Mampanan-karena ny fitahian’i Jehovah
“Sarotra ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.” — MATIO 19:23.
1, 2. Ahoana no azo ampifanoherana karazan-karena roa?
HANAO ahoana ny ho fihetsikao raha nisy nanambara taminao hoe: “Tonga mpanan-karena ianao.” Olona be dia be no hientanin-kafaliana raha mandre izany, raha toa ny fanandratam-peo toy izany ka milaza fa manana vola be dia be izy ireo, fananana tany na zavatra mirenty. Aoka anefa hoheverintsika amin’ny fanazavan’ity fanambarana ity ny raharaha ny amin’ny harena: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany [ary tsy ampiany alahelo mihitsy izany, MN].” — Ohabolana 10:22.
2 Tamin’ny fotoana nitanany fifandraisana tamin’ireo patriarka taloha sy ireo Isiraelita, dia namaly soa ny tsy fivadihan’ireny olona ireny tamin’ny alalan’ny fanambinana Andriamanitra (Genesisy 13:2; Deoteronomia 28:11, 12; Joba 42:10-12). Solomona mpanjaka no anankiray tamin’ireo notahin’Andriamanitra toy izany: nanjary nanankarena aoka izany izy. Fantany noho ny fanandraman-javatra anefa fa ny fiainana mifantoka amin’ny harena ara-nofo dia “zava-poana sy misambo-drivotra”. (Mpitoriteny 2:4-11; I Mpanjaka 3:11-13; 9:14, 28; 10:10.) Noho izany, rehefa nanoratra izy hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”, dia tsy nampitodika ny sain’ny mpamaky azy ho amin’ny harena ara-nofo izy akory. Nilaza izao fahamarinana manaraka izao kosa izy: izay rehetra manana ny fitahian’Andriamanitra dia manana fiainana ampoky ny soa kokoa noho ny olona tsy manompo an’Andriamanitra. Ahoana izany?
3. Amin’ny lafiny inona avy moa ianao no tena manankarena raha manana ny fitahian’Andriamanitra?
3 Raha kristiana ianao dia afaka hanana ny fankasitrahan’i Jehovah sy handray soa avy aminy, anisan’izany ny tena fahendrena. Afaka ny ho anisan’ny kongregasiona iray ianao, azo lazaina hoe ho anisan’ny fianakaviana iray misy kristiana tena sambatra, mendrika itokisana sy mihevitra anao. Miaro anao amin’ny aretina maro sy ny loza maro ireo lalàn’Andriamanitra. Anananao koa ny antony tokony hanantenana fa harovan’Andriamanitra amin’ny “fahoriana lehibe” miandry izao fandehan-javatra ratsy izao, avy eo dia hahazo ny fiainana ao amin’ny Paradisa izay haorina indray rehefa avy eo ho mandrakizay eto an-tany. Rehefa mieritreritra ireny fitahiana sy ireny fahatsinjovan-javatra kanto ireny ianao, dia afaka manizingizina ara-drariny hoe: “Tena manankarena tokoa aho!” — Matio 24:21, 22.
4. Ahoana no mety hanaovanao izay hahatandindomin-doza ny harenao ara-panahy (Apokalypsy 3:17, 18)?
4 Kanefa, izany “harena” izany, ireo fitahiana omen’i Jehovah anao, dia mety horahonan’ny harena hafa — ny vola na ny fananana ara-nofo. Vitsy amintsika (na manana izy na tsia) no hanaiky an-tsitrapo hoe: ‘Tena tandindomin-doza aho fa voatariky ny fitiavam-bola.’ Aoka anefa hotadidiantsika izao fampitandremana izao: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (I Timoty 6:10). Tamin’ny fotoana nanoratana ireo teny ireo, ny kristiana rehetra nankasitrahan’Andriamanitra dia voahosotry ny fanahy, antoky ny fanantenana natolotra azy ireo, dia ny hanapaka any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Maro be no tsy isalasalana fa tafahaona manokana tamin’ireo apostoly sy olon-kafa niara-nandeha tamin’i Jesosy. Raha ‘nampivily’ ny sasany tamin’izy ireny ny vola, dia lehibe koa ny loza ho antsika! — II Korintiana 5:5; Romana 8:17, 23.
Ilay lehilahy nanankarena sy ny rameva
5. Inona moa no fiheveran’i Jesosy ny amin’ny harena?
5 Matetika i Jesosy no niresaka ny amin’ny loza ateraky ny harena, satria io loza io mandrahona ny olona rehetra, na manankarena na tsia (Matio 6:24-32; Lioka 6:24; 12:15-21). Mba hanaovana fandinihana manokana, dia aoka hodinihintsika izay nambaran’i Jesosy indray mandeha, araka ny voatantara ao amin’ny Matio 19:16-24, ao amin’ny Marka 10:17-30 sy ao amin’ny Lioka 18:18-30. Nahoana moa raha tsy maka fotoana avy hatrany hamakiana ny anankiray amin’ireo fitantarana ireo, na izy telo mihitsy aza?
6, 7. a) Inona moa no resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ny zazalahy iray? b) Inona moa no fanamarihana nataon’i Jesosy nanaraka izany?
6 Nanatona an’i Jesosy ny filoha tanora iray ka nanontany azy hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Nanintona ny sainy ho amin’ny Lalàna i Jesosy ka nampiseho taminy tamin’izany fa tsy nanadino ny nilaza izay notakina Jehovah. Namaly azy ilay niresahany fa nitandrina ny didin’Andriamanitra ‘hatry ny fony izy mbola kely’. Toy ny hoe nijoro teo an-tokonan’ny fiainana izy, kanefa nahatsapa fa nisy zavatra tsy ampy taminy. Angamba nieritreritra izy fa ny fanaovana asa soa amboniny sasany, ny fanaovan-javatra mampiseho herim-po dia ho dingana farany hahatonga ho afaka hiditra amin’ny vavahady mivoha ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nahafaoka hevitra maro ny valiny nomen’i Jesosy azy. Izao izany: “Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia, manaraha Ahy.” Inona no nataon’ilay zazalahy? “Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena [na nanana fananana betsaka] izy.” Nandao an’i Jesosy àry izy. — Lioka 18:18, 21-23; Marka 10:22.
7 Taorian’izany, dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 18:24, 25). Moa ve io fanamarihana io tsy nahakasika afa-tsy ilay lehilahy nanankarena vao avy niresahan’i Jesosy? Sa mahakasika anao izany, na manankarena ianao na mahantra? Izany no hojerentsika izao.
8. a) Amin’izao androntsika izao, karazan’olona manao ahoana no sahala amin’io filoha jiosy tanora io? b) Inona no tsinin’io zazalahy io, ary nahoana isika no tokony hanatsoaka fianarana avy amin’izany?
8 Angamba ho takatsika tsara kokoa ny toeran’io filoha tanora io amin’ny fakana sary an-tsaina olona iray ho ao anatin’ny toe-piainana sahala amin’izany amin’izao androntsika izao: Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny tanora kristiana iray manana fahalalana tsara ny Baiboly, manana fari-pitondrantena ambony sy avy amin’ny fianakaviana manana. Mety hitsiriritra olona toy izany ianao amin’izao fotoana izao. Hitan’i Jesosy anefa fa nanana fahadisoana lehibe ilay zazalahy jiosy: nanome toerana lehibe loatra ho an’ny hareny na ny fananany izy teo amin’ny fiainany. Manazava izany ny torohevitra nomen’i Jesosy azy. Tsy isalasalana fa takatrao izao hoe nahoana io fitantarana araka ny Baiboly io no mahakasika antsika rehetra, na manankarena isika na mahantra. Ny vola sy ny fananana ara-nofo dia mety ho zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainantsika na iza isika na iza, na efa manana izany na maniry hahazo izany fotsiny.
9. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny fananana ara-nofo araka ny maha-izany azy akory no nomelohin’i Jesosy?
9 Tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy afaka nanompo an’Andriamanitra ny olona iray nanana harena ara-nofo. Be dia be no nanao toy izany. Somary efa nanao izany ilay zazalahy jiosy. Izany koa no hita tamin’i Zakaiosy, mpamory hetra, izay “nanan-karena”. (Lioka 19:2-10.) Tamin’ny taonjato I, ny kristiana voahosotra sasany dia nanankarena ka noho izany dia tsy maintsy nanao fiezahana manokana: dia ny “hazoto manome sy miantra”. (I Timoty 6:17, 18; Jakoba 1:9, 10.) Amin’izao androntsika izao koa dia manankarena ny kristiana sasany. Matetika tokoa izy ireny no manome amim-pahalalahan-tanana mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana, manolotra ny tokantranony mba hanaovana fivoriana ary mampiasa ny fiarakodiany amin’ny fanompoana. Nahoana àry i Jesosy no niresaka toy ny nataony ny amin’ny lehilahy manankarena sy ny rameva? Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’izany?
10. Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fanamarihana nataon’i Jesosy tamin’io fotoana io?
10 Araka ny azo antoka fa tsapanao, dia zavatra hafa ny manomboka manompo an’Andriamanitra ary zavatra hafa ny miseho ho mahatoky hatramin’ny farany (Matio 24:13; Filipiana 3:12-14). Izany angamba no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nanambara izy hoe: “Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 10:25). Tsy ho afaka hiditra na oviana na oviana amin’ny lavaka kelin’ny fanjaitra iray ny rameva. Rehefa nilaza izany àry i Jesosy dia miharihary fa nampiasa fanitarana, fampitomboana izay tsy tokony horaisina amin’ny heviny ara-bakiteny. Ny teniny dia nampiseho fa sarotra tamin’ny lehilahy nanankarena iray ny nanatratra zava-kendrena sasany. Inona izany? Tsy ny fanombohana manompo an’Andriamanitra ihany, fa ny ‘fidirana ao amin’ilay fanjakana’, ny tena fahazoana tokoa ny fiainana mandrakizay. Na manao ahoana na manao ahoana toeranao amin’ny ara-bola, ny fanamarihana nataon’i Jesosy dia mety hanampy anao hanana fiheverana tsara, hanao fandrosoana ara-panahy sy hahazo ny fiainana mandrakizay.
Nahoana no sarotra toy izany ho an’ny manankarena?
11. Ahoana no nandraisan’ny mahantra sy ny manankarena ny fitorian’i Jesosy?
11 Noho ny fitorian’i Jesosy sy ny an’ireo apostoly, dia ‘nambara tamin’ny mahantra ny vaovao tsara’. (Matio 11:5, MN.) Tsy nailika akory ny manankarena, kanefa toa maro kokoa ny mahantra nahatsapa fa nila ny zavatra ara-panahy sy nandray tsara ny hafatra fanantenana (Matio 5:3, 6; 9:35, 36). Ireo Jiosy nanankarena dia niseho ho afapo kokoa tamin’ny toe-piainana nisy azy ireo (jereo Lioka 6:20, 24, 25). Naningana anefa ny sasany tamin’izany fotoana izany, ary toy izany koa amin’izao andro izao. Misy olona manam-pananana manaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly sy manompo an’Andriamanitra. Mety hahafinaritra tokoa ny fiafaran-javatra ho azy ireny. Toy izany ny amin’i Paoly, izay tsy namela ny toerany ara-tsosialy hanakantsakana azy (Filipiana 3:4-8). Na dia izany aza, dia nanambara i Jesosy fa ho sarotra kokoa ho an’ny manankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Ny fitaky ny harena”
12, 13. a) Araka ny fanazavana nataon’i Jesosy, inona no mety ho vokatry ny fanahiana eo amin’ny olona? b) Nahoana moa ny olona manankarena no tsy maintsy mandresy vato misakana fanampiny?
12 Tao amin’ny fanoharany ny amin’ny voa nafafy teo amin’ny tany isan-karazany, dia nilaza i Jesosy fa ny sasany dia “voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy”. Nanome izao fanazavana izao izy: “Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.” (Matio 13:7, 22). Ny olona rehetra na saika ny olona rehetra dia somary mahatsapa “fiahiahiana izao fiainana izao”. Tsy mora ny mahatakatra fa izany no hita amin’ny olona iray tsy manana, tsy mahita asa na manan-kilema. Marina fa izay mahita filaminana eo amin’ny lafiny ara-bola dia tsy isalasalana fa tsy sahiran-tsaina noho izany zavatra izany koa, kanefa mety ho be fanahiana izy noho ny vokatry ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ny fitomboan’ny hetra, na ny mety hisian’ny mpangalatra. Araka izany, na manankarena na mahantra dia samy mety ho azon’ny fanahiana. — Matio 6:19-21.
13 Nasehon’i Jesosy fa ny sasany koa dia ho voasakantsakan’ny “fitaky ny harena”. Marina tokoa fa misy olona simban’ny faniriana ny hahomby eo amin’ny lafiny ara-bola. Indray andro, Aristote Onassis, mpiantoka fanaovan-tsambo manankarena aoka izany, dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao: “Eo amin’ny ambaratonga sasany, dia tsy zava-dehibe intsony ny vola. Ny zava-dehibe, dia ny fahombiazana. Ho fahendrena ny hijanonako izao. Tsy afaka manao izany anefa aho. Tiako foana ny hikendry ambonimbony kokoa, noho ny fahatsapan-javatra entin’izany fotsiny.” Toy izany koa, ny kristiana iray dia mety hahita fa mahavariana ny miady mba hiakarana amin’ny ambaratonga ara-tsosialy. Mety ho voan’ny fakam-panahy koa izy hanitatra ny raharahany kanefa hatramin’ny ela izy no efa nahatratra izay ho noheveriny fa “ampy”, taona vitsivitsy talohan’izay. Tsy mampihena ny asany (na mitsahatra tsy miasa) izy mba hahatongavana ho mpitory manontolo andro, fa ‘mandrodana ireo magazainy [na ireo tranony] ka manorina lehibe kokoa amin’izany’. (Jereo Lioka 12:15-21.) Mety hitranga aminao ve izany? Araka ny hevitrao, mihevitra ny olona toy izany ho manompo azy amin’ny fony rehetra ve Andriamanitra? — Matio 22:37.
14. Amin’ny fomba ahoana moa no mety hisakanan’ny harena ny kristiana iray tsy handova ny fiainana mandrakizay (Ohabolana 28:20)?
14 Ny harena (na ny faniriana mihoapampana ny hahazo izany) dia mety hisakana ny kristiana iray tsy ‘handova ny fiainana mandrakizay’ amin’ny fomba hafa koa. Ohatra, ny fitiavan-karena dia mety hanosika azy hampiasa ireo fanao mampiavaka izao tontolo izao, toy ny tsy fanambarana ny vola miditra amin’ny tena rehetra, na fanao tsy marina hafa kanefa fahita. Na koa, raha mampiasa kristiana hafa izay manao ny marina sy miasa mafy izy, dia mety hametraka ny tombontsoany manokana alohan’ny fiainana ara-panahin’izy ireny. Ohatra, mba hifikiran’izy ireny amin’ny asany, dia mety hamporisika azy ireny izy hanaraka fomba fiaina ambony kokoa (na hitrosa aza mba hahazoana rendrarendra). Ary satria izy lehiben’ireo, ny fifandraisan’ny mpampiasa sy mpiasa tanany amin’ny tsirairay avy amin’izy ireny dia mety hirona hihoatra hatrany anatin’ny faritry ny kongregasiona.
15. Tamin’ny taonjato I, inona no toa vokatra nanimba nentin’ny harena ho an’ny kristiana sasany (Salamo 73:3-8, 12, 27, 28)?
15 Tamin’ny taonjato I, ny kristiana nanankarena sasany angamba dia anisan’ny voan’ny “fitaky ny harena”. Jakoba dia niresaka ny amin’ny ‘fahoriana nanjo ny manan-karena’. Nanana fitafiana lafo vidy izy ireny, nanangona volamena sy volafotsy izy tamin’ny fitanana ny tapany tamin’ny karaman’ireo mpiasany ary nanatavy tena tao anatin’ny rendrarendra (Jakoba 5:1-5). Toy izany koa amin’izao andro izao. Matetika ny olona manankarena iray dia manana fahafahana hahazo sakafo sy fisotro namboamboarina, ka izany dia mety hanimba ny fahasalamany. Mety handeha foana koa izy, ka izany dia manalavitra azy amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Tsy milaza akory izany hoe ratsy aminy fotsiny ny fitafiana tsara tarehy, ny firavaka, ny sakafo sy ny fandehanana. Kanefa tsy manamora zavatra izany ho an’ny “manan-karena” noresahin’i Jakoba; noho ny fahosan’izy ireny ara-panahy sy ny toerany tsy manjary eo anatrehan’Andriamanitra, dia rariny tokoa izy ireo raha ‘hitomany sy hidradradradra noho ny fahoriana manjo azy’.
16. Nahoana moa i Jesosy no nandefa fampitandremana nazava tokoa ny amin’ny harena, ary inona avy no fanontaniana tokony hapetraky ny tsirairay avy amin’ny tenany?
16 Fantatr’i Jesosy tsara ny fahoriana matetika tsapan’ny olona manankarena sy ireo vato misakana manimba ny fiainany ara-panahy. Fantany koa fa ny fananana ara-nofo dia mety ho harafesenina ara-bakiteny na tsy hisy vidiny intsony, ka izany dia tsy mitranga na oviana na oviana amin’ireo harena kristiana (Ohabolana 11:28; Marka 10:29, 30). Tena nanampy antsika rehetra tokoa àry izy rehefa nandefa izao fampitandremana izao: “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” (Lioka 18:24). Afaka mandray soa amin’izany fampitandremana izany isika na dia voafetra tokoa aza ny fananantsika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny famonoana ao amintsika izay rehetra mety ho faniriana hanjary hanankarena. Nino mafy ny kristiana fa nilaza ny marina i Jesosy. Inoantsika izay nambaran’i Jesosy ny amin’ny Rainy, ny amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny sy ny ilàna hamboly fitiavana, ka ampifanarahintsika amin’izany ny fiainantsika. Nilaza ny marina koa i Jesosy rehefa nanambara hoe: “Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 19:24). Mino izany tokoa ve ianao? Moa ve ny asanao, ny fomba fiainanao sy ny fomba fanaovanao zavatra manaporofo fa tena izany tokoa no izy?
Aoka isika hanankarena hatrany — araka ny fiheveran’Andriamanitra
17. Ahoana no nataon’ny kristiana maro mba hanaovan’i Jehovah izay hampanan-karena azy?
17 Misy fitantarana avy any amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao mampiseho fa ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra dia mandray am-po ireo fotopoto-pitsipika sahala amin’izay voambara ao amin’ny Matio 19:16-24. Tanora kristiana maro be no manapa-kevitra ny hilatsaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro rehefa nahavita ny fianarana tsy maintsy nataony. Misy vehivavy mety hanana asa tsy ara-pivavahana mba hampitomboana ny vola miditra amin’ny fianakaviany, tia kokoa ny manokana fotoana misimisy kokoa amin’ny asa kristiana, ka izany dia mampanan-karena azy ireo, dia izy sy ny mpiara-belona aminy, eo amin’ny lafiny ara-panahy. Misy aza olona izay, araka ny Baiboly, dia manana andraikitra hanome izay ilain’ny ankohonany amin’ny ara-nofo, mahita fomba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana.
18, 19. Inona avy moa no dingana nataon’ny Vavolombelona izay nitady ny fitahian’i Jehovah?
18 Ny loholona iray tokony ho 35 taona dia niaiky toy izao: “Tsy nahatsiaro tena ho voakasika tamin’ny fanompoana manontolo andro mihitsy aho.” Nahazo teo amin’ny 1 750 000 ariary mahery isan-taona izy, tsy isaina intsony ny fandoavana ny fandaniany isan-karazany, ary afaka nampiasa fiarakodian’ny fiasana izy. Tamin’ny 1983, dia nangatahina izy mba hanao tao amin’ny fivoriamben’ny distrika ny lahateny mitondra ny lohateny hoe “Aoka isika hametra zava-kendrena tsara sy hanatratra izany”. Niaiky toy izao izy: “Rehefa namaky tamim-pahadodonana ny zavatra tokony hovelabelariko aho, dia nahatsiaro ho tena sanganehana sy menatra. Nampijaly ahy ny fieritreretako.” Talohan’ny fivoriambe dia niara-nidinika tamin’ny vadiny ny amin’ny toeran’izy ireo izy. Tsy ela taorian’izany dia nandray asa tapak’andro izy ary nanaraka ny vadiny tamin’ny laharan’ny mpitory maharitra. Mbola mpitory maharitra foana izy mivady izao ary mandray soa ara-panahy be dia be.
19 Nisy hafa koa nandao faritra nandroso mba hankanesana tany amin’ny toerana nahafahany nanitatra ny asany teokratika. Nanoratra toy izao ny mpivady Kanadiana iray momba ny asany amin’ny maha-mpitory maharitra any Amerika latina: “Na dia mahantra aza eto ny ankamaroan’ny rahalahy, izy ireo dia hetsehin’ny zotom-po miavaka ho an’ny fahamarinana. Tsy manana angamba izy ireny raha araka ny fiheveran’izao tontolo izao, kanefa mpanapitrisa izy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Miisa ho 38 ny mpitory ao amin’ny kongregasionanay ka mpitory maharitra mandavantaona ny 10. Voatery manao indroa ny tsirairay avy amin’ireo fivoriana izahay satria be dia be aoka izany ny mpanatrika — 110 ka hatramin’ny 140 amin’ny ara-keviny. Tsy maintsy mitarika izany fivoriana rehetra izany ireo loholona roa sy ireo mpikarakara momba ny asa telo. Hitanay indray noho ireo rahalahinay manetry tena eto amin’ity tany ity ny tena dikan’ny hoe mametraka an’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanay. Asehony anay fa afaka manompo an’i Jehovah amin’ny fanahinay rehetra izahay na manao ahoana na manao ahoana toeranay.”
20. Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika raha ny amin’ny olona manankarena?
20 Ireny kristiana ireny dia tsy manana antony azo ekena mihitsy mba hitsiriritana ireo manankarena, na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona, na hanatratra zava-kendrena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Fantany fa ilaina ny vola mba hananana fiainana ara-dalàna (Mpitoriteny 5:3; 7:12). Takany koa anefa fa nilaza ny marina i Jesosy: tojo vato misakana maro be ny manankarena, tsy maintsy misetra zava-tsarotra maro karazana ary tandindomin-doza maro eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mila fiezahana mafy tokoa “ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra”. — I Timoty 6:17.
21. Inona moa no miandry an’ireo izay mikatsaka harena ara-panahy?
21 Mampalahelo anefa fa tsy afaka nandresy izany zava-tsarotra izany ilay filoha tanora nifanakalo hevitra tamin’i Jesosy. Nisy olon-kafa sahala aminy nanompo an’Andriamanitra kelikely, kanefa rehefa avy eo dia nijaly noho ny harenany ary lavo teo amin’ny lafiny ara-panahy. Misy kosa anefa kristiana mahatoky an-tapitrisany maro manohy mampiseho ny fahamarinan’ity fanambarana ao amin’ny Baiboly ity: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany [tsy ampiany alahelo mihitsy izany, MN]”. (Ohabolana 10:22). Misy heviny ny fiainan’izy ireo; manatratra zava-kendrena sarobidy izy ary mahita fahafahampo noho ny adidy vita. Haharitra mandrakizay ny asa tsara ataon’izy ireo, ka hitondra ho azy fifaliana tsy hay lazaina dieny izao sy ho mandrakizay. Enga anie isika rehetra mba hiezaka hanan-karena amin’izany fomba izany! — Filipiana 4:1; I Tesaloniana 2:19, 20.
Fanontaniana lehibe
◻ Karazan-karena inona moa no resahina ao amin’ny Ohabolana 10:22?
◻ Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’ny fanazavana nomen’i Jesosy momba ilay lehilahy nanankarena sy ny rameva?
◻ Nahoana moa matetika no sarotra kokoa ny fiainana ho an’ny olona manankarena?
◻ Ahoana no azontsika iezahana mba hanankarena araka ny fiheveran’Andriamanitra?
[Efajoro, pejy 10]
Harena sy fianakaviana
REHEFA fakafakaina ny mety ho vokatry ny harena, dia tsy tokony havela ireo izay mahakasika ny fianakaviana. Hevero izao toe-javatra manaraka izao:
Ny tatitra nataon’ny mpitsabo aretin-tsaina kanadiana izay nandinika ny fihetsiky ny zanak’olona manankarembe dia nanambara izao: “Manorisory azy ireny ny fiainana. Tsy misy zava-kendreny afa-tsy ny fahafinaretana. Tsy afaka mizaka ny fatiantoka na dia kely akory aza izy. Kely ny karazam-pihetseham-po tsapany. Ny andaniany indrindra ny fotoanany dia ny fividianan-javatra, ny fandehanana sy ny fitadiavana loharanom-pahataitairana mafy vaovao.”
Nanome izao fanazavana izao ny New York Times momba ny mpanapitrisa taloha iray: “Arakaraka ny nahombiazany tamin’ny raharaha sy nampitomboany ny harenany, dia hitany fa niova ny fianakaviany, hoy ny nambarany. ‘Ny vadiko sy ireo zanako vavy dia nitsara ny olona arakaraka ny harenany, ary raha nanome trano 300 000$ [eo amin’ny 20 000 000 ariary] ho an’ny anankiray tamin’ireo zanako vavy aho, dia tsy maintsy nanome lela vola mitovy amin’io ho an’ny anankiray koa.’ ” Taorian’ny nahavoan’ny fihetsehan’ny aretim-po tampoka azy sy “nahatsapany ny vokatry ny harena teo amin’ny vady aman-janany”, dia niova fomba fiaina izy.
Momba ny tany manankarena mpamokatra solitany iray any Atsinanana Afovoany, dia nanao izao fanamarihana izao i Arnold Hottinger: ‘Ireo mpitsabo vahiny maro tonga eto mba hahazoana vola be dia zatra koa ny mihevitra ny harena araka ny fiheverana ara-pamantarana aretina. Milaza izy ireny fa tsy fahita matetika toy ny eto mihitsy ny aretin-tena vokatry ny fikorontanan-tsaina — tena miteraka fanaintainana tokoa ireny aretina ireny, kanefa tsy avy amin’ny aretina ara-batana mety ho hita. Manantitrantitra ireny mpitsabo ireny fa mahita tanora mampiseho ny famantarana fahanterana rehetra sy olona be taona manao zavatra tahaka ny ankizy.’