Toko Faha-10
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa Tanteraka
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny zava-drehetra no hafa aoka izany amin’izao andro izao, raha oharina amin’ny tamin’ny zato taona lasa izay? Ny zavatra sasany dia tsara kokoa. Any amin’ny tany maro, ireo aretina izay namono tamin’ny lasa dia sitranina amin’ny fomba mahazatra ankehitriny, ary manana fari-piainana tsy sahin’ny raibeny sy ny renibeny nonofisina akory ny olona tsotra. Etsy an-danin’izany, ny taonjato misy antsika dia nahita ireo ady nahatsiravina indrindra sy ny sasany tamin’ireo habibiana nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara rehetra. Ny fanambinana hitan’ny olombelona — ny fitohizan’ny fiainany mihitsy aza — dia rahonan’ny fihoaran’ny isan’ny mponina, ny zava-manahirana ny amin’ny fandotoana, sy ny tahiry miavovon’ireo fitaovam-piadiana niokleary sy biolojika ary simika iraisam-pirenena. Nahoana ny taonjato faha-20 no hafa aoka izany noho ireo taonjato teo aloha?
1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Amin’ny ahoana ny taonjato faha-20 no hafa noho ny teo aloha? b) Inona no hanampy antsika hahazo ny antony mahatonga ny androntsika ho hafa aoka izany?
NY VALIN’IO fanontaniana io dia misy ifandraisana amin’ny faminanian’ny Baiboly iray miavaka izay hitanao fa tanteraka. Faminaniana iray notononin’ny tenan’i Jesosy izy io ary, ankoatra ny fanomezany porofon’ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly, dia manondro fa efa akaikin’ny fiovana manaitra dia manaitra eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao isika. Inona io faminaniana io? Ary ahoana no ahafantarantsika fa eo am-pahatanterahana izy io?
Faminaniana lehibe nataon’i Jesosy
2, 3. Fanontaniana inona no napetrak’ireo mpianatr’i Jesosy taminy, ary aiza no ahitantsika ny valin-teniny?
2 Milaza amintsika ny Baiboly fa, fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia niresaka momba ireo trano lehiben’ny tempoly tao Jerosalema ireo mpianany; nanaitra ny sain’izy ireo ny habeny sy ny toa hatezany. Hoy anefa i Jesosy: “Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” — Matio 24:1, 2.
3 Ireo mpianatr’i Jesosy dia tsy maintsy ho gaga tamin’ny teniny ary tatỳ aoriana dia nanatona azy mba hahazo fanazavana bebe kokoa, ka nilaza hoe: “Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Ny valin-tenin’i Jesosy dia hita ao amin’ny tohin’ny Matio toko faha-24 sy faha-25. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Marka toko faha-13 sy Lioka toko faha-21 koa ny teniny. Mazava fa io no faminaniana lehibe indrindra notononin’i Jesosy fony izy teto an-tany.
4. Momba ny zavatra samy hafa inona avy no nanontanian’ny mpianatr’i Jesosy?
4 Raha ny marina, dia nanontany zavatra mihoatra ny iray ireo mpianatr’i Jesosy. Voalohany, izy ireo dia nametraka ilay fanontaniana hoe: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany?”, izany hoe, Rahoviana i Jerosalema sy ny tempoliny no horavana? Ankoatra izany, izy ireo dia naniry hahafantatra ny famantarana izay hanondro fa efa nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy tamin’ny naha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ary koa fa efa antomotra ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ.
5. a) Fahatanterahany voalohany inona no nananan’ny faminanian’i Jesosy, nefa rahoviana ny teniny no hanana ny fahatanterahany feno? b) Ahoana no nanombohan’i Jesosy namaly ny fanontanian’ny mpianatra?
5 Nanisy fiheverana ireo hevitra roa ireo i Jesosy tao amin’ny valin-teniny. Maro tamin’ny teniny no tanteraka tokoa tamin’ny taonjato voalohany, nandritra ireo taona izay nitarika ho amin’ilay fandravana nahatsiravina an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. (Matio 24:4-22). Tokony hanana heviny mbola lehibe kokoa aza anefa ny faminaniany atỳ aoriana, amin’izao androntsika izao, raha ny marina. Inona àry no nolazain’i Jesosy? Nanomboka tamin’ny fanononana ny teny voarakitra an-tsoratra eo amin’ny Matio 24 andininy faha-7 sy faha-8 toy izao izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.”
6. Mampahatsiahy antsika ny amin’ny faminaniana mifanitsy inona ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:7, 8?
6 Mazava fa ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra dia ho voamariky ny fikorontanana lehibe eto ambonin’ny tany. Hamarinin’ny faminaniana mifanitsy aminy hita ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izany: ny fahitana momba ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy. (Apokalypsy 6:1-8). Ny voalohany amin’ireo mpitaingin-tsoavaly ireo dia mampiseho ny tenan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka mandresy. Ireo mpitaingin-tsoavaly hafa miaraka amin’ny soavaliny dia mampiseho zava-mitranga eto ambonin’ny tany izay manamarika ny fanombohan’ny fanapahan’i Jesosy: ady, mosary, sy fahafatesana alohan’ny fotoana noho ny antony maro samihafa. Hitantsika tanteraka amin’izao andro izao ve ireo faminaniana roa ireo?
Ady!
7. Inona no aseho ara-paminaniana amin’ny hazakazak’ilay mpitaingin-tsoavaly faharoan’ny Apokalypsy?
7 Aoka hojerentsika akaiky kokoa izy ireo. Voalohany, dia hoy i Jesosy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. Izany dia faminaniana momba ny ady. Ny faharoa amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy dia manambara ady amin’ny fomba mitovy amin’izany koa. Izao no vakintsika: “Nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.” (Apokalypsy 6:4). Efa nandritra ny an’arivony taona maro ny olombelona no niady. Nahoana àry no tokony hanana heviny manokana ho amin’ny androntsika ireo teny ireo?
8. Nahoana isika no tokony hanampo ady ho lafiny miavaka iray amin’ilay famantarana?
8 Tadidio fa ny ady irery dia tsy mahaforona ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Ilay famantarana dia voaforon’ny tsipiriany rehetra amin’ny faminanian’i Jesosy mitranga ao anatin’ny fe-potoana ankapobeny mitovy ihany. Ny ady anefa no lafiny voalohany tononina, koa azontsika ampoizina àry fa ho tanteraka amin’ny fomba miavaka izay hanintona ny saintsika io lafiny io. Ary tsy maintsy miaiky ny olona rehetra fa ireo ady amin’izao taonjato faha-20 izao dia tsy manan-tsahala eo amin’ny tantara rehetra teo aloha.
9, 10. Tamin’ny fomba ahoana ireo faminaniana momba ny ady no nanomboka tanteraka?
9 Ohatra, tsy nisy ady tany aloha tany — na dia feno halozana sy nandrava aza ny maro taminy — nanakaiky ny fandravana nentin’ireo ady lehibe roa tamin’izao taonjato faha-20 izao. Ny ady lehibe voalohany tamin’ny farany dia nahafaty olona tokony ho 14 tapitrisa, mihoatra noho ny mponina manontolo amin’ny tany maro. Marina tokoa fa ‘nisy famelana hanaisotra ny fihavanana tamin’ny tany mba hifamonoan’ny olona’.
10 Araka ilay faminaniana, dia “nomena sabatra lehibe” ilay mpitaingin-tsoavaly faharoan’ny Apokalypsy voaomana ho amin’ny ady. Ahoana no iharan’izany? Amin’izao: Ireo fitaovam-piadiana dia nanjary nahafaty be lavitra. Noho izy manana fitaovana toy ny fiara mifono vy, ny fiaramanidina, ny etona misy poizina mahafaty, ny sambo mpisitrika sy ny tafondro afaka mandefa baomba mipoaka any amin’ny kilaometatra maromaro, dia nanjary mahomby kokoa amin’ny famonoana ny mpiara-belona aminy ny olona. Ary hatramin’ny ady lehibe voalohany, dia vao mainka nanjary nandrava bebe kokoa ihany ilay “sabatra lehibe” — noho ny fampiasana fitaovana toy ny fifandraisana amin’ny radio, ny radara, ny basy be pitsipitsiny, ny fitaovam-piadiana bakteriolojika sy simika, ny lance-flammes, ny napalm, ny karazam-baomba vaovao, ny bala afomanga atoraka avy any amin’ny kontinenta iray mankany amin’ny iray hafa, ny sambo mpisitrika niokleary, ny fiaramanidina ary fomba ary ny sambo mpiady goavana.
“Fiandohan’ny fahoriana”
11, 12. Tamin’ny heviny ahoana ny ady lehibe voalohany no vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny?
11 Ireo andinin-teny voalohany amin’ny faminanian’i Jesosy dia miafara amin’ireto teny ireto: “Izany no fiandohan’ny fahoriana.” Tena marina indrindra izany ny amin’ny ady lehibe voalohany. Tsy nitondra fandriampahalemana naharitra ela ny faran’izy io tamin’ny 1918. Tsy ela izy io dia narahin’ny fifamelezana ara-tafika voafetra nefa feno herisetra tany Etiopia, Libya, Espaina, Rosia, India sy tany hafa. Avy eo dia tonga ny ady lehibe faharoa nampihoron-koditra, izay naka ain’olona sivily sy miaramila 50 tapitrisa teo ho eo.
12 Ambonin’izany, na dia eo aza ireo fanekem-pihavanana sy ireo fampitsaharana ady atao ombieny ombieny, dia mbola miady ihany ny olombelona. Tamin’ny 1987, dia nanaovana tatitra fa nisy ady lehibe 81 natao nanomboka tamin’ny 1960, ka namono lehilahy sy vehivavy ary ankizy 12 555 000. Ny taona 1987 dia nahitana ady be dia be kokoa noho izay taona rehetra talohany teo amin’ny tantara voarakitra an-tsoratra.1 Ankoatra izany, ny fanomanana sy fandaniana ara-tafika, izay mahatratra tokony ho 1 000 000 000 000 dolara ny tontaliny isan-taona ankehitriny, dia nampisaritaka ny toe-karen’izao tontolo izao.2 Tena eo am-pahatanterahana tokoa ny faminanian’i Jesosy milaza hoe ‘firenena hitsangana hamely firenena ary fanjakana hamely fanjakana’. Manohy ny hazakazany feno hasiahana manerana ny tany ilay soavaly menan’ny ady. Ahoana anefa ny amin’ny lafiny faharoa amin’ilay famantarana?
Mosary!
13. Fisehoan-javatra mampahonena inona avy no nambaran’i Jesosy mialoha, ary tamin’ny ahoana ny fahitana ny amin’ilay mpitaingin-tsoavaly fahatelon’ny Apokalypsy no nanohana ny faminaniany?
13 Nanambara mialoha toy izao i Jesosy: “Ary hisy mosary (...) amin’ny tany samy hafa.” Mariho ny fomba ifanarahan’izany amin’ny hazakazak’ilay fahatelo amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy. Izao no vakintsika momba azy io: “Hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.” (Apokalypsy 6:5, 6). Eny, mosary mafy tokoa izany!
14. Mosary lehibe nitranga hatramin’ny 1914 inona avy no nanatanteraka ny faminanian’i Jesosy?
14 Mety ho eo am-pahatanterahana ve io faminaniana io amin’izao andro izao, kanefa nahatratra fari-piainana ambony aoka izany ny tany sasany? Ny topy maso amin’izao tontolo izao amin’ny fitambarany dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana raha ny amin’ny valiny. Araka ny tantara, ireo mosary dia vokatry ny ady sy ny loza araka ny natiora. Tsy mahagaga àry raha toa ny taonjato misy antsika, izay nahazo mihoatra noho ny anjarany tamin’ny loza sy ny ady, ka nianjadian’ny mosary imbetsaka. Faritra maro amin’ny tany no nijaly noho ny loza toy izany tamin’ny 1914. Ny tatitra iray dia mitanisa mosary lehibe maherin’ny 60 nanomboka tamin’ny 1914, tany amin’ny tany nifanalavitra be toa an’i Gresy, i Pays-Bas, i U.R.S.S. teo aloha, i Nizeria, i Tchad, i Silia, i Peroa, i Bangladesh, i Bengal, i Kampuchéa, i Etiopia, sy i Japon.3 Ny sasany tamin’ireny mosary ireny dia naharitra an-taonany maromaro ary nahatonga fahafatesan’olona an-tapitrisany maro.
15, 16. Mosary hafa inona avy no tena mandringana amin’izao andro izao?
15 Na dia resahina be dia be ao amin’ny fampahalalam-baovao aza mazàna ny mosary mafy, rehefa afaka kelikely dia lasa izy ireny ary ireo tafita velona dia miverina tsikelikely amin’ny fiainana azo lazaina ho mahazatra ihany. Kanefa, misy karazana mosary iray hafa manambara loza, mitombo amin’izao taonjato faha-20 izao. Izy io dia tsy manaitra ny saina firy ary noho izany dia atao tsirambina matetika. Mitohy isan-taona isan-taona anefa izy io. Izany dia ny loza mafy ny amin’ny tsy fahampian-tsakafo izay mamely olona hatramin’ny ampahadimin’ny mponina amin’ny planetantsika ary mamono olona 13 ka hatramin’ny 18 tapitrisa isan-taona.4
16 Raha lazaina amin’ny teny hafa, io karazana mosary io dia mamono tsy tapaka ao anatin’ny roa andro, olona tokony hitovy isa amin’ireo maro izay novonoin’ilay baomba atomika tany Hiroshima. Eny tokoa, isaky ny roa taona, dia olona maro kokoa noho ireo miaramila novonoin’ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa mitambatra no maty noho ny vokatry ny hanoanana. Nisy ve ny “mosary (...) amin’ny tany samy hafa” hatramin’ny 1914? Eny tokoa!
Horohoron-tany
17. Horohoron-tany nandringana inona no niseho tsy ela taorian’ny 1914?
17 Tamin’ny 13 Janoary 1915, raha vao am-bolana vitsivitsy monja no nisian’ny ady lehibe voalohany, dia nisy horohoron-tany nanozongozona an’i Abruzzi, any Italia, ka naka ain’olona 32 610. Mampahatsiahy antsika io loza lehibe io fa ny ady sy ny mosary miseho mandritra ny fanatrehan’i Jesosy dia harahin’ny zavatra hafa: “Hisy (...) horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Toy ny amin’ny ady sy ny mosary, ilay horohoron-tany tany Abruzzi dia vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny.a
18. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy momba ny horohoron-tany?
18 Ny taonjato faha-20 dia hita fa taonjaton’ny horohoron-tany, ary noho ny fandrosoan’ny fampitam-baovao, dia mahalala tsara tokoa ny fandravana nentin’izy ireny ny olombelona rehetra. Mba hanononana vitsivitsy monja, tamin’ny 1920, dia olona 200 000 no maty tamin’ny horohoron-tany iray tany Sina; tamin’ny 1923, dia olona 99 300 teo ho eo no maty tamin’ny horohoron-tany iray tany Japon; tamin’ny 1935, ny horohoron-tany hafa iray dia namono olona 25 000 tany amin’izay antsoina hoe Pakistan ankehitriny, fa olona 32 700 kosa no maty tany Tiorkia tamin’ny 1939. Olona 66 800 no maty tamin’ny horohoron-tany iray tany Peroa tamin’ny 1970. Ary tamin’ny 1976, dia olona 240 000 teo ho eo (na 800 000, araka ny loharanon-kevitra sasany) no maty tany Tangshan, Sina. Vao haingana kokoa, tamin’ny 1988, dia olona 25 000 no maty tamin’ny horohoron-tany mahery iray tany Armenia.b Tena “horohorontany amin’ny tany samy hafa” tokoa!6
“Areti-mahafaty”
19. Tsipiriany fanampiny inona amin’ilay famantarana no nambaran’i Jesosy mialoha ary nasehon’ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatry ny Apokalypsy?
19 Ny tsipiriany iray hafa amin’ny faminanian’i Jesosy dia misy ifandraisana amin’ny aretina. I Lioka evanjelista, ao amin’ny fitantarany, dia mandrakitra an-tsoratra fa nanambara mialoha ny fisian’ny “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”, i Jesosy. (Lioka 21:11). Mifanaraka amin’ny fahitana ara-paminaniana ny amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy koa izany. Ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra dia antsoina hoe Fahafatesana. Izy io dia mampiseho fahafatesana aloha be noho ny antony maromaro, anisan’izany ny “areti-mahafaty sy (...) ny biby dia etỳ an-tany”. — Apokalypsy 6:8, NW.
20. Valanaretina niavaka inona no nahaforona tapany tamin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy momba ireo areti-mandringana?
20 Tamin’ny 1918 sy 1919, dia olona maherin’ny 1 000 000 000 no narary noho ny gripa espaniola, ary maherin’ny 20 000 000 no maty. Naka ain’olona betsaka kokoa noho ilay ady lehibe mihitsy ilay aretina.7 Ary manohy mamely itỳ taranaka itỳ ny “areti-mahafaty” na “areti-mandringana”, na dia eo aza ny fandrosoana mahavariana ara-pitsaboana maro. Nahoana no toy izany? Ny antony iray, dia satria tsy mahazo ireo soa entin’ny fandrosoana ara-tsiansa foana ireo tany mahantra kokoa. Ireo olona mahantra dia mijaly sy maty noho ny aretina izay ho azo tsaboina raha misy vola bebe kokoa azo ampiasaina.
21, 22. Tamin’ny ahoana ireo olona tany amin’ny tany mpanana sy tany amin’ny tany mahantra no samy voan’ny “areti-mahafaty”?
21 Araka izany, dia olona 150 tapitrisa eo ho eo maneran-tany no voan’ny tazomoka. Olona 200 tapitrisa eo ho eo no tratran’ny takilodrano. Ny aretin’i Chagas dia mamely olona tokony ho folo tapitrisa. Olona tokony ho 40 tapitrisa no voan’ny fahajambana avy amin’ny renirano (onchocercose). Ny aretim-pivalanana mafy dia mamono ankizy an-tapitrisany maro isan-taona.8 Ny raboka sy ny habokana dia mbola zava-manahirana lehibe. Amin’ny fomba miavaka, dia ny mahantra eto amin’itỳ tontolo itỳ no voan’ny “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”.
22 Toy izany koa anefa ny mpanana. Ny gripa, ohatra, dia mamely na ny mpanana na ny mahantra. Tamin’ny 1957, ny karazana gripa iray dia nahafaty olona 70 000 tany Etazonia fotsiny. Tany Alemaina, dia notombanana fa olona iray ao anatin’ny enina no ho voan’ny kansera amin’ny farany.9 Ireo aretina mifindra avy amin’ny firaisana koa dia mamely ny mpanana sy ny mahantra. Ny angatra, izay ny areti-mifindra anaovana tatitra matetika indrindra any Etazonia dia mamely olona hatramin’ny 18,9 isan-jaton’ny mponina amin’ny faritra sasany atsy Afrika.10 Ny tety sy ny chlamydiae ary ny farasisa eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia sasany amin’ireo “areti-mandringana” hafa mifindra avy amin’ny firaisana.
23. “Areti-mahafaty” inona no nitana ny fahalianan’ireo matoam-baovao vao haingana?
23 Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia tonga nanampy ny lisitr’ireo “areti-mandringana” koa ny ‘areti-mahafatin’ny’ SIDA. Aretina mampihorohoro ny SIDA satria, hatramin’ny fotoana nanoratana itỳ boky itỳ, dia tsy misy fanafody tazana mihitsy, ary mitombo hatrany ny isan’ireo voany. Hoy ny Dr. Jonathan Mann, talen’ny Fandaharan’asa Manokan’ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana) momba ny SIDA: “Tombananay koa fa misy dimy ka hatramin’ny 10 tapitrisa ny olona eo amin’izao tontolo izao tratran’ny virus d’immunodéficience humaine (VIH) amin’izao andro izao.”11 Araka ny fanombantombanana iray navoaka, dia mamely olona vaovao iray isa-minitra ny viriosin’ny SIDA. “Areti-mahafaty” marina tokoa! Ahoana anefa ny amin’ny faminaniana fahafatesana amin’ny alalan’ny biby dia?
“Ny bibi-dia etỳ an-tany”
24, 25. a) Karazam-“bibi-dia” inona no nasian’i Ezekiela firesahana? b) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fiasan’ireo “bibi-dia” mafy eto an-tany mandritra ny fanatrehany?
24 Ny zava-misy dia hoe, rehefa notononina tao amin’ny gazety tato ho ato ny biby dia, dia noho ny karazana sasany tandindomin-doza na efa ho lany tamingana. “Ny bibi-dia etỳ an-tany” dia iharan’ny loza avy amin’ny olombelona be lavitra noho ny olombelona avy amin’izy ireo. Na dia eo aza izany, any amin’ny tany sasany, dia mbola maka ain’olombelona tsy an-kijanona ihany ny biby dia, toy ireo tigra any India.
25 Kanefa, ny Baiboly dia misarika ny saintsika ho amin’ny karazam-biby dia hafa iray, izay niteraka tena tahotra tao anatin’izao taona faramparany izao. Nampitaha ny olona mahery setra tamin’ny biby dia ny mpaminany Ezekiela rehefa nilaza toy izao: “Toy ny amboa-dia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-dra sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ny tsy marina.” (Ezekiela 22:27). Rehefa naminany ny amin’ny “haben’ny tsy fankatoavan-dalàna” i Jesosy, dia nilaza izy, raha ny tena izy, fa hiasa mafy eto an-tany mandritra ny fanatrehany ny “bibi-dia” toy ireny. (Matio 24:12). I Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia manampy teny fa mandritra ‘ny andro farany’, ny olona dia ho “tia vola (...) tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara”. (2 Timoty 3:1-3). Izany ve no izy nanomboka tamin’ny 1914?
26-28. Tatitra inona avy any amin’ny vazan-tany efatra no mampiseho fa mandehandeha mitady remby manerana ny tany ireo “bibi-dia” mpanao heloka bevava?
26 Tena izany tokoa. Raha miaina amin’izay mety ho tanàn-dehibe eto ambonin’ny tany ianao, dia efa fantatrao izany. Raha misalasala momba izany anefa ianao dia diniho fotsiny ireto teny manaraka ireto, notononina tao amin’ny gazety vao haingana. Avy any Kolombia: “Tamin’ny taon-dasa ny polisy dia nitatitra (...) famonoana olona tokony ho 10 000 sy fandrobana ampiasana fiadiana 25 000.” Avy any Victoria, Aostralia: “Fidangan’ny Heloka Bevava Lehibe”. Avy any Etazonia: “Mitady Hanatratra Isa Faran’izay Ambony ny Famonoana Olona ao New York”. “Nihoaran’i Détroit i Gary, Indiana, tamin’ny taon-dasa, raha ny amin’ny tanàn-dehibe manana ny tahan’ny famonoana olona ambony indrindra eto amin’ny firenena — 58 isaky ny mponina 100 000.”
27 Avy atsy Zimbabwe: “Ny famonoana zazakely dia nahatratra fetra tena lehibe.” Avy any Brezila: “Be dia be aoka izany ny heloka bevava eto, ary be dia be aoka izany no mitondra fitaovam-piadiana, hany ka tsy miteraka fahatairana firy intsony ny vaovao momba ny herisetra.” Avy any Nouvelle-Zélande: “Ny fanafihana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy sy ny heloka bevava feno herisetra dia mbola fanahiana lehibe ho an’ny polisy.” “Ny herisetra eo amin’ny samy néo-zélandais dia azo lazaina fotsiny ho baribariàna.” Avy any Espaina: “Mitolona amin’ny heloka bevava mitombo i Espaina.” Avy any Italia: “Ny Mafia avy any Sicile, rehefa voasakana, dia mahazo aina indray amin’ny alalan’ny onjam-pamonoana.”
28 Ireo dia santionany kely fotsiny amin’ireo tatitra an-gazety niseho fotoana fohy talohan’ny namoahana itỳ boky itỳ. Azo antoka fa mandehandeha mitady remby manerana ny tany ireo “bibi-dia”, ka mahatonga ny olona hatahotra ny amin’ny tsy fananany ahiahy.
Fitoriana ny vaovao tsara
29, 30. Manao ahoana ny tarehin-javatra ara-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy?
29 Inona no hitranga amin’ny fivavahana mandritra ny fotoana mikorontana fanatrehan’i Jesosy? Tetsy an-daniny, dia naminany i Jesosy fa hisy fitomboan’ny asa ara-pivavahana: “Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.” (Matio 24:11). Tetsy an-kilany, dia naminany mialoha izy fa ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’ny fitambarany, dia ho latsaka any amin’ny farany ambany ny fahalianana momba an’Andriamanitra. “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” — Matio 24:12.
30 Izany dia milazalaza marina izay mitranga amin’izao andro izao ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Etsy an-daniny, dia mihamalemy ireo fiangonana mahazatra hatraiza hatraiza noho ny tsy fisian’ny mpanohana. Any amin’ireo tany be Protestanta taloha any Eoropa avaratra sy Angletera, dia maty tsotra izao ny fivavahana. Miaraka amin’izay koa, dia mijaly noho ny tsy fananana pretra sy ny fihenan’ny mpanohana ny Eglizy Katolika. Etsy an-kilany, dia misy firongatr’ireo antokom-pivavahana manara-tsisiny. Mihamaro ireo antokom-pinoana miorina amin’ireo fivavahana tatsinanana, fa ny evanjelisitra mpierina ao amin’ny televiziona kosa dia misoloky dolara an-tapitrisany maro.
31. Inona no nambaran’i Jesosy mialoha izay manampy mba hamantarana ny Kristiana marina amin’izao andro izao?
31 Ahoana kosa ny amin’ny Kristianisma marina, ilay fivavahana nampahafantarin’i Jesosy sady notorin’ny apostoliny? Izy io dia mbola hisy mandritra ny fanatrehan’i Jesosy, nefa ahoana no hahalalana azy io? Misy zavatra maromaro ahafantarana ny Kristianisma marina, ary ny iray aminy dia tononina ao amin’ilay faminaniana lehibe nataon’i Jesosy. Ireo Kristiana marina dia ho be hatao amin’ny asa fitoriana iray atao maneran-tany. Naminany toy izao i Jesosy: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.
32. Antokon’olona iza ihany no manatanteraka ny faminanian’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:14?
32 Io fitoriana io dia miseho ankehitriny amin’ny ambaratonga goavana! Amin’izao andro izao, ilay antoko ara-pivavahana antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah dia manatontosa ny asa fitoriana miitatra indrindra eo amin’ny tantaran’ny Kristianisma. (Isaia 43:10, 12). Tamin’ny 1919, raha nanohana ny Fikambanam-pirenena fantatra fa ho ratsy fiafara ireo fivavahana lehibe manana fironana ara-politika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia nampiomanina ho amin’io ezaka manokana fitoriana maneran-tany io kosa ny Vavolombelon’i Jehovah.
33, 34. Hatraiza no nitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana izao tontolo izao?
33 Tokony ho 10 000 monja ireo Vavolombelona tamin’izany fotoana izany, nefa fantany fa tokony hatao ilay asa. Tamin-kerim-po, dia nanomboka ny asa fitoriana izy ireo. Takany fa ny fampisarahana ho klerjy sy lahika dia sady nifanohitra tamin’ny didin’ny Baiboly no nifanohitra tamin’ny modely apostolika. Koa izy rehetra tsy an-kanavaka àry dia nianatra ny fomba firesahana tamin’ny mpiara-belona taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tonga fandaminana mpitory izy ireo.
34 Rehefa nandeha ny fotoana, dia niaritra fanoherana mafy ireny mpitory ireny. Tany Eoropa izy ireo dia notoherin’ireo karazam-pitondrana tsy refesi-mandidy samy hafa. Tany Etazonia sy Kanada izy ireo dia tojo zava-nanahirana ara-pitsarana ary rotaka. Tany amin’ny tany hafa, dia tsy maintsy nandresy ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana nirehitra sy fanenjehana tsy nisy antra avy tamin’ny mpitondra jadona, izy ireo. Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia tsy maintsy nanohitra ny toe-tsain’ny fisalasalana sy ny fampanaranam-po ny fanirian’ny tena, izay nanjary niseho, izy ireo. Naharitra anefa izy ireo, hany ka, amin’izao andro izao, dia miisa mihoatra ny dimy tapitrisa any amin’ny tany 232 izy ireo. Mbola tsy notorina tamin’ny fomba niitatra toy izany mihitsy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana — fahatanterahana manaitran’io lafiny amin’ilay famantarana io!
Inona no hevitr’izany rehetra izany?
35. a) Amin’ny ahoana ny fahatanterahan’ny faminaniana amin’izao andro izao no manampy mba hanaporofo ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly? b) Midika ho inona ho an’ny androntsika ny fahatanterahan’ilay famantarana nomen’i Jesosy?
35 Tsy misy isalasalana mihitsy fa isika dia vavolombelona mahita maso ny fahatanterahan’ilay famantarana lehibe izay nomen’i Jesosy. Io zava-misy io dia manampy tosika ny porofo fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Tsy misy olombelona mihitsy ho afaka hanambara mialoha be toy izany ireo fisehoan-javatra izay hiseho mandritra izao taonjato faha-20 izao. Ambonin’izany, ny fahatanterahan’ilay famantarana dia midika fa miaina amin’ny fotoan’ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra isika. (Matio 24:3, NW ). Inona no hevitr’izany? Inona no tafiditra amin’ny fanatrehan’i Jesosy? Ary inona ilay fandehan-javatra izay eo am-pifaranana? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia ilaintsika ny mandinika porofo mahery hafa iray ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly: ny firindrany anaty mahavariana. Handinika an’io isika amin’ny manaraka ary hijery hoe amin’ny ahoana ny loha hevitra lehibe ao amin’ny Baiboly no manatona ny fahatanterahany mahatahotra dieny izao mihitsy aza.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nisy horohoron-tany dimy fara fahakeliny teo anelanelan’ny 1914 sy 1918, izay nahatratra 8 na mihoatra teo amin’ny mari-drefy Richter — nahery kokoa noho ilay horohoron-tany tany Abruzzi. Kanefa, tany amin’ny faritra lavitra amin’ny bolan-tany no nitrangan’ireny hovotrovotra ireny, ka noho izany dia tsy nanintona ny saina firy tahaka ilay horohoron-tany tany Italia.5
b Tarehimarika samihafa no nanaovana tatitra raha ny amin’ny isan’ireo niharam-pahavoazana tamin’ny sasany tamin’ireny loza ireny. Kanefa, izy rehetra dia faran’izay nandrava avokoa.