Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanome fianarana ny amin’ny fanetren-tena i Jesosy
TAORIAN’NY nanasitranany ilay zazalahy azon’ny demonia tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo, Jesosy dia naniry hody tany aminy tany Kapernaomy. Tiany anefa ny hanao ny dia irery niaraka tamin’ireo mpianany mba hanomanana azy tsaratsara kokoa amin’ny fahafatesany sy amin’ireo andraikitra hiantsorohany manaraka izany. “Ny Zanak’olona, hoy ny nohazavainy, efa hatolotra ho eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.”
Efa niresadresaka ny amin’izay raharaha izay Jesosy, ary apostoly telo no vavolombelona nanatri-maso ny fiovany tarehy, izay ny “fiaingany” tamin’izay dia nanjary anton-dresaka; kanefa ireo mpianany dia tsy mbola nahatakatra tsara izany foana. Na dia tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza tsy nety nanaiky, sahala amin’i Petera talohan’izay, fa hovonoina izy, dia natahotra ny hanontany azy bebe kokoa ny amin’izany izy.
Indro tonga tao Kapernaomy izy ireo tamin’ny farany, tao amin’ilay tanàna izay toa fitodihan-tsambon’i Jesosy nandritra ny fanompoany; avy tao koa no fiavian’i Petera, sahala amin’ny maromaro tamin’ireo apostoly. Tamin’izay fotoana izay, dia nanatona an’i Petera ny lehilahy mpamory ny hetran’ny tempoly ary, angamba mba hiampangana an’i Jesosy ny amin’ny fomba iray azo ekena, dia nanontany hoe: “Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny [drakma roa, MN ] antsasaky ny sekely [ho an’ny tempoly] va?”
“Mandoa ihany Izy” hoy ny navalin’i Petera.
Rehefa niditra tao an-trano izy, azo inoana fa fotoana fohy taorian’izay, dia fantatr’i Jesosy fa vao avy nitranga izay tarehin-javatra tsy nampoizina izay. Izany no antony tsy nananan’i Petera fotoana akory aza niresahana ny amin’izay raha nanontany azy Jesosy hoe: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’olon-kafa?
“Avy amin’olon-kafa”, hoy ny nambaran’i Petera.
“Dia afaka ary ny zanaka”, hoy ny nomarihin’i Jesosy. Koa satria ny Rain’i Jesosy no Mpanjakan’izao rehetra izao, dia Ilay nivavahana tao amin’ny tempoly, ny Zanak’Andriamanitra dia tsy tena voaterin’ny lalàna tokoa handoa ny hetran’ny tempoly. “Nefa, hoy Jesosy, andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ny ranomasina hianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely [drakma efatra] eo hianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy hianao.”
Rehefa tafangona ny mpianatra, angamba tao an-tranon’i Petera, tamin’ny fiverenany tao Kapernaomy, dia nametraka izao fanontaniana izao izy ireo: “Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Fantatr’i Jesosy izay nitana ny sain’izy ireo raha ny marina, satria tsy niafina taminy ny resaka nifanaovany raha nandeha tao aorian’izy ireo rehefa niverina tany Kaisaria-filipo. Nanontany azy ireo àry izy hoe: “Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?” Tsy nahateny ireo mpianatra, sanganehana, satria niady hevitra izy mba hahafantarana izay lehibe indrindra.
Moa ve tsy toa nahagaga ny nipoahan’ny ady hevitra toy izany teo amin’ireo mpianatra, dia izy ireo izay nampianarin’i Jesosy hatramin’ny telo taona teo ho eo izay? Manaporofo izany fa ny tsy fahatanterahan’olombelona sy ireo fiandohana ara-pivavahana dia misy heriny lehibe eo amin’ny olombelona. Ireo mpianatra dia notezaina tao amin’ny fivavahana jiosy, izay nanao ny toerana na ny laharana ho ambony teo amin’ny fifandraisana rehetra. Afa-tsy izany koa, angamba i Petera nihevi-tena ho ambony hatramin’ny nampanantenan’i Jesosy azy fa homeny ny “fanalahidin’ilay” Fanjakana izy. Angamba koa i Jakoba sy Jaona nanana toe-tsaina nitovy tamin’izany satria nanam-boninahitra nanatrika ny fiovan’i Jesosy tarehy.
Na ahoana na ahoana, Jesosy dia nanao fampisehoana nampihetsi-po noho ny fikendrena hanitsy ny fomba fiheviny. Niantso zaza iray izay napetrany teo afovoan’izy ireo izy; avy eo dia nisakambina azy izy ary niteny hoe: “Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.”
Endrey izany fomba fanaon’ny mpampianatra mba hanitsiana ireo mpianany! Tsy tezitra taminy i Jesosy ary tsy niampanga azy ho mpanambony teny, manana faniriana mihoa-pampana, na fatra-paniry laza. Tsia, fa nanome fianarana ho azy ireo izy izay nasehony tamin’ny alalan’ny sary tamin’ny fampiasana zazakely, izay manana fanetren-tena voajanahary, tsy mba fatra-paniry laza ary amin’ny ankapobeny dia tsy mba manorina ambaratongam-boninahitra eo aminy. Tamin’izany no nampisehoan’i Jesosy fa ireo mpianany dia mila mamboly ireo toetra mampiavaka ny zaza manetry tena. Nofaranany tamin’ireto teny ireto ny teniny: “Fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.” Matio 17:22-27; 18:1-5; Marka 9:30-37; Lioka 9:43-48.
◆ Inona moa no nampahatsiarovan’i Jesosy tamin’ny fiverenany tany Kapernaomy, ary inona no vokatr’ireo teniny?
◆ Nahoana moa Jesosy no tsy voatery handoa ny hetran’ny tempoly, kanefa nahoana no nandoa izany izy?
◆ Inona no nety ho anisan’ny niteraka ady hevitry ny mpianatra, ary ahoana no nataon’i Jesosy mba hanitsiana azy ireo?