Toko faha-6
Jesosy Kristy — nirahin’Andriamanitra ve?
1, 2. a) Inona moa no porofo fa olona tena nisy Jesosy? b) Fanontaniana inona avy moa no mipetraka momba an’i Jesosy?
SAIKY nahare firesahana ny amin’i Jesosy Kristy ny olona rehetra amin’izao andro izao. Lehibe kokoa noho ny an’ny olon-kafa rehetra ny heriny teo amin’ny tantara. Ny fitadidianandro ampiasaina mihitsy ao amin’ny ankabeazan’ny faritra eto amin’izao tontolo izao tokoa dia miorina amin’ny taona izay heverina fa nahaterahany! Milaza toy izao ny The World Book Encyclopedia: “Ireo daty alohan’io taona io dia alahatra ho T.K., na talohan’i Kristy. Ireo daty aorian’io taona io dia alahatra ho A.D., na anno Domini (amin’ny andron’ny Tompo).”
2 Tsy olona an’eritreritra àry Jesosy. Tena niaina tamin’ny naha-olona teto an-tany izy. “Tamin’ny andro fahiny, na dia ireo mpanohitra ny kristianisma aza dia tsy nisalasala na oviana na oviana ny amin’ny [fisiana marin’i] Jesosy”, hoy ny fanamarihan’ny Encyclopædia Britannica. Koa iza moa Jesosy? Nirahin’Andriamanitra marina tokoa ve izy? Nahoana moa izy no fantatra tsara aoka izany?
NY FISIANY TALOHAN’NY NAHA-OLOMBELONA AZY
3. a) Araka ny tenin’ilay anjely, hiteraka zanak’iza moa i Maria? b) Ahoana moa no nahafahan’i Maria izay virijina niteraka an’i Jesosy?
3 Tsy mba toy ny olombelona hafa rehetra Jesosy fa nateraky ny virijina iray. Maria no anaran’izy io. Hoy ny anjely iray momba ny zanany: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra”. (Lioka 1:28-33; Matio 1:20-25) Nefa ahoana no hahafahan’ny vehivavy iray izay tsy nanana mihitsy firaisana tamin’ny lehilahy hanan-janaka? Tamin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Nafindran’i Jehovah avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny virijina atao hoe Maria ny fiainan’ny Zanany izay fanahy mahery. Fahagagana izany! Tsy isalasalana fa Ilay nanao ny vehivavy voalohany niaraka tamin’ny fahafahana mahatalanjona hiteraka dia afaka nampanana anaka ny vehivavy iray tsy nisy ray olombelona. Manazava toy izao ny Baiboly: “Fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy”. — Galatiana 4:4.
4. a) Fiainana inona moa no nananan’i Jesosy talohan’ny nahaterahany ho zaza? b) Inona moa no nolazain’i Jesosy mba hampisehoana fa niaina tany an-danitra izy taloha?
4 Koa talohan’ny nahaterahany teto an-tany tamin’ny naha-olona, Jesosy dia tany an-danitra toy ny persona ara-panahy mahery iray. Nanana vatana ara-panahy tsy hitan’ny olona maso izy, dia toy izay ananan’Andriamanitra. (Jaona 4:24) Matetika ny tenan’i Jesosy no niresaka ny amin’ny toerana avo notanany tany an-danitra. Nivavaka toy izao izy indray mandeha: “Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao”. (Jaona 17:5) Hoy koa izy tamin’ny mpihaino azy: “Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony”. “Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha hianareo.” “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” — Jaona 8:23; 6:62; 8:58; 3:13; 6:51.
5. a) Nahoana moa Jesosy no nantsoina hoe ny “Teny”, “Lahimatoa” ary “Lahitokana”? b) Asa inona moa no nandraisan’i Jesosy anjara niaraka tamin’Andriamanitra?
5 Talohan’ny nahatongavany teto an-tany Jesosy dia nantsoina hoe ny Teny avy amin’Andriamanitra. Mampiseho io anaram-boninahitra io fa nanompo tany an-danitra tamin’ny naha-mpitondra teny ho an’Andriamanitra izy. Antsoina koa hoe ‘Lahimatoan’Andriamanitra’ izy, ary koa ny Zanany “Lahitokana”. (Jaona 1:14; 3:16; Hebreo 1:6) Milaza izany fa noforonina talohan’ny zanak’Andriamanitra ara-panahy hafa rehetra izy, ary izy irery ihany no noforonin’Andriamanitra mivantana. Manazava ny Baiboly fa nandray anjara niaraka tamin’i Jehovah io “Lahimatoa” io teo amin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra. (Kolosiana 1:15, 16) Araka izany rehefa niteny Andriamanitra hoe “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika”, dia niresaka tamin’io Zanany io izy. Eny, ilay tonga tetỳ an-tany mihitsy taty aoriana ary nateraky ny vehivavy dia nandray anjara tamin’ny famoronana ny zavatra rehetra. Efa niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy izy nandritra ny taona maro tsy fantatra! — Genesisy 1:26; Ohabolana 8:22, 30; Jaona 1:3.
NY FIAINANY TETO AN-TANY
6. a) Fisehoan-javatra inona moa no nitranga taloha sy taoriana kelin’ny nahaterahan’i Jesosy? b) Taiza moa Jesosy no teraka ary taiza no nahabe azy?
6 Voafofo ho vadin’i Josefa i Maria. Nefa rehefa nahare i Josefa fa bevohoka ravehivavy dia nino izy fa nanana firaisana tamin-dehilahy hafa izy io, koa dia saika tsy hanambady azy izy. Kanefa, rehefa nilazan’i Jehovah izy fa tamin’ny alalan’ny fanahiny masina no nahatorontoronina ilay zaza, dia nampakatra an’i Maria ho vadiny i Josefa. (Matio 1:18-20, 24, 25) Taty aoriana, raha mbola teo am-pitsidihana ny tanànan’i Betlehema izy ireo, dia teraka Jesosy. (Lioka 2:1-7; Mika 5:1) Fony Jesosy mbola zazakely, dia nitady hamono azy Heroda mpanjaka. Nefa nampiomana an’i Josefa i Jehovah mba hahafahany mitondra ny fianakaviany sy mandositra any Egypta. Rehefa maty Heroda mpanjaka, Josefa sy Maria dia niverina niaraka tamin’i Jesosy tany amin’ny tanànan’i Nazareta any Galilia. Tao no nahabe azy. — Matio 2:13-15, 19-23.
7. a) Inona moa no nitranga fony 12 taona Jesosy? b) Asa inona moa no nianaran’i Jesosy natao rehefa nihalehibe izy?
7 Rehefa 12 taona Jesosy dia nanao dia lavitra niaraka tamin’ny fianakaviany nankany Jerosalema mba hanatrika ny fankalazana manokana nantsoina hoe ny Paska. Raha mbola tany izy dia nandany telo andro tao amin’ny tempoly nihainoana ireo mpampianatra sy nametrahana fanontaniana tamin’izy ireo. Ny olona rehetra izay nihaino azy dia gaga noho ny fahalalana be nananany. (Lioka 2:41-52) Rehefa nihalehibe tao Nazareta Jesosy, dia nianatra mba ho mpandrafitra izy. Tsy isalasalana fa Josefa rainy nitaiza azy izay mpandrafitra ihany koa no nampiofana azy mba hanao io asa io. — Marka 6:3; Matio 13:55.
8. Inona moa no nitranga rehefa 30 taona Jesosy?
8 Nisy fiovana lehibe nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy rehefa 30 taona izy. Nankany amin’i Jaona Mpanao batisa izy ary nangataka ny hatao batisa, ka haroboka tanteraka ao amin’ny ranon’ny ony Jordana. Mitantara toy izao ny Baiboly: “Ary raha vao natao batisa Jesosy dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Tsy nety hisy fisalasalana tao an-tsain’i Jaona fa Jesosy dia nirahin’Andriamanitra.
9. a) Oviana moa Jesosy, raha ny marina, no nanjary Kristy, ary nahoana no tamin’izay? b) Tamin’ny batisany dia niseho mba hanao inona moa Jesosy?
9 Tamin’ny fandatsahana tamin’i Jesosy ny fanahiny masina, Jehovah dia nanosotra azy na nanendry azy mba ho mpanjakan’ilay fanjakany ho avy. Rehefa nohosoran’ny fanahy toy izany Jesosy dia nanjary “Mesia”, na koa “Kristy”, teny izay ny dikany amin’ny fiteny hebreo sy grika dia hoe “Voahosotra”. Noho izany dia nanjary Jesosy Kristy izy raha ny marina, na koa Jesosy ilay Voahosotra. Petera apostoliny àry dia niresaka ny amin’i “Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery”. (Asan’ny apostoly 10:38) Tamin’ny batisany tao anaty rano koa Jesosy dia niseho teo anatrehan’Andriamanitra mba hanatanteraka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy mba hatao eto an-tany. Inona moa izany asa lehibe izany?
NAHOANA NO TONGA TETO AN-TANY IZY
10. Hanambara fahamarinana inona moa no nahatongavan’i Jesosy teto an-tany?
10 Raha nanazava ny antony nahatongavany teto an-tany Jesosy, dia nanambara toy izao tamin’ilay governora romana atao hoe Pontio Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Nefa fahamarinana inona indrindra moa no nanirahana an’i Jesosy mba hampahafantarina teto an-tany? Voalohany, dia ireo fahamarinana momba ny Rainy any an-danitra. Nampianatra ny mpanara-dia azy Jesosy hivavaka mba “hohamasinina” ny anaran’ny Rainy, na koa hoheverina ho masina. (Matio 6:9) Ary nivavaka izy hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy (...) ny anaranao”. (Jaona 17:6) Niteny koa izy hoe: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra (...) Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” — Lioka 4:43.
11. a) Nahoana moa Jesosy no nihevitra ny asany ho lehibe aoka izany? b) Tsy niahotra na oviana na oviana nanao inona moa Jesosy? Koa inona no tokony hataontsika?
11 Hatraiza no maha-zava-dehibe io asa fampahafantarana ny anaran’ny Rainy sy ny fanjakany io tamin’i Jesosy? Hoy izy tamin’ny mpianany: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Nahoana moa ny asan’Andriamanitra no noheverin’i Jesosy ho zava-dehibe toy ny sakafo? Satria ilay Fanjakana no fiasana izay amin’ny alalany no hanatanterahan’Andriamanitra ireo fikasany mahatalanjona ho an’ny taranak’olombelona. Io fanjakana io no handringana ny faharatsiana rehetra sy hanadio ny anaran’i Jehovah amin’ny fanalam-baraka izay napetraka taminy. (Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3, 4) Koa tsy niahotra na oviana na oviana nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy ny fanjakany i Jesosy. (Matio 4:17; Lioka 8:1; Jaona 17:26; Hebreo 2:12) Niresaka hatrany ny fahamarinana izy, na tian’ny olona izany na tsia. Tamin’izany no nanomezany ohatra izay tokony harahintsika raha maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika. — I Petera 2:21.
12. Noho ny antony hafa lehibe inona moa no nahatongavan’i Jesosy teto an-tany?
12 Kanefa, mba hetezan’ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny fanjakan’Andriamanitra, Jesosy dia tsy maintsy nandatsaka ny rany tao amin’ny fahafatesana. Nilaza tokoa ny roa amin’ny apostolin’i Jesosy hoe: “Nohamarinina tamin’ny rany isika”. “Ny ran’i Jesosy Zanany [Zanak’Andriamanitra] no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (Romana 5:9; I Jaona 1:7) Koa ny antony iray lehibe nahatongavan’i Jesosy teto an-tany dia ny ho faty ho antsika. Hoy izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28) Nefa milaza inona moa ny nanomezan’i Kristy ny ainy ho “avotra”? Nahoana ny fandatsahana ny rany tao amin’ny fahafatesana no nilaina ho an’ny famonjena antsika?
NANOME NY AINY HO AVOTRA IZY
13. a) Inona moa no atao hoe avotra? b) Inona moa ny vidin’ny avotra izay naloan’i Jesosy mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana?
13 Matetika ampiasaina ny teny hoe “avotra” rehefa misy fakana olona an-keriny. Rehefa namabo olona iray ny mpaka an-keriny iray, dia mety hilaza izy fa hamerina ilay olona raha misy vola sasany aloa ho toy ny avotra. Koa ny avotra dia zavatra iray mitondra ny fanafahana olona iray notanana ho babo. Izany dia zavatra iray naloa mba tsy hamoizany ny fiainany. Nomena ny fiainan’olombelona lavorary nananan’i Jesosy mba hahazoana ny fanafahana ny olombelona avy amin’ny famatoran’ny ota sy ny fahafatesana. (I Petera 1:18, 19; Efesiana 1:7) Nahoana moa no nilaina ny fanafahana toy izany?
14. Nahoana moa no nilaina ny avotra nomen’i Jesosy?
14 Nilaina izany satria Adama, ilay razambentsika rehetra, nikomy tamin’Andriamanitra. Ny nandikany lalàna dia nahatonga azy ho mpanota, satria manazava ny Baiboly fa “ny ota no fandikana ny lalàna”. (I Jaona 3:4; 5:17) Ho vokatr’izany, dia tsy mendrika handray ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay izy. (Romana 6:23) Koa narian’i Adama ho an’ny tenany ny fiainan’olombelona lavorary teo amin’ny tany paradisa. Nariany koa io fahatsinjovan-javatra mahatalanjona io ho an’ny zanaka rehetra izay haterany. ‘Nefa nahoana’, hoy angamba ianao, ‘no tsy maintsy maty ny zanany rehetra, kanefa Adama no nanota?’
15. Satria Adama no nanota, nahoana moa no tsy maintsy nijaly sy maty ny taranany?
15 Satria Adama, rehefa tonga mpanota, dia namindra ny ota sy ny fahafatesana tamin’ireo zanany, anisan’izany ny olombelona rehetra velona ankehitriny. (Joba 14:4; Romana 5:12) “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly. (Romana 3:23; I Mpanjaka 8:46) Na Davida olona tia an’Andriamanitra aza dia niteny hoe: “Tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5) Maty àry ny olona noho ny ota nolovana avy tamin’i Adama. Koa ahoana avy eo no netezan’ny hoe nanafaka ny olona rehetra tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ny fanaovana sorona ny fiainan’i Jesosy?
16. a) Tamin’ny fanomezana ny avotra, ahoana moa no nampisehoan’Andriamanitra fiheverana ny lalàny hoe ‘tokony homena ny aina ho solon’ny aina’? b) Nahoana moa no Jesosy irery no olombelona afaka nandoa ny avotra?
16 Tafiditra amin’izany ny fotopoto-pitsipika ara-dalàna tao amin’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny firenen’Isiraely. Manambara izy io fa ‘tokony homena ny aina ho solon’ny aina’. (Eksodosy 21:23; Deoteronomia 19:21) Tamin’ny tsy fankatoavany, Adama ilay olona lavorary dia nanary ny fiainany lavorary teo amin’ny tany paradisa ho an’ny tenany sy ny taranany rehetra. Nanome ny fiainany lavorary manokana i Jesosy mba hividianana indray izay narian’i Adama. Eny, Jesosy dia “nanolotra ny tenany ho avotra [mifanandrify] hisolo ny olona rehetra.” (I Timoty 2:5, 6) Koa satria olona lavorary izy, dia tahaka ny naha-izany an’i Adama, Jesosy dia antsoina hoe “Adama farany”. (I Korintiana 15:45) Tsy nisy olombelona hafa ankoatran’i Jesosy afaka nanome ny avotra. Izany no mety dia satria Jesosy irery no olona velona izay nitovy tamin’i Adama tamin’ny naha-olombelona lavorary zanak’Andriamanitra azy. — Salamo 49:7; Lioka 1:32; 3:38.
17. Oviana moa ny avotra no naloa tamin’Andriamanitra?
17 Maty Jesosy rehefa 33 taona sy tapany. Nefa tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany dia natsangana ho amin’ny fiainana izy. Efapolo andro taty aoriana dia niverina ho any an-danitra izy. (Asan’ny apostoly 1:3, 9-11) Tany, tamin’ny naha-persona ara-panahy azy indray, dia niseho teo “anatrehan’Andriamanitra (...) ho antsika” izy, nitondra ny vidin’ny sorom-panavotany. (Hebreo 9:12, 24) Tamin’izay fotoana izay no naloa tamin’Andriamanitra tany an-danitra ny avotra. Mety ho azon’ny taranak’olombelona izao ny fanafahana. Nefa rahoviana moa no ho tanteraka ireo soa entiny?
18. a) Ahoana no ahazoantsika mandray soa avy amin’ny avotra na dia ankehitriny aza? b) Inona moa no azon’ny avotra tanterahina amin’ny ho avy?
18 Na dia ankehitriny aza dia afaka mitondra soa ho antsika ny sorom-panavotan’i Jesosy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanehoana finoana azy io dia afaka mitana ny toeran’ny olona madio eo anatrehan’Andriamanitra isika sy ho tonga eo ambany fiahiany feno fitiavana. (Apokalypsy 7:9, 10, 13-15) Maro amintsika no nety ho nanao fahotana mahatsiravina talohan’ny nianarantsika momba an’Andriamanitra. Ary na dia ankehitriny aza dia manao fahadisoana isika, indraindray tena lehibe. Nefa afaka mangataka maimaimpoana ny famelana avy amin’Andriamanitra miorina amin’ny avotra isika, amin’ny fitokiana fa hihaino antsika izy. (I Jaona 2:1, 2; I Korintiana 6:9-11) Ary koa amin’ny andro ho avy, ny avotra dia hanokatra ho antsika ny lalana hahazoana ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao sy marina. (II Petera 3:13) Amin’izany fotoana izany dia hafahana tanteraka amin’ny famatoran’ny ota sy ny fahafatesana izay rehetra maneho finoana ny avotra. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana izy ireny!
19. a) Inona moa no vokatry ny fandaharana ny amin’ny avotra eo amintsika? b) Ahoana moa no nilazan’ny apostoly Paoly fa tokony hampiseho ny fankasitrahantsika noho ny avotra isika?
19 Ahoana ny fihetseham-ponao rehefa nianatra ny amin’ny avotra? Moa ve tsy mamporisika ny fonao hanatona an’i Jehovah Andriamanitra ny fahafantarana fa miahy anao aoka izany izy ka nanome ny Zanany malala mba ho tombontsoanao? (Jaona 3:16; I Jaona 4:9, 10) Nefa hevero koa ny fitiavan’i Kristy. Tonga teto an-tany an-tsitrapo izy mba ho faty ho antsika. Tsy tokony ho velom-pankasitrahana ve isika? Nohazavain’ny apostoly Paoly ny fomba tokony hampisehoantsika ny fankasitrahantsika rehefa nilaza izy hoe: “Maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (II Korintiana 5:14, 15) Hampiseho ny fankasitrahanao ve ianao amin’ny fampiasana ny fiainanao mba hanompoana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany any an-danitra?
NAHOANA JESOSY NO NANAO FAHAGAGANA
20. Inona moa no fantatsika momba an’i Jesosy avy amin’ny fanasitranany ilay boka?
20 Jesosy dia fantatra tsara noho ireo fahagagana nataony. Nanana fihetseham-po lalina ho an’ny olona izay tao anatin’ny fahasahiranana izy, ary mailaka nampiasa ireo fahefana nomen’Andriamanitra azy mba hanampiana azy ireny. Ohatra, ny olona iray nanana aretina mahatsiravin’ny habokana dia nanatona azy ary niteny hoe: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” Jesosy “dia onena azy ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao.” Ary dia sitrana ilay lehilahy narary! — Marka 1:40-42.
21. Ahoana moa no nanampian’i Jesosy ireo vahoaka?
21 Hevero ny fisehoan-javatra hafa iray ao amin’ny Baiboly, ary alao sary an-tsaina ny fangorahan’i Jesosy ireo olona voalazalaza: “Ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.” — Matio 15:30, 31.
22. Inona moa no mampiseho fa tena niahy an’ireo olona izay nampiany Jesosy?
22 Ny hoe tena niahian’i Jesosy an’ireo olona nijaly sy naniriany marina tokoa hanampy azy ireo dia azo jerena tamin’izay nambarany ny mpianany avy eo. Hoy izy: “Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana taty amiko izy izao ka tsy manan-ko hanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dàlana izy.” Koa tamin’ny mofo fito sy ny hazandrano vitsivitsy monja, Jesosy dia namoky ireo “efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy”. — Matio 15:32-38.
23. Inona moa no nanosika an’i Jesosy hanangana ny maty ilay zanakalahin’ny mpitondratena?
23 Indray mandeha koa Jesosy dia nifanena tamin’ny filaharana mpandevina nivoaka ny tanànan’i Naina. Milazalaza izany toy izao ny Baiboly: “Nisy fatin’ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy (...). Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy. Nahatsapa lalina ny alahelon-dravehivavy izy. Koa niteny tamin’ilay vatana maty Jesosy ary nandidy hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Ary endrey ny fahatalanjonana! “Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.” Hevero ny tsy maintsy ho tsapan’ilay reny! Ahoana no ho fihetseham-ponao raha teo amin’ny toerany ianao? Niely hatraiza hatraiza ny vaovao ny amin’io fisehoan-javatra nampitolagaga io. Tsy mahagaga raha fantatra tsara aoka izany Jesosy. — Lioka 7:11-17.
24. Nampiseho inona moa ireo fahagagana nataon’i Jesosy raha ny amin’ny ho avy?
24 Kanefa ireo fahagagana nataon’i Jesosy dia nitondra soa mihelina fotsiny. Ireo olona izay nositraniny dia nahita zava-manahirana ara-pahasalamana indray. Ary ireo natsangany dia maty indray. Nefa ireo fahagagana nataon’i Jesosy dia nanaporofo fa nirahin’Andriamanitra izy. Ary nanaporofo izany fa, noho ny herin’Andriamanitra, dia azo alamina ny zava-manahirana rehetra mahazo ny olombelona. Eny, nasehon’izany tamin’ny ambaratonga kely izay hitranga eto an-tany eo ambanin’ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’izay fotoana izay dia ho voky ny noana, ho sitrana ny marary, ary na dia ny maty aza dia hatsangana! Ary tsy hiteraka alahelo na oviana na oviana intsony ny fahafatesana, na izay mety ho zava-manahirana hafa. Endrey izany ho fitahiana! — Apokalypsy 21:3, 4; Matio 11:4, 5.
MPANAPAKA AO AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
25. Azo zaraina ho tapany telo inona moa ny fiainan’i Jesosy?
25 Mizara telo ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra. Voalohany, dia ao ireo taona tsy fantatra isa izay nolaniany niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra talohan’ny nahatongavany ho olombelona. Manaraka izany, dia ireo 33 taona sy tapany nolaniany teto an-tany taorian’ny nahaterahany. Ary ankehitriny dia ao ny fiainany any an-danitra indray amin’ny maha-persona ara-panahy azy. Toerana inona moa no nananany tany an-danitra hatramin’ny nitsanganany?
26. Noho ny fahatokiany teto an-tany dia noporofoin’i Jesosy fa mendrika ho inona moa izy?
26 Mazava fa ho tonga mpanjaka Jesosy. Na dia ilay anjely aza dia nanambara tamin’i Maria hoe: “Hanjaka (...) mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:33) Nandritra ny fanompoany teto an-tany dia niresaka foana ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Nampianatra ny mpanara-dia azy izy hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Ary namporisika azy ireo izy hoe “katsaho aloha ny fanjakany”. (Matio 6:10, 33) Noho ny fahatokiany teto an-tany, Jesosy dia nanaporofo fa mendrika ny ho mpanjakan’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Moa ve izy nanomboka nanapaka tamin’ny naha-mpanjaka raha vao tafaverina tany an-danitra?
27. a) Inona moa no nataon’i Jesosy taorian’ny fiverenany ho any an-danitra? b) Inona moa ny asa voalohany nataon’i Jesosy tamin’ny naha-mpanjakan’ny fanjakan’Andriamanitra azy?
27 Tsia, tsy nanao izany izy. Miresaka ny Salamo 110:1 ny apostoly Paoly, raha nanazava hoe: “Izy [Jesosy] kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:12, 13) Niandry izao baikon’i Jehovah izao i Jesosy: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Salamo 110:2) Rehefa tonga io fotoana io, dia nanomboka nanadio ny lanitra tsy hisy an’i Satana sy ny anjeliny izy. Ny vokatr’izany ady tany an-danitra izany dia ambara amin’ireto teny ireto: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitra andro aman-alina.” (Apokalypsy 12:10) Araka ny hita tao amin’ny toko taloha kokoa amin’ity boky ity, ny zava-misy dia mampiseho fa efa nitranga io ady tany an-danitra io, ary Jesosy Kristy dia manapaka eo anivon’ny fahavalony izao.
28. a) Inona moa no hataon’i Kristy tsy ho ela? b) Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fiarovany?
28 Tsy ho ela Kristy sy ireo anjeliny any an-danitra dia handray anjara amin’ny fanadiovana ny tany tsy hisy ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. (Daniela 2:44; Apokalypsy 17:14) Milaza ny Baiboly fa izy dia manana “sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ny tehim-by”. (Apokalypsy 19:11-16) Mba hisehoana ho mendrika ny fiarovana mandritra io fandringanana ho avy io, dia tokony haneho finoana an’i Jesosy Kristy isika. (Jaona 3:36) Tokony ho tonga mpianany isika ary hanaiky azy ho toy ny Mpanjakantsika any an-danitra. Hanao izany ve ianao?
[Sary, pejy 58]
Navelan’i Jesosy ny asany tamin’ny naha-mpandrafitra mba hatao batisa izy sy ho tonga voahosotr’i Jehovah.
[Sary, pejy 63]
Jesosy no nitovy tamin’i Adama, olona lavorary.
[Sary, pejy 64]
Voatosiky ny fangorahana Jesosy mba hanampy ny marary sy ny noana.
[Sary, pejy 67]
Tamin’ny fananganana ny maty, Jesosy dia nampiseho izay hataony amin’ny ambaratonga lehibe kokoa rehefa manapaka ny fanjakan’Andriamanitra.