FAHORIANA
Tlipsis matetika no teny grika nadika hoe “fahoriana”, ary midika hoe alahelo be na fijaliana vokatry ny zava-tsarotra izy io. Ampiasaina izy io mba hilazana ny fanaintainana eo am-piterahana (Jn 16:21), fijaliana tsapan’izay enjehina (Mt 24:9; As 11:19; 20:23; 2Ko 1:8; He 10:33; Ap 1:9), na izay atao am-ponja (Ap 2:10), na izay ianjadian’ny fahantrana na olana mpanjo ny kamboty sy mpitondratena (Jk 1:27), na izay iharan’ny mosary (As 7:11), na izay nofaizina satria nanao ratsy (Ro 2:9; Ap 2:22). Inona kosa ilay “fahoriana” resahin’ny 2 Korintianina 2:4? Angamba izy io manondro ny alahelon’ny apostoly Paoly rehefa nisy Kristianina ratsy fitondran-tena tany Korinto ka voatery nanariny mafy.
Manam-pahoriana amin’ny nofo ireo manambady. Na dia nilaza aza i Paoly fa tsara kokoa ny mijanona ho mpitovo, dia hoy izy: “Raha manambady aza anefa ianao, dia tsy manota. ... Hanam-pahoriana amin’ny nofony anefa ireo hanambady.” (1Ko 7:28) Tsy ilaozana fanahiana sy tebiteby ny fanambadiana, na ho an’ny lehilahy izany, na ho an’ny vehivavy, na ho an’ny ankizy. (1Ko 7:32-35) Mety ho sahirana sy hiady saina, ohatra, ny fianakaviana rehefa misy marary ao an-trano. Ary raha Kristianina izy, dia eo koa ny fanenjehana. Mety hisy fianakaviana horoahina hiala amin’ny tranony mihitsy aza. Mety ho sarotra amin’ny raim-pianakaviana ny mahita fivelomana. Mety hatao am-ponja ny ray aman-dreny na ny zanany ka mety ho tafasaraka izy ireo. Mety hampijalijalin’ny mpanenjika koa izy ireo, ary mety ho faty mihitsy aza.
Tsy mivadika rehefa misy fahoriana. Mety hampihena ny finoana ny fahoriana avy amin’ny fanenjehana. Nasehon’i Kristy Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny mpamafy fa mihemotra ny olona sasany rehefa misy fahoriana na fanenjehana. (Mt 13:21; Mr 4:17) Izany no natahoran’ny apostoly Paoly sao hitranga amin’ilay fiangonana vao niforona tany Tesalonika. Niaritra fahoriana be mantsy ireo anisan’io fiangonana io tamin’izy ireo nanaiky ny Fivavahana Kristianina sy taorian’izany. (1Te 1:6; ampit. As 17:1, 5-10.) Nirahin’i Paoly àry i Timoty hampahery sy hampionona azy ireo, mba ‘tsy hisy amin’izy ireo ho voahozongozon’izany fahoriana izany.’ (1Te 3:1-3, 5) Tena nampionona an’i Paoly ny vaovao tsara nentin’i Timoty hoe tsy niala tamin’ny finoana ireo Tesalonianina. (1Te 3:6, 7) Efa nampiomanin’ilay apostoly izy ireo fa tokony hanampo fahoriana. Azo antoka fa izany koa no nanampy azy ireo tsy hivadika tamin’Andriamanitra.—1Te 3:4; ampit. Jn 16:33; As 14:22.
Marina fa tsy mahafinaritra ny fahoriana, nefa afaka ny ho faly ny Kristianina na dia miaritra izany aza. Fantany mantsy fa ankasitrahan’Andriamanitra ireo tsy mivadika. Fantany koa fa ho tanteraka ny fanantenany rehefa tsy mivadika mihitsy izy. (Ro 5:3-5; 12:12) Mihelina sy maivana ihany ny fahoriana raha oharina amin’ilay voninahitra mandrakizay ho azon’ireo tsy mivadika mihitsy. (2Ko 4:17, 18) Afaka matoky koa ny Kristianina fa tsy hiovaova mihitsy ny fitiavan’Andriamanitra an’ireo mpanompony tsy mivadika, na inona na inona fahoriana mety hanjo azy ireo.—Ro 8:35-39.
Misy zavatra hafa koa afaka manampy ny Kristianina hiaritra fahoriana. Hoy i Paoly momba izany: “Hisaorana anie ... [ilay] Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy, mba hahaizantsika hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika. ... Koa raha ao anatin’ny fahoriana izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany. Ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, eny, fampiononana izay miasa mba hahatonga anareo hiaritra ny fijaliana toy izay mahazo anay koa.” (2Ko 1:3-6) Mampionona an’ireo Kristianina Andriamanitra rehefa manome fanantenana sarobidy, sy manome ny fanahiny masina mba hanampy, ary rehefa mamaly ny vavak’ireo ampahorina. Ireo Kristianina ireo kosa afaka mampahery sy mampionona olon-kafa rehefa mitantara ny zavatra niainany. Mandrisika ny hafa tsy hivadika mantsy ny mahita ny tsy fivadihan’izy ireo, sy ny mandre azy ireo maneho ny fatokisany tanteraka an’Andriamanitra.
Na i Paoly koa aza nankasitraka ny fampiononan’ireo mpiray finoana taminy rehefa niaritra fahoriana. Nidera an’ireo Kristianina tany Filipy izy noho izy ireo nanao izany. Hoy izy: “Tsara ny nataonareo satria niombom-pahoriana tamiko ianareo.” (Fi 4:14) Tena niahy an’i Paoly izy ireo ka nandefa zavatra tany aminy mba hanampiana azy hizaka ny fahoriany, tamin’izy nigadra tany Roma.—Fi 4:15-20.
Misy kosa olona matahotra rehefa mahita ny hafa mandia fahoriana. Ny olona toy izany no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy nampahery an’ireo Kristianina tany Efesosy toy izao: “Mangataka anareo aho mba tsy ho kivy amin’ireny fahoriana nanjo ahy noho ny aminareo ireny. Voninahitra ho anareo mantsy izy ireny.” (Ef 3:13) Noho i Paoly nanao fanompoana ho an’ny Efesianina sy ho an’ny hafa no nahatonga azy henjehina na hampahoriana. Izany no nilazany hoe ‘noho ny amin’izy ireo’ ilay fahoriana nanjo azy. Voalaza fa “voninahitra” ho an’ireo Kristianina tany Efesosy izany tsy fivadihan’i Paoly tao anatin’ny fahoriana izany. Tsy nampaninona an’i Paoly mantsy ny niaritra izany satria sarobidy loatra ny zavatra ananan’ireo Kristianina ireo, anisan’izany ny fanantenana azo antoka nomen’Andriamanitra azy ireo sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra sy Kristy Jesosy. (Ampit. Kl 1:24.) Raha sanatria nilavo lefona i Paoly, dia ho afa-baraka ny fiangonana, ary mety ho tafintohina ny sasany.—Ampit. 2Ko 6:3, 4.
Ny “fahoriana lehibe.” Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Nilaza i Jesosy fa hisy “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Mt 24:3, 21) Rehefa ampitahaina ny teniny ao amin’ny Matio 24:15-22 sy Lioka 21:20-24, dia hita fa ny fahoriana hanjo an’i Jerosalema no tao an-tsainy voalohany. Tanteraka tamin’ny taona 70 izany, rehefa nanao fahirano azy io ny tafika romanina nentin’ny Jeneraly Titus. Niteraka mosary mafy sy faty olona maro be izany. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa 1 100 000 ny Jiosy matin’ny mosary na maty novonoina, ary 97 000 kosa no lasa babo. Rava tanteraka ny tempoly. Nodoran’ny miaramila romanina mihitsy izy io, na dia tsy naniry izany aza ny Jeneraly Titus. Voalazan’i Josèphe fa nitovy ny andro sy volana nitrangan’izany sy ny andro sy volana nandoroan’ny Babylonianina an’ilay tempoly fahiny teo amin’io toerana io ihany. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 249-270 [iv, 5-8], 420 [ix, 3]; 2Mp 25:8, 9) Tsy naorina intsony ilay tempoly noravan’ny Romanina. Tsy nisy intsony ny “fahoriana lehibe” toa an’iny sady tsy nitranga tamin’i Jerosalema intsony. Asehon’ny Baiboly anefa fa manambara fahoriana lehibe kokoa hihatra amin’ny firenena rehetra ilay faminaniana momba ny fahoriana nanjo an’i Jerosalema tamin’ny taona 70.
Nanohy ny faminaniany i Jesosy ka nilaza izay hitranga mandritra ny taonjato maro aorian’ny fandravana an’i Jerosalema. (Mt 24:23-28; Mr 13:21-23) Nilaza izy avy eo fa hisy zava-mitranga mampahatahotra hiseho eny amin’ny lanitra, “aorian’ilay fahoriana amin’izany andro izany avy hatrany.” (Mt 24:29) Voalazan’ny Marka 13:24, 25 kosa fa “amin’izany andro izany, aorian’ilay fahoriana” no hiseho izany. (Jereo koa Lk 21:25, 26.) “Fahoriana” inona ilay nolazain’i Jesosy eo?
Misy mpivaofy teny milaza fa ilay fahoriana nanjo an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 izany. Miaiky koa anefa izy ireo fa tsy hitranga ireo fisehoan-javatra mampahatahotra eny amin’ny lanitra raha tsy any aoriana be (araka ny fomba fijerin’olombelona). Mihevitra àry izy ireo fa ny hoe ‘aorian’ilay fahoriana avy hatrany’ dia ahitana ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fotoana, izany hoe aminy dia toy ny hoe aorian’ilay fahoriana avy hatrany no hitranga ireo zava-mampahatahotra. Mihevitra koa izy ireo hoe tena azo antoka fa hitranga ilay izy ka nolazaina hoe “avy hatrany.”
Mazava fa tokony ho tanteraka indroa ny faminaniana ao amin’ny Matio 24:4-22 (sy Mr 13:5-20 ary Lk 21:8-24a). Ary sao dia fahatanterahana faharoa sady farany an’ilay “fahoriana” resahin’ny Matio 24:21 sy Marka 13:19 ilay “fahoriana” resahin’ny Matio 24:29 sy Marka 13:24? Toa izany tokoa no izy, raha ny Baiboly manontolo no jerena. Vao mainka manamarina izany ny teny nampiasaina ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany sy ny fitsipi-pitenenana grika. Mampiasa ny hoe “izany andro izany” mantsy ny Matio 24:29 ary mampiasa ny hoe “izany andro izany” sy “ilay fahoriana” ny Marka 13:24. Toa te hilaza ilay faminanian’i Jesosy fa aorian’ilay fahoriana lehibe haneran-tany dia hisy zava-mitranga miavaka (azo ampitahaina amin’ny hoe ny masoandro sy ny volana ho maizina, ny kintana hilatsaka, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina), ary amin’izay koa no ho tanteraka “ny famantarana ny Zanak’olona.”
Nahazo fahitana momba ny vahoaka be avy amin’ny firenena sy foko ary vahoaka rehetra ny apostoly Jaona, 30 taona teo ho eo taorian’ny naharavan’i Jerosalema. Nolazaina taminy hoe: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.” (Ap 7:13, 14) Voalaza fa “avy tamin’ny fahoriana lehibe” ny vahoaka be, ka midika izany fa tafavoaka velona amin’izy io izy ireo. Manamafy izany ny fitenenana mitovitovy amin’io momba an’i Josefa, manao hoe: “Nomba azy anefa Andriamanitra, ka nanafaka azy [avy] tamin’ny fahoriany rehetra.” (As 7:9, 10) Midika izany fa nampiana hiaritra izy, ary tafavoaka velona tamin’izany fahoriany izany.
Tsara homarihina fa nantsoin’i Paoly hoe fahoriana ny fandringanan’Andriamanitra an’ireo tsy matahotra Azy. Hoy i Paoly: “Fa marina tokoa ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy, fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2Te 1:6-8) Milaza ny Apokalypsy fa nampahory an’ireo olo-masin’Andriamanitra i “Babylona Lehibe” sy ny “bibidia.” (Ap 13:3-10; 17:5, 6) Ara-dalàna àry ny hilazana fa tafiditra ao anatin’ilay “fahoriana lehibe” ny fahoriana hanjo an’i “Babylona Lehibe” sy ny “bibidia.”—Ap 18:20; 19:11-21.