Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nandao an’i Jairo i Jesosy ary niverina tany Nazareta
ANDROANY dia sahirana tokoa Jesosy: tonga avy tany Dekapolisy tamin-tsambo izy ary nanasitrana ilay vehivavy nandeha ra sy nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty. Nefa tsy mbola nifarana ny andro. Vao nandingana nivoaka ny tranon’i Jairo fotsiny izy dia nisy jamba roa lahy nanaraka azy sady niantsoantso hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!”
Tamin’ny niantsoany an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida”, dia niaiky tamin’ny feo mafy ireo lehilahy ireo fa izy no mpandova ny seza fiandrianan’i Davida, ka noho izany dia ilay Mesia nampanantenaina. Kanefa dia mody tsy nihaino ny antsoantsony Jesosy, angamba mba hisedrana ny faharetan’izy ireo. Tsy kivy anefa izy roa lahy. Nanaraka an’i Jesosy nankany amin’ny trano nitoerany izy ireo; rehefa niditra izy, dia ireo izy ao aoriany.
Teo, dia nanontany azy Jesosy: “Mino va hianareo fa mahay manao izany aho?”
“Eny, Tompoko”, hoy ny navalin’izy ireo tamim-pahatokiana.
Tamin’izay dia nanendry ny masony i Jesosy ary nandidy hoe: “Tongava aminareo araka ny finoanareo!” Avy hatrany dia nahiratra izy ireo! Kanefa dia namepetra azy mafy Jesosy hoe: “Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao!” Izy ireo anefa, feno hafaliana, dia nandika izany baiko izany ka niresaka ny amin’i Jesosy tao amin’ilay tany manontolo.
Vao lasa fotsiny izy ireo dia nentina teo amin’i Jesosy ny demoniaka iray, izay nataon’ny demonia moana. Raha vao navoakan’i Jesosy ilay fanahy ratsy, dia niteny ralehilahy. Talanjona ny vahoaka teo anoloan’ireo fahagagana ireo ka nanao hoe: “Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ny Isiraely.”
Teo koa ny Fariseo. Tsy afaka nanda ireo fahagagana izy; kanefa satria tsy nety nino sady ratsy fanahy izy ireo, dia nataony indray izay hiahiahiana ny amin’ny fiavian’ny hery ananan’i Jesosy, tamin’ny filazana hoe: “Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia.”
Taoriana kelin’ireo zava-niseho ireo dia nody tany aminy, tany Nazareta i Jesosy, tamin’io indray mitoraka io dia niaraka tamin’ny mpianany. Efa ho herintaona talohan’izay, dia efa nankao amin’ny synagoga izy ka nampianatra tao. Na dia talanjona tamin’ireo teny mahafinaritra nataony aza ny olona teo am-piandohana, tato aoriana izy ireo dia sosotra noho ny fampianarany ary nanandrana namono azy. Na izany aza dia nanandrana indray mandeha nanampy ny mponina tao an-tanànany Jesosy, namindra fo.
Raha nirohotra nankeo amin’i Jesosy ny vahoaka tany an-toeran-kafa, dia miharihary fa tsy izany no niseho teto. Noho izany, rehefa tonga ny sabata dia nandeha tao amin’ny synagoga izy mba hampianatra. Gaga ny ankamaroan’ny mpihaino azy. “Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? hoy izy ireo. Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny? Ary ny anabaviny, moa tsy etỳ amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra rehetra izany?”
‘Jesosy dia tsy hafa akory fa lehilahy iray tahaka antsika, avy eto amin’ny tanintsika, hoy izy ireo. Hitantsika ny nahalehibe azy ary fantatsika ny fianakaviany. Ahoana moa no mety haha-Mesia azy?’ Na dia teo aza ny porofo voaforon’ny fahendreny lehibe sy ireo fahagagana nataony, dia tsy nety nihaino azy àry izy ireo. Na ny mpianakaviny aza, satria nahafantatra azy akaiky, dia tafintohina ny aminy, ka nahatonga an’i Jesosy hanatsoaka hevitra toy izao: “Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.”
Taitra tokoa i Jesosy noho ny tsy finoan’ny Nazareana. Noho izany dia tsy hanao fahagagana betsaka tao amin’io toerana io izy, afa-tsy ny nametraka ny tanany tamin’ny marary vitsivitsy mba hanasitranana azy ireny. Matio 9:27-34; 13:54-58; Marka 6:1-6; Isaia 9:6.
◆ Tamin’ny fiantsoana an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida”, naneho ny finoany ny inona ireo jamba roa lahy?
◆ Ahoana no anazavan’ny Fariseo ireo fahagagana nataon’i Jesosy?
◆ Nahoana no naneho famindrampo Jesosy tamin’ny fiverenana nanampy ny Nazareana indray?
◆ Fandraisana nanao ahoana no azony tao Nazareta ary nahoana?
[Sary, pejy 9]