Ny Fomba Hanamafisana ny Fatoram-panambadiana
“MAHAZO misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?” hoy ny fanontanian’ireo Fariseo izay nanandrana namandrika an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe. Namaly azy ireo tamin’ny fanisiana fitenenana ny amin’ilay fanambadian’olombelona voalohany izy, ary nametraka fari-pitsipika iray mikasika ilay raharaha: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.”
Nanizingizina ireo Fariseo fa i Mosesy dia nanao fandaharana ho amin’ny fisaraham-panambadiana tamin’ny fandidiana ny hanaovana “taratasy fisaoram-bady”. Namaly azy ireo toy izao i Jesosy: “Ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga”. — Matio 19:3-9.
Tany am-boalohany, ny fanambadiana dia tokony ho fatorana maharitra iray. Na dia ny fahafatesana aza dia tsy ho nampisaraka ilay mpivady voalohany, satria noforonina ho olombelona tanteraka izy ireo, nanana fahatsinjovana fiainana mandrakizay. Nanota anefa izy ireo. Nanimba ny fanambadian’olombelona ny fahotan’izy ireo. Nanomboka nampisaraka ireo mpivady ny fahafatesana fahavalo. Heverin’Andriamanitra ho fifaranan’ny fanambadiana ny fahafatesana, araka izay vakintsika ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Ny vavy voafehin’ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintiana 7:39). Izany dia tena tsy mitovy amin’ireo hevitra ara-pivavahana toy ny satī, izay andresen-dahatra na anerena ny vehivavy iray mba handoro tena ho faty amin’ny fotoana ahafatesan’ny vadiny, amin’ny finoana fa mitohy any amin’ny fiainana any ankoatra ny fatoram-panambadiana.
Fandaharana tao amin’ny Lalàn’i Mosesy
Tamin’ny fotoana nanomezana ny Lalàn’i Mosesy, dia nihasimba aoka izany ny fifandraisana ara-panambadiana hany ka, noho ny hamafin’ny fon’ireo Isiraelita, dia nanao fandaharana momba ny fisaraham-panambadiana i Jehovah. (Deoteronomia 24:1). Tsy fikasan’Andriamanitra ny hampiasan’ireo Isiraelita an’io lalàna io amin’ny fomba ratsy mba hisarahana tamin’ny vadiny noho ny fahadisoana madinika, araka ny porofoin’ny fandidiany azy ireo mba ho tia ny namany tahaka ny tenany. (Levitikosy 19:18). Na dia ilay fanaovana taratasy fisaoram-bady aza dia natao ho fanakanana, satria tapany tamin’ny fanoratana ilay taratasy ny tsy maintsy niarahan’ilay vady naniry fisaraham-panambadiana nidinika tamin’ireo lehilahy nahazo lalana ara-dalàna, izay ho niezaka nanao fampihavanana. Tsia, Andriamanitra dia tsy nanome io lalàna io mba hanorenana zo na inona na inona hisarahana amin’ny vadin’ny tena ‘noho izay rehetra entina iampangana azy na inona na inona’. — Matio 19:3.
Tsy niraharaha ny tena antony nanaovana ilay lalàna anefa ny Isiraelita tamin’ny farany, ary nanararaotra io andininy io mba hisaraham-panambadiana niorina tamin’izay nety ho antony nifanaraka tamin’ny haitraitran’izy ireo. Tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., dia namitaka ny vadin’ny fahatanorany izy ireo, nisaraka taminy noho izay rehetra nentiny niampangany azy na inona na inona. Nilaza tamin’ny fomba hentitra tamin’izy ireo i Jehovah fa halany ny fisaraham-panambadiana. (Malakia 2:14-16). Noho ny fanoherany an’io fisehoan-javatra tamin’ny lasa io no nanamelohan’i Jesosy ny fisaraham-panambadiana, rehefa nanao izany ireo Isiraelita tamin’ny androny.
Hany antony ara-dalàna ho an’ny fisaraham-panambadiana
Nanonona antony ara-dalàna iray ho an’ny fisaraham-panambadiana anefa i Jesosy: ny fijangajangana. (Matio 5:31, 32; 19:8, 9). Ilay teny nadika eto hoe “fijangajangana”, dia mahafaoka izay karazana firaisana tsy ara-dalàna rehetra ivelan’ny fanambadiana araka ny Soratra Masina, na atao amin’olona lahy na vavy toy ny tena izany, na tsy lahy na tsy vavy sahala amin’ny tena, na atao amin’ny biby.
Na dia izany aza, dia tsy nampirisika fisaraham-panambadiana tamin’ny vady iray nanitsakitsaka i Jesosy. Anjaran’ilay vady tsy diso ny mandanjalanja izay vokany tafiditra amin’izany sy manapa-kevitra raha maniry ny hisaraka izy na tsia. Ireo vehivavy manambady izay mikasa hisara-panambadiana noho io antony araka ny Soratra Masina io dia mety haniry handinika koa ilay filazana nataon’Andriamanitra fony izy nitsara ilay vehivavy voalohany noho ny fahotany. Ho fanampin’ny fanamelohana ho faty, dia nilaza manokana tamin’i Eva toy izao Andriamanitra: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Ny Commentary on the Old Testament, nataon’i C. F. Keil sy i Delitzsch, dia nilazalaza ny amin’io ‘faniriana’ io ho “faniriana saiky mitovy amin’ny aretina”. Ekena fa tsy mahery be toy izany io faniriana io eo amin’ny vehivavy manambady rehetra, kanefa rehefa mihevitra ny hisara-panambadiana ny vehivavy manambady iray tsy diso, dia ho hendry izy raha manisy fiheverana ireo filana ara-pihetseham-po nolovany tamin’i Eva. Koa satria anefa ny fananan’ny vady diso firaisana tany ivelan’ny fanambadiana dia mety hahatonga ny vady tsy diso hahazo areti-mifindra avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, anisan’izany ny SIDA, dia nanapa-kevitra ny hisara-panambadiana ny sasany, araka ny fanazavan’i Jesosy.
Voafafy ny voan’ny fahasahiranam-pianakaviana
Ny fahotana nataon’ilay mpivady olombelona voalohany tamin’Andriamanitra no niavian’ny hamafin’ny fon’ny olona. (Romana 5:12). Voafafy ireo voan’ny fifandiran’ny mpianakavy rehefa nanota tamin’ny Rainy any an-danitra ny olon-droa voalohany. Ahoana no maha-marina izany? Rehefa nalain’ny menarana iray fanahy mba hihinana tamin’ilay hazo voarara i Eva, vehivavy voalohany, dia nandeha avy hatrany izy ka nihinana ilay voankazo. Efa avy nanao io fanapahan-kevitra lehibe io izy vao niresaka tamin’ny vadiny ny amin’izay nolazain’ilay menarana taminy. (Genesisy 3:6). Eny, nanao zavatra tsy nisy fiaraha-nidinika tamin’ny vadiny izy. Io no ilay modely voalohany momba ny zava-manahirana atrehin’ny fianakaviana maro amin’izao andro izao — tsy fisian’ny fifampiresahana amim-pahatsorana.
Tatỳ aoriana, rehefa niatrika ny vokatry ny fahotany i Adama sy i Eva, izy roa dia samy nampiasa ilay tetik’ady fanaon’ny mpivady maro amin’izao andro izao rehefa ao anatin’ny fahasahiranana, dia ny fanomezan-tsiny ny hafa. Samy nomen’i Adama, lehilahy voalohany, tsiny tamin’izay nataony na ny vadiny na i Jehovah, tamin’ny filazana hoe: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.” Ilay vehivavy kosa dia niteny hoe: “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” — Genesisy 3:12, 13.
Ny fanononan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Adama sy i Eva dia mbola nilaza mialoha antony hafa iray amin’ny fahasahiranana izay hitombo. Mikasika ny fifandraisany tamin’ny vadiny, dia niteny toy izao tamin’i Eva i Jehovah: “Izy no hanapaka anao [“hanjakazaka aminao”, NW ].” Lehilahy maro amin’izao andro izao, sahala amin’i Isao voalaza ao amin’ilay lahatsoratra voalohany, no manjakazaka amin’ny vadiny amin’ny fomba tsy misy antra, tsy misy fiheverana ny fihetseham-pom-behivavy ananan’izy ireo. Na dia izany aza, dia vehivavy maro no manohy manana faniriana mafy ny fiheveran’ny vadiny. Rehefa tsy mahazo fahafaham-po io faniriana mafy io, dia mety hitaky izany fiheverana izany ny vehivavy manambady ka hanao zavatra amim-pitiavan-tena. Koa satria lehilahy maro no manjakazaka amin’ny vadiny ary vehivavy maro no maniry mafy ny fiheveran’ny vadiny, dia manjaka ny fitiavan-tena, ary manjavona ny fiadanana. Tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Famakafakana ny Fisaraham-panambadiana Amin’izao Andro Izao”, dia niteny toy izao i Shunsuke Serizawa: “Raha odiantsika tsy hita ilay fironana fototra tafiditra amin’ity raharaha iadian-kevitra ity, dia ny ‘fanaovana izay tian’ny tena’, izany hoe fanaovana ho loha laharana ny tombontsoan’ny tena manokana, dia hanjary tsy ho azo atao tampoka ny hamakafaka ny fisaraham-panambadiana amin’izao andro izao.”
I Jehovah anefa dia nanome fitarihana ao amin’ny Teniny mba hahafahan’ireo mpivady mankato hahita fahasambaram-panambadiana amin’ny antonony na dia ao anatin’ny tsy fahatanterahan’izy ireo aza. Nanaraka ny torolalana nomen’Andriamanitra i Isao ary manana fiainam-pianakaviana sambatra izy izao. Aoka hojerentsika ny fomba anampian’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny olona mba hanamafy ny fatoram-panambadiana.
Resaho daholo ny zava-drehetra
Ao amin’ny fanambadiana maro, ny tsy fisian’ny fifampiresahana, ny fironana hanome tsiny ny hafa, ary ny fihetsika feno fitiavan-tena dia manasarotra ny fahatakaran’ny lehilahy sy ny vadiny ny fihetseham-pon’ny andaniny avy. “Koa satria tena ilaina eo amin’ny fiainana manokana ny fifamborahana fihetseham-po, dia takin’io fiainana manokana io ny fatokiana tanteraka. Amin’izao andro izao anefa, dia tsy misy firy ny fatokiana”, hoy ilay mpanao fikarohana atao hoe Caryl S. Avery. Ny fiavosan’ny fihetseham-po lalina indrindra nifamborahana dia manamafy izany fatokiana izany. Izany dia mitaky fifampiresahana amim-pahatsorana eo amin’ny mpivady.
Mampiasa fanoharana iray ny Ohabolana mba hampirisihana ny fifamborahana eritreritra lalina, amin’ny filazana hoe: “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina [“mahira-tsaina”, NW ] dia mahay manovo azy ihany”. (Ohabolana 20:5). Tsy maintsy mahira-tsaina sy manovo ireo eritreritra lalina indrindra ao am-pon’ny vadiny, ny tsirairay amin’ny mpivady. Aoka hatao hoe sorena mafy ny vadinao. Toy izay hamaly hoe: “Mba mafy koa anie ny nahazo ahy androany e”, nahoana raha manontany amin-katsaram-panahy hoe: “Mafy angaha ny nahazo anao androany? Inona no nitranga?” Mety hila fotoana sy fiezahana ny fihainoana ny vadinao, kanefa ny fandaniana fotoana amin’izany fomba izany dia mazàna mahafinaritra kokoa sy mahafa-po kokoa ary mitsitsy fotoana kokoa noho ny tsy firaharahana ny vadinao ka ho voatery handamina ireo fihetseham-po mahery izay mirongatra atỳ aoriana.
Mba hahazoana ny fatokian’ny hafa, dia tsy maintsy manao ny marina ny tsirairay, ary tsy maintsy miezaka mampiseho ny fihetseham-pony amin’ny fomba mety ho takatry ny ankilany. “Samia milaza ny marina”, hoy ny fampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra, “fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” (Efesiana 4:25). Mitaky fahiratan-tsaina ny filazana ny marina. Aoka hatao hoe mahatsiaro ny vehivavy iray manambady fa tsy henoina izy. Alohan’ny hitenenany, dia tokony hoheveriny ilay ohabolana hoe: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina [“mahira-tsaina”, NW ].” Toy izay hiampanga ny vadiny amin’ny hoe: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!”, dia ho tsara lavitra ny hilazany amim-pahatoniana ny fihetseham-pony alohan’ny hitomboan’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana tsikelikely ao anatiny. Angamba ho afaka hamboraka izay tsapany izy amin’ny fitenenana toy ny hoe: “Fantatro fa sahirana ianao, kanefa tena hahafaly ahy ny hanana fotoana misimisy kokoa hiarahana aminao.”
Marina tokoa fa “tsy mahomby ny drafitra raha tsy misy fiaraha-midinika mangina”. (Ohabolana 15:22, NW ). Tia anao ny vadinao, kanefa izany dia tsy midika hoe afaka mamaky ny ao an-tsainao izy. Tokony havelanao ho fantatry ny vadinao amim-pahaiza-mandanjalanja izay tsapanao. Hanampy anareo izany, amin’ny maha-mpivady kristiana anareo, mba hanao fanitsiana amim-pitiavana mba ‘hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’. — Efesiana 4:2, 3.
Raiso, ohatra, i Kazuo izay lehilahy nentin’ny vadiny tamin’ny sangany sady za-dratsy tamin’ny filokana. Nilentika tao anatin’ny trosa nahatratra dolara ana hetsiny maro izy. Noho izy nisambo-bola mba hanefana ny trosany, dia nilentika lalindalina kokoa tao anatin’ny honahonam-pahasahiranana izy. Tamin’izay izy dia nanomboka nianatra ny Baiboly ary farany dia nanana herim-po nilazana tamin’ny vadiny ny zava-nanahirana azy. Efa niomana hiatrika ny fanomezan-tsinin’io izy. Gaga anefa izy rehefa namaly tamim-pahatoniana toy izao ny vadiny izay efa nianatra ny Baiboly elaela kokoa: “Andao andramana tadiavina izay fomba ahafahantsika manefa ny trosa.”
Nanomboka ny ampitson’iny, dia nitsidika ireo tompo-trosa izy ireo ary nanomboka nandoa ny trosany, nivarotra ny tranony mihitsy aza. Efa ho herintaona vao afaka ireo trosa. Inona no nampiova an’i Kimie vadiny? Hoy ravehivavy: “Tsy azo lavina fa marina ireo teny hita ao amin’ny Filipiana toko faha-4, andininy faha-6 sy faha-7. ‘Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.’ ” Nanampy teny toy izao izy: “Nisy namako izay, gaga nahita ahy falifaly na dia teo aza ny zava-tsarotra, ka nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamiko.” Natao batisa i Kazuo sy ny vadiny tamin’izay, ary izao izy dia manana fiainam-pianakaviana sambatra.
Ho fanampin’ny fifampitokiana tamin’ny filazana ny marina, dia nanao zavatra ireo mpivady izay nahita ny fanandraman-javatra etsy ambony. Izany fanaovan-javatra izany dia manampy ireo mpivady handamina ireo zava-manahirana azy ara-panambadiana. Nifandray tamin’ilay Niavian’ny fandaharana momba ny fanambadiana izy ireo, dia i Jehovah Andriamanitra. Na dia eo aza ny fanerena sy ny zava-manahirana izay atrehin’ireo mpivady, dia hitahy azy ireo Izy amin’ilay fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra, raha toa izy ireo ka manao izay farany azony atao mba hampiharana ny fotopoto-pitsipiny ary mamela ny sisa ho eo am-pelatanany. Manampy indrindra ny fiaraha-mivavaka. Tokony hitarika ny lehilahy manambady ary ‘handoatra ny fony’ eo anatrehan’Andriamanitra, tokony hitady ny fitarihany sy ny torolalany eo amin’izay mety ho zava-manahirana atrehin’izy mivady izy. (Salamo 62:8). Tsy isalasalana fa handre ny vavaka toy izany i Jehovah Andriamanitra.
Eny, azo atao ny manamafy ny fatoram-panambadiana. Na dia amin’izao fotoana izao aza, ao anatin’ny tsy fahatanterahana sy ny fitambaran’olona misamboaravoara, ireo mpivady dia afaka mahita fifaliana lehibe eo amin’ny fifandraisany. Afaka mahita fanipazan-kevitra azo ampiharina sy torohevitra araka an’Andriamanitra fanampiny ianareo ao amin’ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. Ambonin’izany, ireo mpivady izay tena miezaka amim-pahatsorana hampihatra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia manana ilay fanantenana ny ho voafatotry ny fitiavana ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy tsy ho ela.