Mahità Fahombiazana Amin’ny Fanalavirana ny Fandriky ny Faniriana Mihoa-pampana
“Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika”. — 1 TIMOTY 6:9.
1. Nahoana isika no tokony hanahy ny amin’ireo fandrika?
NY TENY hoe “fandrika” dia mety hahatonga hieritreritra mpihaza iray mametraka fitaovana voafonofono mba hahatratrarana haza iray tsy manampo na inona na inona. Hazavain’Andriamanitra anefa fa ho antsika, ireo fandrika mampidi-doza indrindra dia tsy fitaovana ara-bakiteny toy izany, fa izay mety hamandrika antsika ara-panahy na ara-pitondran-tena. Manam-pahaizana manokana amin’ny fametrahana fandrika toy izany ny Devoly. — 2 Korintiana 2:11; 2 Timoty 2:24-26.
2. a) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hanalavitra fandrika mampidi-doza? b) Fandrika karazany manokana inona izao no ifantohana?
2 Manampy antsika i Jehovah mba hamantatra ny sasany amin’ireo fandrik’i Satana maro be sy isan-karazany. Mampitandrina antsika, ohatra, Andriamanitra fa mety ho tonga fandrika ny molotsika na ny vavantsika raha toa miteny tsy amim-pahendrena na tsy amim-piheverana isika, na miteny izay tsy tokony hotenenintsika. (Ohabolana 18:7; 20:25). Ny fireharehana dia mety ho tonga fandrika toy ny fiarahana amin’ny olona mora tezitra. (Ohabolana 22:24, 25; 29:25). Aoka anefa isika hitodika any amin’ny fandrika hafa iray: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana”. (1 Timoty 6:9). Izay fonosin’izany fandrika izany na ny fototr’izany dia azo fintinina amin’ny teny hoe “faniriana mihoa-pampana”. Na dia miseho amin’ny fahatapahan-kevitra ho tonga mpanankarena aza matetika ny faniriana mihoa-pampana, dia tena fandrika manana endriny maro tokoa izy io.
Mampitandrina antsika amin’ny loza i Jehovah
3, 4. Mirakitra fianarana inona ho antsika mikasika ny faniriana mihoa-pampana ny tantaran’olombelona fahiny?
3 Amin’ny fotony, ny faniriana mihoa-pampana dia faniriana be loatra na tafahoatra ta hanan-javatra bebe kokoa: na vola izany, na fananana, na fahefana, na ny amin’ny lahy sy ny vavy, na zavatra hafa. Tsy isika no voalohany notandindomin-doza tamin’ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana. Taloha ela be, tany amin’ny zaridainan’i Edena, dia namandrika an’i Eva, ary avy eo dia i Adama, ny faniriana mihoa-pampana. Ny vadin’i Eva, izay ampy fanandraman-javatra kokoa teo amin’ny fiainana noho ny tenany, dia nahazo toromarika avy tamin’i Jehovah manokana. Nanome fonenana paradisa iray ho azy ireo Andriamanitra. Afaka nankafy sakafo tsara sy isan-karazany tondraka izay nambolena teo amin’ny tany tsy voaloto, izy ireo. Afaka nanantena ny hanan-janaka lavorary izay ho afaka niara-niaina sy niara-nanompo an’Andriamanitra tsy nisy farany taminy izy ireo. (Genesisy 1:27-31; 2:15). Moa ve izany tsy toa ampy mba hahafa-po ny olombelona na iza izany na iza?
4 Ny fananan’ny olona iray ny ampy anefa, dia tsy misakana ny faniriana mihoa-pampana tsy ho tonga fandrika. I Eva dia voafandriky ny fanantenana ho tonga sahala amin’Andriamanitra, hanana fahaleovan-tena bebe kokoa ary hametra ny fari-pitsipiny manokana. Toa naniry fisakaizan’ny mpinamana nitohy tamin’ilay vadiny tsara tarehy i Adama, na toy inona na toy inona vidiny. Koa satria voafitaky ny faniriana mihoa-pampana na dia ireo olombelona lavorary ireo aza, dia afaka mahatakatra tsara ianao ny antony mety haha-loza ny faniriana mihoa-pampana ho antsika.
5. Zava-dehibe toy inona ho antsika moa ny fanalavirana ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana?
5 Tsy maintsy mitandrin-tena isika mba tsy ho voafandriky ny faniriana mihoa-pampana satria mampitandrina antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo; fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina [“olona manana faniriana mihoa-pampana”, NW ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Milaza amintsika koa i Paoly hoe: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana [“faniriana mihoa-pampana”, NW ], dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza”. (Efesiana 5:3). Koa ny faniriana mihoa-pampana àry dia tsy tokony hatao ho foto-dresaka akory mba hanomezana fahafaham-po ny nofontsika tsy tanteraka.
6, 7. a) Ohatra inona avy ao amin’ny Baiboly no manoritra ny halehiben’ny hery mety hananan’ny faniriana mihoa-pampana? b) Nahoana ireo ohatra ireo no tokony ho fampitandremana ho antsika?
6 I Jehovah koa dia nitana an-tsoratra ohatra maro mba hampitandremana antsika ny amin’ny loza entin’ny faniriana mihoa-pampana. Tsarovy ny faniriana mihoa-pampana nananan’i Akana. Nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy ravana i Jeriko, fa ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny varahina sy ny vy dia ho an’ny rakitr’i Jehovah. Nety ho nanam-pikasana ny hanaraka izany toromarika izany ihany i Akana tamin’ny voalohany, saingy namandrika azy ny faniriana mihoa-pampana. Raha vao tonga tao Jeriko izy, dia toy ireny hoe olona nandeha niantsena ireny, nahita zavatra mora be tsy nampino, anisan’izany ny fitafiana tsara tarehy iray izay toa tena antonona azy mihitsy. Rehefa naka volamena sy volafotsy nitentina dolara an’arivony maro izy, dia nety ho nieritreritra hoe: ‘Harem-be re izany! Nahita aho fa tsy nangalatra.’ Tena halatra tokoa anefa izany! Noho ny fitsiriritany izay zavatra tokony ho nopotehina na naverina, dia nangalatra tamin’Andriamanitra izy, ary izany dia namoizan’i Akana ny ainy. (Josoa 6:17-19; 7:20-26). Diniho koa ny ohatr’i Gehazy sy i Jodasy Iskariota. — 2 Mpanjaka 5:8-27; Jaona 6:64; 12:2-6.
7 Tsy tokony hodiantsika tsy hita fa ireo ohatra telo voalaza etsy ambony dia tsy mpanompo sampy tsy nahafantatra ny fari-pitsipik’i Jehovah. Tao anatin’ny fifandraisana tamin’ny naha-voatokana ho an’Andriamanitra kosa izy ireo. Izy rehetra ireo dia samy nahita fahagagana izay tokony ho namela soritra tao aminy ny amin’ny herin’Andriamanitra sy ny naha-zava-dehibe ny fihazonana ny fankasitrahany. Na dia izany aza, dia nahalavo azy ireo ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana. Afaka mandrava ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa isika raha mamela ny tenantsika ho voafandriky ny faniriana mihoa-pampana na inona na inona endriny. Faniriana mihoa-pampana karazany na endriny inona avy no mety hampidi-doza indrindra ho antsika?
Voafandriky ny faniriana mihoa-pampana hahazo harena na fananana
8. Fampitandremana inona mikasika ny harena no omen’ny Baiboly?
8 Ny ankamaroan’ny Kristiana dia efa nandre fampitandremana mazava avy ao amin’ny Baiboly mba tsy hampitombo fitiavan-karena, faniriana fatratra harena. Nahoana raha mamerina mandinika indray ny sasany amin’ireny, toy ny hita ao amin’ny Matio 6:24-33; Lioka 12:13-21; ary ny 1 Timoty 6:9, 10? Na dia mety hihevitra aza ianao fa manaiky sy manaraka izany torohevitra izany, moa ve tsy azo inoana ho nilaza fa nanaiky izany koa i Akana sy i Gehazy ary i Jodasy? Mazava fa tsy maintsy lasa lavitra kokoa noho ny fanekena ara-tsaina fotsiny isika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika isan’andro ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana hahazo harena na fananana.
9. Nahoana isika no tokony handinika ny fihetsitsika eo anatrehan’ny fiantsenana?
9 Eo amin’ny fiainana andavandro, dia matetika isika no tsy maintsy mividy zavatra — sakafo, akanjo, ary kojakoja ho an’ny trano. (Genesisy 42:1-3; 2 Mpanjaka 12:11, 12; Ohabolana 31:14, 16; Lioka 9:13; 17:28; 22:36). Izao tontolo izaon’ny varotra anefa dia manaitaitra fanirian-javatra bebe kokoa sy vaovao kokoa. Dokam-barotra maro mameno gazety sy gazetiboky ary efijery (écran) amin’ny fahitalavitra no fiezahana an-kolaka mba hanairana ny faniriana mihoa-pampana. Ny fanairana toy izany dia mety hisy koa eny amin’ireo tranom-barotra misy akanjo ambony, palitao, akanjo, ary akanjoba mihantona, misy kiraro, fitaovana elektronika ary fakantsary samy vaovao avokoa, ambony talantalana. Ho fahendrena ny hanontanian’ny Kristiana tena hoe: ‘Moa ve ny fiantsenana manjary zava-dehibe na fahafinaretana lehibe indrindra eo amin’ny fiainako?’ ‘Moa ve tena ilaiko tokoa ireo zavatra vaovao izay hitako, sa manao izay hitomboan’ny voan’ny faniriana mihoa-pampana fotsiny ato anatiko ny tontolon’ny varotra?’ — 1 Jaona 2:16.
10. Fandriky ny faniriana mihoa-pampana inona no mampidi-doza ho an’ny lehilahy?
10 Raha toa fandrika iombonana ho an’ny vehivavy ny fiantsenana, ny fahazoana vola bebe kokoa dia fandrika ho an’ny lehilahy tsy tambo isaina. Nanao fanoharana nanazava io fandrika io i Jesosy tamin’ny lehilahy manankarena iray izay nanana fidiram-bola tsara kanefa dia mbola tapa-kevitra ihany ny ‘handrava ny trano fitehirizany ka hanao izay lehibe kokoa mba hamoriany ny variny sy ny fananany rehetra’. Tsy namela fisalasalana ny amin’ny loza i Jesosy: ‘Mitandrema, ka miarova tena amin’ny fieremana’, na faniriana mihoa-pampana. (Lioka 12:15-21). Na manankarena isika na tsia, dia tokony hanaraka io torohevitra io.
11. Ahoana no mety hahavoafandrika ny Kristiana iray amin’ny faniriana mihoa-pampana hahazo vola bebe kokoa?
11 Matetika dia mitombo ao anatin’ny fisehoana mamitaka ny faniriana mihoa-pampana hahazo vola bebe kokoa, na zavatra izay azon’ny vola vidina. Mety hiseho ny tetika iray mampanan-karena haingana — angamba fahafahana indray mandeha eo amin’ny fiainana hahita tsy fananana ahiahy ara-bola amin’ny alalan’ny fampiasam-bola mety hahitan-doza. Na mety halaim-panahy hitady vola amin’ny fanao ara-barotra mampiahiahy na tsy ara-dalàna ny olona iray. Mety hanjary handresy, hamandrika io faniriana feno fitsiriritana io. (Salamo 62:10; Ohabolana 11:1; 20:10). Tao anatin’ny kongregasiona kristiana dia nisy nanomboka raharaha tamin’ny fanantenana fa ireo rahalahiny be fitokiana no ho mpividy betsaka indrindra any aminy. Raha toa ny zava-kendreny ka tsy ny hanome zavatra na fanampiana ilaina, amin’ny ‘asa mafy, manao izay asa tsara amin’ny tanany’, fa may ny hahazo vola fotsiny ho fahavoazan’ireo namana kristiana, dia manao zavatra amim-paniriana mihoa-pampana izy ireo amin’izany. (Efesiana 4:28, NW; Ohabolana 20:21; 31:17-19, 24; 2 Tesaloniana 3:8-12). Ny faniriana mihoa-pampana hahazo vola dia nitarika ny sasany ho amin’ny filokana amin’ny alalan’ny tombolà, filokana amin’ny hazakaza-tsoavaly, na loteria. Ny hafa, tsy niraharaha izay mahazo ny hafa sy ny fahalalana ny antonony, fa may hanomboka fitoriana tany amin’ny fitsarana tamin’ny fanantenana valisoa na onitra lehibe.
12. Nahoana isika no mahafantatra fa azo resena ny faniriana mihoa-pampana hahazo harena?
12 Ireo voalaza teo aloha ireo dia lafiny mahamety ny handinihan-tena mba hahafahantsika hahita amim-pahamarinana sao dia miasa ao amintsika ny faniriana mihoa-pampana. Na misy aza izany, dia afaka miova isika. Tsarovy fa niova i Zakaiosy. (Lioka 19:1-10). Raha misy mahita fa zava-manahirana azy ny faniriana mihoa-pampana hahazo harena na fananana, dia tokony ho tapa-kevitra sahala amin’i Zakaiosy izy mba hiala amin’ilay fandrika. — Jeremia 17:9.
Faniriana mihoa-pampana eo amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana
13. Mitarika ny saintsika ho amin’ny fandrika hafa iray inona momba ny faniriana mihoa-pampana ny Salamo 10:18?
13 Mora kokoa ho an’ny sasany ny mahita ny loza entin’ny faniriana mihoa-pampana momba ny vola na fananana noho ny fahitana ireo lafiny hafa isehoany. Milaza ny rakibolana iray momba ny fiteny grika fa ilay fitambaran-teny nadika hoe “faniriana mihoa-pampana” na “fitsiriritana” dia manana heviny hoe “ ‘maniry bebe kokoa’, mikasika ny fahefana sns. ary koa ny fananana”. Eny, mety ho voafandriky ny faniriana hampihatra fahefana eo amin’ny hafa amin’ny fomba mihoa-pampana isika, angamba mba hampangovitra azy ireo eo ambany fahefantsika. — Salamo 10:18.
14. Teo amin’ny lafiny inona avy ny faniriana fahefana no nanimba?
14 Hatrany am-boalohany dia nifaly tamin’ny fananana fahefana teo amin’ny hafa ny olombelona tsy tanteraka. Hitan’Andriamanitra mialoha fa, ho vokatra mampalahelo iray avy amin’ny fahotan’olombelona, dia “hanapaka” ny vadiny ny lehilahy maro. (Genesisy 3:16). Niitatra ankoatra ny faritry ny fanambadiana anefa izany kilema izany. An’arivony taona tatỳ aoriana, dia nomarihin’ny mpanoratra ny Baiboly iray fa ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy’. (Mpitoriteny 8:9). Azo inoana fa fantatrao ny fahamarinan’izany teo amin’ireo raharaha ara-politika sy ara-tafika, kanefa, sao kosa isika miady mafy mba hahazoana fahefana na fifehezana eo amin’ny faritra izay ananantsika hery?
15, 16. Eo amin’ny lafiny inona avy ny Kristiana iray no mety ho voafandriky ny faniriana fahefana bebe kokoa? (Filipiana 2:3).
15 Isika rehetra dia samy manana fifandraisana amin’ny olon-kafa avokoa — eo amin’ny fianakaviantsika akaiky na lavitra, any am-piasantsika, na any an-tsekoly, eo anivon’ireo namana, ary any amin’ny kongregasiona. Indraindray, na matetika isika dia mety hanana anjara fanapahan-kevitra ny amin’izay hatao, ary koa ny amin’ny fomba sy fotoana hanaovana izany. Tsy misy tsy maha-mety na maha-ratsy izany amin’izao. Moa ve anefa isika mankafy tafahoatra ny fampiasana izay fahefana mety hananantsika? Sao kosa isika tia manao ny fanapahan-kevitra farany ka maniry izany bebe kokoa hatrany? Matetika ireo mpitantan-draharaha na ireo mpampiasa eo amin’izao tontolo izao dia mampiseho izany fihetsika izany amin’ny fametrahana manodidina azy olona manaiky izay rehetra lazaina, dia olona izay tsy handroso hevitra manohitra mihitsy sady tsy hihaika mihitsy ny hetahetam-pahefana (faniriana mihoa-pampana hahazo fahefana) araka an’izao tontolo izao asehon’ireo lehibeny.
16 Fandrika tokony hohalavirina izany eo amin’ny fifampiraharahana amin’ireo Kristiana namana. Hoy i Jesosy: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo”. (Matio 20:25, 26). Tokony hiharihary ny fanetren-tena toy izany rehefa mifampiraharaha amin’izy samy izy sy amin’ireo mpikarakara momba ny asa ary amin’ny andian’ondry ny loholona kristiana. Sao kosa mampiseho taratra faniriana fahefana, ohatra, ny mpiandraikitra prezidà iray izay tsy miara-mandinika afa-tsy ireo raharaha madinika amin’ireo loholona namany fa manao samy irery kosa ireo fanapahan-kevitra lehibe? Moa ve izy tena vonona tokoa ny hanankina asa amin’ny hafa? Mety hisy zava-manahirana raha mitaky zavatra be loatra eo amin’ny fandaharana ataony na manorina fitsipika mihitsy aza ny mpikarakara momba ny asa iray mitarika fivoriana ho amin’ny asa fitoriana. — 1 Korintiana 4:21; 9:18; 2 Korintiana 10:8; 13:10; 1 Tesaloniana 2:6, 7.
17. Nahoana no mety indrindra ny hiheverana ny sakafo rehefa miresaka ny amin’ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana?
17 Ny sakafo dia faritra hafa iray izay mahavoafandrika olona maro amin’ny faniriana mihoa-pampana. Mazava ho azy fa voajanahary ny fahitana fahafinaretana amin’ny fihinanana sy fisotroana; miresaka amim-pankasitrahana ny amin’izany ny Baiboly. (Mpitoriteny 5:17). Na dia izany aza, dia tsy mahalana ny faniriana mikasika izany no mitombo mandritra ny vanim-potoana iray, ka miitatra mihoatra izay mahafaly sy ampy amin’ny fomba antonony. Raha tsy lafiny mampanahy mety hahazo ny mpanompon’Andriamanitra izany, nahoana ny Tenin’i Jehovah no nilaza ao amin’ny Ohabolana 23:20 hoe: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena”? Ahoana anefa no hanalavirantsika io fandrika io?
18. Fandinihan-tena momba ny hanina sy ny fisotro inona no mety hataontsika?
18 Tsy mampirisika ny vahoakany hivelona amin’ny fandaharan-tsakafo feno fihafiana be Andriamanitra. (Mpitoriteny 2:24, 25). Kanefa dia tsy ankasitrahany koa ny fanaovantsika ny hanina sy ny fisotro ho ny tapany lehibe indrindra amin’ny resaka ifanaovantsika sy volavolan-kevitsika. Mety hanontany tena isika hoe: ‘Moa ve aho matetika manjary mafana fo tafahoatra rehefa milazalaza sakafo sasany izay nohaniko na kasaiko hohanina?’ ‘Moa ve aho miresaka hanina sy fisotro foana eo amin’ny resaka ataoko?’ Mety ho fomba famantarana hafa iray ny fihetsitsika rehefa mahazo sakafo tsy nomanintsika, na nandoavantsika vola isika, angamba rehefa asaina any an-tranon’olona isika na rehefa misy sakafo azo raisina any amin’ny fivoriambe kristiana. Sao kosa isika amin’izay mirona hihinana be lavitra noho ny mahazatra? Tsaroantsika fa i Esao dia namela ny sakafo ho tonga zava-dehibe tafahoatra, ka nitondra fahavoazana naharitra ho azy izany. — Hebreo 12:16.
19. Ahoana no mety hahatonga ny faniriana mihoa-pampana ho zava-manahirana mikasika ny fahafinaretana eo amin’ny firaisana?
19 Manome antsika fahalalana ny amin’ny fandrika hafa iray i Paoly: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana [“faniriana mihoa-pampana”, NW ], dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany”. (Efesiana 4:17-19; 5:3). Marina tokoa fa mety hitombo ny faniriana mihoa-pampana hahita fahafinaretana eo amin’ny firaisana. Io fahafinaretana io, mazava ho azy, dia manana ny toerany mety ao anatin’ny fatoran’ny fanambadiana. Ny firaiketam-po akaiky miaraka amin’io fahafinaretana io dia mandray anjara amin’ny fanampiana ny lehilahy sy ny vehivavy manambady samy hifikitra hatrany amin’ny andaniny avy mandritra ireo taona maron’ny fanambadiana. Olona vitsy anefa no handa fa izao tontolo izao ankehitriny dia manantitrantitra tafahoatra ny amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny fampisehoana ho ara-dalàna izay tsy inona raha ny marina fa taratr’ilay faniriana mihoa-pampana notononin’i Paoly. Mandray mora foana izany fiheveran-diso momba ny fahafinaretana eo amin’ny firaisana izany indrindra ireo izay mifampikasoka amin’ireo fahalotoam-pitondran-tena sy olona mitanjaka efa mahazatra ankehitriny ao amin’ny horonan-tsarimihetsika maro, vidéos maro, gazetiboky maro ary koa any amin’ireo toeram-pialam-boly.
20. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana miseho ho mailo eo amin’ny loza entin’ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy?
20 Ny fitantarana ny amin’ny fahotan’i Davida tamin’i Batseba dia mampiseho fa mety ho azon’ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny mpanompon’Andriamanitra iray. Na dia afaka nahita fahafinaretana tao anatin’ny fanambadiany manokana aza i Davida, dia navelany hitombo ny faniriana tsy ara-dalàna eo amin’ny lahy sy ny vavy. Rehefa nahamarika ny hatsaran-tarehin’ny vadin’i Oria izy, dia tsy nifehy ny eritreriny sy ny fihetsiny mikasika ny hahitana fahafinaretana tsy ara-dalàna taminy. (2 Samoela 11:2-4; Jakoba 1:14, 15). Azo antoka fa tsy maintsy manalavitra io endriky ny faniriana mihoa-pampana io isika. Na dia ao anatin’ny fanambadiana aza, dia mety ny hanalavirana ny faniriana mihoa-pampana. Izany dia mahatafiditra ny fanariana ireo fanao eo amin’ny lahy sy ny vavy tafahoatra. Ny lehilahy manambady izay tapa-kevitra ny hanalavitra ny faniriana mihoa-pampana eo amin’io lafiny io dia tena haneho fiheverana marina ny vadiny, ka izay mety ho safidy nataon’izy roa mikasika ny fandrindram-piterahana dia tsy hihevitra ny fahafinaretany ho lehibe kokoa noho ny fahasalaman’ny vadiny ankehitriny na amin’ny hoavy. — Filipiana 2:4.
Aoka ianao ho tapa-kevitra hatrany hanalavitra ny faniriana mihoa-pampana
21. Nahoana ny dinidinika nataontsika momba ny faniriana mihoa-pampana no tsy tokony hanakivy antsika?
21 Tsy manome fananarana na fampitandremana noho ny tsy fatokiana akory i Jehovah. Fantany fa maniry hanompo azy amim-pahatokiana ireo mpanompony be fandavan-tena, ary matoky izy fa hanohy hanao toy izany ny ankamaroan’izy ireo. Mikasika ny vahoakany amin’ny fitambarany, dia afaka milaza zavatra mitovy amin’ilay nataony tamin’i Joba izy, fony izy niresaka tamin’i Satana nanao hoe: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Joba 1:8). Ilay Raintsika be fitiavana sy feno fitokiana any an-danitra dia mampitandrina antsika mikasika ireo fandrika mampidi-doza, toy ireo izay mifandray amin’ny endriky ny faniriana mihoa-pampana. Izany dia satria iriny ny hitoerantsika tsy ho voaloto sy tsy hivadika aminy.
22. Inona no tokony hataontsika raha toa ny fianarantsika nampiharihary lafiny iray misy loza na fahalemena manokana?
22 Ny tsirairay amintsika dia samy nandova fironana ho amin’ny faniriana mihoa-pampana, ary mety ho nampitombo izany bebe kokoa isika noho ny fitaoman’izao tontolo izao ratsy. Ahoana raha nahita lafiny sasany misy fahalemena ianao nandritra ny fianarantsika momba ny faniriana mihoa-pampana — mikasika ny harena, fananana, hery sy fahefana, sakafo, na fahafinaretana eo amin’ny firaisana? Raha izany noho izy, dia alatsaho ao am-po ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin’ny helo”. (Marka 9:43). Ataovy izay mety ho fiovana ilaina eo amin’ny fihetsika na eo amin’ny zavatra mahaliana. Halaviro ny fandrika mahafatin’ny faniriana mihoa-pampana. Amin’izay, noho ny fanampian’Andriamanitra, dia mety ‘hiditra ao amin’ny fiainana’ ianao.
Inona no Nianarako?
◻ Nahoana isika no tokony hanahy ny amin’ny fandriky ny faniriana mihoa-pampana?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy ny faniriana mihoa-pampana hahazo harena sy fananana no mety hamandrika antsika?
◻ Amin’ny ahoana ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana no mety hitondra loza tena izy?
◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’izay mety ho fahalemena ananantsika mikasika ny faniriana mihoa-pampana?