Manao ny Sitrapon’Andriamanitra ve Ianao?
TAMIN’NY asa fanompoana nataony isan-trano, dia sendra pretra iray avy tamin’ny Fiangonana Episkopaly ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Toa lehilahy nahafinaritra izy io, nanao volombava, teo amin’ny 60 taona teo ho eo sy nanao T-shirt iray voaravaka tamin’ny anaran’ny fiangonany. Avy hatrany dia hoy izy: “Iriko ny hahabe zotom-po toa anareo ny mpiangona ao aminay amin’ny fampielezana ny Teny, nefa tsy maintsy hangataka aminareo aho mba tsy hitsidihanareo atỳ an-tranoko intsony.”
Eny, olona maro be no mankasitraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy manao teny fiderana azy ireo noho ny zotom-pony sy ny hafanam-pony. Kanefa, tsy liana velively amin’izay ataon’ny Vavolombelona izy ireo na misaintsaina ny hanaovan’ny tenany ilay asa. Tsy zava-baovao anefa izany toa fifanoheran-javatra izany. Efa nomarihin’i Jesosy tamin’ny androny izany, ary nohamafisiny tamin-kery, tamin’ny alalan’ny fanoharana iray mampisaintsaina.
“Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?” — Matio 21:28-31.
Niharihary ny valiny. Tahaka ny vahoaka izay nandre an’i Jesosy, dia hamaly isika hoe: “Ny lahimatoa.” Nefa mihoatra noho ny valin-teny miharihary, tamin’ny alalan’io fanoharana io i Jesosy dia nanintona ny saintsika ho amin’ny hevitra hoe ny fanaovana izay sitrak’ilay ray no nisy vidiny. Na dia nilaza aza ilay lahimatoa fa tsy ta handeha, dia nanao izany ihany izy ary nanaovana teny fiderana noho izany. Zava-dehibe mitovy amin’izany koa ny fanaovana ny karazan’asa mety. Nanao zavatra ilay lahimatoa tamin’ny fiasana tany amin’ny tanimboaloboky ny rainy; tsy nandeha niasa tao amin’ny tanimboalobony manokana izy.
Inona no mety ho hevitr’izany rehetra izany ho antsika? Inona no takin’Andriamanitra amin’ireo mpivavaka aminy amin’izao andro izao? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiainan’i Jesosy, ka hanampy antsika hanao ny sitrapon’ny Rainy? Fanontaniana lehibe ireo ary hidika ho fahasambarana mandrakizay ho antsika ny fahitantsika ny valin-teny mety, satria “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — 1 Jaona 2:17; Efesiana 5:17.
Inona no “sitrapon’Andriamanitra”?
Ny anarana hoe “sitrapo” dia hita mihoatra ny in-80 ao amin’ny Comprehensive Concordance of the New World Translation of the Holy Scriptures. Toerana sahabo ho 60 amin’ireo (na 75 isan-jatony eo ho eo) no iresahana ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Hita in-20 mahery ny fitenenana toy ny hoe “sitrapon’Andriamanitra” sy hoe “sitrapon’ny Raiko”. Hitantsika avy amin’izany fa tokony ho zava-dehibe voalohany amintsika ny sitrapon’Andriamanitra. Tokony ho ny zavatra ahintsika lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Amin’ny teny malagasy, ny anarana hoe “sitrapo” dia midika hoe ‘faniriana, sitraka, finiavana, zavatra irina, indrindra fa safidy iray na finiavan’ny olona iray manana fahefana na hery’. Noho izany àry dia manana sitrapo na faniriana na finiavana i Jehovah, ilay Fahefana Tampony. Inona moa izy io? Milaza amintsika ny Soratra Masina fa anisan’ny ‘sitrapony [ny an’Andriamanitra] dia ny hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana’. (1 Timoty 2:4, NW ). I Jesosy Kristy sy ireo Kristiana voalohany dia niasa tamin’ny fanahiny rehetra mba hitondra ho an’ny hafa io fahalalana marina io. — Matio 9:35; Asan’ny Apostoly 5:42; Filipiana 2:19, 22.
Iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao andro izao? Amin’ireo olona efa ho roa arivo tapitrisa milaza ny tenany ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, firy no tahaka ilay zanaka lahimatoa tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, nandeha nanao ny sitrapon’ny rainy? Tsy sarotra ny mahita ny valiny. Ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy dia tokony hanao ny asa izay nolazainy fa tokony hataon’izy ireo: “Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10). Ireo Vavolombelon’i Jehovah, miisa mihoatra ny efatra tapitrisa sy sasany maneran-tany, dia mitory amim-paharisihana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ary mampianatra ny hafa, amin’ny fitarihana ny saina ho amin’ilay Fanjakana ho ny hany fanantenana hahita fiadanana sy filaminana ho an’ny olombelona. Mandray anjara feno amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ve ianao? Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ve ianao toy ny nataon’i Jesosy? — Asan’ny Apostoly 10:42; Hebreo 10:7.
Fahitana fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra
Na dia misy fifaliana aza rehefa mianatra ny sitrapon’ny Ray, dia misy fifaliana bebe kokoa rehefa mampianatra ny hafa momba ny sitrapon’Andriamanitra. Nahita fifaliana tamin’ny fampianarana ny olona momba ny Rainy i Jesosy. Toy ny hanina ho azy izany. (Jaona 4:34). Hahita ny tena fahasambarana koa isika raha manao toy ny nataon’i Jesosy, izany hoe, mitory sy mampianatra ireo zavatra nampianariny, ireo zavatra azony avy tamin’ny Rainy. (Matio 28:19, 20). Araka ny nampanantenain’i Jesosy, “raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany”. — Jaona 13:17.
Aoka isika hanazava izany amin’ny fakana ohatra iray: Nilaza toy izao ny reny iray izay niverina indray tamin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana vao haingana: “Mampientam-po aoka izany ny mahita ny tavan’ny mpianatra ny Baiboly iray miramirana rehefa voatohin’ireo fahamarinana samihafa ao amin’ny Baiboly ny fony! Mahafaly ahy erỳ ny mahita ny mpianatra iray manoratra manontolo ireo andinin-teny rehetra alohan’ny fianarana sy mandray an-tsoratra mandritra ny fianarana mba hahafahany hamaly izay mety ho fanontaniana famerenana rehetra any aoriana.” Ny olon-kafa iray miara-mianatra Baiboly aminy dia efa nifampikasoka tamin’ny fahamarinana ihany fony izy mbola zatovo. Manambady izy io ankehitriny ary sahiran-tsaina noho ny zava-manahirana manokana sasany, ka naniry mafy ny hahita ireo Vavolombelona. Faly aoka izany izy rehefa nahita azy ilay anabavy mpisava lalana! Feno hafaliana ilay vehivavy tanora hanomboka indray ny fianarany ny Baiboly izay tapaka.
Fihazonana ny fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra
I Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny dia olona iray nikatsaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny fiainany manontolo. Na dia teo aza ny zava-tsarotra sy ny fanerena maro tonga taminy, dia nahazo tsindrimandry izy mba hanoratra toy izao: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Salamo 40:8). Anisan’ny tenan’i Davida mihitsy, tao amin’ny maha-izy azy mihitsy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Izany no tsiambaratelon’ny fifaliana tsy nety lefy nananany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy zava-tsarotra tamin’i Davida. Fahafinaretana kosa izany, zavatra izay avy tao am-pony. Niezaka mafy nanao izay faran’ny azony natao izy nandritra ny fiainany manontolo mba hanompoana an’i Jehovah Andriamaniny, na dia nanota aza izy indraindray ka tsy nahomby.
Indraindray dia mety hihena ny fifaliantsika. Mety hanjary reraka na kivy isika. Angamba mbola mitera-java-manahirana ho antsika ny zava-nitranga tamin’ny lasa, ny feon’ny fieritreretantsika manelingelina antsika noho ny fahadisoana natao tamin’ny lasa ela. Matetika, dia azontsika resena ireny fihetseham-po ireny amin’ny fianarana lalina kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mametra ho zava-kendrena ny hanoratra ny lalàn’Andriamanitra ao ‘anatintsika’ isika, toy ny nataon’i Davida. Raha miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fanahintsika rehetra isika, izany hoe, araka izay faran’ny azontsika atao, dia hamaly soa antsika noho izany izy satria izy dia mahatoky. — Efesiana 6:6; Hebreo 6:10-12; 1 Petera 4:19.
Mahaliana ny manamarika fa ao amin’ny Hebreo 10:5-7 dia nanonona ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 40:6-8 ny apostoly Paoly ary nampihatra izany tamin’i Jesosy Kristy. Nanintona ny saina ho amin’ny naha-akaiky an’i Jesosy tamin’ny Rainy i Paoly rehefa nanao izany. Ny teny hebreo hoe “sitrapo” dia manana hevitra hoe ‘haravoana, faniriana, sitraka na fahafinaretana’. Noho izany, dia izao no azo vakina ao amin’ny Salamo 40:8 (NW ) mikasika an’i Kristy: “Ny hanao izay mahafinaritra anao, ry Andriamanitro ô, no maharavoravo ahy.”a I Jesosy dia naniry hanao izay nahafinaritra ny Rainy. I Jesosy dia nanao nihoatra noho izay nangatahina taminy. Nanao izay zavatra akaikin’ny fon’ny Rainy izy, ary nahita fifaliana nanao izany.
Ny fiainan’i Jesosy manontolo dia nihodinkodina teo amin’ny fampianarana ny hafa izay sitrapon’Andriamanitra sy izay tsy maintsy ataon’izy ireny mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra. Mpitory sy mpampianatra manontolo andro izy ary nahita fifaliana lehibe tamin’ny fanaovana izany asa izany. Noho izany, dia ara-dalàna ny handraisantsika fifaliana bebe kokoa arakaraka ny hanaovantsika bebe kokoa ny asan’i Jehovah. Azonao atao koa ve ny manompo manontolo andro amin’ny asa fitoriana mba hitomboan’ny fifalianao koa?
Ny fanampiana amboniny mba hihazonana fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia ny fanaovana izay hampahazava tsara hatrany ny fahitana ny hoavy. Izany no nataon’i Jesosy. “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”. Ho azy, ny fifaliana dia ny fanehoana fahatokiana teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny farany ary avy eo dia tamin’ny fahazoana ny valisoa tamin’ny naha-mpanjaka teo an-tanana ankavanan’ny Rainy. — Hebreo 12:2.
Alao sary an-tsaina ny fifaliana ho avy izay miandry an’ireo izay manao hatrany ny sitrapon’Andriamanitra. Izy ireo dia hahita ny fandringanana an’ireo izay mikiry manao ny sitrapony manokana feno fitiavan-tena, na dia miteraka fijaliana ho an’izay miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra aza izany. (2 Tesaloniana 1:7, 8). Eritrereto ny ho fifalian’ireo olon-tiana hatsangana amin’ny maty rehefa hahazo ny fahafahana hianatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. Na saintsaino koa ny fikasan’Andriamanitra hamerina ny tany ho Paradisa indray. Ary farany, dia alao sary an-tsaina ny fahafahana ho azo rehefa ho ringana tanteraka i Satana, ilay mpanohitra ny sitrapon’Andriamanitra.
Eny, ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia afaka mitondra fifaliana be dia be dieny izao sy fahasambarana tsy hanam-pahataperana amin’ny hoavy. Na toy inona na toy inona fihetsika asetrin’ny olona antsika eny amin’ny asa fitoriana, dia aoka isika hanahaka ny ohatr’i Jesosy, amin’ny fahitana fahafinaretana eo am-panaovana ny sitrapon’ny Rainy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Salamo 40:8 (NW ).