Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpanarato
‘Rehefa nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesosy, dia nahita mpirahalahy nandatsaka harato tao an-dranomasina, dia i Simona izay antsoina hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, fa mpanarato ireo. Ary hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.”’—MATIO 4:18, 19.
IMBETSAKA ny Filazantsara no miresaka momba ny fanaratoana. Nanao fanoharana be dia be momba izany, ohatra, i Jesosy. Teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia na teny akaiky teny mantsy izy matetika no nampianatra. (Matio 4:13; 13:1, 2; Marka 3:7, 8) Farihy tsara tarehy izy io ka 21 kilaometatra eo ho eo ny lavany ary 12 kilaometatra eo ho eo ny sakany. Fito be izao tamin’ny apostoly angamba no mpanarato, dia i Petera, Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Tomasy, ary Natanaela.—Jaona 21:2, 3.
Andeha isika handinika ny zavatra nataon’ny mpanarato tamin’ny andron’i Jesosy. Ho fantatrao bebe kokoa amin’izay ny nataon’i Jesosy sy ny fanoharana nampiasainy ary izay nataon’ny apostoly. Hojerentsika anefa aloha hoe hoatran’ny ahoana izany nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia izany.
“Nanjary nisamboaravoara be ny ranomasina”
Ao anaty lohasaha ny Ranomasin’i Galilia, ary 210 metatra eo ho eo ambanin’ny haavon’ny ranomasina no misy azy. Havoana feno vato no eny amin’ny sisiny, ary manerinerina eny avaratra ny Tendrombohitra Hermona. Misy rivotra mamanala indraindray rehefa ririnina, ka lasa manonjanonja ny rano. Rehefa fahavaratra kosa, dia misy rivotra mafana. Mifanena amin’ny rivotra mangatsiaka avy any amin’ireo havoana izany, ka tsy hitahita akory dia misy tafio-drivotra mampisamboaravoara an’ilay rano. Matetika no tratran’izany izay tantsambo mandalo eny, toy izay nanjo an’i Jesosy sy ny mpianany.—Matio 8:23-27.
Sambokely vita amin’ny hazo no entin’ny mpanarato. Mirefy 9 metatra eo ho eo ny lavany ary 3 metatra eo ho eo ny sakany. Misy andry ny ankamaroan’ny sambo ary misy lakaly ao amin’ny vodisambo. (Marka 4:35-41) Manosika ny lain-tsambo ny rivotra, nefa ny harato koa etsy an-daniny mandroritra an’ilay sambo. Mafy toto anefa ilay sambokely miadam-pandeha ka mahatohitra an’izany.
Fivoy eo amin’ny andaniny roa no ampandehanana an’ilay sambo. Mety ho enina na mihoatra ny mpanarato ao. (Marka 1:20) Matetika no misy izay ilaina ao, toy ny lay vita amin’ny lamba rongony (1), tady (2), fivoy (3), vatofantsika (4), akanjo mafana (5), sakafo (Marka 8:14) (6), sobika (7), ondana (Marka 4:38) (8), ary harato (9). Mety hisy bosoa mampitsingevana harato (10) koa ao, fitaovana mampilentika harato (11), fitaovana hanamboarana ny simba (12), ary fanilo (13).
‘Nahazo trondro maro be izy ireo’
Misy renirano sy loharano mankao amin’ny Ranomasin’i Galilia. Teny akaikin’ireny no be trondro indrindra fahiny, ary mbola toy izany ankehitriny. Misy zavamaniry mantsy eny ka manintona ny trondro. Niasa alina matetika ny mpanarato fahiny ary nitondra fanilo. Nanarato nandritra ny alina tontolo, ohatra, ny mpianatr’i Jesosy, indray mandeha, saingy tsy nahazo trondro. Nasain’i Jesosy nanarato indray anefa izy ireo ny ampitson’iny, ka nahazo be dia be. Be loatra ilay izy ka saika nilentika hatramin’ilay sambokely.—Lioka 5:6, 7.
Manarato eny amin’ny rano lalina ny mpanarato indraindray ary sambokely roa no ampiasainy. Ataon’izy ireo eo anelanelan’ny sambo ny harato, ary mamoy haingana mihodidina ny trondro izy ireo avy eo. Ny sambo iray miankavia ary ny iray miankavanana. Rehefa mihaona izy ireo, dia sintoniny ny tady amin’ny sisin’ilay harato ka voahidy ao ny trondro. Akariny ao anaty sambo ilay harato avy eo. Izany foana no averimberiny rehefa manarato. Mety ho 30 metatra mahery ny halavan’ilay harato ary 3 metatra eo ho eo ny sakany. Tena lehibe izany ka mety tsara hanaratoana andian-trondro. Misy bosoa mampitsingevana azy koa ny sisiny ambony, ary misy zavatra mampilentika azy ny sisiny ambany.
Hafa kosa ny fomba fanaratoana eny amin’ny rano marivo. Misy olona vitsivitsy eny ambony sambo mitazona ny ilan’ilay harato. Ny hafa indray eny amin’ny tora-pasika mitazona ny ilany. Manao faribolana ilay sambo avy eo mba hihodidina ny trondro. Sintonin’ireo eny amin’ny tora-pasika ilay harato avy eo, ka avoakany ny trondro azo ary atokany izay tsara. Misy tonga dia amidy, fa ny ankamaroany hamainina dia asiana sira na alona anaty ranon-tsira. Tehirizina ao anaty siny tanimanga ireny ary aondrana any Jerosalema na any an-kafa. Ariana ny trondro tsy misy kirany na vombony, toy ny amalona, satria biby maloto. (Levitikosy 11:9-12) Io fomba fanaratoana io no noresahin’i Jesosy rehefa nilaza izy hoe toy ny harato tarihina “ny fanjakan’ny lanitra”, ary toy ny trondro ratsy sy tsara ny olona ratsy fanahy sy tsara fanahy.—Matio 13:47-50.
Mety hiasa irery koa ny mpanarato. Tadim-pintana misy lelany varahina sy jono angamba no ampiasainy. Mety hampiasa harato kely boribory koa izy ary misy tady manodidina an’ilay izy. Miroboka ao anaty rano aloha izy ary apetrany tsara eo amin’ny tanany ilay harato. Atsipiny ambony ilay izy dia misokatra ary mivelatra eo ambony rano. Milentika ilay izy avy eo ka sintoniny ilay tady. Mety hahazo trondro vitsivitsy izy amin’izany.
Lafo be ny harato ary asa be ny mikojakoja azy, ka mitandrina tsara ny olona rehefa mampiasa azy. Mila amboarina sy sasana ary hamainina izy ireny isaky ny avy manarato, ary izany no tena mandany fotoana. (Lioka 5:2) Teo am-panamboarana ny haratony, ohatra, i Jakoba sy Jaona rahalahiny, rehefa nasain’i Jesosy hanara-dia azy.—Marka 1:19.
Anisan’ny trondro nohazain’ny mpanarato fahiny ny tilapia, ary anisan’ny foto-tsakafon’ny olona maro tany Galilia. Mety ho nihinana an’io trondro matsiro io koa i Jesosy. Tilapia roa maina nisy sira koa angamba no nampiasainy, rehefa nanome sakafo olona an’arivony tamin’ny fomba mahagaga izy. (Matio 14:16, 17; Lioka 24:41-43) Matetika no mitondra ny zanany eo am-bavany io karazan-trondro io rehefa milomano. Rehefa tsy mitondra ny zanany anefa izy, dia mety ho vatokilonjy no entiny, na vola madinika nalainy tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina.—Matio 17:27.
Nanam-paharetana sy nazoto niasa ary vonona hiatrika zava-tsarotra ny mpanarato fahiny, mba hahazoana trondro. Mila an’ireo toetra ireo koa ny olona manaiky ny fanasan’i Jesosy hanao mpianatra, raha te hahay ‘hanarato olona.’—Matio 28:19, 20.
[Sary, pejy 19]
(Jereo ny gazety)