Fanontanian’ny mpamaky
■ Araka ny filazan’ny mpandinika Baiboly sasany, dia ny teny hoe “tady” no tokony hasolo ny teny hoe “rameva” ao amin’ny Matio 19:24, izay amakiana toy izao: “Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Inona no teny marina?
Ny mpandinika Baiboly sasany dia mihevitra amin’ny fomba diso fa tamin’ny voalohany ireo tenin’i Jesosy ireo dia nosoratana tamin’ny teny arameana. Ny teny ampiasaina ao amin’io fiteny io (gamla) anefa dia azo adika hoe “rameva”. Arakaraka ny teny manodidina anefa, dia azo atao koa ny mandika azy amin’ny hoe “tady lehibe na hazo lehibe”. Nefa raha inoana ny tenin’i Papias avy any Hiérapolis, izay angamba niara-belona tamin’ny apostoly Jaona, dia nanoratra ny filazantsarany tamin’ny teny hebreo i Matio, fa tsy tamin’ny teny arameana, avy eo dia nandika izany tamin’ny teny grika. Raha izany no izy, noho ny teny hebreo nadika hoe rameva (gamal) hafa tanteraka noho ny teny nadika hoe tady na kofehy (hèvèl, ‘avoth), dia azo antoka fa ho nampiasa ny teny grika mety i Matio.
Ireo soratra grika tranainy indrindra sy azo itokiana indrindra (Ny Sinaïticus sy ny Vaticanus 1209) dia ahitana ny teny hoe kamêlos, izay ny dikany dia hoe rameva. Io teny io koa no ampiasaina ao amin’ny Matio 23:24, izay ananana antony tokony hiheverana fa tena ny amin’ny “rameva” tokoa no resahina.
Rehefa nandeha ny taonjato maro, ny sasany dia nanandrana nampihena ny fanitarana namelively nataon’i Jesosy. Nisy aza sahisahy loatra nanova ny soratra masina. Nisy soratanana grika tatỳ aorian’ny taonjato faha-5 teo ho eo nahitana teny iray manakaikikaiky, kamilos. Ny dikan’io teny tsy fahita firy io dia hoe “tady, mahazakan-tsambo”. Araka ny Rakibolana nohafohezina grika-anglisy amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataon’i Arndt sy Gingrich, dia “tsy misy toerana ho an’io teny io mihitsy ao amin’ny TV [Testamenta Vaovao]”. Westcott sy Hort mpahay teny grika dia nihevitra an’i Cyrille avy any Aleksandria ho tompon’andraikitra tamin’izany fanoloana izany. Nanantitrantitra io nilaza tena fa kristiana tamin’ny taonjato faha-5 io fa ny teny ampiasain’i Matio (kamêlos) dia nety ho nanondro mahazaka. Izao no nambarany: “Ireo mpitondra sambo za-draharaha dia zatra ny niantso hoe ‘rameva’ ny mahazaka lehibe. Izao anefa no lazain’i Westcott sy Hort ny amin’io filazana io: “Diso tanteraka izany.”
Araka ny boky misy fanamarihana iray, ny fampahatsiahivana ny amin’ny rameva goavana manandrana miditra ao amin’ny lavaky ny fanjaitra kely iray “dia taratry ny fanitarana fanaon’ny tatsinanana”. Izao koa no azo vakina ao amin’ny Talmoda babyloniana ny amin’ny olona nalaza ho nahira-tsaina aoka izany ka toa nahomby tamin’ny zavatra tsy nety ho vita: “Ampidiriny ao amin’ny lavaky ny fanjaitra iray ny elefanta.” Nampiasa sary mampiavaka ny tatsinanana àry i Jesosy mba hanasoritana zavatra tsy azo atao amin’ny alalan’ny fifanoheran-javatra manaitra. Raha ny marina, dia tsy ho azo atao ny hampiditra zavatra makadiry na inona na inona amin’ny lava-panjaitra — na tady izany, na rameva na elefanta.
Tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy afaka hahazo ny fiainana ny mpanankarena; nisy olona nanankarena vitsivitsy tokoa tonga mpianany (Matio 27:57; Lioka 19:2, 9; Jaona 19:38, 39). Talohan’ny nanononany ireo ‘teny mafy’ ireo indrindra anefa, ny zazalahy nanankarena iray dia nanilika tombontsoa ara-panahy lehibe satria tia kokoa ‘ny fananany be’. (Matio 19:16-22.) Ny olona manankarena rehetra mampiseho toe-tsaina toy izany dia tsy ho afaka handova ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fandraisana soa avy amin’ny fanampiana manokana omen’Andriamanitra ihany no hahafahany hiova sy hahazo ny famonjena izay ny herin’Andriamanitra ihany no mety hahavita izany. — Matio 19:25, 26.