Fanontanian’ny Mpamaky
Vavolombelon’i Jehovah maro no mankalaza ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-badiny. Ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana dia tsingerin-taona nahaterahanao. Koa nahoana no mankalaza fitsingerenan’ny andro fampakaram-bady fa tsy ny andro nahaterahana?
Raha ny marina, dia tsy misy ilan’ny Kristianina ny hankalazana azy roa ireo. Kanefa, tsy milaza akory izany hoe mitovy ny dikan’izy roa ireo na hoe tsy maintsy mihevitra ilay voalohany (ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-bady) toy ny iheverany ny fankalazana ny andro nahaterahana, ny Kristianina.
Araka ny nomarihina, dia samy azo lazaina hoe tsingerin-taona izy roa ireo, satria ny “tsingerin-taona” dia ‘fiverenana isan-taonan’ny daty iray manamarika fisehoan-javatra iray’. Mety ho fitsingerenan’ny fisehoan-javatra iray, na inona na inona izany — ny andro nahavoan’ny lozam-piarakodia anao, ny andro nahitanao fanakonam-bolana, ny andro nandehananao nilomano niaraka tamin’ny fianakavianao sy ny toy izany. Mazava fa tsy ataon’ny Kristianina ho andro manokana na anaovany korana ho fankalazana daholo ny “tsingerin-taona” rehetra. Tokony hihevitra ireo lafiny amin’ilay fisehoan-javatra ny tena, ary hanapa-kevitra ny amin’izay mety.
Andriamanitra, ohatra, dia nanome toromarika voafaritra tsara an’ireo Isiraelita mba hankalaza isan-taona ilay andro nandalovan’ny anjeliny teo amin’ireo tranon’ny Isiraelita tany Egypta sy ny fifindrana rodobe nataon’ny vahoakany vokatr’izany, tamin’ny 1513 al.f.i. (Eksodosy 12:14). Rehefa nankalaza ny fitsingerenan’izany fisehoan-javatra izany tatỳ aoriana ny Jiosy, anisan’izany i Jesosy, dia mba ho fankatoavana ny toromarik’Andriamanitra, ary tsy nataony tamin’ny alalan’ny korana na fifanolorana fanomezana izany. Nihevitra ny fitokanana indray ny tempoly ho toy ny tsingerin-taona manokana koa ny Jiosy. Na dia tsy nandidiana ao amin’ny Baiboly aza ny hahatsiarovana an’io fisehoan-javatra ara-tantara io, ny Jaona 10:22, 23 dia toa manondro fa tsy nanakiana ny fanaovana izany i Jesosy. Farany, ny Kristianina dia manana fivoriana iray manokana amin’ny fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy. Mazava ho azy fa atao izy io ho fankatoavana ny didy mazava iray hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Lioka 22:19, 20.
Ahoana ny amin’ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-bady? Any amin’ny tany sasany, dia fanaon’ny mpivady ny mankalaza ny tsingerin-taona nidirany tao amin’ny fanambadiana, izay fandaharana avy amin’Andriamanitra. (Genesisy 2:18-24; Matio 19:4-6). Azo antoka fa tsy mampiseho ny fanambadiana ho toy ny zavatra ratsy ny Baiboly. Sady nanatrika fankalazana fampakaram-bady iray i Jesosy no nandray anjara tamin’ny fanaovana ilay fotoana ho nahafinaritra. — Jaona 2:1-11.
Noho izany, dia tsy ho hafahafa akory raha mety hanokana fotoana ny mpivady iray amin’ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-badiny mba hahatsiarovana ny fifaliana tamin’ilay fisehoan-javatra ary hihevitra ny fahatapahan-keviny hanao izay hahavanona ny fanambadiany. Izy ireo no hanapa-kevitra raha izy mivady irery no hifantoka amin’io fotoana mahafaly io, na hisy havana na namana akaiky vitsivitsy hiaraka aminy. Tsy tokony hanjary antony hanaovana fiaraha-mikorana lehibe ilay fotoana. Irin’ny Kristianina amin’io fotoana io ny hotarihin’ny foto-pitsipika izay mihatra amin’ny fiainany andavanandro. Koa ny hoe hankalaza fitsingerenan’ny andro fampakaram-bady ve sa tsia ny olona iray, dia raharahany manokana izany. — Romana 13:13, 14.
Ahoana kosa ny amin’ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana? Moa ve isika manana filazana momba io tsingerin-taona io, ao amin’ny Baiboly?
Tany am-piandohan’ity taonjato ity, dia tena nankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Maro taminy no nitahiry bokikely nantsoina hoe Daily Heavenly Manna (Mana avy any An-danitra Isan’andro). Nirakitra andinin-teny ara-baiboly ho an’ny andro tsirairay izy ireny, ary Kristianina maro no nanisy sary kely teo amin’ireo pejy nifanitsy tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny Mpianatra ny Baiboly namany. Afa-tsy izany koa, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Febroary 1909, dia nitantara fa nasaina nankeo ambony lampihazo ny Rahalahy Russell, izay prezidàn’ny Fikambanana tamin’izay, tamin’ny fivoriambe iray tany Jacksonville, tany Florida, any Etazonia. Fa nahoana? Nomena fanomezana tsy nampoizina izy noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, dia baoritra nisy voaloboka sy mananasy ary voasary. Manome antsika topy maso momba ny lasa izany. Mba hametrahana ilay raharaha ao amin’ny toe-javatra nisy tamin’izany, dia tadidio fa nandritra izany fe-potoana izany, ny Mpianatra ny Baiboly dia nankalaza koa ny 25 Desambra ho fitsingerenan’ny nahaterahan’i Jesosy, na ny andro nahaterahany. Fanao mihitsy tao amin’ny foiben’i Brooklyn aza ny sakafon’ny Krismasy manokana.
Mazava ho azy fa nitombo teo amin’ny lafiny maro ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’izay. Tamin’ireo taona 1920, ny fahazavan’ny fahamarinana nitombo dia nahatonga azy ireo hahatakatra izao manaraka izao:
Tsy teraka tamin’ny 25 Desambra, daty izay nifandray tamin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy, i Jesosy. Ny Baiboly dia manome toromarika antsika mba hankalaza ny daty nahafatesan’i Jesosy, fa tsy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany na ny nahaterahan’olon-kafa na iza na iza. Ny fanaovana izany dia mifanaraka amin’ny Mpitoriteny 7:1 sy ny fahamarinan’ny hoe zava-dehibe kokoa noho ny andro nahaterahany ny fiafaran’ny fiainan’ny olona iray mahatoky. Tsy mirakitra fitantarana momba ny mpanompo nahatoky iray nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, ny Baiboly. Mirakitra fitantarana fankalazan’ny mpanompo sampy kosa izy io, ary ampifandraisiny amin’ny fanaovan-javatra feno halozana izany fisehoan-javatra izany. Andeha hojerentsika ny niavian’ireny fitsingerenan’ny andro nahaterahana ireny.
Ny voalohany dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Farao, tamin’ny andron’i Josefa. (Genesisy 40:20-23). Mikasika an’io, dia hoy ny teny nanombohan’ny Encyclopædia of Religion and Ethics an’i Hastings, ilay lahatsoratra momba ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana: “Ilay fomba amin’ny fahatsiarovana ny andro nahaterahana, dia misy ifandraisany amin’ny fanisana fotoana, raha amin’ny endriny ivelany, ary misy ifandraisany amin’ny foto-pitsipika ara-pivavahana tena tranainy sasany kosa, amin’ny votoatiny.” Tatỳ aoriana, io encyclopédie io dia nanonona an’i Sir J. Gardner Wilkinson, manam-pahaizana momba an’i Ejipta, izay nanoratra toy izao: “Nihevitra ho tena zava-dehibe ny andro, eny fa na dia ny ora nahaterahany mihitsy aza ny Ejipsianina rehetra; ary azo inoana fa toy ny tany Persa, ny isam-batan’olona dia nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany tamim-pifaliana lehibe, ka nanasa ny namany ho amin’ny fialam-boly rehetra fanaon’ny olona, sy ny sakafo aingitraingitra tondraka.”
Ny fankalazana andro nahaterahana hafa voalazan’ny Baiboly dia ny an’i Heroda, fotoana izay nanapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. (Matio 14:6-10). Manome ity fahatakarana hevi-dalina ity ny The International Standard Bible Encyclopedia (fanontana tamin’ny 1979): “Nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ireo andriamanitra sy olo-malaza ny Grika, talohan’ny vanim-potoana helenistika. Ny teny g[rik]a hoe genéthlia no nanondro ireny fankalazana ireny, fa ny hoe genésia kosa dia nilaza fankalazana iray ho fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny olona malaza iray efa nody mandry. Ao amin’ny 2 Mak[abeo] 6:7 dia ahitantsika firesahana momba ny genéthlian’i Antiochus IV, natao isam-bolana, ka noterena ‘handray anjara tamin’ireo sorona’ ny Jiosy tamin’io fotoana io. (...) Fony Heroda nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fanaon’ny Helenista izy; tsy misy porofon’ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana teo amin’ny Isiraely, tamin’ny fotoana talohan’ny Helenista.”
Ekena aloha fa ny Kristianina marina, amin’izao andro izao, dia tsy miahy tafahoatra ny amin’ny niandohan’ireo fomba amam-panao rehetra sy izay mety hifandraisan’izany amin’ny fivavahana fahiny. Etsy an-danin’izany kosa, dia tsy mirona hanao tsinontsinona ireo filazana tsara homarihina izay tena misy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izy ireo. Anisan’izany ny hoe ny hany fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia ny an’ireo mpanompo sampy ary ampifandraisina amin’ny fanaovan-javatra feno halozana izy ireny. Noho izany, ny Soratra Masina dia mampiseho mazava tsy fankasitrahana ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana, ary maneho fiheverana izany zava-misy izany ny Kristianina tso-po.
Raharahan’ny Kristianina manokana tanteraka, araka izany, ny hoe hifidy ny hankalaza ny fitsingerenan’ny andro fampakaram-badiny izy na tsia. Kanefa, misy antony marim-pototra kosa tokony hifadian’ny Kristianina matotra ny fankalazana ny andro nahaterahana.