Ny Fiheveran’ny Baiboly
Sarobidy Ianao eo Imason’Andriamanitra!
“NAMPAHORIN’NY FAHATSAPANA HO TSY MISY VIDINY AHO, NANDRITRA NY ANDROATOKOM-PIAINAKO”, HOY NY NOSORATAN’NY VEHIVAVY KRISTIANINA IRAY. “NA TIAKO BE AZA I JEHOVAH, ARY NA MANAO EZAKA BETSAKA AZA AHO HANOMPOANA AZY, DIA MAHATSAPA FOANA AHO HOE MBOLA TSY AMPY IZANY.”
MAHAFANTATRA olona miady amin’ny fihetseham-po lalina ho tsy ampy fahaizana, na fahatsapana ho tsy misy vidiny ve ianao? Sa ny tenanao mihitsy no mahatsapa toy izany indraindray? Tsy hoe tsy fahita akory ny fihetseham-po toy izany, na dia eo amin’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra aza. Tsy misy vita fanefitra amin’ny vokatry ny fiainana amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. Maro no natao an-kilabao sy nampijalin’ny olona ‘tsy manana fifehezan-tena, lozabe, tsy manam-pitiavana izay tsara’ — lafin-toetra izay mahazo vahana amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Mety hamela holatra ara-pihetseham-po lalina ny zavatra mampanaintaina toy izany, ka hiteraka fahatsapana ho tena tsy misy vidiny.
Amin’ny toe-javatra hafa, dia mety ho ny fametrahan’ny olona fari-pitsipika ambony loatra ho an’ny tenany no miteraka fihetseham-po ratsy toy izany. Ny tsy fahafahany manatratra ireny fari-pitsipika ireny dia manamafy ny fahatsapana ho tsy misy ilana azy tsotra izao. Na inona na inona antony, dia mety ho sarotra amin’ireo izay miady amin’ny fahatsapana ho tsy misy vidiny ny mahita ny antony itiavan’Andriamanitra, na itiavan’olon-kafa na iza na iza, azy. Mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa tsy mendrika hotiavina tsotra izao ny tenany.
Tsy toy izany anefa no fihevitr’i Jehovah Andriamanitra! Ao amin’ny Teniny, dia mampitandrina antsika i Jehovah mba hiaro tena amin’ny “tetikady feno fitaka” ampiasain’i Satana Devoly, Fahavalony. (Efesiana 6:11, Jewish New Testament). Mampiasa ny tetikadiny feno fitaka i Satana mba hanandramana hampitsahatra antsika tsy hanompo ny Andriamanitsika. Mba hahatratrarana izany zava-kendrena izany, dia mampitombo ao amintsika fahatsapana ho tsy misy vidiny izy, fahatsapana fa tsy hihevitra antsika ho mendrika hotiavina mihitsy i Jehovah. “Mpandainga” anefa i Satana, ary “rain’ny lainga”, raha ny marina. (Jaona 8:44). Noho izany, dia tsy tokony ho voafitaky ny tetikadiny feno fitaka isika! Ny tenan’i Jehovah mihitsy no miteny ao amin’ny Baiboly, ary manome toky antsika indray izy fa sarobidy eo imasony isika.
Fomba fihevitra voalanjalanja momba ny fahamendrehantsika
Mampitandrina antsika ny amin’ny voka-dratsy mety hoentin’ny fahakiviana eo amintsika ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 24:10: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Mety handreraka antsika ny fihetseham-po ratsy maharitra ao anatintsika ao, ka mahatonga antsika hahatsapa ho osa sy ho mora iharan-javatra. Afaka mahazo antoka ianao fa fantatr’i Satana tsara izany. Efa sarotra ny toe-javatra raha toa ka misy fahatsapana ho tsy misy vidiny mampahory ny fontsika. Kanefa, vao mainka mihamavesatra ny toe-javatra toy izany, rehefa manandrana manararaotra ny fihetseham-po tahaka izany i Satana.
Zava-dehibe àry ny ananantsika fomba fihevitra mahasoa sy voalanjalanja momba ny fahamendrehan’ny tenantsika. “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo”, hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly, “Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony”. (Romana 12:3). Misy fandikan-teny hafa mandika ireo teny ireo hoe: “Hilaza amin’ny tsirairay aminareo aho mba tsy hihevi-tena ho misy vidiny mihoatra noho ny tena izy, fa mba hanombana ny tenany araka ny antonony.” (Charles B. Williams). Mampirisika antsika àry io andinin-teny io mba hanana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny tenantsika. Sady tsy maintsy mitandrin-tena isika mba tsy hizahozaho, no tokony hiezaka koa mba tsy ho latsaka ao amin’ny mifanipaka indrindra amin’izany, satria milaza tsy mivantana i Paoly fa tena ilaina ny hananantsika fiheverana ny tenantsika, mba hiheverana izay antonony. Eny, teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia nilaza i Paoly fa sarobidy ny tsirairay amintsika eo imason’i Jehovah.
Voalaza tsy mivantana ao amin’ireto tenin’i Jesosy ireto koa ny fiheverana voalanjalanja hoe misy vidiny ny tena: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39). Ny teny hoe “tahaka ny tenanao” dia manondro fa tsy maintsy manana fiheveran-tena ho misy vidiny, ho manana haja, ihany isika. Marina fa manana fahalemena isika ary manao fahadisoana. Rehefa miezaka mafy anefa isika mba hampifaly an’Andriamanitra, ary manenina noho ireo fahalementsika, ka mitady ny famelany ny helotsika, dia mbola afaka mihevi-tena ho misy vidiny ihany isika. Mety hikiry hanakiana mafy antsika ihany ny fontsika, nefa tadidio izao: “Andriamanitra lehibe noho ny fontsika”. (1 Jaona 3:20). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mety ho hafa tanteraka noho ny fomba ahitantsika ny tenantsika no ahitan’i Jehovah antsika.
Fo mangorakoraka, fanahy torotoro
Nanoratra toy izao i Davida, mpanao salamo: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18). Rehefa nanazava io andinin-teny io ny Matthew Henry’s Commentary on the Whole Bible, dia nanamarika toy izao: “Toetran’ny olona mahitsy ny (...) manana fo mangorakoraka sy fanahy feno nenina, izany hoe nampietrena izy ireo noho ny ota, ary tsy manana fahatsapana ho misy vidiny; ambany no fiheverany ny tenany, ary tsy matoky ny fahamendrehan’ny tenany izy.”
Ireo izay “manana fo mangorakoraka” sy “torotoro fanahy” dia mety hahatsapa fa lavitra azy i Jehovah, ary tena tsy misy dikany amin’i Jehovah izy ireo, ka tsy hiahy azy ireo izy. Tsy izany anefa no izy. Manome toky antsika ny tenin’i Davida fa tsy mahafoy an’ireo izay ‘mihevi-tena ho ambany’ i Jehovah. Fantatr’ilay Andriamanitsika be fangoraham-po fa amin’ny fotoana toy izany dia mila azy mbola tsy nisy toy izany isika, ary akaiky antsika izy.
Hevero ny ohatra iray. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nidodododo nitondra ny zanany lahy, roa taona, tany amin’ny hopitaly ny reny iray, satria voa mafy noho ny fivontosan’ny lohatraoka io zaza io. Rehefa avy nizaha an’ilay zaza ny dokotera, dia nampahafantatra an’ilay reny fa ho voatery hihazona an’ilay zaza tany amin’ny hopitaly izy ireo nandritra ny alina. Taiza ilay reny no nandany ny alina manontolo? Teo ambony seza tao amin’ny efitry ny hopitaly, teo anilan’ny fandriana nisy ilay zanany. Narary ny zanany kely, ary tena tokony ho teo akaikiny izy. Azo antoka fa afaka manantena isika fa manao mihoatra noho izany ny Raintsika be fitiavana any an-danitra, satria araka ny endriny no nanaovana antsika! (Genesisy 1:26; Isaia 49:15). Manome toky antsika ireo teny manohina ny fo ao amin’ny Salamo 34:18 fa rehefa manana “fo mangorakoraka” isika, dia ‘eo akaikintsika’ i Jehovah, toy ny ray be fitiavana, izay miambina sy maneho fiahiana ary vonon-kanampy mbola tsy nisy toy izany. — Salamo 147:1, 3.
“Mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo”
Nandritra ny fanompoany teto an-tany, i Jesosy dia nampiharihary zavatra betsaka momba ny fihevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony, anisan’izany izay tsapan’i Jehovah momba ny mpanompony eto an-tany. Tsy indray mandeha monja izy no nanome toky an’ireo mpianany ny amin’ny hasarobidin’izy ireo eo imason’i Jehovah. — Matio 6:26; 12:12.
Ohatra, rehefa nanao fanoharana ny amin’ny fahamendrehan’ny tsirairay amin’ireo mpianany i Jesosy, dia nilaza toy izao: “Tsy [vola madinika iray tsy misy vidiny firy, NW ] ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29-31). Hevero ny tsy maintsy ho dikan’ireo teny ireo ho an’ny mpihaino an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany.
Miharihary fa anisan’ny vorona mora vidy indrindra tamin’ny vorona rehetra natao sakafo ny tsintsina. Mazàna no novolosana ireny vorona madinika ireny, notsindronina tamin’ny hazo maranitra, ary natono toy ny masikita. Tsy isalasalana fa i Jesosy dia efa nahita vehivavy nahantra teny an-tsena nanisa ny vola madinika tany aminy mba hahitana hoe tsintsina firy no mety ho voavidiny. Kely dia kely ny vidin’ireny vorona ireny, hany ka nahazoana tsintsina roa ny vola madinika iray tsy nisy vidiny firy (ara-bakiteny dia asaria iray, latsaka ny dimam-polo ariary).
Namerina io fanoharana io indray i Jesosy tatỳ aoriana, saingy nisy fahasamihafana kely. Araka ny voalaza ao amin’ny Lioka 12:6, dia niteny toy izao i Jesosy: “Tsy [vola madinika roa tsy misy vidiny firy, NW ] va no vidin’ny tsintsina dimy?” Eritrereto ange e! Nahazoana tsintsina roa ny vola madinika iray tsy nisy vidiny firy. Raha niomana handany vola madinika roa anefa ilay mpividy, dia tsy tsintsina efatra no azony, fa dimy. Ilay vorona iray amboniny dia nomena fotsiny, toy ny hoe tsy nisy vidiny mihitsy izy io. “Nefa”, hoy i Jesosy, “tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza [na dia ilay iray nomena fotsiny aza].” Nampiseho ny fampiharana io fanoharana io i Jesosy, ary namarana ny teniny toy izao: “Mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Lioka 12:7). Tsy maintsy ho nampahery an’ireo mpihaino azy ireo teny ireo!
Takatrao ve ny hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana manafana ny fo nataon’i Jesosy? Raha heverin’i Jehovah ho misy vidiny na dia ny vorona kely aza, tsy vao mainka ve izy hankamamy ny mpanompony eto an-tany? Eo imason’i Jehovah, dia tsy misy na iray amintsika aza takona ao anaty vahoaka. Sarobidy toy izany ny tsirairay amintsika amin’i Jehovah, hany ka fantany na dia ny tsipiriany faran’izay madinika amintsika aza: ny volon-dohantsika dia voaisa tsirairay.
Mazava ho azy fa hanohy hampiasa ny ‘tetikadiny feno fitaka’ i Satana, dia ny fanararaotana ny fahatsapana ho tsy misy vidiny, mba tsy hanompoantsika an’i Jehovah intsony. Aza avela handresy anefa i Satana! Tsarovy ilay vehivavy kristianina voalaza terỳ am-piandohana. Lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izay nampitandrina ny amin’ny ezaka ataon’i Satana mba hanararaotana ny fihetseham-pontsika no nanampy azy.a Hoy izy: “Tsy takatro mihitsy fa miezaka mampiasa ny fihetseham-poko i Satana mba hanakiviana ahy. Ny fahalalana izany dia manome ahy antony manosika hiadiana amin’ireo fihetseham-po ireo. Afaka mahatohitra amim-patokiana ireny fanafihan’i Satana ireny aho izao.”
“Mahalala ny zavatra rehetra” i Jehovah. (1 Jaona 3:20). Eny, fantany izay zavatra iaretantsika ankehitriny. Fantany koa izay zavatra niainantsika tamin’ny lasa ka mety ho nanamontsamontsana ny hajan’ny tenantsika. Tadidio fa ny fomba fihevitr’i Jehovah antsika no zava-dehibe! Na dia mety hihevitra antsika ho tsy mendrika hotiavina na tsy misy vidiny aza ny tenantsika, i Jehovah dia manome toky antsika indray fa sarobidy aminy ny tsirairay amin’ireo mpanompony. Afaka matoky izay nolazain’i Jehovah isika, satria, tsy toa an’ilay Fahavalony izy, fa “tsy mahay mandainga”. — Titosy 1:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1995, pejy faha-10-15.
[Teny notsongaina, pejy 22]
Eo akaikin’ireo izay malahelo am-po i Jehovah, toy ny raim-pianakaviana iray be fitiavana
[Sary, pejy 23]
Tsy manadino ny tsintsina i Jehovah, koa ahoana no hahafahany hanadino anao?
[Sary nahazoan-dalana]
Lydekker
Illustrated Natural History