Jesosy ny fiainany sy ny fanompoany
Namarana ny fanompoany tao amin’ny tempoly izy
NISEHO farany tao amin’ny tempoly i Jesosy. Ary raha ny tena izy, dia izany no namarana ny fanompoany ampahibemaso teto an-tany, raha tsy resahina ireo zava-nitranga nifandray tamin’ny nitsarana sy namonoana azy telo andro taorian’io. Izao izy dia mbola nanohy ny fanasaziany ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.
Mbola nanohy nihiaka intelo izy hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!” Ny loza voalohany aloha dia satria izy ireo nanadio “ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.” Nananatra azy ireo toy izao àry izy: “Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.”
Ny loza nanaraka notononiny tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia noho ny toetra lo sy simba tao anatiny izay nandramany nafenina tamin’ny alalan’ny fitiavam-pivavahana ivelany. “Hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy”, hoy izy, “izay miseho ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.”
Ary farany, ny fihatsarambelatsihy dia hita niharihary tamin’ny fahadodonany hanao fasana ho an’ny mpaminany ary tamin’ny fampihaingoany izany mba hanintonana ny sain’ny olona ho amin’ny asam-piantrana nataony. Kanefa, araka ny nampihariharian’i Jesosy azy, izy ireo dia “zanak’izay namono ny mpaminany.” Marina tokoa fa notandindomin-doza izay sahy nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’izy ireo!
Nanohy ny fanamelohany azy ireo i Jesosy tamin’ny fanononana ny teniny mahery indrindra toy izao: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo [Gehena, MN ]?” Ny Gehena dia ilay lohasaha nampiasaina ho fanariam-pakon’i Jerosalema. Raha nilaza izany àry i Jesosy dia mba hampisehoana fa noho ny fanohizany hanaraka ny lalan-dratsiny, ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia hiharan’ny fandringanana mandrakizay.
Raha niresaka ny amin’ireo izay halefany mba ho solontenany i Jesosy dia nilaza hoe: “Ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra, — mba hanody anareo ny ra marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia [antsoina hoe Joiada ao amin’ny 2 Tantara], izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.”
Noho i Zakaria nanafay tamin-kerim-po an’ireo mpitarika ny Isiraely, dia “nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah.” Kanefa araka ny naminanian’i Jesosy azy mialoha, dia tsy maintsy hanody ny Isiraely izany ra marina rehetra nalatsany izany. 37 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 70 am. fan. ir., no nahazoan’izy ireo ny valin’izany rehefa nandrava an’i Jerosalema ireo tafika romana ka ringana ny Jiosy maherin’ny iray tapitrisa.
Raha nieritreritra izany tarehin-javatra nahatahotra izany i Jesosy dia nalahelo mafy. “Ry Jerosalema, ry Jerosalema”, hoy izy nihiaka indray, “impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”
Avy eo dia nanampy toy izao i Jesosy: “Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” Izany andro izany dia mandritra ny fanatrehan’i Kristy rehefa tonga ao amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ka ho hitan’ny olona amin’ny mason’ny finoana.
Izao i Jesosy dia nankeo amin’ny toerana iray nahafahany nandinika ireo fandatsahan-drakitry ny tempoly sy ny fandatsaky ny vahoaka vola tao. Ny mpanan-karena dia nandatsaka vola be. Fa tonga kosa ny mpitondratena nalahelo iray ary nandatsaka farantsakely roa ambany dia ambany vidy.
Niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy ka nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.” Tsy maintsy nanontany tena ireo hoe amin’ny ahoana no hetezan’izany. Nanazava izany toy izao àry i Jesosy: “Ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.” Rehefa avy niteny izany i Jesosy dia nandao ny tempoly ka tsy niverina tao intsony mihitsy.
Nitolagaga noho ny haben’ilay tempoly sy ny hatsaran-tarehiny ny mpianany ka nihiaka hoe: “Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!” Voalaza tokoa fa ireo vato ireo dia maherin’ny 11 metatra ny halavany, maherin’ny 5 metatra ny sakany, ary maherin’ny 3 metatra ny haavony!
“Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto?” hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.”
Rehefa avy nilaza izany i Jesosy sy ny apostoliny dia namakivaky ny lohasahan’i Kidrona ka nianika ny tendrombohitra Oliva. Avy teo amin’io toerana io izy dia afaka nijery ilay tempoly tsara tarehy fatratra terỳ ambany. Matio 23:25 ka hatramin’ny 24:3; Marka 12:42 ka hatramin’ny 13:3; Lioka 21:1-6; 2 Tantara 24:20-22.
◆ Inona no nataon’i Jesosy nandritra ny fitsidihany farany ny tempoly?
◆ Tamin’ny fomba ahoana no nihariharian’ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?
◆ Inona no dikan’ny hoe “fanamelohana any amin’ny Gehena”?
◆ Nahoana i Jesosy no nilaza fa ilay mpitondratena dia nandatsaka be noho ireo mpanan-karena?