FANAZAVANA MAHALIANA
Fanompoan’i Jesosy Teto An-tany
MISY vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona maro eran-tany ny fanompoan’i Jesosy Kristy. Nifantoka foana tamin’ny tanjony izy. Hoy izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’—Lk 4:43.
Nitety toerana maro izy, ary hita eo amin’ireo sarintany ireo ny dia nataony. Saika nandeha an-tongotra foana izy tamin’izany. Nankany Jerosalema koa izy isaky ny fety. Avy tao Jerosalema izy no nankany amin’ny faritr’i Jodia. Tany amin’ny faritanin’i Galilia anefa izy no tena nanompo. Tonga hatrany amin’ny faritr’i Tyro, Sidona, Dekapolisy, ary Pere koa izy. Nanome fanazavana feno momba ny fahamarinana izy, ka modely ho an’ny mpanara-dia azy.—Jn 18:37; As 1:8; Mt 28:19, 20.