-
“I Jehovah Andriamanitrao no Tsy Maintsy Iankohofanao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
3, 4. a) Ahoana no nanombohan’i Satana ny fakam-panahy roa voalohany, ary mety hoe tiany hisalasala momba ny inona i Jesosy? b) Mampiasa tetika mitovy amin’izany koa ve i Satana amin’izao? Hazavao.
3 Vakio ny Matio 4:1-7. An-kolaka ny fakam-panahy roa voalohany nataon’i Satana, ary izao no nanombohany azy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao.” Tsy nisalasala akory izy hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Fantany tsara fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra lahimatoa. (Kol. 1:15) Azo antoka koa fa henony niteny avy any an-danitra i Jehovah tamin’ny batisan’i Jesosy hoe: “Io no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.” (Mat. 3:17) Tian’i Satana hisalasala angamba i Jesosy hoe azo atokisana ve ny Rainy ary tena mikarakara azy. Nasainy nanova ny vato ho mofo i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy voalohany. Hoatran’ny te hiteny izy hoe: ‘Zanak’Andriamanitra ianao, koa maninona no tsy omen’ny dadanao sakafo atỳ an-tany efitra atỳ?’ Nasain’i Satana nitsambikina avy teny an-tampon’ny tempoly indray i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy faharoa. Hoatran’ny te hilaza izy hoe: ‘Ianao ve Zanak’Andriamanitra dia tsy matoky hoe hiaro anao izy?’
-
-
“I Jehovah Andriamanitrao no Tsy Maintsy Iankohofanao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
5. Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ireo fakam-panahy roa voalohany?
5 Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ireo fakam-panahy roa voalohany ireo? Tsy nisalasala mihitsy izy hoe tia azy ny Rainy. Natoky azy tanteraka koa izy. Tonga dia nanda an’i Satana izy sady nanonona andinin-teny misy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Deot. 6:16; 8:3) Rehefa nampiasa an’io anarana miavaka io izy, dia nampiseho hoe tena natoky ny Rainy. Io anarana io mantsy no toky hoe hanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah.a
-