‘Manompoa An’i Kristy Tompo’
NANDRITRA ny tantara manontolo, dia olona an-tapitrisany maro no nizaka ny enta-mavesatry ny fanandevozana. An’arivony taona maro lasa izay, dia nijaly mafy ny Isiraelita, ohatra, teo am-pelatanan’ireo mpanara-maso egyptiana. Araka ny lazain’ny Baiboly, ny Egyptiana dia “nanendry mpifehy andevo teo amin’ny Isiraelita mba hahatrotraka azy teo ambany enta-mavesatra”, indrindra fa tamin’ny fanamboarana biriky. — Eksodosy 1:11, The Jerusalem Bible.
Any amin’ny tany maro amin’izao andro izao, dia mety tsy hiasa toy ny andevo ara-bakiteny ny olona, kanefa olona maro no tsy maintsy miasa mandritra ny ora maro ao anatin’ny toe-javatra mitaky ezaka mafy — indraindray tsy mahatamana. Eo ambany enta-mavesatr’izay azo antsoina hoe fanandevozana ara-bola izy ireo.
Misy endri-panandevozana, na fanompoana, hafa tsy mavesatra anefa. Nampirisika an’ireo mpiray finoana taminy toy izao ny apostoly Paoly: ‘Manompoa an’i Kristy Tompo’. (Kolosiana 3:24). Mahita fanamaivanana amin’ny enta-mavesany ireo izay mifidy ny ho tonga mpanompon’i Kristy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita [famelombelomana, NW ] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
Tsy manafaka ny olona iray amin’ny adidiny hanome izay ilain’ny fianakaviany ara-nofo ny fanekena ny ziogan’i Kristy. (1 Timoty 5:8). Tena manolotra fahafahana amin’ny famatopatorana maron’ny fikatsahana fatratra zavatra ara-nofo anefa izany. Tsy manao ny fampiadanana ara-nofo ho ny zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainany ny Kristiana, fa afa-po kosa amin’ny zavatra tena ilaina fototra. — 1 Timoty 6:6-10; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:31.
Mahita famelombelomana koa ny Kristiana eo amin’ny fanatanterahany ny andraikiny hitory ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14, NW ). Mitondra tena fifaliana sy fahafaham-po izany!
Tokony ho velom-pankasitrahana isika fa afaka “manompo an’i Kristy Tompo”!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.