Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka
TAO amin’ny tempoly i Jesosy. Vao avy nahavery hevitra ireo filoha ara-pivavahana izay nanontany azy ny amin’ny fahefana nanaovany zavatra izy. Mbola tao anatin’ny fisafotofotoana ireo raha nanontany azy toy izao i Jesosy: “Fa ahoana kosa no hevitrareo?” Ary dia nohazavainy tamin’ny alalan’ny fanoharana iray ny hoe karazan’olona nanao ahoana tokoa izy ireo raha ny marina.
“Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy, hoy i Jesosy, dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?”, hoy ny fanontanian’i Jesosy.
“Ny lahimatoa”, hoy ireo mpanohitra azy.
Koa dia nanazava toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Raha ny marina, teo am-boalohany, ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia nanda ny hanompo an’Andriamanitra. Kanefa, tatỳ aoriana, tahaka ilay lahimatoa, dia nanenina izy ireo ary nanompo an’Andriamanitra ihany. Tetsy an-daniny, ireo mpitondra fivavahana, toy ilay faralahy, dia nihambo ho nanompo an’Andriamanitra, kanefa nanamarika toy izao i Jesosy: “Fa Jaona [Mpanao batisa] nankany aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy hianareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.”
Avy eo dia nasehon’i Jesosy fa ny fahadisoan’ireo mpitondra fivavahana dia tsy tamin’ny hoe nanao tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra fotsiny izy ireo. Tsia, fa tena olon-dratsy, ratsy fanahy tokoa izy ireo. “Nisy lehilahy tompon-trano, hoy ny fitantaran’i Jesosy, nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, ary dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ny tany hafa izy. Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany handray ny vokatra. Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.”
Ny “mpanompo” dia ireo mpaminany izay nirahin’ny “tompon-trano”, Jehovah Andriamanitra, ho any amin’ny “mpiasa” ny ‘tanimboalobony’. Ireo mpiasa tany dia ireo mpitondra teo amin’ny firenen’i Isiraely izay tondroin’ny Baiboly ho toy ny ‘tanimboalobok’Andriamanitra’.
Koa satria nampahory sy namono ny “mpanompo” ireo “mpiasa tany”, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy [tompon’ny tanimboaloboka] ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka dia niresaka hoe: Ity no mpandova, andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ny tanimboaloboka, dia namono azy.”
Nanontany ireo mpitondra fivavahana izao i Jesosy: “Koa raha tonga ny tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?”
“Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, hoy ny navaliny an’i Jesosy, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoany avy.”
Tamin’izany, ireo mpitondra fivavahana dia nanonona tsy tamim-piheverana ny fanamelohana ny tenany ihany, satria anisan’ireo “mpiasa” isiraelita ny ‘tanimboalobok’i Jehovah’, anisan’ny firenen’Isiraely, izy ireo. Ny vokatra nantenain’i Jehovah ho azo avy amin’ireo mpiasa tany dia ny finoana ny Zanany, ilay tena Mesia. Noho ny tsy nanomezany izany vokatra izany, dia nampitandrina azy ireo toy izao i Jesosy: “Tsy mbola novakinareo va ny teny [ao amin’ny Salamo 118:22, 23] ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro; avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika’? Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.”
Izao ireo mpanora-dalana sy mpisoronabe dia nahatakatra fa izy no noresahin’i Jesosy ary ta hamono azy, ilay tena “mpandova” marina, izy ireo. Koa dia hesorina amin’izy ireo amin’ny maha-firenena ny tombontsoa ho mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ary hoforonina ny firenena vaovao na mpiasan’ny tanimboaloboka, firenena iray izay hamokatra ny voany sahaza azy.
Satria natahotra ny vahoaka izay nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany ireo mpitondra fivavahana, dia tsy sahy namono azy tamin’io fotoana io. Matio 21:28-46; Marka 12:1-12; Lioka 20:9-19; Isaia 5:1-7.
◆ Mampiseho an’iza moa ireo zanaka roa lahy tao amin’ny fanoharana voalohany nataon’i Jesosy?
◆ Iza moa no asehon’ny “tompon-trano”, ny “tanimboaloboka”, “ny mpiasa tany”, ny “mpanompo”, ary ny “mpandova”, ao amin’ny fanoharana faharoa?
◆ Inona no hanjo an’ireo ‘mpiasan’ny tanimboaloboka’ ary hosoloana an’iza izy ireo?