Ny fisaraham-panambadiana: Inona marina no lazain’ny Baiboly?
“IZAY nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” (Matio 19:6). Matetika ireo tenin’i Jesosy Kristy malaza ireo no nampiasaina hamaranana fombafomba amin’ny fampakaram-bady.
Nefa moa ve teo i Jesosy nampianatra fa tokony haharitra daholo ny fanambadiana rehetra ka tokony hofadina ny fisaraham-panambadiana na inona na inona antony? Izany no mety hoeritreretina raha sarahina tanteraka amin’ny teny manodidina azy io fehezanteny io. Nahoana àry i Jesosy no nilaza hevitra toy izany? Zava-baovao ve no notononiny eo?
‘Tsy toy izany tamin’ny voalohany’
Io fanambarana io dia nalaina avy amin’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ny Fariseo izay nanontany azy hoe: “Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?” (Matio 19:3-6). Tsy afa-po firy tamin’ny valin-teniny ny Fariseo ka mbola nanontany azy indray hoe: “Nahoana Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.” Avy eo dia nanampy teny toy izao izy: “Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” — Matio 19:7-9.
Aoka homarihintsika fa tamin’ny filazana hoe “tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany”, eo i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fisaraham-panambadiana azo amin’ny ‘fanomezana taratasy fisaoram-bady’. Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa nanorina ny fanambadiana teo amin’i Adama sy Eva Andriamanitra, dia tsy nilaza tamin’izy ireo izy hoe ho azo atao ny hanafoana ny fanambadiana ‘noho izay rehetra entina iampangana na inona na inona’. Noho ny fahatanterahany, dia tena nanana antony tokony hahitana fahombiazana tamin’ny fanambadiany Adama sy Eva. Hahitana fahombiazana ny fanambadian’izy ireo raha manohy miaina mifanaraka amin’ny lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy ireo.
Rehefa nivarina ho ao anatin’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana ny olombelona, dia nikororosy koa ny fanambadiana (Romana 5:12). Nihenjana ny fifandraisana teo amin’ny olombelona nanjary tsy tanteraka ary nanjary feno fitiavan-tena sy faniriana mihoa-pampana. Izany no nantsoin’i Jesosy hoe ny ‘hamafin’ny fo’ nahatonga ny Lalàn’i Mosesy hitsinjo ny hisian’ny fisaraham-panambadiana. Nampahatsiahy ny Fariseo anefa i Jesosy fa “tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany”. Na dia tsy tanteraka aza ny mpivady hatramin’izao dia tokony hiezaka handamina fahasahiranana isan-karazany fa tsy hitady amin’izany, antony tokony hanapahany ny fanambadiany. Nanonona antony maningana iray anefa i Jesosy: ny fijangajangana. Ny fivadihana amin’ny vady tokoa dia mety hahaforona antony azo ekena mba hanafoanana fanambadiana iray.
Aoka hojerentsika hoe tamin’ny ahoana io fitenenana hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany” io no niteraka filazana heviny samihafa natao hanohanana fiheverana sasany momba ny fisaraham-panambadiana. Mandrakariva ireo manam-pahefana katolika dia mandà an’io teny io satria izany tsy hita ao amin’ny fitantaran’i Marka sy i Lioka mifanitsy aminy. Manome izao fanazavana izao anefa Ny Firaketana (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong: “Mora ny mampifandrindra ireo andinin-teny ireo amin’ny fahafantarana fa ny toetra mampiavaka iray hita ao amin’ny tahirin-kevitra feno indrindra, amin’ny fotopotony dia tokony hanazava ny tahirin-kevitra fohy kokoa raha tsy manohitra azy. Araka izany, koa satria neken’ny rehetra io hany antony ahafahana misaraka io, Marka sy Lioka dia afaka nihevitra io zavatra io ho mazava ka tsy nanonona azy tamin’ny fomba hentitra.”
Nanararaotra ny nampiasan’i Jesosy ny teny hoe “fijangajangana” (gr. pornéia) fa tsy ny hoe “fanitsakitsaham-bady” (gr. moïkhéia) ny olona sasany ka nanamafy fa izany dia nety ho nanondro fanaovan-javatra tsy mendrika izay natao talohan’ny fampakaram-bady ka nahatonga an’io ho foana sy tsy misy vidiny. Izany dia ho famerana amin’ny fomba jadona ny hevitr’io teny io. Manam-pahaizana manokana samihafa no manaiky fa ny teny hoe pornéia dia manondro “ny fitondrantena ratsy, ny fivarotan-tena, ny fijangajangana” ary ao amin’ny Matio 19:9 izy io dia milaza, na mahafaoka ny fanitsakitsaham-bady”. Ny hafa milaza fa nanonona ny fijangajangana ho anankiray amin’ny antony maro hafa ahafahana misaraka i Jesosy. Miharihary tokoa fa ireo filazalazana hevi-teny ireo dia fanomezana ho an’ny teny heviny tsy azy.
Rehefa heverina amin’izany rehetra izany, dia mazava fa tsy milaza akory ny Baiboly hoe ny fanambadiana rehetra dia tsy hisy farany daholo na hoe rarana ny misaraka na noho ny antony inona na noho ny antony inona. Ny Baiboly koa dia manome ny hany antony azo ekena mba hisarahana, dia “noho ny fijangajangana ihany”.
‘Aoka hanan-kaja ny fanambadiana’
Amin’ny fanomezana antony ahafahana misaraka, moa ve ny Baiboly mamporisika ny hanaovana izany? Moa ve izany fanomezan-dalana izany fanaovana tsinontsinona ny fanambadiana na fampietrena azy? Na koa, amin’ny tsy fanomezana afa-tsy antony tokana ahafahana misaraka, moa ve ny Baiboly mampitondra enta-mavesatra tafahoatra ho an’ireo izay manambady?
Mifanohitra amin’izany, ny Baiboly dia mampiseho ny fanambadiana ho anankiray amin’ireo fatorana mafy indrindra sy akaiky indrindra mety hananan’ny olon-droa. Izao no ambaran’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy ny amin’ny fanambadiana voalohany: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24). Tokony hotandroan’ny mpivady toy ny zavatra sarobidy àry izany fifandraisana izany izay mahatonga azy ireo ho “nofo iray ihany”. “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. — Hebreo 13:4.
Nolazaina matetika, ary tamin’ny fomba maro, fa ny fanambadiana maharitra sy sambatra dia miankina, tsy amin’ny fitiavana misy nofinofy, fa amin’ny tsy fiheverana ny tombontsoan’ny tena. Izany indrindra no soritan’ny Baiboly izay manambara hoe: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana (...), ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” (Efesiana 5:28-33). Amim-pahatsorana no anomezan’ny Baiboly izao torohevitra izao koa: “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Aza misara-pandriana hianareo.” — 1 Korintiana 7:3-5.
Raha samy maniry hanaja io torohevitra mampiseho fahendrena io ny mpivady, dia tena tsy azo inoana loatra fa hoe hiharatsy ny fanambadian’izy ireo ka hampiditra ny anankiray aminy amin’ny fisetran-javatra ivelan’ny fanambadiana izay handrava ny fifandraisana mahatonga azy ireo ho “nofo iray ihany”. Na dia tsy mihevitra ny hanaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ireo aza ny anankiray amin’ny mpivady, dia afaka matoky ilay vady mpino fa miteraka ny vokatra tsara indrindra foana ireo fandaharan’Andriamanitra, ka izany dia hanampy amin’ny fisorohana na ny fandaminana fahasahiranana ara-panambadiana maro.
Tsy manolotra velively ny fisaraham-panambadiana ho fomba fanapahana fanambadiana mampahory iray ny Baiboly fa amporisihiny kosa ny kristiana hanao fiezahana lehibe mba hanaovana ny fanambadiany ho firaisana mafy orina sy ahitana fahasambarana. “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao.” — Ohabolana 5:18, 19.
Ny fisarahana — Izany ve no fanafodiny?
Inona anefa no tokony hatao raha manjary tsy mahatoky ny anankiray amin’ny mpivady? Tsy isalasalana fa miteraka fahasahiranana lehibe ny tsy fahatokiana ara-panambadiana. Miteraka alahelo lehibe ilay vady manitsakitsaka ary mampijaly aoka izany ilay vady tsy diso izay omen’ny Soratra masina lalana hisaraka sy hanambady indray. Nefa tsy maintsy tokony hisy ve ny fisaraham-panambadiana? Tena izany ve no hany fanafodiny?
Na dia nanome antony ara-drariny ahazoana misaraka aza Jehovah Andriamanitra, dia aoka tsy hohadinointsika fa milaza koa ny Baiboly hoe ‘halany ny fisaoram-bady’. (Malakia 2:16.) Araka izany, dia tsy tokony ho dodona ny hanatsoaka hevitra ilay vady tsy diso hoe tsy misy fanafodiny hafa noho izany, fa afaka mihevitra ny hamindra fo sy hamela heloka izy. Inona no antony?
Tsy hoe tsy maintsy hanasitrana ny ratra na handroaka ny alahelo akory ny fisaraham-panambadiana. Manana izany hery izany kosa anefa ny famindrampo sy ny famelan-keloka, indrindra fa rehefa manenina amim-pahatsorana noho ny ratsy nataony ilay meloka. Mety hanamafy ny fanambadiana aza ny fitiavana aseho amin’ny toe-javatra toy izany. Araka ny fanazavan’izay voalaza teo aloha, dia ho azon’ilay vady tsy diso atao ny hamantatra hoe inona no mety ho fitsipi-pitondrantena tsara indrindra tokony harahina, sady mahatsiaro ireto tenin’i Jesosy ireto: “Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.” — Matio 5:7; jereo Hosea 3:1-5.
Tokony hoeritreretina koa ny fahasahiranana miandry ireo zanaka eo anivon’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy anankiray amin’ny ray aman-dreny, sy ny fitambesaran’ny fitoerana manirery amin’ny olona misara-panambadiana. Vao mainka mafy ny zava-manahirana ho an’ny vehivavy izay, any amin’ny toerana maro, dia mbola sahirana eo amin’ny lafiny ara-toe-karena. Sarotra ho an’ny reny irery, izay nikarakara fianakaviana nandritra ny taona maro, ny miverina miasa sy miady mba hahazoana asa.
Mihevitra ny vehivavy manambady sasany fa ilaina ny miomana sahady ny amin’ny mety hisian’ny fisaraham-panambadiana. Misoratra ao amin’ny sekoly sasany àry izy ireny na manohy miasa mba hitanana ny fahaleovan-tenany ara-bola. Mazava ho azy fa raharaha manokana izany. Kanefa, moa ve tsy ho fahendrena kokoa ny hanokanana fotoana sy hery amin’ny fanorenana fanambadiana maharitra sy sambatra toy izay hiomana ho amin’izay mety ho fisaraham-panambadiana? Raha miezaka hampitombo ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra sy hanana fomba fijery ara-panahy tsara foana ilay vehivavy kristiana dia afaka manantena tokoa ny hotiavin’ny vadiny sy hoderainy. Azony atao koa ny mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra izay nampanantena ny hanome ny ilain’izay mikatsaka ny Fanjakana aloha. — Matio 6:33; Ohabolana 31:28-30; Galatiana 5:22, 23.
Ny fanafodiny farany
Raha mbola hiaina koa ao anatin’ny fandehan-javatra tsy tanteraka ankehitriny isika, dia afaka manampo ny ho tojo zava-manahirana ara-panambadiana. Azo atao anefa ny mampihena izany na ny mandresy izany amin’ny fanarahana ireo torohevitra mampiseho fahendrena ao amin’ny Baiboly. Ny mbola tsaratsara kokoa ihany, ireo lehilahy sy vehivavy izay maniry hampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ao anatin’ny faritry ny fanambadiany sy amin’ny lafiny madinika maro hafa eo amin’ny fiainany, dia manana fanantenana kanto ny hiditra ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ‘hitoeran’ny fahamarinana”. — 2 Pierre 3:13.
Ao anatin’io fandehan-javatra vaovao io, ny olombelona dia hafahana amin’ny fandravana rehetra sy ny vokatra manimban’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana rehetra. Raha mbola hisy koa ny fanambadiana eto an-tany, dia tokony ho ‘tahaka ny tamin’ny voalohany’ no izy; tsy hisy intsony mihitsy olona hampisaraka izay nakamban’Andriamanitra.
[Sary, pejy 5]
Inona no nampianarin’i Jesosy ny amin’ny fisaraham-panambadiana?
[Sary, pejy 7]
Ao amin’izao tontolo izao vaovao, dia ho nanjavona ireo zava-manahirana ara-panambadiana mitarika ho amin’ny fisarahana.