-
Tandrovy ny Fihavanana sy ny Fahadiovan’ny FiangonanaVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
14 Noresahin’i Jesosy ny dingana tokony harahina rehefa misy olana lehibe mila alamina eo amintsika samy Kristianina. Hoy izy: “Raha manota ny rahalahinao, dia [1] mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa nahatafarina ny rahalahinao ianao. Raha tsy mihaino kosa izy, dia [2] mitondrà olona iray na roa miaraka aminao, mba ho azo antoka ny zava-drehetra, noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia [3] miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra.”—Mat. 18:15-17.
-
-
Tandrovy ny Fihavanana sy ny Fahadiovan’ny FiangonanaVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
18 Mety ho mbola tsy nahatafarina an’ilay rahalahinao anefa ianao, rehefa nampahafantatra azy ny fahadisoany tamin’ianareo niresaka ‘nitokana.’ Azonao arahina amin’izay ilay tenin’i Jesosy hoe “mitondrà olona iray na roa miaraka aminao”, ary miresaha indray amin’ilay rahalahinao. Ny hahatafarina an’ilay rahalahy koa no tokony ho tanjon’ireo olona entinao. Tsara kokoa raha olona tena nahita an’ilay zavatra lazaina fa nataon’ilay rahalahy no entinao. Raha tsy misy anefa ny vavolombelona nahita maso, dia afaka mitondra olona iray na roa ianao mba hanatrika an’ilay resaka. Mety ho efa zatra olana mitovy amin’io izy ireo, ka mahay manavaka raha fahadisoana tokoa ilay izy na tsia. Tsy solontenan’ny fiangonana izay anti-panahy fidina hanao vavolombelona, satria tsy ny anti-panahy rehetra no nanendry azy hanao an’izany.
-