-
Midika ho Inona ho Anao Ilay Haratotarihina sy Ireo Hazandrano?Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jona
-
-
3. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fahazoana ny hevitr’ireo fanoharan’i Jesosy?
3 Avy eo i Jesosy dia nanao fampiharana ny Isaia 6:9, 10, izay nilazalaza ny amin’ny vahoaka iray toa narenina sy jamba ara-panahy. Tsy voatery ho tahaka izany anefa isika. Raha mahazo ny hevitr’ireo fanoharan’i Jesosy isika ka manao zavatra mifanaraka amin’izy ireo, dia afaka ny ho sambatra tokoa — ankehitriny ary hatrany amin’ny hoavy tsy hanam-pahataperana. Manolotra antsika izao fanomezan-toky feno hafanam-po izao i Jesosy: “Sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.” (Matio 13:16). Mahakasika ireo fanoharan’i Jesosy rehetra izany fanomezan-toky izany, kanefa aoka isika hifantoka amin’ilay fanoharana fohy momba ny haratotarihina, voarakitra ao amin’ny Matio 13:47-50.
Fanoharana iray misy heviny lalina
4. Inona no notantarain’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana, araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 13:47-50?
4 “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny [karazana hazandrano rehetra, NW ]; ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka [nanangona, NW ] ny [tsara dia tsara, NW ] hataony ao an-karona, fa ny [tsy mendrika, NW ] nariany. Dia tahaka izany no hatao amin’ny [fifaranan’ny fandehan-javatra, NW ]; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”
-
-
Midika ho Inona ho Anao Ilay Haratotarihina sy Ireo Hazandrano?Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jona
-
-
7. Inona no nasehon’i Jesosy rehefa niresaka momba ny hazandrano izy?
7 Mifanaraka amin’izany, ireo hazandrano amin’ity fanoharana ity dia mampiseho olombelona. Noho izany, rehefa miresaka ny amin’ny fanavahana ny ratsy fanahy amin’ny marina ny andininy faha-49, dia manisy fitenenana, tsy ny amin’ny zavamananaina an-dranomasina marina na ratsy fanahy, izy io, fa ny amin’ny olona marina na ratsy fanahy. Mitovy amin’izany koa, ny andininy faha-50 dia tsy tokony hahatonga antsika hieritreritra biby an-dranomasina izay mitomany na mikitro-nify. Tsia. Io fanoharana io dia momba ny fanangonana olombelona ary avy eo dia ny fanavahana azy ireo, izay zava-dehibe dia lehibe, araka ny asehon’ny fiafarany.
8. a) Inona no azontsika ianarana raha ny amin’ny ho fiafaran’ireo hazandrano tsy mendrika? b) Raha heverina izay nolazaina momba ireo hazandrano tsy mendrika, hevitra inona no azontsika tsoahina momba ilay Fanjakana?
8 Mariho fa ireo hazandrano tsy mendrika, izany hoe ireo ratsy fanahy, dia hatsipy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo, izay tsy maintsy hitomaniany sy hikitrohany nify. Any amin’ny toerana hafa, dia nampifandray izany fitomaniana sy fikitroha-nify izany tamin’ny toerana any ivelan’ilay Fanjakana i Jesosy. (Matio 8:12; 13:41, 42). Ao amin’ny Matio 5:22 (NW ) sy 18:9 (NW ), izy dia nanonona mihitsy ny hoe “Gehena mirehitra afo”, mba hiresahana ny amin’ny fandringanana mandrakizay. Moa ve izany tsy mampiseho fa iankinan’ny aina ny fahazoana ny hevitr’io fanoharana io sy ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany? Isika rehetra dia samy mahafantatra fa tsy misy ary tsy hisy ratsy fanahy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, rehefa nilaza i Jesosy fa “ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina”, dia tsy maintsy ho te hilaza izy fa, raha ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia misy lafin-javatra mitovy amin’ny haratotarihina izay alatsaka mba hanangonana karazana hazandrano samihafa.
-