HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 18-19
Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa
Nampiasa fanoharana i Jesosy mba hampianarana fa tena ratsy ny manota na manafintohina ny hafa.
Ny hoe “vato mahatafintohina” dia zavatra ataon’ny olona iray na toe-javatra mahatonga azy na ny olon-kafa hanao ratsy, haloto fitondran-tena, na hanota
Tsara kokoa ho an’ny olona manafintohina ny hafa ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony, ary halatsaka any an-dranomasina izy
Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa aleo mamoy zava-tsarobidy toy ny tanana na maso, raha mahatonga azy ireo hanota izany
Aleo mamoy an’ireo zavatra tena tiantsika nefa miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana azy ireo nefa ho any amin’ny Gehena na ho ringana mandrakizay
Inona no mety ho lasa vato mahatafintohina eo amin’ny fiainako, ary inona no azoko atao mba tsy hahatonga ahy hanota na hanafintohina olona?