Iza no ho Afa-mandositra Ilay “Andro Fahoriana”?
“Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. — JOELA 3:5.
1. Araka ny nambaran’i Daniela sy i Malakia, inona no mampiavaka ireo izay mendrika ny famonjena mandritra ilay “andro fahoriana” ho avy?
RAHA nijery mialoha izao androntsika izao ny mpaminany Daniela, dia nanoratra hoe: “Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky”. (Daniela 12:1). Teny mampahery tokoa re izany! Hotsarovan’i Jehovah ny vahoakany ankasitrahany, toy ny anambaran’ny Malakia 3:16 azy koa hoe: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra [mieritreritra, NW] ny anarany”.
2. Inona no vokatry ny fieritreretana ny anaran’i Jehovah?
2 Ny fieritreretana ny anaran’i Jehovah dia mitondra ho amin’ny fahalalana marina momba azy, sy ny Kristiny ary ny fikasany malaza momba ilay Fanjakana. Araka izany, ny vahoakany dia mianatra ny hanaja azy fatratra, mianatra ny hiditra ao anatin’ny fifandraisana akaiky sy feno zotom-po aminy, ary mianatra ny ho tia azy ‘amin’ny fony rehetra sy ny sainy rehetra ary ny heriny rehetra’. (Marka 12:33; Apokalypsy 4:11). Nanao izany fandaharana maneho famindram-po izany ho an’ny mpandefitra i Jehovah tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy Kristy, mba hahazoany fiainana mandrakizay. Noho izany, izy ireo dia afaka mamerina amim-pitokiana ireo tenin’ny tafika tany an-danitra, izay nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olon’ny hatsaram-panahy”. — Lioka 2:14, NW.
3. Alohan’ny hahafahan’ny fiadanana ho tonga eto amin’ity tany ity, dia asan’i Jehovah inona no tsy maintsy mitranga?
3 Akaiky kokoa tsy araka ny ieritreretan’ny ankamaroan’ny olona azy izany fiadanana izany. Tsy maintsy tonga anefa aloha ny fanatanterahana ny didim-pitsaran’i Jehovah eo amin’izao tontolo izao mikororosy. Izao no nambaran’i Zefania mpaminaniny: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. Karazana andro manao ahoana moa izany? Toy izao no tohin’ilay faminaniana: “Injay! feon’ny andron’i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito. Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony. Ary hampahory ny olona Aho, handehanany toy ny jamba, satria efa nanota tamin’i Jehovah izy”. — Zefania 1:14-17; jereo koa Habakoka 2:3; 3:1-6, 16-19.
4. Iza avy, amin’izao andro izao, no mamaly ilay fanasana hahafantatra an’Andriamanitra sy hanompo azy?
4 Soa ihany fa misy olona an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao mamaly ilay fanasana mba hahafantatra sy hanompo an’Andriamanitra. Mikasika ireo kristiana voahosotra izay voaray ao anatin’ny fanekena vaovao, dia izao no nambaran’ny faminaniana: “Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah”. (Jeremia 31:34). Nitari-dalana ny asa fanaovana fanambarana amin’izao andro izao izy ireo. Ary amin’izao fotoana izao, raha mihamaro hatrany ireo sisa voahosotra nahavita ny fihazakazahany teto an-tany, ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” dia manatona mba ‘hanompo an’Andriamanitra andro aman-alina’ ao amin’ny fandaharany mitovy amin’ny tempoly. (Apokalypsy 7:9, 15; Jaona 10:16). Moa ve ianao anisan’ireo izay manana io tombontsoa tsy hay tombanana io?
Ny fomba hidiran’ireo ‘zavatra faniry’
5, 6. Alohan’ny hampihorohoroana ny firenena rehetra ho amin’ny fandringanana, asa famonjena inona no mitranga?
5 Aoka isika izao hitodika any amin’ny Hagay 2:7, izay naminanian’i Jehovah ny amin’ny trano ara-panahy fanaovana fanompoam-pivavahana aminy. Hoy izy: “Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena [ka hiditra ireo zavatra faniry ao amin’ireo firenena, NW] rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity”. Asehon’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa ny ‘fampihorohoroana ny firenena’ dia manondro ny fanatanterahana ny didim-pitsaran’i Jehovah eo amin’ireo firenena. (Nahoma 1:5, 6; Apokalypsy 6:12-17). Noho izany, ilay asan’i Jehovah nambaran’ny faminaniana tao amin’ny Hagay 2:7, dia hiafara amin’ny fampihorohoroana ireo firenena mba tsy hisy intsony — ho ringana. Ahoana anefa ny amin’ireo ‘zavatra faniry ao amin’ireo firenena’? Moa ve izy ireo tsy maintsy miandry izany fampihorohoroana mandringana farany izany mba hitondra azy ireo hiditra? Tsy izany velively.
6 Milaza ny Joela 3:5 fa “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra”. Misintona azy ireo hivoaka i Jehovah, ary miantso ny anarany amin’ny finoana ny soron’i Jesosy izy ireo alohan’ny fanozongozonana farany amin’ny fahoriana lehibe. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:44; Asan’ny apostoly 2:38, 39.) Soa ihany fa ilay vahoaka betsaka sarobidy, miisa ho efatra tapitrisa mahery izao, dia ‘miditra’ ao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho fitsinjovana ny ‘hampihorohoroany ny firenena rehetra’ ao Haramagedona. — Apokalypsy 7:9, 10, 14.
7. Inona no voafaoka amin’ny hoe ‘miantso ny anaran’i Jehovah’?
7 Ahoana no hiantsoan’ireo ho tafita velona ireo ny anaran’i Jehovah? Manome antsika filazana ny amin’izany ny Jakoba 4:8, manao hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina”. Sahala amin’ireo sisa voahosotra izay nitari-dalana, ireo izay manantena ny ho anisan’ny vahoaka betsaka ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia tsy maintsy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra. Raha manantena ny ho tafita velona ianao, dia tsy maintsy misotro betsaka amin’ny Tenin’i Jehovah manadio ianao ary mampihatra ny fari-pitondrantena marina omeny eo amin’ny fiainanao. Tsy maintsy feno fahatapahan-kevitra ianao rehefa manolotra ny fiainanao ho an’i Jehovah ka manamarika izany amin’ny batisa anaty rano. Ny fiantsoanao an’i Jehovah amim-pinoana dia mahafaoka koa ny fanaovana fanambarana ny aminy. Araka izany, dia nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny Romana toko faha-10, andininy faha-9 sy faha-10: “Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena”. Avy eo, erỳ amin’ny andininy faha-13, dia nanonona ny faminanian’i Joela ilay apostoly, nanantitrantitra fa “izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [Jehovah, NW] no hovonjena”.
‘Tadiavo, tadiavo, tadiavo’
8. a) Araka ny mpaminany Zefania, inona no takin’i Jehovah mba hahazoana famonjena? b) Mampita fampitandremana inona ho antsika ilay teny hoe “angamba” ao amin’ny Zefania 2:3?
8 Raha avaditsika ny Baiboly ao amin’ny bokin’i Zefania toko faha-2, andininy faha-2 sy faha-3 dia vakintsika izay takin’i Jehovah mba hahazoana famonjena: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. Mariho ilay teny hoe “angamba”. Izany akory tsy hoe voavonjy indray mandeha dia ho voavonjy mandrakizay. Ny fanafenana antsika amin’izany andro izany dia miankina amin’ny fanohizantsika manao ireo zavatra telo ireo. Tsy maintsy mitady an’i Jehovah isika, mitady ny fahamarinana, ary mitady ny fandeferana.
9. Ahoana no hamalian-tsoa ireo mitady ny fandeferana?
9 Mahatalanjona marina tokoa ny valisoa noho ny fitadiavana ny fandeferana! Ao amin’ny Salamo 37, andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-11, dia izao no vakintsika: “Izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...) Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. Ary ahoana ny amin’ireo mitady ny fahamarinana? Izao no lazain’ny andininy faha-29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. Raha ny amin’ny fitadiavana an’i Jehovah, dia izao no ambaran’ny andininy faha-39 sy faha-40 amintsika: “Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah; fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy. Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy”.
10. Iza no tsara homarihina teo amin’ny fandavany hitady an’i Jehovah sy hitady ny fandeferana?
10 Ireo antokom-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy nitady an’i Jehovah. Mandà ny anarany sarobidy mihitsy aza ny klerjin’izy ireo, sahisahy ratsy nanaisotra izany tao amin’ireo fandikana ny Baiboly nataony. Aleon’izy ireo manompo Tompo na Andriamanitra tsy manana anarana na aleony manaja fatratra Trinite iray avy any amin’ny mpanompo sampy. Ambonin’izany, dia tsy nitady ny fahamarinana ny fivavahana lazaina fa kristiana. Maro amin’ireo mpikambana ao aminy no manaraka na manohana fomba fiaina baranahiny. Tsy nitady ny fandeferana toy ny nataon’i Jesosy izy ireo fa nampiseho tamin’ny fomba nanaitra tao amin’ny televiziona, ohatra, fiainana milomano amin’ny harena ary mazàna maloto ara-pitondrantena. Ireo anisan’ny klerjy dia manatavy ny tenany amin’ny volan’ireo andian’ondriny. Araka ny tenin’ny Jakoba 5:5, izy ireo dia “efa velona tamin’ny fy tetỳ ambonin’ny tany (...) sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana”. Arakaraka ny anakekezan’ny andron’i Jehovah, dia azo antoka fa ho hitan’izy ireo fa mihatra aminy ireo teny ara-tsindrimandry hoe: “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana”. — Ohabolana 11:4.
11. Iza moa ilay lehilahin’ota, ary ahoana no nivesarany trosan-dra misavovona be?
11 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesaloniana, dia nanjary taitaitra ny kristiana sasany, nihevitra fa tonga tamin’izy ireo tamin’izay ny andron’i Jehovah. Nampitandrina anefa i Paoly fa tsy maintsy tonga aloha ilay fivadiham-pinoana lehibe, ary tsy maintsy hiharihary ilay “lehilahin’ota [lehilahy tsy miraharaha lalàna, NW]”. (2 Tesaloniana 2:1-3). Amin’izao taonjato faha-20 izao, isika dia afaka mahatakatra tsara ny fitaran’izany fivadiham-pinoana izany sy ny hoe hatraiza ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no tsy mankatò lalàna eo imason’Andriamanitra. Nandritra izao andro farany izao, hatramin’ny 1914, dia nivesatra trosan-dra misavovona be ny klerjy tamin’ny fanohanana ny ‘fanefena ny fangady ho sabatra’. (Joela 4:10). Nanohy nampianatra fampianaran-diso koa izy ireo, toy ny tsy fahafatesana raikitra ananan’ny fanahy olombelona, ny afo fandiovana, ny fijaliana any amin’ny afobe, ny batisan-jaza, ny Trinite, ary ny toy izany. Aiza ho aiza re izy ireo no hijoro rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany i Jehovah e? Milaza ny Ohabolana 19:5 hoe: “Izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala”.
12. a) Inona avy ireo “lanitra” sy “tany” olombelona izay horinganina tsy ho ela? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny fandravana an’ity tontolo ratsy ity mbola ho avy?
12 Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Petera 3:10: “Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy”. Ireo mpanapaka mpandray kolikoly izay nanarona tanteraka toy ny lanitra teo ambonin’ny taranak’olombelona, miaraka amin’ny tenan-javatra rehetra izay mahaforona ny fitambaran’olona mikororosy amin’izao andro izao, dia hofoanana tanteraka tsy ho eto amin’ny tanin’Andriamanitra. Ireo mpanamboatra sy mpivarotra fitaovam-piadiana mahafaty, ireo mpisoloky, ireo mpiangona mpihatsaravelatsihy sy ny klerjiny, ireo mpampandroso ny fanaovan-dratsy, sy ny herisetra ary ny heloka bevava — hanjavona avokoa ireny rehetra ireny. Ho levon’ny fahatezeran’i Jehovah izy ireo. Eo amin’ny andininy faha-11 sy 12 anefa, dia nanampy izao fampitandremana izao ho an’ny kristiana i Petera: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana [mitadidy tsara ao an-tsaina, NW] ny hihavian’ny andron’Andriamanitra”.
Mihetsika i Mikaela!
13, 14. Iza moa ilay Mpiaro lehibe ny fanapahan’i Jehovah, ary ahoana no niasany nanomboka tamin’ny 1914?
13 Ahoana no handosiran’ny olona amin’ilay “andro fahoriana” halefan’i Jehovah? Ilay Irak’Andriamanitra izay manome fanafahana, dia i Mikaela arikanjely, ary ny dikan’ny anarany dia hoe “Iza no sahala amin’Andriamanitra?” Amin’ny fomba mety àry, dia izy Ilay miaro ny fanapahan’i Jehovah, manandratra an’i Jehovah ho ilay hany Andriamanitra marina sy Tompom-piandrianana ara-dalàna eo amin’izao rehetra izao.
14 Fisehoan-javatra miavaka toy inona moa no lazalazain’ny Apokalypsy toko faha-12, andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-17, mikasika ny “Andron’ny Tompo” hatramin’ny 1914! (Apokalypsy 1:10). Nazeran’i Mikaela arikanjely avy tany an-danitra ho etỳ an-tany i Satana mpivadika. Tatỳ aoriana, araka ny filazalazana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19, andininy faha-11 ka hatramin’ny faha-16, dia nisy iray nantsoina hoe “Mahatoky sy Marina” “manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha”. Io mpiady mahery any an-danitra io dia nomena anarana hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Farany, ny Apokalypsy toko faha-20, andininy voalohany sy faharoa, dia miresaka ny amin’ny anjely lehibe iray izay mandronjina an’i Satana ho ao anatin’ny lavaka tsy hita noanoa ary mitana azy ao mandritra ny arivo taona. Miharihary fa ireo andinin-teny rehetra ireo dia manondro ilay Mpiaro ny fiandrianan’i Jehovah, dia i Jesosy Kristy Tompo, izay napetrak’i Jehovah eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra any an-danitra tamin’ny 1914.
15. Amin’ny fomba manokana ahoana no ‘hitsanganan’i Mikaela’ tsy ho ela?
15 Araka ny voalazan’ny Daniela 12:1, dia “mitsangana” i Mikaela mba hiaro ny vahoakan’i Jehovah hatramin’ny nametrahana azy ho Mpanjaka tamin’ny 1914. Tsy ho ela anefa, dia tsy maintsy ‘hitsangana’ amin’ny heviny manokana i Mikaela — amin’ny maha-Irak’i Jehovah azy izay hanaisotra ny faharatsiana rehetra eto an-tany sy amin’ny maha-Mpanafaka ilay fitambaran’olona maneran-tany vahoakan’Andriamanitra azy. Ny halehiben’izany “andro fahoriana” izany dia voalazan’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:21, 22: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany”.
16. Nofo inona no hovonjena mandritra ny fahoriana lehibe?
16 Afaka ny ho sambatra isika satria hisy nofo sasany hovonjena amin’izany fotoana izany! Tsia, tsy toy ireo Jiosy mpikomy tratra tao Jerosalema tamin’ny taona 70 am.fan.ir. akory, ka ny sasany taminy dia nentina ho andevo tany Roma. Ireo ho afa-mandositra amin’ny “andro farany” kosa dia ho sahala amin’ilay kongregasiona kristiana izay efa nandositra an’i Jerosalema fony nanomboka ilay fanaovana fahirano farany. Ho vahoakan’Andriamanitra manokana izy ireo, ny vahoaka betsaka an-tapitrisany maro hiaraka amin’ny voahosotra sasany izay mety mbola ho tavela eto an-tany. (Daniela 12:4). Nivoaka ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’ ny vahoaka betsaka. Nahoana? Noho izy ireo ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’. Naneho finoana ny hery manavotry ny ra nalatsak’i Jesosy izy ireo ary mampiseho izany finoana izany amin’ny fanompoana amim-pahatokiana an’Andriamanitra. Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia mamelatra ny trano lay fiarovany eo amin’izy ireo i Jehovah, “Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana”, raha mbola eo am-piandrasana sy eo am-pitarihana azy ireo ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina i Kristy Jesosy, ilay Zanak’ondry. — Apokalypsy 7:14, 15.
17. Inona moa no ampirisihana indrindra hataon’ny olona betsaka mba hahavoafina azy amin’ilay andro fahoriana ho avy?
17 Rehefa mitady an’i Jehovah, sy ny fahamarinana ary ny fandeferana ny olona betsaka an-tapitrisany maro, dia tsy mahazo mamela na oviana na oviana ny fitiavany voalohany ny fahamarinana hihamangatsiaka! Raha iray amin’ireny olona toy ny ondry ireny ianao, dia inona no tsy maintsy ataonao? Araka ny voalaza ao amin’ny Kolosiana toko faha-3, andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-14, dia tsy maintsy manaisotra tanteraka ny “toetra taloha mbamin’ny asany” ianao. Rehefa mitady ny fanampian’Andriamanitra, dia mikeleza aina mba ‘hitafiana ny toetra vaovao izay miorina amin’ny fahalalana marina’. Amim-pandeferana dia mitomboa miandalana ary tano ny zotom-po eo amin’ny fiderana an’i Jehovah sy eo amin’ny fampahafantarana amin’ny hafa ny fikasany malaza. Amin’izay ianao dia mety ho voafina amin’ilay “andro fahoriana”, ilay andron’ny “firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah”.
18, 19. Amin’ny fomba ahoana ny fiaretana no manjary iankinan’ny aina mba hahazoana famonjena?
18 Akaiky izany andro izany! Manatona haingana dia haingana antsika izy io. Ny fanangonana ireo olona anisan’ny vahoaka betsaka dia efa natao hatramin’ny 57 taona teo ho eo izao. Maro amin’izy ireo no efa maty ary miandry ny fitsanganany amin’ny maty. Nomen’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toky anefa isika fa amin’ny maha-antokony azy, ny vahoaka betsaka dia hivoaka avy amin’ny fahoriana lehibe amin’ny maha-votoatin’ny fitambaran’olona mahaforona ny “tany vaovao” azy. (Apokalypsy 21:1). Ho eo ve ianao? Mety hitranga izany, satria hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 24:13: “Izay maharitra [miaritra, NW] hatramin’ny farany no hovonjena.
19 Ireo fihenjanana mahazo ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ity fandehan-javatra tranainy ity dia mety hitombo hatrany. Ary rehefa hamely ny fahoriana lehibe hampahory indrindra, dia mety hizaka zava-tsarotra ianao. Kanefa dia mitoera ho akaikin’i Jehovah sy ny fandaminany. Mifohaza hatrany! “Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra”. — Zefania 3:8.
20. Arakaraka ny anakekezan’ny “andro fahoriana” izay fiafarana lehibe iray, inona no tsy maintsy hataontsika?
20 Ho fiarovana sy ho fampaherezana antsika, dia nanome fitaovana tamim-pamindram-po ny vahoakany izy, dia ny “fiteny madio” izay mahafaoka ilay hafatra malaza momba ny Fanjakany ho avy, mba “hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka”. (Zefania 3:9, NW). Arakaraka ny anatonan’ny “andro fahoriana” izay fiafarana lehibe, haingana kokoa hatrany, dia enga anie isika hanompo amin-jotom-po, hanampy ny mpandefitra ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ ho famonjena.
Tadidinao Ve?
◻ Asa hataon’i Jehovah inona no hialoha ny fitondrana fiadanana eto an-tany?
◻ Araka ny nambaran’i Joela, inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy?
◻ Araka ny Zefania, ahoana no hahafahan’ny mpandefitra hahita fiarovana amin’ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah?
◻ Iza moa ilay “lehilahin’ota”, ary ahoana no nivesarany trosan-dra?
◻ Toy inona moa ny halehiben’ny fiaretana eo amin’ny raharaha momba ny famonjena?