am-po kokoa isika. Raha ray aman-dreny isika, na mpiandraikitra ny fiangonana, na manana toerana ambony any am-piasana, moa ve hitan’ny olona eo ambany fahefantsika fa mitovy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona ny fomba itondrantsika azy ireo?
Fomba nitondran’i Jesosy ny olona
4, 5. a) Nahoana no tsy sarotra fantarina ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nanan-java-nanahirana? b) Inona no nitranga rehefa nisakafo tany an-tranon’ny Fariseo iray i Jesosy?
4 Ilaintsika hofantarina ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona, indrindra fa ireo nanan-java-nanahirana lehibe. Tsy sarotra ianarana izany. Betsaka mantsy ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mampiseho ny nataon’i Jesosy tamin’ny olona, ary nisy azom-pahoriana tamin’izy ireny. Aoka homarihintsika koa ny nataon’ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ny Fariseo, tamin’ireny olona ireny. Hahitantsika fianarana betsaka ny fahasamihafan’izy ireo tamin’i Jesosy.
5 ‘Nanasa an’i Jesosy hiara-mihinana taminy ny Fariseo iray’, rehefa nitory tany Galilia izy, tamin’ny 31 am.f.i. Tsy nisalasala nanaiky an’ilay fanasana i Jesosy. “Dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; ary nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra.”—Lioka 7:36-38.
6. Inona no mety ho nahatonga an’ilay vehivavy “mpanota” ho tany an-tranon’ilay Fariseo?
6 Eritrereto ange izany e! Misy boky milaza hoe: “Fomba tamin’izany ny namela ny mahantra ho tonga haka ambin-tsakafo tamin’ireny fanasana lehibe ireny. Nanararaotra izany ilay vehivavy (and. 37).” Izany angamba no nahafahan’ny olona ho tonga na dia tsy nasaina aza. Nisy olon-kafa koa angamba tonga teo mba hanangona ambin-tsakafo. Hafa mihitsy anefa ny fihetsik’io vehivavy io. Tsy nitazana avy lavitra fotsiny mba hiandry ny hifaranan’ilay fanasana mantsy izy. Nalaza ratsy izy, satria “mpanota”, hany ka nilaza i Jesosy fa fantany “ny helony be.”—Lioka 7:47.
7, 8. a) Inona no mety ho nataontsika, raha nitranga tamintsika ny toe-javatra resahina ao amin’ny Lioka 7:36-38? b) Inona no nataon’i Simona?
7 Eritrereto hoe niaina tamin’izany fotoana izany ianao, ka ianao no teo amin’ny toeran’i Jesosy. Inona no ho nataonao? Ho sadaikatra ve ianao raha nanatona anao io vehivavy io? Inona no ho vokatr’izany teo aminao? (Lioka 7:45) Ho nahatsiravina anao ve izany?
8 Mety ho niombon-kevitra kely tamin’i Simona Fariseo ihany ve ianao raha anisan’ireo nasaina? “Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.” (Lioka 7:39) Be fangoraham-po kosa anefa i Jesosy. Takany tsara ny fahorian’io vehivavy io ary tsapany ny alahelony. Tsy lazaina amintsika ny nahatonga azy ho mpanota matevin-koditra. Raha mpivaro-tena marina izy, dia toa tsy nanampy azy ny Jiosy tao an-tanàna, na dia mpivavaka be aza.
9. Inona no nataon’i Jesosy, ary inona no nety ho vokatr’izany?
9 Naniry hanampy an’ilay vehivavy anefa i Jesosy. Hoy izy taminy: “Voavela ny helokao.” Hoy koa izy: “Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 7:48-50) Mifarana eo ilay tantara. Mety hisy hilaza fa tsy dia nanampy an’ilay vehivavy i Jesosy, satria toa nitso-drano azy fotsiny izy. Heverinao ve anefa fa niverina tamin’ilay fomba fiainany ratsy io vehivavy io? Tsy fantatsika marina izay nataony, nefa diniho ny tohin’ny tenin’i Lioka. Tantarainy fa nitety “ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. Lazain’i Lioka koa fa niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany ny “vehivavy sasany”, ka “nanompo azy tamin’ny fananany [ny an’ireo vehivavy].” Mety ho anisan’izany io vehivavy nibebaka sy velom-pankasitrahana io. Mety ho nanomboka nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, ka nanjary nadio eritreritra, nahita zava-kendrena vaovao ary tia an’Andriamanitra kokoa.—Lioka 8:1-3.
Fahasamihafan’i Jesosy sy ny Fariseo
10. Nahoana no mahasoa ny mandinika ny tantaran’i Jesosy sy ilay vehivavy tao an-tranon’i Simona?
10 Inona no ianarantsika avy amin’io tantara velombelona io? Tsy mampihetsi-po ve izany? Eritrereto hoe tao an-tranon’i Simona ianao. Inona no ho tsapanao? Ho nanahaka an’i Jesosy ve ianao sa ho nanahaka kely an’i Simona Fariseo ihany? Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ka tsy hitovy tanteraka amin’ny azy ny zavatra tsapantsika na ataontsika. Tsy tiantsika koa anefa ny hitovy amin’i Simona Fariseo. Vitsy no te hitovy amin’ny Fariseo.
11. Nahoana no tsy tiantsika ny hitovy amin’ny Fariseo?
11 Rehefa dinihina ny Baiboly sy ny bokin-tantara hafa, dia hita fa nanambony tena ny Fariseo, satria nihevitra ho mpiandraikitra izay hahasoa sy hahatsara ny fiaraha-monina sy ny firenena. Efa nazava sady mora azo ny Lalàn’Andriamanitra, nefa tsy nahafa-po azy ireo izany. Namorona fampiharana amin’ny an-tsipiriany ny Lalàna izy ireo, rehefa noheveriny fa tsy voafaritra tsara ny Lalàna. Nanjary tsy nilaina intsony, noho izany, ny feon’ny fieritreretana. Nitady lalàna hifehezana ny fitondran-tenan’ny olona hatramin’ny zavatra madinika indrindra izy ireo.a
12. Ahoana no fiheveran’ny Fariseo ny tenany?
12 Nohazavain’i Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa nihevi-tena ho tsara fanahy sy marina ary nahay ny asany, ny Fariseo. Mety ho nisy toy izany mihitsy izy ireo. Tsaroanao angamba i Nikodemosy. (Jaona 3:1, 2; 7:50, 51) Nisy Fariseo lasa Kristianina, tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 15:5) Hoy ny apostoly Paoly momba ny Jiosy toy ny Fariseo: “Mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.” (Romana 10:2) Asehon’ny Filazantsara anefa ny tena fahitan’ny olona azy ireo, izany hoe miavona, mihevi-tena ho marina, be fanakianana, tia mitsara olona sy manambany olona foana.
Fihevitr’i Jesosy
13. Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo Fariseo?
13 Nantsoin’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy ny mpanora-dalàna sy Fariseo. “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” Navesatra tokoa ilay entana ary mafy ilay zioga nasaina nentin’ny olona. Nantsoin’i Jesosy hoe “adala” koa ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Mety hampidi-doza ny fiaraha-monina ny adala. “Mpitarika jamba” koa izy ireo, hoy i Jesosy, ary nolazainy fa ‘navelan’izy ireo izay lehibe tamin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.’ Iza no te hampitovin’i Jesosy amin’ny Fariseo?—Matio 23:1-4, 16, 17, 23.
14, 15. a) Manao ahoana ny Fariseo, rehefa dinihina ny nataon’i Jesosy tamin’i Matio Levy? b) Inona avy no lesona lehibe raisintsika avy amin’io fitantarana io?
14 Ho hitan’izay mamaky ny Filazantsara fa tsy nanao afa-tsy ny nanakiana ny ankamaroan’ny Fariseo. Nanao fanasam-be ho an’i Jesosy i Matio Levy, mpamory hetra, rehefa nasainy ho tonga mpianany. Hoy ny fitantarana: “Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana hianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: ... tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”—Lioka 5:27-32.
15 Azon’i Levy koa ity zavatra hafa nolazain’i Jesosy ity: “Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra.’ ” (Matio 9:13) Tsy nanaiky ireo teny nalaina avy tao amin’ny Hosea 6:6 ireo ny Fariseo, nefa nilaza fa mino izay nolazain’ny mpaminany hebreo. Nolazainy fa nanaraka ny lovantsofina izy, raha sendra nanao fahadisoana. Tsara àry raha manontany tena isika tsirairay hoe: ‘Malaza ho mpanizingizina fitsipika ve aho, anisan’izany ny fitsipika araka ny hevitro manokana? Sa olona be famindram-po sy tsara fanahy no tena ahafantarana ahy?’
16. Inona no fanaon’ny Fariseo, ary inona no tokony hataontsika mba tsy hitoviana aminy?
16 Manakiana lava tsy misy farany. Izany no fanaon’ny Fariseo. Nijery ny kileman-toetran’ny olona izy ireo, na tena misy izany na heverina fa misy. Nahatonga ny olona hiaro tena foana izy ireo, ary nampahatsiahy azy ireo ny fahadisoany. Nirehareha ny Fariseo satria nandoa ny ampahafolon’ny zavamaniry kely indrindra, toy ny solila sy ny aneta ary ny komina. Naderaderany tamin’ny alalan’ny akanjony ny fitiavany mivavaka, ary nanandrana nifehy ny firenena izy ireo. Tsy tokony hijery ny kileman’ny olona sy hanasongadina izany mihitsy àry isika, raha tiantsika hifanaraka amin’ny ohatr’i Jesosy ny ataontsika.
Ahoana no nandaminan’i Jesosy zava-manahirana?
17-19. a) Hazavao ny fomba nandaminan’i Jesosy ny zava-nanahirana iray saika nitatra. b) Nahoana no nanahirana sy nahasadaikatra ny nanjo an’ilay vehivavy? d) Inona no ho nataonao, raha teo ianao rehefa nanatona an’i Jesosy ilay vehivavy?
17 Tena samy hafa tamin’ny an’ny Fariseo ny fomba nandaminan’i Jesosy zava-manahirana. Diniho ny nataony, rehefa nisy zava-nanahirana iray saika nitatra. Nahakasika vehivavy nitsi-dra efa hatramin’ny 12 taona ilay izy. Azonao vakina ao amin’ny Lioka 8:42-48 ilay tantara.
18 Tantarain’i Marka fa “raiki-tahotra sady tora-kovitra” ilay vehivavy. (Marka 5:33) Nahoana? Satria azo antoka fa fantany hoe nandika ny Lalàn’Andriamanitra izy. Voalaza ao amin’ny Levitikosy 15:25-28 fa maloto ny vehivavy mitsi-dra, ary herinandro aorian’ny fijanonan’ilay aretina izy vao madio. Nanjary naloto avokoa izay zavatra nokasihiny na olona nifandray taminy. Tsy maintsy nanavatsava ny vahoaka io vehivavy io mba hanatonana an’i Jesosy. Tsy malahelo an’io vehivavy ory io ve isika rehefa mamaky ny tantarany, 2 000 taona atỳ aoriana?
19 Ahoana no ho fahitanao ny zava-nitranga raha teo ianao? Inona no ho nolazainao? Mariho fa tsara fanahy tamin’io vehivavy io i Jesosy, ary nampiseho fitiavana taminy sady nanisy fiheverana azy. Tsy nanipy teny momba izay zava-manahirana mety ho napoitran’io vehivavy io akory aza izy.—Marka 5:34.
20. Inona no zava-tsarotra mety hatrehintsika, raha mbola manan-kery hatramin’izao ny Levitikosy 15:25-27?
20 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aoka hatao hoe anti-panahy ianao. Eritrereto koa hoe mbola manan-kery hatramin’izao ny Levitikosy 15:25-27, ary nisy anabavy nandika izany, ka mitaintaina sady very hevitra. Inona no hataonao? Hanome torohevitra manambany azy eo imason’olona ve ianao? “Tsy hanao an’izany mihitsy aho!”, hoy ianao. “Hanahaka an’i Jesosy aho, ka hiezaka mafy mba ho tsara fanahy, hampiseho fitiavana, hieritreritra tsara, ary hanisy fiheverana azy.” Tsara mihitsy izany! Ny zava-tsarotra tokony horesena anefa izao dia ny manaraka ny ohatr’i Jesosy, ka manatanteraka izany.
21. Inona no nampianarin’i Jesosy ny olona momba ny Lalàna?
21 Tena namelombelona sy nampahery ny olona i Jesosy. Tsy niadiany hevitra ny Lalàn’Andriamanitra, rehefa namaritra tsara izay tokony hatao. Navelany hampiasa ny feon’ny fieritreretany kosa ny olona, rehefa torohevitra ankapobe no nomen’ny Lalàna. Tamin’izay ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia afaka nampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra. Tsy henjana na nangeja azy ireo àry ny Lalàna. (Marka 2:27, 28) Tian’Andriamanitra ny olony, ary notadiaviny foana izay hahasoa azy ireo. Vonona hamela heloka koa izy, rehefa sendra nanao diso izy ireo. Tsy nisy hafa tamin’izany i Jesosy.—Jaona 14:9.
-