-
FitiavanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo itarina ny fitiavana. Azo itarina ny tena fitiavana, izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (2Ko 6:11-13) Tsy natao hotsitsina na hoferana izy io, ary tsy maintsy zaraina mba ho feno. Andriamanitra aloha no tsy maintsy tiavina (De 6:5), eo koa ilay Zanany (Ef 6:24), avy eo ny rahalahy rehetra eran-tany (1Pe 2:17; 1Jn 2:10; 4:20, 21). Tsy maintsy tia ny vadiny koa ny olona. (Oh 5:18, 19; Mpto 9:9; Ef 5:25, 28, 33) Azo itarina hatrany amin’ny zanaka koa ny fitiavana. (Tit 2:4) Tokony hotiavina ny olona rehetra, eny fa na dia ny fahavalo aza, ka tokony hanao soa amin’izy ireny ny Kristianina. (Mt 5:44; Lk 6:32-36) Hoy ny Baiboly momba ireo vokatry ny fanahy (ny fitiavana no voalohany amin’izy ireo): “Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” (Ga 5:22, 23) Tsy misy lalàna mametra an’io fitiavana io. Azo atao foana ny maneho fitiavana amin’izay tokony hotiavina, na aiza na aiza, ary tsy misy fetrany izany. Ny fitiavana ihany, raha ny marina, no trosa ananan’ny Kristianina amin’izy samy izy. (Ro 13:8) Io fifankatiavana io no amantarana ny tena Kristianina.—Jn 13:35.
-
-
SainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tia amin’ny saina. Nilaza mialoha Andriamanitra fa hanao fifanekena vaovao, ka hosoratan’ny fanahy masina ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olony ny lalàny. (He 8:10; 10:16) Amin’izay dia ho vitan’izy ireo ny hanatanteraka an’ireo didy roa fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany, dia ny ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy ny tena manontolo ary ny saina manontolo’, ary ny ho ‘tia ny namana tahaka ny tena.’ (Mt 22:37-40; Lk 10:27, 28) Tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo (ny faniriany, ny fihetseham-pony, ary ny toetrany) ny olona, sy amin’ny tenany manontolo (ny fiainany sy ny maha izy azy), ary amin’ny sainy manontolo (izay zavatra mety ho vitan’ny sainy). Tsy hoe tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony sy amin’ny heriny fotsiny àry ny mpanompony, fa tokony hiezaka mafy koa hampiasa ny sainy mba hahazoana fahalalana an’Andriamanitra sy Kristy (Jn 17:3), mba hahatakarana fanazavana (Mr 12:33; Ef 3:18), mba hanompoana an’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony, ary mba hitoriana ny vaovao tsara. Nampirisihina toy izao izy ireo: “Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo amin’ny zavatra any ambony” (Kl 3:2), “hatanjaho hiatrika asa ny sainareo, ary aoka ianareo hisaina tsara foana.” (1Pe 1:13) Tsapan’ny apostoly Petera fa nilaina ny ‘hanairana ny fahaizan’izy ireo misaina tsara’, mba ho tadidin’izy ireo izay efa nianarany. (2Pe 3:1, 2) Tokony hataon’izy ireo “an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!”—2Pe 3:11, 12.
-
-
Teny FoloFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fehezan-dalàna tonga lafatra ny Teny Folo satria avy amin’Andriamanitra. Nanontany an’i Jesosy Kristy ny lehilahy iray “nahay Lalàna” hoe: “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?” Namaly i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Mamintina an’ireo didy efatra (na angamba dimy) voalohany amin’ny Didy Folo io didy io, raha ny marina. Ny ambiny amin’ny Didy Folo kosa nofintinin’i Jesosy tamin’ilay hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Mt 22:35-40; De 6:5; Le 19:18.
-