-
Fitsanganana Amin’ny MatyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manota amin’ny fanahy masina. Nilaza i Jesosy Kristy fa tsy hahazo famelan-keloka, na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy, ny olona manota amin’ny fanahy masina. (Mt 12:31, 32) Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona toy izany ka tsy hatsangana, satria tsy ho voavela mihitsy ny helony. Nomelohin’i Jesosy i Jodasy Iskariota rehefa nantsoiny hoe “zanaky ny fandringanana.” Tsy handray soa amin’ny vidim-panavotana izy ary tsy hatsangana amin’ny maty, satria efa voaheloka haringana.—Jn 17:12.
Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy nanohitra azy: “Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena [na fandringanana mandrakizay]?” (Mt 23:33; jereo GEHENA.) Homelohina ireo olona ireo ka tsy hatsangana amin’ny maty, raha tsy mitady an’Andriamanitra alohan’ny hahafatesany. Izany koa no hanjo an’ilay “lehilahy mpandika lalàna.”—2Te 2:3, 8; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.
Nilaza i Paoly fa “tsy azo velomina indray ho amin’ny fibebahana” ireo efa nahalala ny fahamarinana sy nahazo ny fanahy masina nefa nihemotra, “satria mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.” Tsy hanarona ny fahotany ny vidim-panavotana, ka tsy hatsangana amin’ny maty izy ireo. Noharin’ilay apostoly tamin’ny tany mamokatra tsilo sy ahidratsy izy ireo. Tsy misy ilana azy ny tany toy izany ka hodorana. Midika izany fa ho ringana mandrakizay ireo olona ireo.—He 6:4-8.
Nilaza koa i Paoly fa raha misy “minia manota rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.” Hoy izy: “Izay olona tsy niraharaha ny lalàn’i Mosesy dia novonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, ka tsy nanehoana fangorahana. Koa tsy vao mainka ve ho mafy kokoa, araka ny hevitrareo, ny sazy ho mendrika an’izay manitsaka ny Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa tsy dia manao ahoana ny ran’ny fifanekena nanamasinana azy, ary maniratsira ny fanahin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? ... Zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.” Mafy kokoa ny sazin’izy ireo satria halefa any amin’ny Gehena izy ireo ka tsy hatsangana amin’ny maty, fa tsy hoe hovonoina sy halefa any amin’ny Sheôl fotsiny toa an’ireo nandika ny Lalàn’i Mosesy.—He 10:26-31.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Be kokoa ny andraikitr’izay mahalala zavatra. Tsy dia lehibe, ohatra, ny fahotan’i Pilato raha oharina amin’ny an’ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nanolotra an’i Jesosy tamin’ny governora, na amin’ny fahotan’i Jodasy izay namadika ny Tompony. (Jn 19:11; 17:12) Niteny tamin’ny Fariseo i Jesosy hoe tsy ho nanan-keloka izy ireo raha jamba, izany hoe nahazo famelana izy ireo raha nanota noho ny tsy fahalalana. Nihevi-tena ho nanam-pahalalana anefa izy ireo ka ‘tsy afaka ny helony.’ (Jn 9:39-41) Nilaza i Jesosy fa ‘tsy nanana fialan-tsiny ny amin’ny helony’ izy ireo, satria efa nandre ny fampianarany sy nahita ny fahagagana nataony vokatry ny asan’ny fanahy masina taminy. (Jn 15:22-24; Lk 4:18) “Meloka noho ny ota mandrakizay” sady tsy ho voavela heloka ny olona minia manevateva ny fanahin’Andriamanitra, na amin’ny teny na amin’ny atao. (Mt 12:31, 32; Mr 3:28-30; ampit. Jn 15:26; 16:7, 8.) Mety ho anisan’izany ny olona lasa Kristianina nefa ninia tsy nanaraka ny fivavahana marina intsony. Hoy ny Hebreo 10:26, 27: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.”
-
-
Rafitr’ity Tontolo ItyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ilay tontolo ho avy. Nilaza i Jesosy fa tsy hahazo famelan-keloka “na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy”, ireo miteny manohitra ny fanahy masina. (Mt 12:32) Mety hisy hihevitra fa ilay tontolo jiosy tamin’izany sy ilay rafitra vaovao haorin’i Kristy noho ilay fifanekena vaovao no resahina eo. Ny tontolo ratsy efa nisy tamin’izany ka hatramin’izao sy ilay tontolo hisy aorian’ny hamaranana an’io tontolo ratsy io anefa no noresahiny. Io tontolo ho avy io koa no tiany holazaina, rehefa nampanantena an’ireo nahafoy trano sy havana noho ny Fanjakan’Andriamanitra izy hoe: “Hahazo be lavitra [izy ireo] amin’izao andro izao [endriny hafa amin’ny hoe kairôs, “fotoana voatondro”], ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy [endriny hafa amin’ny hoe aiôn].” (Lk 18:29, 30) Ao amin’io tontolo ho avy io koa no hisy maty hatsangana ka afaka ny ho tonga zanak’Andriamanitra. (Lk 20:34, 35) Aiôn amin’ny endriny milaza maro no nadika hoe “ireo rafitra ho avy” ao amin’ny Efesianina 2:7. Voalaza ao fa tsy misy toa azy ny harenan’ny hatsaram-panahy tsy manan-paharoa asehon’Andriamanitra amin’ny Kristianina voahosotra “tafaray amin’i Kristy Jesosy”, amin’ny fotoana hisian’ireo rafitra ireo. (Ampit. Ef 1:18-23; He 6:4, 5.) Hisy rafitra maro samy hafa àry ao amin’ilay “tontolo ho avy.” Efa nisy rafitra maro koa tamin’ny fotoana nisian’ilay rafitra nofehezin’ny Lalàna, araka ny efa hitantsika tetsy aloha.
-