-
TaotranoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Asehon’ny Soratra Grika Kristianina fa zava-dehibe ny manombana izay ho lany alohan’ny hanorenana. Nohamafisin’i Jesosy izany tamin’izy nampirisika ny mpihaino azy hamantatra tsara izay tafiditra amin’ny hoe manaraka ny diany. (Lk 14:28-30) Asongadin’ny fanoharana maromaro fa ilaina ny manao fototra mafy. (Mt 7:24-27; Lk 6:48, 49; 1Ti 6:17-19; 2Ti 2:19; He 11:10) Nilaza i Kristy Jesosy fa haorina eo ambony vatolampy (petra) ny fiangonany. (Mt 16:18) Izy mihitsy ilay fototra ka tsy misy “afaka mametraka fototra hafa ankoatra” azy. Izy koa anefa ilay “vato nolavin’ny mpanao trano.” (1Ko 3:11; Mt 21:42; As 4:11; Sl 118:22) Izy no vato fehizoro lehibe indrindra, ary apetraka eo amboniny sy alahatra hifanitsy aminy ny “vato velona” rehetran’ny tempoly ara-panahy, ka ny rariny no “tady fandrefesana” ary ny fahamarinana no “filamatra.” (Ef 2:20, 21; 1Pe 2:4-8; Is 28:16, 17) Nilaza i Jesosy hoe hatsangana “ao anatin’ny telo andro” “ilay tempoly” na ny vatany. Efa 46 taona anefa no nanorenana an’ilay tempoly ara-bakiteny sy ny trano nanodidina azy io tao Jerosalema, saingy mbola tsy vita ihany tamin’izay. (Jn 2:18-22) “Olon-kendry lehiben’ny fanorenana” i Paoly ka nasainy nampiasa fitaovana tsara tsy mety may ny Kristianina izay manorina eo ambony fototra, dia i Kristy. (1Ko 3:10-17) “Mampahery” ny fitiavana, satria anisan’ny tena mahatonga ny olona hiorina mafy amin’ny finoana. (1Ko 8:1; ampit. Sl 89:2.) Tanàna mamirapiratra vita amin’ny vatosoa i Jerosalema Vaovao hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana. Vato misy ny anaran’ny “apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry” no fototry ny mandany. (Ap 21:9-27) Mpanorina ny zava-drehetra Andriamanitra ka tsy mitoetra ao amin’ny trano naorin’ny olona.—He 3:4; As 7:48-50; 17:24, 25; Is 66:1.
-
-
FiangonanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny fiangonana kristianina. Talohan’ny nandavana ny firenena jiosy tsy ho fiangonan’Andriamanitra intsony, dia nilaza i Jesosy Kristy fa izy no “vatolampy” ary eo amboniny no hanorenany ny ‘fiangonany.’ (Mt 16:18) Nanaiky izany ny apostoly Petera satria nilaza izy tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay “vato” nolavin’ny olona, nefa “voafidy sy sarobidy amin’Andriamanitra.” I Jesosy, hoy izy, no “vato fehizoro” ary tsy ho diso fanantenana izay mino azy. (1Pe 2:4-6; Sl 118:22; Is 28:16) Niaiky koa i Paoly fa i Jesosy Kristy no fototra iorenan’ny fiangonana kristianina. (Ef 2:19-22; 1Ko 3:11) An’i Jehovah ilay fiangonana, ka mety raha antsoina hoe “fiangonan’Andriamanitra.”—As 20:28; Ga 1:13.
-
-
VavahadyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lazaina hoe miditra eo amin’ny “vavahadin’ny fahafatesana” ny olona iray rehefa maty. (Sl 9:13; 107:18) Lasa any amin’ny fasana misy ny maty rehetra izy, izany hoe niditra teo amin’ny vavahadin’ny Fasana. (Isa 38:10; Mt 16:18) Manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana i Jesosy Kristy (Ap 1:18), ka matoky ny fiangonany fa tsy hihazona azy ireo mandrakizay ny fahafatesana sy ny Fasana. Nilaza ny apostoly Paoly fa maty daholo ireny rehetra ireny, lasa any amin’ny fahafatesana sy ny Fasana izy ireo, toa an’i Kristy. Nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana anefa i Kristy, sady tsy nafoiny tao amin’ny Fasana. (As 2:24, 31) Amin’ny farany, dia tsy hanan-kery eo amin’ny fiangonan’i Kristy ny fahafatesana sy ny Fasana, satria mbola hatsangana ny maty.—1Ko 15:29, 36-38, 54-57.
-
-
HaidesFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Niditra tao amin’ny “vavahadin’ny Haides” i Jesosy rehefa nalevin’i Josefa avy any Arimatia. Toerana an’ohatra mantsy ny Haides na ny fasana misy ny maty rehetra. Hoy i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33: “Tsy nafoy tao amin’ny Haides i Jesosy sady tsy lo ny nofony. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (As 2:25-27, 29-32, f.a.p.; Sl 16:10) Nisokatra ho an’i Kristy Jesosy “ny vavahadin’ny Haides” (Mt 16:18, f.a.p.) rehefa natsangan’ny Rainy avy tao izy, fa mbola tavela tao kosa i Davida tamin’ny andron’i Petera. (As 2:29) Nomena fahefana hanangana ny maty i Jesosy avy eo (Jn 5:21-30), ka izy no manana “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Haides.”—Ap 1:17, 18, f.a.p.
“Faritra maizina tsy tratran’ny masoandro any ambanin’ny tany” ny Haides, hoy ny angano grika fahiny. Tsy io anefa ilay Haides resahin’ny Baiboly satria tsy nino ny Grika hoe hitsangana izay any amin’io tontolon’ny maty resahin’ny angano io.
-