-
Mpivaro-tenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Noraran’ny Lalàna tsy hanambady vehivavy mpivaro-tena ny mpisorona. Raha nivaro-tena ny zanakavavin’ny mpisorona, dia novonoina ho faty ary avy eo nodorana. (Le 21:7, 9, 14) Tsy azo nekena ho fanomezana tao amin’ny tranon’i Jehovah ny “karaman’ny mpivaro-tena” satria zava-maharikoriko amin’i Jehovah izany.—De 23:18.
-
-
FanoharanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nolazain’i Jesosy eo amin’ny andininy faha-31 sy 32 ny fampiharana an’ilay fanoharana. Hoatran’ilay zanaka voalohany ireo lehiben’ny mpisorona sy anti-panahin’ny vahoaka niresahany, satria nihambo ho nanompo an’Andriamanitra. Hoatran’ilay zanaka faharoa kosa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino an’i Jaona Mpanao Batisa. Tsy nety nanompo an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nanenina ka niova.
-