FANOHARANA
Avy amin’ny teny grika hoe parabôle (a.b.t.: apetraka eo akaiky na ampiarahina). Manana heviny maro io teny grika io, anisan’izany ny hoe “ohabolana.”
Manaporofo izany, ohatra, ny Matio 13:34, 35. Voalaza ao fa efa nambaran’ny mpaminany hoe hilaza “fanoharana” i Jesosy Kristy. Naverin’i Matio ao ny Salamo 78:2 ahitana ny teny hoe “oha-teny” (heb.: mashal), izay nadikany hoe parabôle. Natao hampianarana na hampitana hevitra ny parabôle, ka toy ny hoe ‘apetraka eo akaikin’ny’ zavatra mitovy aminy ny zavatra iray mba hanazavana ilay hevitra. (Ampit. Mr 4:30.) “Fanoharana” no nandikan’ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy an’io teny grika io, nefa mety hanana heviny hafa koa izy io indraindray.
Samy hafa, ohatra, no nandikan’ny ankamaroan’ny Baiboly ny teny grika hoe parabôle ao amin’ny Hebreo 9:9 sy 11:19. Voalazan’ny Hebreo 9:9 fa “fanoharana [parabôle] enti-milaza an’izao fotoana voatondro izao” ny tranolay masina nampiasain’ny Israelita tany an-tany efitra. Ny Hebreo 11:19 kosa milaza fa toy ny avy tamin’ny fahafatesana no nandraisan’i Abrahama an’i Isaka, ary “tandindon-javatra” (TV, Kat., DIEM) (en parabôlei; “hoatra ny”, Prot.) izany. Nadika kosa hoe “fitenenana” ny parabôle ao amin’ny Lioka 4:23, izay misy ilay fitenenana hoe: “Dokotera ô, sitrano aloha ny tenanao.” “Fanoharana” (TV) anefa no nandikana an’io teny grika io amin’ny ankapobeny.
Nampiasain’ny mpanoratra Baiboly koa ny teny grika hoe allegôria, izay mitovitovy amin’ny fanoharana ihany. Olona na trangan-javatra maromaro no atao sary an’ohatra, mba hilazana olon-kafa na trangan-javatra hafa. Nampiasa ny matoanteny grika allegôreô, ohatra, i Paoly ao amin’ny Galatianina 4:24 rehefa niresaka momba an’i Abrahama sy Saraha ary Hagara. Nadika hoe “fanoharana” (Prot.), “ohatra” (Kat.), ‘tandindona’ (DIEM), ary “sary an’ohatra” (TV) izy io.
Nampiasain’ny apostoly Jaona koa ny teny hoe parôimia, ary saika ny Baiboly malagasy rehetra no nandika azy io hoe “fanoharana.” (Jn 10:6; 16:25, 29) Nadika hoe “ohabolana” kosa io teny grika io ao amin’ny 2 Petera 2:22. Noresahin’i Petera ao ilay ohabolana hoe: “Ny alika no miverina amin’ny loany, ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.”
Tena mandaitra. Tena mandaitra ny fampiasana fanoharana rehefa mampianatra, noho ireto antony dimy ireto, fara fahakeliny: 1) Manaitra ny saina ny fanoharana. Mahaliana ny olona mantsy ny mandre fitantarana na zavatra niainana. Iza tokoa moa no tsy mahalala an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala sy ilay ondry very? 2) Mampieritreritra ny fanoharana, satria mandrisika ny olona hikaroka ny hevitr’ilay fampitahana mba hahatakarany ny fahamarinana fonosin’ilay izy. 3) Mampihetsi-po ny fanoharana ary manohina ny fo sy ny saina, satria azo tsara hoe ahoana no tokony hampiharana ny fahamarinana raketin’ilay izy. 4) Mora tadidy ny fanoharana. Mety mbola hiresaka momba azy io sy hampihatra izay nianarany tamin’izy io ny olona any aoriana any. 5) Tsy miova mihitsy ny fahamarinana raketin’ny fanoharana. Mety hiova ny hevitry ny teny, fa ny fanoharana kosa azo ampiharina sy mora azo foana satria miresaka momba ny fiainana sy ny zavaboary. Izany no mahatonga ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ho mbola hazava tsara foana hatramin’izao, toy ny tamin’ny fotoana nilazana na nanoratana azy ihany.
Zava-kendreny. Ny hampianatra no tena zava-kendren’izay mampiasa fanoharana. Mampiasa azy ireny koa anefa ny Baiboly noho ireto antony ireto:
1) Mifono hevi-dalina ny fanoharana, ka mila fikarohana indraindray vao azo ny heviny. Tsy te hanao an’izany anefa ireo tsy tia an’Andriamanitra sy ireo mody liana amin’ny fahamarinana nefa tsy te handentika izany ao am-pony. (Mt 13:13-15) Tsy mitaona ny olona toy izany Andriamanitra. Nangataka fanazavana fanampiny ireo nanetry tena rehefa nisy fanoharana tsy azony, fa ireo nanambony tena kosa tsy nety nanao izany. Hoy i Jesosy: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.” Nanatona azy tokoa ny mpianany mba hangataka fanazavana, fa ny ankamaroan’ireo nandre azy kosa lasa nandeha.—Mt 13:9, 36.
2) Misakana ny olona sasany tsy hahalala ny fahamarinana ny fanoharana. Mety hanolana ny fahamarinana na hitady hamandrika an’ireo mpanompon’Andriamanitra mantsy izy ireo. Nampiasa fanoharana momba ny vola madinika fandoavan-ketra i Jesosy, rehefa nitady hamandrika azy ny Fariseo. Hoy izy avy eo: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” Anjaran’ireo fahavalon’i Jesosy ireo ny hampihatra izany na tsia. Ny mpianany kosa nahazo tsara hoe tsy tokony ho anisan’izao tontolo izao izy ireo.—Mt 22:15-21.
3) Mety hampitandrina na hananatra olona iray ny fanoharana reny, satria mirakitra toro lalana azon’ny tsirairay ampiharina. Mety tsy dia ho tezitra amin’ilay olona nilaza an’ilay fanoharana anefa izy, fa hiaiky ny fahamarinan’ilay izy kosa. Rehefa nokianin’ny Fariseo i Jesosy noho izy niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota, dia hoy izy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary. Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’ Fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.”—Mt 9:11-13.
4) Tsy hibahana loatra ao an-tsain’ny olona iray ny fitsarana an-tendrony, raha fanoharana no ampiasaina hanitsiana azy. Ho mora kokoa aminy àry ny hanaiky an’ilay fanitsiana, noho ny hoe tenenina mivantana izy. Izany, ohatra, no nahatonga an’i Davida Mpanjaka hihaino an’i Natana, rehefa nanariny izy satria nijangajanga tamin’i Batseba sy namono an’i Oria. (2Sa 12:1-14) Ny fanoharana nolazaina tamin’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy koa no nanampy azy hahatakatra fa hahita loza izy, noho izy tsy nankatò fa nitsimbina ny ain’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria fahavalon’Andriamanitra, ka izy ihany no nanameloka ny tenany.—1Mp 20:34, 38-43.
5) Mandrisika ny olona hanao zavatra ny fanoharana, sady manosika azy hampiseho raha tena mpanompon’Andriamanitra izy na tsia. ‘Maro tamin’ny mpianatr’i’ Jesosy, ohatra, “no nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony”, rehefa nilazany hoe: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay.” Hitan’i Jesosy àry hoe iza no tsy tena nino azy.—Jn 6:54, 60-66.
Fomba ahazoana ny heviny. Mirakitra toro lalana sy faminaniana ny fanoharana ao amin’ny Baiboly. Tanteraka tamin’ny fotoana nilazana azy na taoriana kelin’izay ny sasany tamin’ireo faminaniana ireo, ary nisy mbola tanteraka ela be tatỳ aoriana.
Antony roa no mety hahatonga ny olona tsy hahazo ny hevitry ny fanoharana ao amin’ny Baiboly. Voalohany, heveriny ho tantara mahafinaritra na ohatra na lesona tiana hampitaina fotsiny ny fanoharana rehetra ao. Misy, ohatra, milaza hoe asa soratra miavaka fotsiny ilay fanoharana momba ny zanaka adala, ary hoe miresaka ny valisoa na sazy aorian’ny fahafatesana ilay fanoharana momba an’ilay lehilahy mpanankarena sy Lazarosy.
Tsy voatery ho tena nitranga ny zavatra resahin’ny fanoharana, na dia momba ny fiainana sy ny zavaboary aza ilay izy. Ny fanahy masina no nandrisika an’ilay olona hilaza fanoharana, na dia toy izao aza no fanombohan’ny sasany aminy: “Indray andro, hono” na “nisy lehilahy [iray]”, na ny mitovitovy amin’izany. (Mpts 9:8; Mt 21:28, 33; Lk 16:1, 19) Hoy ny Baiboly: “Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Tsy niteny taminy tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana.”—Mt 13:34; Mr 4:33, 34.
Faharoa, heverin’ny olona fa tsy maintsy misy dikany daholo ny tsipiriany rehetra ao amin’ilay fanoharana, ka tereny hisy fanazavana mifanitsy aminy na hisy fomba hampiharana azy.
Inona àry no hanampy antsika hahazo tsara ny hevitry ny fanoharana iray? Mila vakina aloha ny teny manodidina, ary dinihina ny antony nilazana an’ilay fanoharana sy ny toe-javatra nisy tamin’izany. Olona nanota be tamin’i Jehovah, ohatra, no tonga ao an-tsaina, rehefa antsoina hoe “mpitondra jadon’i Sodoma” sy “mponin’i Gomora” ny mpitondra sy vahoaka israelita. (Is 1:10; Ge 13:13; 19:13, 24) Niangavy an’i Jehovah koa ny mpanao salamo mba hataony ‘toy ny nanaovany ny Midianina’ ireo fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany. Tsaroantsika tokoa fa resy tanteraka ireo Midianina nampahory ny vahoakan’Andriamanitra ary maty ny miaramilany 120 000 mahery.—Sl 83:2, 3, 9-11; Mpts 8:10-12.
Manampy antsika hahazo ny hevitry ny fanoharana koa ny fahafantarana ny Lalàna sy ireo fomba amam-panao ary fomba fiteny tamin’izany. Ho azontsika, ohatra, ny hevitr’ilay fanoharana momba ny harato tarihina raha haintsika ny Lalàna. (Mt 13:47-50) Nandoavan-ketra ny hazo fihinam-boa tany Palestina fahiny, ary nokapaina izay hazo tsy namoa. Azontsika àry hoe nahoana no nataon’i Jesosy nalazo ny aviavy iray tsy namoa mba hampiasainy tao amin’ny fanoharana iray.—Mt 21:18-22.
Tsy tokony hoterena hifanaraka amin’ny hevitr’olona na amin’ny filozofia koa ny hevitry ny fanoharana. Manaraka an’ity fitsipika ity kosa ny Kristianina: ‘Tsy misy mahafantatra ny zavatra momba an’Andriamanitra, afa-tsy ny fanahin’Andriamanitra ihany. Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy. Ary lazaintsika koa izany zavatra izany, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona anefa, fa amin’ny teny ampianarin’ny fanahy, satria teny araka ny fanahy no anazavantsika zavatra araka ny fanahy.’—1Ko 2:11-13.
Azo ampiharina io fitsipika io mba hanazavana an’ilay fanoharana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6. Soavaly fotsy no voalohany amin’ireo soavaly efatra voaresaka ao. (Ap 6:2) Inona no mifanitsy amin’izy io? Tsara ny mijery andininy hafa sy ny teny manodidina mba hahalalana izany. Hoy ny Ohabolana 21:31: “Voaomana ho amin’ny andro fiadiana ny soavaly.” Ny loko fotsy kosa matetika ilazana ny fanaovana ny marina sy ny rariny. Fotsy, ohatra, ny seza fiandrianan’Andriamanitra ary mitaingina soavaly fotsy ny tafiky ny lanitra sady manao akanjo fotsy sy madio ary tena tsara. (Ap 20:11; 19:14; ampit. Ap 6:11; 19:8.) Ilazana ady ara-drariny àry ilay soavaly fotsy.
Mitondra mizana hilanjana sakafo ilay mitaingina soavaly mainty. (Ap 6:5, 6) Mosary no tiana haseho amin’izy io, satria hoy i Ezekiela rehefa naminany momba ny hisian’ny mosary: ‘Hoferana ny lanjan’ny sakafo hohaninao. Hoferana ny lanjan’ny mofo hohanin’ny olona, ary hohaniny ao anatin’ny tebiteby izany. Rano afatra no hosotroiny, ary hosotroiny ao anatin’ny horohoro izany.’ (Ezk 4:10, 16) Rehefa azo ny fomba ampiasan’ny Baiboly sary an’ohatra, vao ho azo ny dikan’ny fanoharana, toy ny amin’ireo biby sasany resahin’ny Baiboly.—Jereo BIBY AN’OHATRA.
Ny Baiboly ihany no manazava ny hevitry ny ankamaroan’ny fanoharana ao, satria tantarainy avy eo ny nahatanterahan’ilay izy. Ireto misy ohatra roa: Voalohany, nandoaka rindrina i Ezekiela, ary avy eo nanarona ny tarehiny rehefa nivoaka avy teo amin’ilay lavaka. (Ezk 12:1-16; 2Mp 25:1-7, 11; Je 52:1-15) Faharoa, saika hanolotra an’i Isaka ho sorona i Abrahama, nefa nosakanan’Andriamanitra indray avy eo. (Tena nitranga ireo zavatra ireo.) (Ge 22:9-13; He 11:19) Maro tamin’ireo fanoharana nolazain’i Jesosy no nohazavainy avy eo. Manampy antsika hahazo ny hevitry ny fanoharana maro ao amin’ny Baiboly koa ny zava-mitranga ankehitriny, izay fahatanterahan’ireny fanoharana ireny.
Ao amin’ny Soratra Hebreo. Nanoratra fanoharana maro be ny mpaminany hebreo sy mpanoratra Baiboly notarihin’ny fanahy. Resahin’ny Genesisy, ohatra, fa hataon’i Jehovah maro be “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina” ny taranak’i Abrahama. (Ge 22:15-18) Nasain’i Jehovah noharin’i Isaia tamin’ny aretina mahatsiravina ny loza nanjo ny vahoakan’ny Joda noho izy ireo nanota taminy. Hoy ilay mpaminany: “Efa marary ny loha manontolo, ary reraka ny fo manontolo. ... Tsy nisy nopotserina na nofehezina anefa ny ratra sy ny mangana ary ny fery vao, sady tsy nohosorana menaka.” (Is 1:4-6) Nomen’i Jehovah fahitana i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nahita sarivongana ngezabe sy hazo mijoalajoala. I Daniela kosa nahita biby izay mifanitsy amin’ny fanjakana eto an-tany.—Da toko 2, 4, 7.
Nampiasa teny an’ohatra ny mpaminany matetika mba hilazana ny toetra mampiavaka an’Andriamanitra na olona iray na olona maromaro. Antsoina hoe “Vatolampin’ny Israely” sy ‘harambato’ ary ‘fiarovana mafy’, ohatra, i Jehovah, mba hampisehoana fa manome fiarovana azo antoka izy. (2Sa 23:3; Sl 18:2) Oharina amin’ny “zana-diona” i Joda. (Ge 49:9) Ny Asyrianina kosa lazaina fa “tsorakazon’ny” fahatezeran’Andriamanitra.—Is 10:5.
Tsy nilaza ny hafatra nasaina nampitainy fotsiny ny mpaminany, fa nisy fihetsika nataony koa mba hanamafisana ny faminaniana nambarany. Naminany, ohatra, i Jeremia fa hisy loza hanjo an’i Jerosalema, ary avy eo namotika tavoara teo anatrehan’ireo anti-panahy sy mpisorona izy mba hanasongadinana izany. Naminany koa izy fa hisy firenena hanompo an’i Babylona, ka nandefasany tady sy zioga ny mpanjakan’ireny firenena ireny mba hanamafisana izany. (Je toko 19, 27) I Isaia kosa nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa mba hampisehoana tamin’ny Israelita fa handeha hitanjaka sy tsy hanao kapa koa ny Ejipsianina sy Etiopianina nitadiavany vonjy, rehefa hatao sesitany. (Is 20) I Ezekiela indray nasaina nanoritra ny sarin’i Jerosalema teo amin’ny biriky iray, nanao fahirano azy io, nanisy lasitra vy teo anelanelany sy ilay biriky, nandry tamin’ny ilan’ny vatany sady nanatrika azy io, mba hampisehoana fa hatao fahirano tsy ho ela i Jerosalema.—Ezk 4.
Nilaza tantara koa indraindray ny mpaminany mba hanasongadinana ny hafatra nambarany. Nanao izany, ohatra, i Jotama mba hampisehoana tamin’ny mponina tao Sekema fa hadalana ny nifidianan’izy ireo an’i Abimeleka, lehilahy tsy manjary, ho mpanjakany. (Mpts 9:7-20) I Ezekiela kosa nitantara momba ny voromahery roa sy ny foto-boaloboka iray, mba hilazana ny fifandraisan’ny Joda tamin’ny firenen’i Babylona sy Ejipta. (Ezk 17) Nitantara momba an’i Ohola sy Oholiba, mpirahavavy iray tam-po lasa mpivaro-tena, koa izy mba hilazana ny nataon’i Samaria (fanjakan’ireo foko folon’ny Israely) sy Jerosalema (Joda).—Ezk 23.
Santionany fotsiny amin’ireo fanoharana maro be ao amin’ny Soratra Hebreo ireo. Saika nampiasa fanoharana daholo ny mpanoratra Baiboly sy mpaminany rehetra. Mety ho fahitana nomen’Andriamanitra azy mivantana ilay izy, na hafatra nampitainy taminy. Nampiasa zavatra hita maso koa Andriamanitra, toy ny tranolay masina, izay antsoina hoe “fanoharana.”—He 9:9.
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Misy fanoharana mahafinaritra maro be koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Voalaza fa “mbola tsy nisy olona niteny tahaka [an’i Jesosy] mihitsy.” Izy no olona nanam-pahalalana indrindra sy nahay nampianatra indrindra nandia an’ity tany ity. (Jn 7:46) Tamin’ny alalany mantsy no namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra (Jn 1:1-3; Kl 1:15-17), ka fantany tsara ny zavaboary rehetra. Nety tsara àry ny fanoharana nataony, ary hita hoe tena nahafantatra ny fihetseham-pon’ny olona izy. Toa an’ilay olon-kendry fahiny izay nilaza toy izao izy: “Hendry ilay mpamory vahoaka, ary tsy nitsahatra nampianatra olona hahazo fahalalana koa izy, sady nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina, mba hahafahany handrindra ohabolana maro. Niezaka nitady teny mahafinaritra ilay mpamory vahoaka, sady nanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso.”—Mpto 12:9, 10.
Nantsoin’i Jesosy hoe “siran’ny tany” sy “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Mt 5:13, 14) Nampirisika azy ireo izy mba ‘hijery tsara ny voro-manidina’ sy ‘handinika tsara ny fanirin’ny lisy any an-tsaha.’ (Mt 6:26-30) Nohariny tamin’ny mpiandry ondry vonona ho faty ho an’ny ondriny ny tenany. (Jn 10:11-15) Hoy kosa izy tamin’i Jerosalema: “Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo.” (Mt 23:37) Nantsoiny hoe “mpitarika jamba” ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy, satria ‘notantavanin’izy ireo ny moka tamin’ny zava-pisotrony, nefa nateliny ny rameva!’ (Mt 23:24) Hoy koa izy momba an’izay manafintohina ny hafa: “Aleo aza hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozon’izany olona izany, ka hatsipy any an-dranomasina izy.”—Lk 17:1, 2.
Fohy sy mivantana toy ireo oha-teny ao amin’ny Soratra Hebreo ny fanoharana sasany nataon’i Jesosy. Lava kokoa sy toy ny tantara kely anefa matetika ny fanoharana nolazainy. Ny zavaboary nanodidina azy no nataony fanoharana, na fanao mahazatra tamin’izany, na fisehoan-javatra niavaka, na toe-javatra mety hitranga, na zava-niseho vao haingana fantatry ny mpihaino azy tsara.
Fanoharana niavaka sasany nolazain’i Jesosy. Handinika fanoharana 30 nolazain’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika izao. Hojerentsika ny teny manodidina sy ny toe-javatra nahatonga an’i Jesosy hilaza azy ireny.
1) Roa lahy nananan’olona trosa (Lk 7:41-43). Avo folo heny noho ny an’ilay iray ny trosan’ilay iray. Hita ao amin’ny Lioka 7:36-40, 44-50 ny antony nilazana an’ilay fanoharana sy ny nampiharana azy io.
Nilaza an’ilay fanoharana i Jesosy tamin’izy nasain’i Simona. Hitany ny fihetsik’izy io nanoloana an’ilay vehivavy tonga tao amin’ilay fanasana sy nanisy menaka manitra ny tongotr’i Jesosy. Tsy naningana ny nahita olona tsy nasaina nankao amin’ny fanasana iray. Azony natao ny nipetraka niankina tamin’ny rindrina nandritra ny sakafo, ary nanaka-dresaka tamin’ireo nandry ilika nisakafo teo afovoan-trano. Nasehon’i Jesosy mazava tsara hoe iza no nifanitsy tamin’ireo roa lahy nananan’olona trosa. Nolazainy fa tsy mba nanome rano hanasana ny tongony i Simona, na nanoroka azy ho fiarahabana azy, na nanisy menaka ny lohany, nefa izany no fahalalam-pomba rehefa nisy olona nasaina. Ilay vehivavy be fahotana kosa nampiseho hoe be fitiavana kokoa izy sady nandray tsara kokoa an’i Jesosy, na dia tsy izy aza no tompom-panasana. Hoy àry i Jesosy taminy: “Voavela ny helokao.”
2) Ilay mpamafy (Mt 13:3-8; Mr 4:3-8; Lk 8:5-8). Tsy tonga dia lazaina hoe iza ilay mpamafy ao amin’ilay fanoharana, fa ny Matio 13:18-23 sy Marka 4:14-20 ary Lioka 8:11-15 no manazava azy. Resahin’ilay izy ny karazana tany samy hafa na fo, sy ny antony mety hahatonga an’ilay voa na ny teny momba ilay Fanjakana tsy haniry.
Maro ny fomba famafazana voa tamin’izany. Nisy mpamafy nitondra kitapo nafatony teo an-tsorony sy teo am-balahany mba hasiana an’ireo voa afafy. Ny hafa indray namoritra ny akanjony ivelany, ary nataony tao ireo voa. Sady nandeha izy avy eo no namafy. Nototofana haingana ireo voa mba tsy holanin’ny goaika. Nohanin’ny vorona kosa izay latsaka teny amoron-dalana, na teny amin’ireo lalankely nanelanelana an’ireo saha mbola tsy nasaina. Tsy toerana nisy vato niparitaka fotsiny ilay “toerana be vato” nilatsahan’ny voa sasany, fa “vatolampy” mihitsy (Lk 8:6), izany hoe vatobe zara raha nisy tany. Tsy ela dia nalazo ny zavamaniry teny rehefa nodanihin’ny masoandro. Ary ahoana indray ny amin’ilay tany be tsilo? Azo inoana fa tany efa voasa ihany izy io saingy tsy voava tsara, ka naniry indray ny ahidratsy ary nangeja an’ilay voa vao nitsimoka. Mety tsara kosa ny nilazan’i Jesosy hoe avo 100, 60, ary 30 heny ny vokatra azo tamin’ireo voa namoa. Fantatry ny mpihaino azy tsara ny mombamomba ny famafazana voa sy ireo karazana tany samihafa.
3) Ny vary sy ny tsimparifary (Mt 13:24-30). Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny Matio 13:36-43 ny dikan’ilay fanoharana, ary nolazainy fa “ny zanak’ilay fanjakana” no “vary” ary “ny zanak’ilay ratsy” no “tsimparifary.”
Tsy nahalana no nisy fahavalo namafy tsimparifary teo amin’ny vary, tany Israely sy ny firenena manodidina azy. Azo inoana fa ilay karazana tsimparifary misy poizina (Lolium temulentum) ilay resahina eto. Nisy holatra naniry mantsy tao anatin’ny voan’izy io, ka izay no nahatonga an’ilay izy hisy poizina. Mitovy be amin’ny vary izy io rehefa maniry, ka rehefa masaka ny vary vao hay ny manavaka azy ireo. Mety hahafanina ny fihinanana azy io, ary mety hahafaty mihitsy aza indraindray. Mety ho azo avahana ihany ny tsimparifary, kanefa mifamatopatotra amin’ny fakam-bary ny fakany ka mety hiongotra ny vary raha esorina alohan’ny fijinjana ilay izy.
4) Ny voan-tsinapy (Mt 13:31, 32; Mr 4:30-32; Lk 13:18, 19). Niresaka momba “ny fanjakan’ny lanitra” i Jesosy tamin’izay. Mety ho ny lafiny sasany mampiavaka an’ilay Fanjakana no asehon’ilay fanoharana, araka ny hita any amin’ny andininy hafa. Lafiny roa eto no misongadina: 1) Miely haingana be ny hafatra momba ilay Fanjakana; 2) voaro izay manaiky an’io hafatra io.
Bitika ny voan-tsinapy, ka azo ilazana zavatra tena kely. (Lk 17:6) Mety hahatratra 3 na 4,5 m anefa ilay sinapy rehefa maniry. Mafy koa ny rantsany ka efa hitovy amin’ny “hazo” ilay izy araka ny tenin’i Jesosy. Kely toy ny voan-tsinapy koa ny fiangonana kristianina tamin’izy io vao niforona tamin’ny Pentekosta taona 33. Nitombo haingana anefa izy io tamin’ny taonjato voalohany, ary azo lazaina ho toy ny “hazo” be sampantsampany ankehitriny.—Is 60:22.
5) Ny lalivay (Mt 13:33). Mbola niresaka momba “ny fanjakan’ny lanitra” ihany i Jesosy tamin’izay. Intelon’ny sata na intelon’ny seha, izany hoe 22 L eo ho eo, ilay lafarinina “intelon’ny famarana lehibe.” Kely ihany ny lalivay nafangaro taminy, nefa henika azy ny koba manontolo. Lafiny inona amin’ilay Fanjakana àry no tian’ilay fanoharana hasongadina? Tahaka an’ilay lalivay, dia matetika no tsy tonga dia hita ny vokatry ny fitoriana ilay Fanjakana amin’ny olona iray. Misy vokany foana anefa ilay izy, ary mahakasika ny fiainany manontolo. Toa an’ilay lalivay mampitombo an’ilay koba manontolo, dia mitatra be hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” koa ny fitoriana ilay Fanjakana.—As 1:8.
6) Harena nafenina (Mt 13:44). Ny mpianany ihany no noresahin’i Jesosy tamin’izay, fa tsy ny vahoaka. (Mt 13:36) Nilaza izy fa toy ny harena nafenina “ny fanjakan’ny lanitra”, ary faly izay mahita an’io harena io. Tsy maintsy miova sy manitsy ny fomba fiainany ilay olona, ary mamoy ny zava-drehetra ka mikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana.
7) Mpivaro-mandeha mitady perla (Mt 13:45, 46). Ny mpianany no nilazan’i Jesosy an’io fanoharana io. Nahita perla tena sarobidy ny olona iray ka namidiny ny fananany rehetra mba hividianana azy io. Toa an’io perla io ny Fanjakan’ny lanitra.
Vatosoa sarobidy avy amin’ny masaja sy ny sifodranomasina hafa ny perla. Tsy ny perla rehetra anefa no “faran’izay tsara”, satria tsy fotsy manjopiaka ny sasany fa mety ho mavo, na somary matroka, na tsy malamalama. Sarobidy be ny perla tamin’ireo olona nipetraka fahiny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ka faly erỳ izay nanana azy. Nitady perla ilay mpivarotra tao amin’ilay fanoharana. Fantany hoe tena tsara ilay perla hitany, ka vonona hanao izay rehetra azo atao sy hamoy ny zava-drehetra mihitsy aza izy mba hahazoana azy io.—Ampit. Lk 14:33; Fi 3:8.
8) Ilay harato tarihina (Mt 13:47-50). Niresaka momba ny fanavahana an’ireo tsy mendrika ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra i Jesosy tao amin’io fanoharana io. “Amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy io no ho tanteraka, araka ny andininy faha-49.
Tady (mety ho vita amin’ny rongony) voatenona makarakara fakana hazandrano any anaty rano ny harato. Mety ho voangon’izy io daholo ny karazan-trondro rehetra. Nety tsara ilay fanoharana satria nisy mpanarato ny mpianatr’i Jesosy. Fantatr’izy ireo fa ratsy ny trondro tsy nisy vombony sy kirany satria nolazain’ny Lalàn’i Mosesy fa naloto sy tsy azo nohanina, ka tsy maintsy nariana.—Le 11:9-12; De 14:9, 10.
9) Mpanompo tsy namindra fo (Mt 18:23-35). Ilay fanontaniana ao amin’ny Matio 18:21, 22 no nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ilay fanoharana, ary resahin’ny andininy faha-35 ny fampiharana an’ilay izy. Asongadin’ilay fanoharana fa kely dia kely ny trosa ananantsika amin’ny olon-kafa, raha oharina amin’ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tokony mba hamela ny helok’ireo olona nanota tamintsika àry isika satria kely ihany ny fahotan’izy ireo, raha oharina amin’ny fahotantsika navelan’Andriamanitra noho ny soron’i Kristy.
Karama iray andro ny denaria iray. Karama efa-bolana eo ho eo àry ilay trosa kelikely izay mitentina denaria 100. Talenta volafotsy iray alina na 60 tapitrisa denaria kosa ilay trosa be, ary tsy hahangona an’io vola io mihitsy ny olona iray na dia miasa mandritra ny androm-piainany aza. Vola be mihitsy io trosa tokony haloa tamin’ny mpanjaka io, satria nitantara i Josèphe fa talenta 600 isan-taona no hetra naloan’ny faritr’i Jodia sy Idomea sy Samaria ary tanàna vitsivitsy nitambatra, tamin’ny androny. I Galilia sy Pere kosa nandoa talenta 200. Izao, hoy i Jesosy, ny toro lalana fonosin’ilay fanoharana: “Toy izany koa no hataon’ny Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”—And. 35.
10) Ilay Samaritanina tsara fanahy (Lk 10:30-37). Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy rehefa nisy nanontany hoe: “Fa iza marina moa no namako?” (Lk 10:25-29) Resahin’ny andininy faha-36 sy 37 ny lesona tokony hotsoahana avy amin’ilay fanoharana.
Ngazana sy nangingina ny lalana avy tany Jerosalema nankany Jeriko ka be jiolahy. Nasiana toby miaramila mihitsy aza teny amin’ilay lalana tatỳ aoriana, mba hiarovana ny mpandeha. Tokotokony ho 23 km ny elanelan’i Jerosalema sy Jeriko, izay tany atsinanana avaratratsinanan’i Jerosalema. Mba hanazavana hoe iza ilay ‘namana’ lazain’ny Lalàna hoe tokony hotiavina, dia noresahin’i Jesosy ny nataon’ny mpisorona iray sy Levita iray rehefa nahita an’ilay lehilahy voaroba efa saika maty. Voatendry hanolotra sorona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona, ary nanampy azy ny Levita. Nanaiky an’izay voalazan’ny Lalàna tao amin’ny Boky Dimy Voalohany ny Samaritanina. Tsy tsara fanahy tamin’izy ireo anefa ny Jiosy, ary tsy nifandray taminy mihitsy aza. (Jn 4:9) Nanamavo azy ireo koa ny Jiosy (Jn 8:48), ary nisy aza nanozona azy ireo ampahibemaso tao amin’ny synagogany sy nivavaka isan’andro tamin’Andriamanitra mba tsy hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Menaka sy divay no nampiasain’ny olona tamin’izany mba hitsaboana ratra. Karama roa andro teo ho eo ireo denaria roa nomen’ilay Samaritanina an’ilay tompon’ny tranombahiny, mba hikarakarana an’ilay lehilahy.—Mt 20:2.
11) Namana be fikirizana (Lk 11:5-8). Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy rehefa nangatahin’ny mpianany hampianatra azy ireo hivavaka. (Lk 11:1-4) Tsy te hilaza akory izy hoe manelingelina an’Andriamanitra ny fangatahantsika, fa tiany hasongadina kosa hoe mila mangataka aminy foana isika, araka ny andininy faha-9 sy 10.
Tena tia mandray vahiny ny olona tany Israely sy ny firenena manodidina azy. Na tonga tampoka amin’ny misasakalina aza ny vahiny (satria mety ho azon-tsampona teny an-dalana), dia heverin’ny tompon-trano ho adidiny ny manome sakafo azy. Sarotra anefa matetika ny namantatra hoe firy ny mofo ampy ho an’ny ankohonany, ka voatery nisambotra tamin’ny mpiara-monina izy. Nilaza i Jesosy fa efa natory ilay olona nisamborana, ka tsy nazoto hitsangana hanome mofo. Efitra lehibe iray monja koa angamba ny tranony, indrindra raha nahantra izy, ka mety ho tsy te hanaitra ny mpianakaviny izy.
12) Lehilahy mpanankarena tsy misaina (Lk 12:16-21). Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy rehefa nisy lehilahy nangataka azy handamina ady lova. Nasongadiny fa “na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (And. 15) Ampitahao amin’izay nolazainy tamin’ny mpianany, manomboka eo amin’ny andininy faha-22, izany.
Tokony homena ny lahimatoa ny anjaran’olon-droa tamin’izay rehetra nananan-drainy, araka ny Lalàna. (De 21:17) Tsy voahaja angamba izany ka niteraka ady. Nampitandrina ny amin’ny fitsiriritana àry i Jesosy.
13) Aviavy tsy namoa (Lk 13:6-9). Taona 32 tamin’izay, telo taona katroka taorian’ny batisan’i Jesosy. Reny fa nisy Galilianina novonoin’i Pilato. Niresaka ny amin’ireo olona 18 maty nianjeran’ny tilikambon’i Siloama koa izy, ary nilaza fa ho ringana toy ireo izay rehetra teo raha tsy nibebaka. (Lk 13:1-5) Nilaza an’ilay fanoharana izy avy eo.
Fanaon’ny olona tamin’izany ny namboly aviavy sy oliva tao amin’ny tanimboalobony, mba hisy fidiram-bola foana izy ireo nandritra ny taona na dia tsy namoa aza ny voaloboka. Matetika no namoa ny tahona aviavy nambolena, rehefa afaka roa na telo taona. Misy ifandraisany ireo telo taona tsy namoazan’ilay aviavy, sy ireo telo taona nanaovan’i Jesosy ny fanompoany. Tokony hotapahina àry ilay aviavy satria nandoavan-ketra.
14) Fanasambe tamin’ny sakafo hariva (Lk 14:16-24). Voaresaka eo amin’ny andininy 1-15 ny nahatonga an’i Jesosy hilaza an’io fanoharana io. Nisy fanasana tamin’izay ary nilaza taminy ny iray tamin’ireo nasaina hoe: “Sambatra izay hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”
Fanao tamin’izany ny hoe efa vonona ny sakafo vao nantsoina ireo nasaina. Naleon’ireo nasaina tamin’ilay sakafo hariva anefa nanao zavatra hafa, ka nahita fialan-tsiny toa nitombina daholo izy ireo. Hita tamin’ny teniny fa tsy tena te ho tonga tany amin’ilay fanasambe izy ireo, ary tsy nanaja loatra an’ilay tompom-panasana. Olona heverin’ity tontolo ity ho tsy dia mendri-kaja loatra ny ankamaroan’ireo nasaina tatỳ aoriana, toy ny mahantra, kilemaina, malemy tongotra ary jamba.—Ampit. and. 13.
15) Ilay ondry very (Lk 15:3-7). Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy rehefa nimenomenona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna, satria nandray tsara ny mpanota sy mpamory hetra izy. (Lk 15:1, 2) Resahin’ny Matio 18:12-14 fa nisy fanoharana mitovy amin’izy io nataony tamin’ny fotoana hafa.
Halan’ny olona sy nohamavoiny ny mpamory hetra, indrindra raha Jiosy izy, satria nitaky hetra ho an’ny Romanina, izay halan’izy ireo koa. Tonga dia mora azon’ireo nihaino an’i Jesosy ilay fanoharana momba ilay ondry very, satria mateti-pitranga izany. Tsy mahita lalana ny ondry very, fa ny mpiandry no tsy maintsy mandeha mitady azy. Faly ny any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka, tsy mba toa an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nimenomenona noho ny fiahian’i Jesosy ny mpamory hetra.
16) Ilay vola drakma very (Lk 15:8-10). Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy rehefa avy niresaka momba an’ilay ondry very, noho ilay zava-nitranga tantarain’ny Lioka 15:1, 2. Resahin’ny andininy faha-10 ny fampiharana an’ilay izy.
Karama iray andro teo ho eo ny drakma iray. Mety ho tena sarobidy anefa io vola very io satria iray tamin’ireo vola notehirizina tsifolofolo, izay angamba lova na rojo lafo vidy natao haingo. Nilaina ny nandrehitra jiro rehefa nitady azy io, satria tsy nisy varavarankely ny trano tamin’izany na nisy ihany fa kely. Nanamora ny fitadiavana an’ilay drakma koa ny namafana an’ilay trano satria tanimanga ny ambany.
17) Ilay zanaka adala (Lk 15:11-32). Nimenomenona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna satria nandray tsara ny mpamory hetra sy ny mpanota i Jesosy sady niara-nisakafo taminy. Nilaza an’ilay fanoharana àry izy, rehefa avy niresaka momba an’ilay ondry very sy ilay drakma very.
Antsasaky ny an’ny lahimatoa ny anjara lovan’ny zandriny, araka ny lalàna jiosy. (De 21:17) Nankany an-tany lavitra ilay zanaka faralahy. Toy izany koa ny fahitan’ny Jiosy an’ireo mpamory hetra lasa niara-niasa tamin’ny Romanina. Voatery niandry kisoa ilay faralahy tany. Nampietry anefa izany tamin’ny Jiosy satria biby maloto ireny araka ny Lalàna. (Le 11:7) Nangataka ny hoentina toy ny olona karamaina ilay tovolahy rehefa nody, fa tsy toy ny zanaka intsony. Tsy toy ny mpanompo izay noheverina ho anisan’ny ankohonana ny mpikarama, fa nasaina niasa iray andro monja matetika. (Mt 20:1, 2, 8) Nasain-drainy nitondrana an’ilay akanjo lava tsara indrindra anefa ilay zanany faralahy. Tsy akanjo tsotra ilay izy, fa angamba akanjo voaravaka peta-kofehy ary natokana ho an’ny vahiny manan-kaja. Nomena peratra sy kapa koa izy, angamba ho fanomezam-boninahitra azy sy ho porofo fa olona afaka izy.
18) Ilay mpanompo tsy marina (Lk 16:1-8). Resahin’ny andininy faha-9-13 ny lesona fonosin’ilay fanoharana. Noderaina ilay mpanompo satria malina, na dia tsy marina aza.
Natokisana be ilay mpanompo matoa nankinin’ny tompony taminy ny fananany rehetra. (Ge 24:2; 39:4) Tsy hanana asa intsony anefa izy rehefa horoahin’ny tompony. Nahenany àry ny trosan’ireo olona nananan’ny tompony trosa. Tsy ny hahazo vola akory no tanjony, fa ny hahazo namana izay mety hiantra azy amin’ny hoavy. Milanja 2200 L ny menaka injaton’ny bata, ary 22 000 L ny varimbazaha injaton’ny kora.
19) Ilay mpanankarena sy Lazarosy (Lk 16:19-31). Resahin’ny Lioka 16:14, 15 fa naneso an’i Jesosy ireo Fariseo tia vola rehefa nandre ny teniny. Hoy anefa i Jesosy: “Ianareo milaza tena ho marina eo anatrehan’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay ataon’ny olona ho ambony dia maharikoriko kosa eo imason’Andriamanitra.”
Toy ny akanjo fitondran’ny andriana sy olona ambony ary mpisorona ilay akanjo vita tamin’ny “lamba volomparasy sy rongony” nanaovan’ilay mpanankarena. (Es 8:15; Ge 41:42; Ek 28:4, 5) Lafo be ny akanjo toy ireny. Nankany amin’ny haides na ny fasana misy ny maty rehetra ilay mpanankarena rehefa maty. Tsy toerana ara-bakiteny misy afo midedadeda akory ilay haides, satria milaza ny Apokalypsy 20:14 fa natsipy mafy tany amin’ny “farihy afo” ny fahafatesana sy ny Fasana (haides). Manana heviny an’ohatra àry ny fahafatesan’ilay mpanankarena sy ny nandefasana azy tany amin’ny haides, toy ny fahafatesana voaresaka ao amin’ny andininy hafa. (Lk 9:60; Kl 2:13; 1Ti 5:6) Mbola velona izy tamin’izy nijalijaly tao anaty afo, saingy maty ara-panahy. Ilazana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny afo ao amin’ny Baiboly. (Je 5:14; 23:29) Voalaza koa fa ‘mampijaly’ an’ireo manohitra an’Andriamanitra sy ny mpanompony ny didim-pitsaran’Andriamanitra ambaran’ny mpaminaniny.—Ap 11:7, 10.
Lazarosy no teny grika mifanitsy amin’ny hoe Eleazara amin’ny teny hebreo, izay midika hoe “Andriamanitra dia Nanampy.” Alika mpirenireny angamba sady noheverina ho biby maloto ireo alika nilelaka ny feriny. Teo an-tratran’i Abrahama i Lazarosy, amin’ny heviny hoe nankasitrahana izy. (Ampit. Jn 1:18.) Fanaon’ny olona tamin’izany mantsy ny nandry ilika rehefa nisakafo, ka afaka niankina teo an-tratran’ny namany izy.—Jn 13:23-25.
20) Mpanompo tsy mahasoa (Lk 17:7-10). Resahin’ny andininy faha-10 ny lesona fonosin’ilay fanoharana.
Matetika no nandroso sakafo ho an’ny tompony ny mpanompo rehefa nody avy any an-tsaha ny hariva. Efa fanaon’izy ireo ny niandry hoe avy nisakafo ny tompony, vao nihinana izy ireo. Matetika koa izy ireo no nifanditra hoe iza no handroso sakafo ho an’ny tompony. Voninahitra mantsy izany tamin’izy ireo fa tsy enta-mavesatra, satria fanompoana tokony hataony ihany.
21) Ilay mpitondratena sy ilay mpitsara (Lk 18:1-8). “Momba ny ilana hivavaka foana, ka tsy hitsahatra” ilay fanoharana, araka ny andininy 1. Resahin’ny andininy faha-7 sy 8 kosa ny fampiharana azy. Tena mety ilay fanoharana, raha jerena izay nolazain’i Jesosy taloha kelin’izay.—Lk 17:20-37.
Toa tsy anisan’ny fitsarana jiosy ilay mpitsara. Nisy ambaratonga efatra mantsy ny fitsarana jiosy tamin’ny taonjato voalohany: 1) Fitsarana tao an-tanàna nisy mpitsara telo; 2) fitsarana nisy anti-panahy fito avy tao an-tanàna; 3) fitsarana ambaratonga voalohany nisy mpitsara 23 avy, na ny tao Jerosalema izany na ny tany amin’ny tanàn-dehibe hafa nanerana an’i Palestina; ary 4) ny Fitsarana Avo Jiosy izay nisy mpitsara 71 nitsara tao Jerosalema sady nanam-pahefana tamin’ilay firenena manontolo. (Jereo FITSARANA.) Tsy anisan’ireo fitsarana jiosy ireo ilay mpitsara tao amin’ilay fanoharana, satria tsy maintsy nisy mpitsara telo, fara fahakeliny, tao amin’ny fitsarana jiosy. Tsy maintsy ho mpitsara na mpampihatra lalàna notendren’ny Romanina àry izy. Tsy natahotra an’Andriamanitra izy sady tsy mena-maso olona. Tsy te hilaza ilay fanoharana hoe hoatran’io mpitsara tsy marina io Andriamanitra. Nasongadiny kosa fa tsy mitovy amin’izy io mihitsy Izy. Ilay mpitsara aza nanao ny rariny ihany tamin’ny farany, koa mainka moa fa Andriamanitra! Nikiry foana ilay mpitondratena ka voatery nanao zavatra ilay mpitsara. Tokony haneho fikirizana koa ny mpanompon’Andriamanitra ka haharitra hivavaka. Marina Andriamanitra ka hamaly ny vavak’izy ireo, ary hanao izay hampiharana ny rariny aminy.
22) Ilay Fariseo nihevi-tena ho marina sy ilay mpamory hetra nibebaka (Lk 18:9-14). Resahin’ny andininy faha-9 sy 14 ny nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ilay fanoharana sy ny zava-nokendreny tamin’ilay izy.
Tsy niditra tao amin’ny Masina na ny Masina Indrindra akory izay nandeha nivavaka tao amin’ny tempoly, fa nahazo nankao amin’ireo tokotany kosa. Nijoro tao amin’ny tokotany ivelany nantsoina hoe Tokotanin’ny Vehivavy angamba ireo lehilahy jiosy. Nanambony tena sy nihevi-tena ho marina ny Fariseo ka nanamavo ny hafa. (Jn 7:47, 49) Nifady hanina indroa isan-kerinandro izy ireo, na dia tsy notakin’ny Lalàn’i Mosesy aza izany. Tamin’ny andro nisy tsena ka nahabetsaka ny olona tao an-tanàna sy nanaovana fanompoana manokana tao amin’ny synagoga ary nivorian’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo no nifady hanina, mba ho hitan’ny rehetra hoe tia fivavahana. (Mt 6:16) Navela nankao amin’ny tempoly ny Jiosy mpamory hetra, saingy halan’ny olona izy ireo satria niasa ho an’ny Romanina.
23) Mpiasa nahazo karama denaria iray avy (Mt 20:1-16). Nilaza an’ilay fanoharana i Jesosy rehefa namaly ny fanontanian’i Petera ao amin’ny Matio 19:27 hoe: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” Mariho koa ny Matio 19:30 sy 20:16.
Sahiran-tsaina ny tompon’ny tanimboaloboka rehefa tonga ny fotoana fiotazana voaloboka. Nisy mpiasa nokaramainy hiasa nandritra ilay fotoam-piotazana manontolo, fa nisy kosa nokaramainy rehefa nilaina ny mpiasa fanampiny. Naloa ny karama rehefa hariva ny andro, araka ny Lalàn’i Mosesy. Nila ny karamany mantsy ireo mpiasa nahantra. (Le 19:13; De 24:14, 15) Denaria volafotsy (vola romanina) ny karama iray andro. Mitentina 0,74 dolara izany. Nozarain’ny Jiosy ho 12 ny andro tsirairay, nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany: Tokony ho tamin’ny 8 ka hatramin’ny 9 maraina teo ho eo ny ora faha-3; tamin’ny 11 ka hatramin’ny 12 teo ho eo ny ora faha-6; tamin’ny 2 ka hatramin’ny 3 tolakandro teo ho eo ny ora faha-9; ary tamin’ny 4 ka hatramin’ny 5 hariva ny ora faha-11.
24) Farantsa (Lk 19:11-27). Nilaza an’ilay fanoharana i Jesosy tamin’izy nankany Jerosalema farany tamin’ny taona 33 (Lk 19:1, 28), satria ‘nihevitra ny mpianatra hoe hiseho avy hatrany ny fanjakan’Andriamanitra.’—And. 11.
Fanaon’ny andriana tao amin’ny Fanjakana Romanina ny nankany Roma rehefa te ho lasa mpanjaka izy. Izany no nataon’i Arkelaosy zanak’i Heroda Lehibe. Nandefa ambasadaoro 50 hiampanga azy tany amin’i Aogosto anefa ny Jiosy, mba tsy hahazoany an’ilay fahefana. Karama 88 andro ilay farantsa volafotsy nomena ny mpanompo tsirairay, ary mitentina 65,40 dolara izany.
25) Ireo zanaka roa lahy (Mt 21:28-31). Nilaza an’ilay fanoharana i Jesosy rehefa namaly ny fanontanian’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?” (And. 23) Nanao fanoharana hafa koa izy tamin’izay mba hampiharihariana ny tena toetran’izy ireo.
Nolazain’i Jesosy eo amin’ny andininy faha-31 sy 32 ny fampiharana an’ilay fanoharana. Hoatran’ilay zanaka voalohany ireo lehiben’ny mpisorona sy anti-panahin’ny vahoaka niresahany, satria nihambo ho nanompo an’Andriamanitra. Hoatran’ilay zanaka faharoa kosa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino an’i Jaona Mpanao Batisa. Tsy nety nanompo an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nanenina ka niova.
26) Mpamboly mpamono olona (Mt 21:33-44; Mr 12:1-11; Lk 20:9-18). Nanao an’ilay fanoharana i Jesosy Zanak’Andriamanitra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, telo andro monja talohan’ny namonoana azy ho faty, mba hamaliana ihany an’ilay fanontaniana hoe avy aiza ny fahefana azony. (Mr 11:27-33) Takatr’ireo mpitondra fivavahana avy hatrany fa izy ireo no noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana.—Mt 21:45; Mr 12:12; Lk 20:19.
Mety ho vato (Oh 24:30, 31) na zavamaniry (Is 5:5) ny fefin’ilay tanimboaloboka. Matetika no vatolampy nolavahana no natao famiazam-boaloboka. Nasiana ambony sy ambany ilay lavaka ka nikoriana nankao ambany ny ranom-boaloboka. Nanangana tilikambo teo akaiky ilay tompony, ary nasiany mpiambina tao mba handroaka ny mpangalatra sy ny biby. Nahazo anjara tamin’ny voaloboka ny mpamboly indraindray. Nisy kosa mpamboly nanofa tanimboaloboka ary naloany vola tamin’ilay tompony ny hofany, na nifanarahan’izy roa tonta fa homena ampahany amin’ny vokatra ilay tompony, toy ilay tao amin’ny fanoharana. Novonoin’ireo mpamboly ilay zanakalahy mpandova satria te haka an’ilay tanimboaloboka izy ireo. Lasa tany an-tany hafa koa mantsy ilay tompony. “Ny taranak’Israely no tanimboalobok’i Jehovah”, hoy ny Isaia 5:1-7. Namerina ny voalazan’ny Salamo 118:22, 23 i Jesosy, mba hanazavana an’ilay fanoharana.
27) Ilay fanasambe tamin’ny fampakaram-badin’ny zanakalahin’ny mpanjaka (Mt 22:1-14). Asehon’ny andininy 1 fa tohin’ilay resaka teo aloha sy ny valin-tenin’i Jesosy momba ny nahazoany fahefana ilay fanoharana. (Mt 21:23-27) Hita eo amin’ny andininy faha-2 sy 14 ny fampiharana azy io.
Nanao fanoharana mitovy amin’izy io i Jesosy volana vitsivitsy talohan’izay. Nilaza izy fa nisy olona maro nasaina ho amin’ny sakafo hariva iray. Tsy noraharahain’izy ireo anefa ilay fanasana, fa naleon’izy ireo nanao zavatra hafa. (Lk 14:16-24) Telo andro talohan’ny nahafatesany kosa no nilazan’i Jesosy an’ilay fanoharana momba ilay fanasambe. Tsy nety tonga ireo nasaina, ary nisy aza namono ny solontenan’ny mpanjaka. Fikomiana izany ka tonga nandringana azy ireo sy nandoro ny tanànany ny tafiky ny mpanjaka. Fampakaram-badin’ny zanaky ny mpanjaka ilay izy, ka azo inoana fa nomen’ny mpanjaka akanjo manokana ireo nasainy. Tsy noraisin’ny lehilahy iray anefa ilay akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady matoa tsy nanaovany.
28) Ireo virjiny folo (Mt 25:1-13). Fanoharana momba ny “fanjakan’ny lanitra” izy io, ary nolazain’i Jesosy mba hamaliana ny fanontanian’ny mpianany ao amin’ny Matio 24:3. Hazavain’ny Matio 25:13 ny zava-kendren’ilay fanoharana.
Fotoan-dehibe tamin’ny fampakaram-bady tamin’izany ny fakana an-drazazavavy tany an-tranon-drainy, sy ny fitondrana azy tany an-tranon’ny mpampakatra na tany an-tranon’ny rain’izy io. Nanao ny akanjony tsara indrindra ny mpampakatra rehefa niala tao an-trano tamin’ny takariva. Notronin’ny namany izy nankany an-tranon’ny ray aman-drenin-drazazavavy. Nankany an-tranon-drazazalahy izy rehetra avy eo, narahina mpitendry mozika sy mpihira ary olona nitondra jiro. Nisy olona nijoro teny an-dalana mba hijery azy ireo, ary nisy aza nanaraka azy ireo, indrindra fa ny ankizivavy virjiny nitondra jiro. (Je 7:34; 16:9; Is 62:5) Mety ho alina be izy ireo vao nandalo, satria tsy nisy nahamaika azy. Mety ho rendremana sy resin-tory àry ny olona sasany niandry teny an-dalana. Re lavitra ny hirahira sy ny horakora-pifaliana ka nisy nilaza hoe: “Iny ny mpampakatra!” Niditra tao an-trano avy eo ny mpampakatra sy ireo nanotrona azy, ary nohidiana ny varavarana. Tsy afaka niditra intsony àry izay tara. Nila nasiana menaka matetika ireo jiro nentina teny an-dalana.
29) Ireo talenta (Mt 25:14-30). Tamin’ny mpianany efatra i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny lehilahy iray efa handeha ho any an-tany hafa. Telo andro monja talohan’ny nahafatesany izy no nilaza ilay izy, ary tsy ela taorian’izay izy no niakatra tany an-danitra. Mbola valin’ilay fanontaniana ao amin’ny Matio 24:3 ilay izy.—Mr 13:3, 4.
Samy nomena farantsa iray monja ny mpanompo tao amin’ilay fanoharana momba ny farantsa. Ireo tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta kosa nomena talenta “samy araka ny fahaizany avy.” (Lk 19:11-27) Toa talenta volafotsy ilay izy, izany hoe karama 14 taona. Tokony ho nikarakara tsara ny fananan’ny tompony ny mpanompo rehetra, ka tokony ho nampiasa tamim-pahendrena an’ireo talenta nankinina taminy. Tsy tokony ho navelany tamin’izao fotsiny ilay vola, raha tsy tiany ny hiasa mba hampitombo ny fananan’ny tompony. Tokony ho napetrany tany amin’ny banky ilay izy, fara faharatsiny, mba hahazoana zanabola. Nafenin’ilay mpanompo ratsy fanahy sady kamo tao anaty tany anefa ny talenta nomena azy, ka hita fa tsy te hampitombo ny fananan’ny tompony izy.
30) Ny ondry sy osy (Mt 25:31-46). Resahin’ny andininy faha-31, 32, 41, ary 46 fa havahana sy hotsaraina ireo firenena, rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny. Namaly ny fanontanian’ny mpianany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ i Jesosy, rehefa nilaza an’ilay fanoharana.—Mt 24:3.
Miara-miraoka ahitra ny ondry sy osy any Israely sy ny firenena manodidina azy, nefa hain’ny mpiandry ny manavaka azy ireo. Tsy nanambany ny osy akory i Jesosy tao amin’ilay fanoharana (ny ran’ny osy no nanaovana fandrakofam-pahotana ho an’ny Israely, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana), fa te hilaza fotsiny hoe hisy karazany roa ny olona. “Eo ankavanany” ny “ondry” satria ankasitrahana. (As 2:33; Ef 1:19, 20) “Eo ankaviany” kosa ny “osy” satria tsy ankasitrahana. (Ampit. Mpto 10:2.) Tsy ny ‘rahalahin’i’ Kristy ireo “ondry” eo ankavanan’ny Zanak’olona nahazo fahefana ireo. Voalaza mantsy fa nanao soa tamin’ny rahalahin’i Kristy izy ireo.—Mt 25:34-40; He 2:11, 12.
Ny bokin’ny Apokalypsy. Tena betsaka ny fanoharana ao amin’io boky farany ao amin’ny Baiboly io. Nilaza i Jaona fa “tamin’ny alalan’ny famantarana” no nanehoana taminy ny zavatra raketin’izy io. (Ap 1:1) Azo lazaina àry fa tena mampiavaka ny Baiboly manontolo ny fanoharana.
Fanoharana nolazain’ny mpianatr’i Kristy. Nanao fanoharana koa ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, fa tsy hoe nanoratra an’izay nolazain’i Jesosy Kristy fotsiny. Notantarain’i Lioka, ohatra, ny fanoharana nolazain’i Paoly tamin’izy niresaka tamin’ireo tsy Jiosy tao Atena. Izay nivavahan’ny Atenianina sy ny asa soratr’ireo poety tany no noresahiny. (As 17:22-31) Nampiasa fanoharana betsaka avy tamin’ny tantaran’ny Israely fahiny koa i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Nohariny tamin’ny hazakazaka ny fiainan’ny Kristianina, tamin’izy nanoratra ho an’ny Korintianina, izay nahafantatra an’ireo fanatanjahan-tena fanaon’ny Grika. (1Ko 9:24-27) Tena tsara koa ilay fanoharana nataony momba ny hazo oliva. Nampitandremany ny Kristianina mba tsy hihevi-tena ho hendry, ary nampirisihiny izy ireo hampiasa ny sainy rehefa manompo an’Andriamanitra.—Ro 11:13-32; 12:1, 2.
Zavatra fahita andavanandro, toy ny hoe olona mijery fitaratra, lamboridin-tsoavaly, familiana sambo, sy ny toy izany, no nataon’i Jakoba (rahalahin’i Jesosy) fanoharana mba hilazana ny fahamarinana. (Jk 1:23, 24; 3:3, 4) I Petera sy Joda kosa nanao fanoharana avy tamin’ny zava-nitranga notantarain’ireo boky nosoratana tany aloha. Nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra daholo ireny fanoharana tsara rehetra ireny, ka lasa manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona ny Baiboly.