Ny Baiboly sy ny ho avinao
NAHOANA moa ilay Mpanao ny Baiboly, Jehovah Andriamanitra, no afaka milaza mialoha ny ho avy tsy misy diso nefa ny olombelona tsy afaka manao izany? Misy antony anankiroa amin’izany: tsy mba sahala amin’ny olombelona Jehovah fa manan-kery hahefa ny zavatra rehetra. Ary mahalala ny zavatra rehetra koa izy.
“Izaho no Andriamanitra Tsitoha”, hoy Jehovah tamin’i Abrama (Abrahama), efa ho 4000 taona lasa izaya. “Mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao. Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.” Fony Jehovah nanambara taminy fa ho tonga rain’ny “firenena maro” izy, dia 99 taona Abrahama, ary Saraha vadiny momba dia zandriny 10 taona (Genesisy 17:1-4). Nampiasa ny maha-Tsitoha azy, na ny fananany hery hahefa ny zavatra rehetra, Jehovah mba handresena izay rehetra mety ho vato misakana ny fahatanterahan’ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama; navelany hiteraka an’Isaka io patriarka io. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tena tonga razamben’ny Isiraelita sy ny fokom-pirenena hafa tokoa Abrahama. — Genesisy 21:1-3; 25:1-4.
Tanteraka amin’ny fahalalana sy amin’ny fahendrena koa Jehovah, mahalala ny zavatra rehetra izy. Afaka mahita mialoha izay iriny ho hita mialoha izy. Izao no voalaza ny aminy: “Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” — Hebreo 4:13.
Noho ny fananany hery hahefa ny zavatra rehetra sy ny fahalalany ny zavatra rehetra, dia tsy afaka ny tsy hahomby Andriamanitra. Milaza ny ho avy tsy misy diso foana izy, hany ka azony natao ny nilaza hoe: “Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy.” (Isaia 14:24). Aoka hodinihintsika ny sasantsasany amin’ireo faminaniana maro ao amin’ny Baiboly niharihary fa marina.
Faminaniana tanteraka taloha
Taloha i Babylona dia tanàna niankina tamin’ny hafa fotsiny tao amin’ny Empira asyriana. Tany amin’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana anefa io tanàna io dia tonga renivohitry ny Empira babyloniana toa tsy azo noresena. Inona anefa no hitranga amin’izy io? “Ary Babylona (...) dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora; tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby.” Izany no faminaniana nomen’ny Tenin’Andriamanitra, teo amin’ny 100 taona talohan’ny nahatongavan’i Babylona ho herim-panjakana lehibe ary tokony ho 200 taona talohan’ny hianjerany teo an-tanan’ny Mediana sy ny Persiana. Tsy misy mihitsy olona amin’izao andro izao afaka mandà fa tsy tanteraka ireo teny ireo. Hatramin’ny taonjato maro, ny tanànan’i Babylona dia tsy inona fa antontam-bato. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia tsy misy intsony Babylona. — Isaia 13:19, 20.
Tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana dia nitsangana tany Jerosalema ny tempoly kanto iray naorina ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Tantarain’ny Baiboly anefa ny teny notononin’i Jesosy ny amin’io tanàna io sy ny taranaka nitenenany, araka izao: “Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao.” (Lioka 19:43, 44). Nilaza izany i Jesosy tamin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, kanefa tamin’ny taona 66 ny tafika romana vao niakatra hamely an’i Jerosalema. Rehefa toa nadiva handresy ny Romana dia nahagaga fa nihemotra. Tamin’ny 70 anefa izy ireo dia nanao fahirano indray an’ilay tanàna izay tamin’izay fotoana izay dia feno Jiosy tonga mba hankalaza ny Paska tao, ary nohodidininy fefy tsato-kazo marani-doha ny tanàna. Tokony ho dimy volana taty aoriana, dia rava Jerosalema ary araka ny fanombanana dia 1 100 000 tamin’ny mponiny no namoy ny ainy.
Faminaniana eo am-pahatanterahana
Ho tianao ve ny hahita ohatra ny amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly tanteraka tamin’izao androntsika izao? Jesosy tokoa dia nanambara fisehoan-javatra hanondro vanim-potoana lazaina fa “andro farany”. (II Timoty 3:1.) Ireo faminaniana ireo dia mahaforona “famantarana” misy lafiny maro, famantarana ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny (Matio 24:3). Nanomboka tamin’ny 1914, dia miavosa ireo porofon’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy. Raha ny marina, dia hitan’ny tenanao ny fahatanterahany. Ireto ny sasantsasany amin’ny toetoetra mampiavaka izany “famantarana” izany:
Ny ho avin’ny tany: hahita izany ve ianao?
Inona no hitranga hanaraka izany? Ny Baiboly dia mirakitra faminaniana hafa izay mbola tsy maintsy ho tanteraka. Izany no izy ny amin’ireo manambara fa hafahana amin’ny faharatsiana ny tany ary hanjaka eo ny rariny rehefa avy eo. Ho tianao ve ny hahita ho avy toy izany? Inoanao ve fa ampy fahendrena sy ampy hery i Jehovah mba handaminana indray ny zavatra eto amin’ny planetantsika? Raha eny, dia amim-pahalianana no hiheveranao izay nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny ho avin’ny tany.
Ataovy izay hahatonga izany ho ny ho avinao
Raha tianao ny hahita izany ho avy izany, dia tokony hanao zavatra dieny izao ianao. Tsy ho ela, alohan’ny hahatanterahan’ireo faminaniana eo ambony ireo amin’ny fomba feno, dia ‘hanimba izay manimba ny tany’ Jehovah. (Apokalypsy 11:18.) Manome izao torohevitra izao ny Baiboly ao amin’ny Zefania 2:3: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Ampiasao amim-pahendrena àry ny fotoananao dieny izao: ataovy izay hahazoana fahalalana tsara ny Baiboly sy ireo faminaniana ao anatiny, mba hahafahana hanao zavatra amin’ny fomba hahasoa anao, dia ny tenanao sy ireo olon-tianao. Vonona ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hampitombo ny fahalalanao ny ho avy araka ny ampihariharian’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, azy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Soratra hebreo, Jehovah dia antsoina in-48 hoe “Tsitoha” (Shaddaï), ka impito ny hoe “Andriamanitra Tsitoha” (’El Shaddaï). Ao amin’ny Soratra grika izy dia tondroina impolo amin’ny hoe “Tsitoha” (Pantokratôr).
[Efajoro/Sary, pejy 5]
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” (Matio 24:7). Nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, ary araka ny fanombanana, talohan’ny hahavitan’ny ady, dia nahakasika 93 isan-jaton’ny mponina amin’ny gilaoby izany. Amin’izao andro izao, ny miaramilan’ny tafika eo amin’izao tontolo izao dia miisa ho 106 000 000, izany hoe iray isaky ny mponina 43. Nanao izao fanamarihana izao ny fitantarana iray: “Tsy nisy mihitsy teo amin’ny Tantara, zavatra azo ampitahaina amin’ny fiavosan’ny hery fandringanana ankehitriny eo amin’izao tontolo izao, na amin’ny fandrahonana atambesatr’izany eo amin’ny olombelona. — Fandaniana ara-tafika sy ara-tsosialin’izao tontolo izao tamin’ny 1985 (anglisy).
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. Army photo
“Hisy mosary (...) amin’ny tany samy hafa.” (Matio 24:7). Ny amin’ny mosary, dia izao no azo novakina tao amin’ny tatitra iray natao tamin’ny 1985 tamin’ny Fandinihan-draharaha tsy miankina momba ny raharaha fanasoavam-bahoaka iraisam-pirenena: “Tamin’ny fotoan’ny mosary lehibe farany nitranga tany Afrika tany am-piandohan’ireo taona 1970, dia noheverina fa ny hanoanana sy ny tsy fahampian-tsakafo maharitra dia anjara mahazatra ireo Afrikana valopolo tapitrisa. Zato tapitrisa amin’izao andro izao io isa io.”
[Sary nahazoan-dalana]
FAO photo/B. Imevbore
“Hisy horohorontany lehibe.” (Lioka 21:11). Miharihary fa marina tsy azo lavina ireo teny ireo nanomboka tamin’ny 1914. Ohatra, tany Japon, ny horohorontany tany Kanto dia namoizana ain’olona 142 800 tamin’ny 1923. Ny horohorontany iray dia niteraka fahafatesan’olona teo amin’ny 60 000 tany Quetta, any Pakistan, tamin’ny 1935. Ny isan’ny maty tamin’ny horohorontany nanozongozona ny tany avaratr’i Pérou tamin’ny 1970 dia tafakatra ho 66 700. Ary tamin’ny 1976, dia olona teo amin’ny 800 000 no namoy aina tamin’ny horohorontany iray tany T’angchan, any Shina.
“Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara [ny vaovao tsara aloha, MN] aloha.” (Marka 13:10). Tamin’ny 1985, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 590 000 000 ora mahery nitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tany amin’ny tany sy fitambara-nosy 205. Nitarika fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano 2 379 000 izy ary nizara Baiboly sy boky momba ny Baiboly 350 000 000 mahery tamin’ny olona nankafy ny Soratra Masina.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
“Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no ho fototry ny fanafoanana tanteraka ny fitaovam-piadiana eto an-tany. Hanjaka ny fiadanana!
“Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho ho an’ny firenena rehetra (...) amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka.” (Isaia 25:6). Hotarihin’Andriamanitra sy hotahiny ny tany ka hanome vokatra be dia be. Ho voalamina ny zava-manahirana momba ny hanoanana!
“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 25:8; 33:24). Tsy hisy mihitsy aretina na zava-manahirana ara-pahasalamana ka tsy ho hain’Andriamanitra sitranina. Mikasa ny hanafoana ireo fasana mihitsy aza izy. Ho toy inona moa ny fifaliana hitsena ireo olon-tsy fointsika efa tsy eo intsony, rehefa hitsangana izy ireny!