Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?
NOSORATANA tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Tsy maintsy hoe Baiboly nadika tamin’ny fiteny hafa àry no vakin’ny ankamaroan’ny olona.
Ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra eran-tany. Misy amin’ny fiteny 2 400 mahery izy io, na ny ampahany aminy. Ny fiteny sasany aza manana fandikan-teny maro. Azo antoka fa ny fandikan-teny tsara indrindra no hofidinao, satria misy maromaro amin’ny fitenintsika.
Diniho ireto raha tianao ho fantatra izay fandikan-teny tsara: Inona avy no karazana fandikan-teny? Inona no maha samy hafa azy ireny? Nahoana ianao no tokony hitandrina rehefa mamaky ny Baiboly sasany?
Ireo karazana fandikan-teny
Maro ny fomba fandikana Baiboly, fa azo sokajina ho telo lehibe. Eo, ohatra, ny dikan-teny isan’andalana. Ahitana ireo teny tany am-boalohany izy io, miaraka amin’ny dikan’ny teny tsirairay ara-bakiteny.
Misy koa ny fandikan-teny malalaka, izany hoe lazain’ny mpandika teny amin’ny fomba hafa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Ataony araka izay fahazoany azy, sy izay heveriny fa hanintona ny mpamaky izany.
Ny sokajy fahatelo kosa, dia ny fandikan-teny eo anelanelan’ireo. Miezaka mandika ny hevitra sy ny fihetseham-po ao amin’ireo teny tany am-boalohany, ny mpandika teny. Ataon’izy ireo mora azo koa ilay izy.
Ny fandikana ara-bakiteny ve no tsara indrindra?
Matetika no tsy mazava ny andinin-teny, rehefa adika ara-bakiteny. Nahoana? Maro ny antony, fa ireto misy roa:
1. Tsy mitovy mihitsy ny fitsipi-pitenenana sy voambolana ary firafitry ny fehezanteny, amin’ny fiteny samihafa. Milaza i S. Driver, mpampianatra teny hebreo, fa ‘tsy ny fitsipi-pitenenana sy ny voambolana ihany no tsy mitovy [eo amin’ny fiteny], fa ny firafitry ny hevitra ao amin’ny fehezanteny koa.’ Tsy mitovy fomba fisainana ny olona tsy mitovy fiteny. Hoy koa izy: “Izany no tsy mampitovy ny firafitry ny fehezanteny amin’ny fiteny samy hafa.”
Tsy hitovy amin’ny voambolana sy fitsipi-pitenenana hebreo sy grika mihitsy ny an’ny fiteny hafa. Tsy mazava na mety ho diso àry ny fandikana ara-bakiteny. Ireto misy ohatra:
Raha adika ara-bakiteny ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:14, dia hoe “kodiakelin’ny olona.” (Ny Soratra Grika—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana, anglisy)a Manondro ny fitapitaka ataon’ny olona milalao kodiakely io teny io. Tsy misy heviny anefa izy io amin’ny ankamaroan’ny fiteny, rehefa adika ara-bakiteny. Mazava kokoa àry ilay izy raha atao hoe “famitahan’ny olona.”
Nampiasa teny grika midika ara-bakiteny hoe “amin’ny fanahy mangotraka” i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Romanina. (Romanina 12:11, Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana) Misy dikany ve izany amin’ny fiteninao? Midika hoe “harehitry ny fanahy” anefa ilay teny.
Anisan’ny toriteny malaza nataon’i Jesosy, ilay teny nadika matetika hoe: “Sambatra ny malahelo am-panahy.” (Matio 5:3) Nisy anefa nandika azy io ara-bakiteny be. Tsy mazava àry ny hevitr’ilay hoe “malahelo am-panahy”, fa lasa hoe tsy salama saina, na malemilemy sy tsy manana hazondamosina. Ny tian’i Jesosy holazaina anefa dia izao: Tsy ny zavatra hita maso no mahasambatra ny olona, fa ny fanekeny hoe mila ny tari-dalan’Andriamanitra izy. (Lioka 6:20) Marina kokoa àry ny fandikan-teny hoe ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.
2. Mety hiova ny hevitry ny teny, arakaraka ny teny manodidina. Mety hanana heviny maro, ohatra, ilay teny hebreo nadika hoe tanana. Midika hoe fahefana na fahalalan-tanana izy io indraindray. (2 Samoela 8:3; 1 Mpanjaka 10:13) Misy fomba 40 samy hafa nandikana an’io teny io ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny anglisy.
Misy vokany eo amin’ny fomba andikana ny teny iray ny teny manodidina azy. Mampiasa teny anglisy efa ho 16 000 àry ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba handikana teny grika 5 500 eo ho eo, ary teny anglisy 27 000 mahery handikana teny hebreo 8 500 eo ho eo.b Nahoana no miovaova toy izany ny fomba andikana ny teny? Tsara kokoa, hoy ny komitin’ny fandikan-teny, raha ny hevitry ny teny no adika arakaraka ny teny manodidina, fa tsy atao ara-bakiteny fotsiny. Raha mbola azo atao anefa, dia mitovy foana ny fomba andikana ny teny hebreo na grika iray, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Tsy voatery hitovy foana àry ny fomba andikana ny teny iray, ao amin’ny Baiboly. Mila mahay mandinika ny mpandika teny, ka mifidy teny marina tsara sy mora azo. Tokony hifanaraka amin’ny fitsipi-pitenenan’ilay fiteny koa ny fehezanteny ampiasainy.
Tsara ve ny fandikan-teny malalaka?
Somary miova amin’ny hevitra tany am-boalohany io fandikan-teny io. Nahoana? Satria mampiditra ny heviny manokana ireo mpandika teny. Na koa misy hevitra voalaza tao amin’ny teny tany am-boalohany nefa tsy adikany. Mety hanintona ny olona ilay fandikan-teny satria mora vakina. Tsy mazava anefa ilay izy, sady manova ny hevitry ny teny tany am-boalohany.
Izao no lazain’ny Baiboly dikan-teny malalaka iray, momba ilay vavaka nampianarin’i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, ampahafantaro ny momba anao.” (Matio 6:9, Ilay Hafatra: Baiboly Amin’ny Fiteny Maoderina, anglisy) Izao anefa no fandikan-teny marina kokoa: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Mariho koa ny fomba nandikan’ny Baiboly sasany ny Jaona 17:26. Araka ny dikan-teny malalaka iray, dia nivavaka tamin’ny Rainy toy izao i Jesosy ny alina nisamborana azy: “Nampahafantariko azy ianao.” (Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Marina kokoa anefa ilay fandikana hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” Voamarikao ve fa misy mpandika teny manafina hoe manana anarana Andriamanitra, nefa tokony hampiasaina sy hankalazaina izy io?
Nahoana no ilaina ny mitandrina?
Tsy mazava ao amin’ny fandikan-teny malalaka sasany, ny fitsipi-pitondran-tena nomen’Andriamanitra. Hoy, ohatra, ilay dikan-teny hoe Ilay Hafatra: Baiboly Amin’ny Fiteny Maoderina, ao amin’ny 1 Korintianina 6:9, 10: “Tsy fantatrareo ve fa tsy izany no tokony ho fomba fiaina? Tsy ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina izay tsy miraharaha azy. Izay mampiasa sy manararaotra ny hafa, mampiasa sy manararaotra ny firaisana, ary mampiasa sy manararaotra ny tany sy izay rehetra eo amboniny, dia tsy mendrika ny ho olom-pehezin’ny fanjakan’Andriamanitra.”
Izao kosa no marina kokoa araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Mariho fa notanisain’i Paoly tsara ireo fitondran-tena tsy mety amin’ny Kristianina. Tsy hita anefa izany tao amin’ilay fandikan-teny malalaka.
Misy vokany eo amin’ny fandikan-teny koa ny zavatra inoan’ny mpandika teny. Hoy, ohatra, ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny, momba ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany: “Midira amin’ny vavahady tery, satria lehibe ny vavahady mankany amin’ny afobe ary tsy sarotra ny mandeha amin’ilay lalana, ka maro no mankany.” (Matio 7:13) Natsofok’ireo mpandika teny ilay hoe “afobe”, na dia mazava aza fa “fandringanana” no tian’i Matio holazaina. Nahoana izy ireo no nanao izany? Satria tiany hino ny olona hoe hampijalina mandrakizay ny ratsy fanahy, fa tsy haringana.c
Inona no fandikan-teny tsara?
Nosoratana tamin’ny fiteny andavanandro fampiasan’ny olon-tsotra toy ny mpamboly, mpiandry ondry, ary mpanarato, ny Baiboly. (Nehemia 8:8, 12; Asan’ny Apostoly 4:13) Ny fandikan-teny tsara àry dia izay mora azon’ny olona tso-po rehetra, na inona na inona fahaizany na fari-piainany. Ankoatra izany, izy io dia tokony:
◗ Hampita ny hafatr’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara, toy ny tany am-boalohany.—2 Timoty 3:16.
◗ Handika ny teny ara-bakiteny, raha tsy hafahafa ny firafitr’izany amin’ilay fiteny andikana azy.
◗ Handika izay hevitra tokony hivoaka, raha tsy mazava na diso ilay izy rehefa atao ara-bakiteny.
◗ Hampiasa fiteny tsotra sy mora azo ary tsy sarotra vakina.
Misy fandikan-teny toy izany ve? Olona an-tapitrisany mamaky an’ity gazety ity no tia kokoa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nahoana? Satria hitan’izy ireo hoe tsara ny fomba nampiasain’ny komitin’ny fandikan-teny nanao azy io. Izao no voalazan’ny sasin-tenin’ny fanontana voalohany amin’ny teny anglisy: “Tsy nanao fandikan-teny malalaka izahay. Nadikanay ara-bakiteny kosa ny Soratra Masina, raha mbola mety amin’ny teny anglisy fampiasa ankehitriny izany sady mazava ny hevitra.”
Navoaka tamin’ny fiteny 60 mahery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, na ny ampahany aminy. Maherin’ny 145 tapitrisa no efa natao pirinty! Afaka mangataka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, satria misy amin’ny teny malagasy izy io. Handray soa amin’io fandikan-teny marina tsara io ianao amin’izay.
Maniry hahazo tsara ny hafatr’Andriamanitra sy hampihatra izany ny mpianatra Baiboly tso-po. Raha tianao koa izany, dia tokony hanana fandikan-teny marina tsara ianao, sady tena ilainao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ahitana ny teny tany am-boalohany sy ny dikan’ny teny tsirairay ara-bakiteny, ny dikan-teny isan’andalana.
b Tsara homarihina fa misy Baiboly hafa amin’ny teny anglisy mampiasa teny maro kokoa noho ireo, mba handikana ny teny grika sy hebreo.
c Ampianarin’ny Baiboly fa miverina ho amin’ny vovoka isika rehefa maty, fa tsy hoe mbola miaina any ankoatra. Tsy mieritreritra na manana fihetseham-po intsony koa ny maty. (Genesisy 3:19; Mpitoriteny 9:5, 6) Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe ampijalina mandrakizay ao amin’ny afobe ny ratsy fanahy.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Mety hanintona ny olona ny fandikan-teny malalaka satria mora vakina. Tsy mazava anefa ilay izy sady manova ny hevitry ny teny tany am-boalohany
[Teny notsongaina, pejy 22]
Navoaka tamin’ny fiteny 60 mahery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, na ny ampahany aminy. Maherin’ny 145 tapitrisa no efa natao pirinty!
[Efajoro/Sary, pejy 20]
DIKAN-TENY MALALAKA FAHINY
Tsy vao izao no misy Baiboly amin’ny fandikan-teny malalaka. Efa nanana izany, ohatra, ny Jiosy fahiny. Antsoina hoe Targoma Aramianina izy io, na Soratra Masina nadika tamin’ny fomba hafa. Tsy tena marina io fandikana io, kanefa hita tamin’izy io hoe inona no hevitra tao an-tsain’ny Jiosy momba ny teny sasany. Manampy ny mpandika teny hamantatra ny hevitry ny andinin-teny sarotra koa ilay izy. Nadika hoe “andian’anjely”, ohatra, ny hoe “zanak’Andriamanitra” ao amin’ny Joba 38:7. Araka ny Targoma koa, ilay teny hebreo nilazana an’i Nimroda ao amin’ny Genesisy 10:9, dia midika hoe “miady” na “manohitra”, fa tsy “eo anatrehan’i” fotsiny. Tsy natao ho solon’ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly anefa ireny fanazavana ireny, na dia nosoratana teo akaikiny aza.
[Sary]
AMPAHANY AMIN’NY “BAIBOLY MISY FITENY MARO” (LATININA), NATAON’I WALTON, VITA TAMIN’NY 1657, JOBA 38:1-15
Teny hebreo (misy fandikan-teny isan’andalana amin’ny teny latinina)
Ireo andininy ireo, ao amin’ny Targoma Aramianina
[Sary, pejy 19]
AMPAHANY AMIN’NY “SORATRA GRIKA—FANDIKAN-TENY ISAN’ANDALAN’ILAY FANJAKANA”, EFESIANINA 4:14
Eo ankavia, nadika ara-bakiteny ireo teny. Eo ankavanana, ny hevitra no nadika
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Eo andamosina: Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem