Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
“MARO izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.” Raha vao avy nanonona ireo teny ireo i Jesosy dia nilaza tantara iray mba hanazavana ny teniny. “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.”
Nanohy ny teniny toy izao izy: “Ary rehefa nifanekeny [ilay lehilahy tompon-trano] tamin’ny mpiasa fa ho denaria isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony ireny. Ary nivoaka tamin’ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena, ka hoy izy taminy: Mandehana koa hianareo hankany amin’ny tanimboaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny. Ary nivoaka tamin’ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro? Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa hianareo mankany amin’ny tanimboaloboka.”
Ilay lehilahy tompon-trano, izany hoe ny tompon’ny tanimboaloboka, dia Jehovah Andriamanitra, ary ny tanimboaloboka dia ny firenen’Isiraely. Ireo mpiasa nirahina ho any an-tanimboaloboka dia olona tafiditra tao amin’ny faneken’ny Lalàna; Jiosy niara-belona tamin’ny apostoly indrindra izany. Tamin’ireo mpiasa noraisina hiasa manontolo andro ihany no nanaovana fifanekena eo amin’ny karama, denaria iray ny andro iray. Koa satria ny “ora fahatelo” mifanandrify amin’ny 9 ora maraina, ireo voantso tamin’ny ora fahatelo, fahenina, fahasivy ary fahiraika ambin’ny folo dia tsy miasa afa-tsy adiny 9, adiny 6, adiny 3, adiny iray.
Ireo mpiasa izay niasa nandritra ny 12 ora, izany hoe andro iray feno, dia mampiseho ireo filoha jiosy izay nanan-katao foana teo amin’ny fanompoana ara-pivavahana. Tsy nitovy tamin’ny mpianatr’i Jesosy izay, nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fiainany, dia sahirana tamin’ny fanjonoana sy ny asa tsy ara-pivavahana hafa, izy ireny. Tsy talohan’ny fararanon’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana no naniraka an’i Jesosy mba hanangona sy hanao azy ho mpianatra ilay “tompon-trano”. Tamin’izany no nahatongavan’izy ireo ho “farany”, ho ny mpiasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo.
Farany, dia nifarana tamin’ny nahafatesan’i Jesosy ny andro iray ara-panoharana niasana, ary tonga ny fotoana hanomezana ny karaman’ny mpiasa. Mifanohitra amin’ny fitsipika mahazatra fa ny farany no nomena karama aloha. Toy izao izany: “Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany; atombohy amin’ireo taoriana ka vao hatramin’ireo voalohany. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy. Fa rehefa tonga ireo voalohany dia nanantena hahazo mihaotra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony. Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka nanao hoe: Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro. Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray amin’ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?” Ary ho famaranan-teny dia nanamafy izay nambarany teo aloha izy: “Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”
Noraisina ny denaria, tsy tamin’ny fahafatesan’i Jesosy, fa tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nandrotsaka ny Fanahy Masina tamin’ny mpianany i Kristy, ilay “mpitandrina ny raharaha”. Ireny mpianatr’i Jesosy ireny dia nitovy tamin’ireo “farany”, dia ireo mpiasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo.
Raha ny amin’ny denaria, izany dia tsy mampiseho ny fanomezan’ny fanahy masina ihany, fa zavatra izay hampiasain’ny mpianatra eto an-tany, zavatra izay hidika ho fahafahany ho velona, ny fiainany mandrakizay. Izany dia ny tombontsoa ho tonga Isiraelita ara-panahy, voahosotra mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tsy ela dia nahamarika ireo izay noraisina hiasa voalohany fa nandray ny karamany ireo mpianatr’i Jesosy, ary hitany fa nampiasa ny denaria ara-panoharana izy ireo. Nefa naniry mihoatra noho ny fanahy masina sy ny tombontsoa avy amin’izany izy, tombontsoa mifandray amin’ilay Fanjakana. Ny fimonomononany sy ny fanoherany dia naka endrika fanenjehana ireo mpianatr’i Kristy, ireo mpiasa “farany” nirahina ho any an-tanimboaloboka.
Tsy nahita afa-tsy io fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany io ve ny fanoharan’i Jesosy? Tsia, amin’izao taonjato faha-20 izao, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, noho ny toerany sy ny andraikiny, dia ny “voalohany” noraisina hiasa tao amin’ny tanimboalobok’Andriamanitra ara-panoharana. Nihevitra ireo mpitory be zotom-po izay niara-niasa tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society ho ny “farany” vao nahazo asa fanirahana azo ekena eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. Nefa, raha ny marina, ireo izay nankahalain’ny klerjy indrindra no nahazo ny denaria: ny voninahitra hanao ny asan’ny ambasadaoro voahosotr’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Matio 19:30 ka hatramin’ny 20:16.
◆ Inona no asehon’ny tanimboaloboka? Mampiseho an’iza moa ny tompon’ny tanimboaloboka, ny mpiasa izay niasa nandritra ny 12 ora ary ireo niasa nandritra ny adiny iray?
◆ Oviana no nifarana ny andro ara-panoharana, ary oviana no natolotra ny karama?
◆ Inona no asehon’ny fandoavana ny denaria?