TOKO 6
“Nianatra Nankatò” Izy
1, 2. Nahoana ny ray be fitiavana no faly rehefa mahita ny zanany mankatò azy, ary nahoana no azo lazaina fa mitovy amin’izany no tsapan’i Jehovah?
TEO am-baravarankely ny rangahy iray, nitazana ny zanany nilalao baolina niaraka tamin’ny namany. Iny fa nitontontontona nivoaka ny tokotany ilay baolina, ka teny amin’ny arabe vao nijanona. Nalahelo erỳ ilay ankizilahy nanara-maso an’ilay izy. Nasain’ny namany nihazakazaka haka an’ilay baolina teny amin’ny arabe izy, nefa nihifikifi-doha sady niteny hoe: “Tsy mahazo manao an’izany aho.” Nahafaly ny rainy izany.
2 Nahoana? Satria efa niteny tamin’ilay zanany izy mba tsy handeha irery eny amin’ny arabe. Nankatò ilay zanany, na dia tsy fantany aza fa nijery azy ny rainy. Fantatr’ilay rangahy fa nianatra nankatò ilay zanany, ka tsy natahorana loatra ho tratran’ny loza. Toy izany no tsapan’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Fantany fa tsy maintsy mianatra matoky sy mankatò azy isika, raha te hahavita tsy hivadika mihitsy sy hahazo ilay hoavy faran’izay tsara nomaniny ho antsika. (Ohabolana 3:5, 6) Nandefa ny mpampianatra mahay indrindra àry izy mba hanampy antsika amin’izany.
3, 4. Nahoana no azo lazaina fa mbola “nianatra nankatò” sy “natao lavorary” i Jesosy? Hazavao amin’ny ohatra.
3 Mahagaga ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy. Hoy izy io: “Na dia zanaka aza izy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany. Rehefa avy natao lavorary izy, dia izy no nahatonga an’izay rehetra mankatò azy ho voavonjy mandrakizay.” (Hebreo 5:8, 9) Niaina tany an-danitra nandritra ny taona maro tsy hita isa io Zanak’Andriamanitra lahimatoa io. Hitany fa tsy nankatò i Satana sy ny anjely hafa mpikomy, nefa tsy nanaraka azy ireo mihitsy izy. Lazain’ny faminaniana fa “tsy mba nikomy” izy. (Isaia 50:5) Nahoana àry ny Zanak’Andriamanitra no lazaina fa “nianatra nankatò”, nefa izy efa nankatò tanteraka? Ary nahoana izy no lazaina fa mbola “natao lavorary”, nefa efa zavaboary lavorary?
4 Haka ohatra isika. Aoka hatao hoe manana sabatra vy ny miaramila iray. Voamboatra tamin’ny fomba lavorary izy io, ary tsara tefy, saingy mbola tsy nampiasaina tany an’ady mihitsy. Natakalon’ilay miaramila sabatra vy mbola mafy kokoa anefa izy io, sady sabatra efa nampiasaina tany an’ady. Tena nety ilay fifanakalozana, sa tsy izany? Mitovy amin’izany ny fankatoavan’i Jesosy. Efa nankatò tanteraka izy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Rehefa avy niaina tetỳ anefa izy, dia lasa tonga lafatra kokoa ny fankatoavany, ka toy ilay sabatra vita tamin’ny vy mafy kokoa. Nanaporofo izany izy tao anatin’ny fitsapana nanjo azy, izay tsy ho nihatra taminy mihitsy tany an-danitra.
5. Nahoana i Jesosy no tena nila nankatò, ary inona avy no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?
5 Tena nila nankatò i Jesosy, mba hamitany ilay iraka nampanaovina azy. Izy no “Adama farany”, ka tonga tetỳ an-tany izy mba hanao ny zavatra tsy vitan’i Adama, ilay raintsika voalohany. Tsy inona izany fa ny hankatò an’i Jehovah Andriamanitra foana, na dia ao anatin’ny fitsapana aza. (1 Korintianina 15:45) Tsy fahazarana fotsiny anefa ny fankatoavan’i Jesosy. Nankatò tamin’ny sainy manontolo sy ny fony manontolo ary ny tenany manontolo izy. Nanao izany tamim-pifaliana koa izy. Taminy dia zava-dehibe noho ny misakafo ny manao ny sitrapon’ny Rainy! (Jaona 4:34) Inona no hanampy antsika hankatò toa an’i Jesosy? Hojerentsika aloha ny antony nahatonga azy hankatò. Hahatohitra fakam-panahy sy hahavita hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika, raha ireo antony ireo koa no mahatonga antsika hankatò. Hodinihintsika aorian’izay ny valisoa sasany azon’izay mankatò toa an’i Kristy.
Ny antony nahatonga an’i Jesosy hankatò
6, 7. Inona no antony sasany nahatonga an’i Jesosy hankatò?
6 Ny toetra tsara tao am-pon’i Jesosy no nahatonga azy hankatò. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 fa nanetry tena am-po izy. Mahatonga ny olona tsy ho tia mankatò ny fiheveran-tena ho ambony, fa ny fanetren-tena kosa manampy antsika hankatò an’i Jehovah an-tsitrapo. (Eksodosy 5:1, 2; 1 Petera 5:5, 6) Nahatonga an’i Jesosy hankatò koa ny zavatra tiany sy halany.
7 Ny fitiavan’i Jesosy an’i Jehovah Rainy no antony lehibe indrindra nahatonga azy hankatò. Hofakafakaina amin’ny tsipiriany ao amin’ny Toko faha-13 io fitiavana io. Nahatonga an’i Jesosy hatahotra an’Andriamanitra izy io. Tena tia an’i Jehovah Rainy izy, ary nanaja azy fatratra, ka natahotra sao tsy hampifaly azy. Ny fahatahorany an’Andriamanitra no antony iray nihainoana an’i Jesosy rehefa nivavaka izy. (Hebreo 5:7) Hampiavaka ny fitondran’i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka, koa ny fahatahorana an’i Jehovah.—Isaia 11:3.
8, 9. Araka ny voalazan’ny faminaniana, ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fahamarinana sy ny faharatsiana, ary ahoana no nampisehoany izany?
8 Mila mankahala izay ankahalain’i Jehovah koa isika, raha tia azy. Mariho, ohatra, ity faminaniana nolazaina tamin’ny Mesia Mpanjaka ity: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao kosa ny faharatsiana. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, hanosotra anao menaka mahafalifaly mihoatra noho ireo namanao.” (Salamo 45:7) Ny mpanjaka hafa taranak’i Davida Mpanjaka no atao hoe ‘naman’i’ Jesosy eo. Manana antom-pifaliana lehibe kokoa noho izy rehetra ireo i Jesosy rehefa voahosotra ho Mpanjaka. Nahoana? Satria mahazo valisoa betsaka lavitra noho izy ireo izy, ary mitondra soa betsaka lavitra koa ny fanjakany. Valian-tsoa izy satria nankatò an’Andriamanitra tamin’ny zava-drehetra, noho ny fitiavany ny fahamarinana sy ny fankahalany ny faharatsiana.
9 Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fiheverany ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Nanao ahoana, ohatra, i Jesosy rehefa nankatò ny toromarika nomeny momba ny fitoriana ny mpianany, ka nahazo fitahiana? Tena faly izy. (Lioka 10:1, 17, 21) Nanao ahoana kosa izy rehefa hitany fa imbetsaka ny mponin’i Jerosalema no tsy nety nankatò, sady tsy nety nampiany tamim-pitiavana? Nitomany mafy izy satria nikomy ny mponina tao amin’io tanàna io. (Lioka 19:41, 42) Nisy akony lalina teo amin’i Jesosy ny zavatra tsara na ratsy nataon’ny olona.
10. Ahoana no tokony hiheverantsika ny tsara sy ny ratsy, ary inona no hanampy antsika hanana an’ireo fihetseham-po ireo?
10 Manampy antsika handinika ny antony ankatoavantsika an’i Jehovah, ny fisaintsainana ny fihetseham-pon’i Jesosy. Tsy lavorary isika, nefa afaka miezaka ho tia ny tsara amin’ny fo manontolo, fa hankahala tanteraka ny ratsy. Mila mivavaka amin’i Jehovah isika, ka mangataka aminy mba hanampy antsika hitovy fihetseham-po aminy sy ny Zanany. (Salamo 51:10) Ilaintsika koa ny manalavitra an’izay rehetra mety hahatonga an’ireo fihetseham-po ireo hihalefy. Mila fidintsika amim-pitandremana ny fialam-boly sy ny namantsika. (Ohabolana 13:20; Filipianina 4:8) Tsy ho fanarahana fitsipika fotsiny ny fankatoavantsika, raha mitovy amin’ny an’i Kristy ny antony anaovantsika izany. Hanao ny tsara isika satria tiantsika izany. Tsy hanao ny ratsy kosa isika, tsy hoe noho isika matahotra ny ho tratra, fa satria tena halantsika ny faharatsiana.
“Tsy nanota izy”
11, 12. a) Inona no nanjo an’i Jesosy teo am-piandohan’ny fanompoany? b) Inona no zavatra voalohany nataon’i Satana mba hakana fanahy an’i Jesosy, ary inona no hafetsena nampiasainy tamin’izay?
11 Raha vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy, dia notsapain’i Satana mba hahitana raha tena nankahala ny fahotana izy. Nijanona 40 andro sy 40 alina tany an-tany efitra izy taorian’ny batisany, ary tsy nihinan-kanina. Tonga naka fanahy azy i Satana Devoly taorian’izay. Diniho ange ny hafetseny e!—Matio 4:1-11.
12 Hoy i Satana tamin’ny voalohany: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ireto vato ireto mba ho lasa mofo.” (Matio 4:3) Nanao ahoana tokoa moa i Jesosy rehefa avy nifady hanina ela be? “Noana izy”, hoy ny Baiboly. (Matio 4:2) Nohararaotin’i Satana izay faniriana voajanahary hihinan-kanina izay, ary angamba nandrasany ho efa nalemilemy i Jesosy vao nalainy fanahy. Mariho koa fa tena nihantsy an’i Jesosy i Satana, rehefa nilaza hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao.” Efa fantany tsara mantsy fa i Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Tsy nanaiky hotaomin’i Satana tsy hankatò i Jesosy na izany aza. Fantany fa tsy tian’Andriamanitra ny hampiasany ny heriny, mba hahazoany tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny. Tsy nataony àry izay nolazain’i Satana, ary nasehony tamin’izany fa nanetry tena izy sady niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana sakafo sy tari-dalana.—Matio 4:4.
13-15. a) Inona ilay fakam-panahy faharoa sy fahatelo nahazo an’i Jesosy, ary inona no nataony nanoloana izany? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy maintsy mailo foana i Jesosy?
13 Nitondra an’i Jesosy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly i Satana, tamin’ilay fakam-panahy faharoa. Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba diso sy tamin-kafetsena i Satana, mba hampirisihana an’i Jesosy hanao zavatra mampitolagaga. Nasainy nianjera avy teny ambony teny i Jesosy, amin’izay dia ho voatery hamonjy azy ny anjely. Raha nahita izany fahagagana izany tokoa ny vahoaka tao amin’ny tempoly, dia iza intsony no hisalasala hoe i Jesosy tokoa no Mesia nampanantenaina? Ary moa ve tsy ho afaka hisoroka olana maro i Jesosy, raha manaiky azy ho Mesia ny vahoaka rehefa mahita izany fahagagana izany? Angamba. Fantatr’i Jesosy anefa fa tian’i Jehovah hanao ny asany amim-panetren-tena ny Mesia, fa tsy hanao fahagagana mba hitaomana ny olona hino azy. (Isaia 42:1, 2) Tsy nety hotaomina tsy hankatò an’i Jehovah indray i Jesosy teo. Tsy nahasarika azy ny laza.
14 Nahasarika azy ve ny fahefana? Nilaza i Satana tamin’ilay fakam-panahy fahatelo, fa homeny an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Mbola nieritreritra be momba izany ve i Jesosy? Tsia! Namaly avy hatrany izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!” Hoy koa izy: “Fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’” (Matio 4:10) Tsy nisy na inona na inona nahataona an’i Jesosy hanompo andriamani-kafa. Na inona na inona fahefana natolotra azy teto amin’ity tontolo ity, dia tsy nahatarika azy tsy hankatò izany.
15 Nilavo lefona ve i Satana taorian’izay? Lasa tokoa aloha izy rehefa noroahin’i Jesosy. Milaza anefa ny Filazantsaran’i Lioka fa “niala teo aminy [ny Devoly] mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Nahita fomba hafa nitsapana sy nakana fanahy an’i Jesosy hatramin’ny farany tokoa i Satana. Milaza ny Baiboly fa “notsapaina tamin’ny zavatra rehetra” i Jesosy. (Hebreo 4:15) Tsy maintsy mailo foana àry i Jesosy, ary toy izany koa isika.
16. Ahoana no akan’i Satana fanahy ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, ary ahoana no azontsika anoherana azy?
16 Mbola maka fanahy ny mpanompon’Andriamanitra i Satana ankehitriny. Mampalahelo fa matetika isika no mora voafitany satria tsy lavorary. Fetsy i Satana ka hararaotiny ny fitiavan-tena sy ny hambom-po ary ny fitiavana fahefana. Mety ho ireo rehetra ireo mitambatra aza no indray hararaotiny, rehefa mampirisika antsika ho matimatin-karena izy! Tena mila maka fotoana àry isika indraindray, mba handinihan-tena amin’ny saina tsy miangatra. Mila saintsainintsika izay voalazan’ny 1 Jaona 2:15-17. Eo am-panaovana izany, dia tsara ny manontany tena raha somary nihalefy ny fitiavantsika an’ilay Raintsika any an-danitra, noho ny fanirian’ny nofo eto amin’ity tontolo ity, ny fitiavan-karena, ary ny faniriana hampiaiky volana ny hafa. Mila tadidintsika fa mihelina ity tontolo ity, toa an’i Satana mpitondra azy ihany. Koa aoka àry isika hanohitra ireo tetika feno hafetsena ataony mba hitaomana antsika hanota! “Tsy nanota” ilay Tompontsika, ka aoka isika hanao azy ho filamatra.—1 Petera 2:22.
“Manao zavatra mahafaly azy foana aho”
17. Nanao ahoana izany hoe mankatò ny Rainy izany tamin’i Jesosy, nefa inona no mety holazain’ny olona sasany momba izany?
17 Tsy midika fotsiny hoe miezaka tsy hanota ny hoe mankatò. Nanatanteraka ny didin’ny Rainy rehetra mantsy i Kristy. Hoy izy: “Manao zavatra mahafaly azy foana aho.” (Jaona 8:29) Tena nahafaly an’i Jesosy izany fankatoavany izany. Mety hisy hilaza hoe: ‘Ka tsy sarotra loatra tamin’i Jesosy ange ny nankatò e!’ Mety hieritreritra mantsy izy ireo fa i Jehovah irery ihany no tsy maintsy nankatoavin’i Jesosy, fa isika kosa tsy maintsy mankatò ny olona tsy lavorary izay manana fahefana eo amintsika. Tena nankatò ny olona tsy lavorary nanana fahefana teo aminy anefa i Jesosy, raha ny marina.
18. Tamin’i Jesosy mbola kely, ahoana no nanomezany ohatra tsara momba ny fankatoavana?
18 Rehefa nihalehibe i Jesosy, dia teo ambanin’ny fahefan’i Josefa sy Maria ray aman-dreniny, izay olona tsy lavorary. Azo inoana fa afaka nahita lesoka teo amin’izy ireo izy, ary mihoatra noho ny hitan’ny ankamaroan’ny ankizy amin’ny ray aman-dreniny aza. Nikomy ve izy, ka nanao zavatra tsy nanomezan’Andriamanitra fahefana azy, ary nandidy azy ireo ny amin’izay tokony hitondrana tokantrano? Milaza ny Lioka 2:51 fa “nankatò azy ireo foana” i Jesosy, izay 12 taona tamin’izay. Amin’io lafiny io izy, dia ohatra faran’izay tsara ho an’ny tanora kristianina, izay miezaka mankatò ny ray aman-dreniny sady manaja azy ireo araka ny tokony ho izy.—Efesianina 6:1, 2.
19, 20. a) Inona no zava-tsarotra maningana natrehin’i Jesosy, mba hankatoavana olona tsy lavorary? b) Nahoana ny tena Kristianina no tokony hankatò an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonany?
19 Niaritra zava-tsarotra izay tsy hanjo ny tena Kristianina ankehitriny i Jesosy, mba hankatoavana olona tsy lavorary. Niaina tamin’ny vanim-potoana tsy mitovy amin’ny antsika izy. Nankasitrahan’i Jehovah nandritra ny fotoana ela ny fivavahana jiosy sy ny tempolin’i Jerosalema ary ny asa fisoronana. Nadiva hofoanana anefa ireo tamin’izay, ary ny fiangonana kristianina no hasolo azy. (Matio 23:33-38) Nampianatra hevi-diso avy tamin’ny filozofia grika ny mpitondra fivavahana maro tamin’izany. Betsaka koa ny zavatra tsy rariny nitranga tao amin’ny tempoly, ka nanjary nantsoin’i Jesosy hoe “lava-bato fiafenan’ny jiolahy” izy io. (Marka 11:17) Nahatonga an’i Jesosy tsy ho any amin’ny tempoly sy ny synagoga ve izany? Tsia! Mbola nampiasa an’ireo i Jehovah. Nankatò àry i Jesosy ka nankany amin’ny synagoga foana sy nanatrika ny fety natao tao amin’ny tempoly, mandra-pahatongan’ny fotoana nandraisan’Andriamanitra an-tanana ny raharaha sy nitondrany fiovana.—Lioka 4:16; Jaona 5:1.
20 Raha i Jesosy aza nankatò foana, nefa izany no toe-javatra nisy tamin’ny androny, tsy vao mainka ve tokony hankatò foana ny tena Kristianina ankehitriny? Vanim-potoana hafa mihitsy mantsy no iainantsika. Efa tafaverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ankehitriny, araka ny nampanantenaina hatry ny ela. Manome toky antsika Andriamanitra fa tsy havelany ho voataonan’i Satana hivadika mihitsy ny vahoakany amin’ny fitambarany. (Isaia 2:1, 2; 54:17) Marina fa misy ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana eo anivon’ny fiangonana. Mety anefa ve raha ataontsika fialan-tsiny tsy hankatoavana an’i Jehovah ny fahadisoan’ny hafa, ka angamba tsy hanatrika fivoriana isika na hanakiana ny anti-panahy? Sanatria izany! Aoka kosa isika hanohana amin’ny fo manontolo an’ireo mitarika ny fiangonana. Mankatò isika, ka manatrika fivoriana sy fivoriambe, ary mampihatra ny torohevitra ara-baiboly raisintsika any.—Hebreo 10:24, 25; 13:17.
21. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nisy nitaona azy tsy hankatò an’Andriamanitra, ary ahoana no hanahafantsika azy?
21 Tsy nanaiky hotaomin’ny olona tsy hankatò an’i Jehovah mihitsy i Jesosy, na dia namany akaiky sy tsara fikasa aza no nitarika azy. Nanandrana nandresy lahatra ny Tompony, ohatra, ny apostoly Petera hoe tsy voatery hijaly sy ho faty izy, fa tokony ho tsara fanahy amin’ny tenany. Nanda mafy ny torohevitr’i Petera anefa i Jesosy, satria diso hevitra izy na dia tsara fikasa aza. (Matio 16:21-23) Matetika koa ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny no sendra havana tsara fikasa, izay mety hanandrana handresy lahatra azy mba tsy hankatò ny lalàna sy torolalan’Andriamanitra. Manahaka ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany anefa isika, ka miaiky fa ‘Andriamanitra no mpitondra antsika ka izy no tsy maintsy ankatoavintsika, fa tsy olona.’—Asan’ny Apostoly 5:29.
Valian-tsoa izay mankatò toa an’i Kristy
22. Inona ilay fanontaniana voavalin’i Jesosy, ary ahoana no fomba namaliany an’izany?
22 Niatrika ny fitsapana mafy indrindra momba ny fankatoavana i Jesosy, talohan’ny nahafatesany. “Nianatra nankatò” tamin’ny fomba feno izy tamin’io andro nanjombona teo amin’ny fiainany io. Ny sitrapon’ny Rainy no nataony, fa tsy ny azy. (Lioka 22:42) Nasehony tamin’izany fa tsy nivadika mihitsy izy. (1 Timoty 3:16) Voavaly koa tamin’izay ilay fanontaniana nipetraka hatry ny ela hoe: Mbola hankatò an’i Jehovah ve ny olona lavorary, rehefa iharam-pitsapana? Tsy nahavita an’izany na i Adama na i Eva. I Jesosy anefa tena nahavita an’izany, ary hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Nanome ny valiny mampiaiky indrindra amin’io fanontaniana io, ilay zavaboarin’i Jehovah mitana ny toerana ambony indrindra. Nankatò izy, na dia tena mafy taminy aza izany.
23-25. a) Inona no ifandraisan’ny fankatoavana sy ny tsy fivadihana? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no ho foto-kevitry ny toko manaraka?
23 Ny fankatoavana no anaporofoana ny tsy fivadihana, izany hoe ny fifikirana amin’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Tsy nivadika àry i Jesosy satria nankatò, ary nitondra soa ho an’ny olona rehetra izany. (Romanina 5:19) Nomen’i Jehovah valisoa tondraka izy noho izany. Hamaly soa antsika koa i Jehovah, raha mankatò an’i Kristy Tompontsika isika. “Ho voavonjy mandrakizay” mihitsy izay manao an’izany!—Hebreo 5:9.
24 Na ny tsy fivadihana koa aza dia efa valisoa. Hoy ny Ohabolana 10:9: “Hilamin-tsaina ny olona tsy mivadika.” Raha azo oharina amin’ny trano be vita amin’ny biriky tena tsara ny tsy fivadihana, dia azo oharina amin’ny biriky tsirairay amin’io trano io ny lafin-javatra tsirairay nankatoavantsika. Mety ho tsy misy dikany loatra ny biriky iray, nefa samy manana ny toerany ary tena ilaina. Ahavitana trano tsara tarehy sy tena sarobidy izy ireo rehefa atambatra. Rehefa atambatra koa àry ny lafin-javatra tsirairay nankatoavantsika isan’andro sy isan-taona, dia mihamafy orina toy ilay trano tsara tarehy ny tsy fivadihantsika.
25 Mampahatsiahy toetra tsara hafa iray ny hoe mankatò mandritra ny fotoana maharitra. Tsy inona izany fa ny fiaretana. Ny modely nomen’i Jesosy tamin’io lafiny io no ho foto-kevitry ny toko manaraka.