Nahoana Isika no Tokony Hanahaka An’i Noa?
SAMY efa nahare vaovao lehibe daholo isika. Tsaroantsika tsara hoe taiza isika tamin’izay, inona no nataontsika, ary inona no vokatr’ilay vaovao teo amintsika. Azo inoana fa tsy nohadinoin’i Noa mihitsy ilay andro nandrenesany vaovao tamin’i Jehovah Andriamanitra, Mpanjakan’izao rehetra izao. Mbola tsy nahare vaovao lehibe noho izany mihitsy i Noa. Nilaza mantsy i Jehovah hoe horinganiny ny “nofo rehetra.” Nasainy nanao sambofiara goavana i Noa, mba hamonjeny ny tenany sy ny fianakaviany ary ny karazam-biby rehetra.—Genesisy 6:9-21.
Ahoana hoy i Noa? Faly ve izy, sa nimenomenona? Ahoana no nilazany an’ilay vaovao tamin’ny vady aman-janany? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Izao kosa no voalaza ao: ‘Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataon’i Noa.’—Genesisy 6:22.
Zava-dehibe io andinin-teny io, satria hita eo ny antony iray nahatonga an’Andriamanitra ho tia an’i Noa. Vonona hankatò azy i Noa. (Genesisy 6:8) Mbola misy antony hafa nitiavan’Andriamanitra azy anefa. Tsara ho fantatsika izany, satria mila manahaka azy isika mba ho voavonjy, rehefa haringana indray ny ratsy fanahy. Aleo aloha hojerentsika hoe nanao ahoana ny fiainan’i Noa, talohan’ny Safodrano.
Nidina teto an-tany ny demonia
Arivo taona teo ho eo taorian’ny namoronana an’i Adama no teraka i Noa. Tsy olon-dia nipetraka tany anaty lava-bato, araka ny eritreretin’ny sasany ankehitriny, ny olona tamin’izany. Tsy voloina izy ireo, na nanjoko, na nirenireny sady nivimbina kibay. Tsy votsa saina koa ry zareo. Efa nisy fitaovana vy sy varahina tamin’izany, ary mety ho nampiasa an’ireny i Noa rehefa nanao ilay sambofiara. Efa nisy zavamaneno koa tamin’izany. Nampaka-bady ny olona, namelona ankohonana, namboly sy niompy, ary nanao raharaham-barotra. Mitovitovy amin’ny fiainana ankehitriny ihany ny fiainana tamin’izany.—Genesisy 4:20-22; Lioka 17:26-28.
Misy zavatra tsy itoviany ihany anefa. Voalohany, ela velona noho isika izy ireo. Efa 800 taona mahery ny ankamaroany vao maty. Velona 950 taona, ohatra, i Noa, 930 taona i Adama, ary 969 taona i Metosela, raiben’i Noa.a—Genesisy 5:5, 27; 9:29.
Faharoa, hoy ny Genesisy 6:1, 2: “Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Anjely ireo “zanak’Andriamanitra” ireo, saingy niova ho olona, ary nandehandeha tetỳ an-tany. Tsy nirahin’Andriamanitra anefa ry zareo, na hoe hanao asa soa. “Nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra kosa ry zareo, mba hanao firaisana tamin’ny vehivavy tsara tarehy teto an-tany. Lasa demonia àry izy ireo.—Joda 6.
Tena nanimba ny fiainan’ny olona ireo demonia ireo, satria mpikomy sady vetaveta. Natanjaka sy nahira-tsaina lavitra noho ny olona koa izy ireo, ka azo inoana fa nanjakazaka teo amin’ny fiaraha-monina. Tsy niafina toy ireny lehiben’ny jiolahy ireny ry zareo, fa tsy menatra niseho vahoaka rehefa nanao ny asa ratsiny. Notoheriny an-karihary ny lalàn’Andriamanitra.
Nanan-janaka natanjaka be ny demonia. “Nefilima” no iantsoana ny zanany, amin’ny teny hebreo. Hoy ny Baiboly: “Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.” (Genesisy 6:4) Nampihorohoro ny Nefilima. “Mpanjera” no dikan’ny hoe “Nefilima”, izany hoe mampianjera olona. Mpamono olona àry izy ireo. Toa nalaina avy amin’ny tantaran’ny Nefilima ireo angano misy olona goavam-be mahery setra.
Nalahelo ny olo-marina
Resahin’ny Baiboly fa nanjaka ny faharatsiana, ary naharitra an-taonany maro izany. Izao no voalaza ao: ‘Be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Heni-doza ny tany; ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ny tany.’—Genesisy 6:5, 11, 12.
Izany no fiainan’ny olona tamin’ny andron’i Noa. Tsy nitovy tamin’izy ireo anefa izy. “Noa dia lehilahy marina”, ary “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” (Genesisy 6:9) Mafy amin’ny olo-marina ny miara-monina amin’ny ratsy fanahy. Tsy maintsy nampalahelo an’i Noa ny zavatra nolazain’ny olona sy nataony! Azo inoana fa nitovy ny zavatra tsapan’izy sy Lota, ilay lehilahy marina velona taorian’ny Safodrano. Nipetraka tany Sodoma i Lota. Tena ratsy fitondran-tena ny mponina tany. Hoy ny Baiboly momba an’i Lota: ‘Ory dia ory [izy] nahita ireo mpandika lalàna nanaram-po tamin’ny fitondran-tena mahamenatra. Nahatsiaro ho nijaly io olo-marina io noho ny zavatra hitany sy reny fony izy nonina isan’andro teo amin’izy ireo, satria nanao ny tsy ara-dalàna ireo.’ (2 Petera 2:7, 8) Azo inoana fa toy izany koa no tsapan’i Noa.
Malahelo koa ve ianao rehefa mahare ny zavatra mahatsiravina lazain’ny vaovao, na mahita ny fitondran-tena ratsin’ny olona? Mety ho azonao an-tsaina àry ny fijalian’i Noa. Eritrereto ange e! Nandritra ny 600 taona be izao izy no niaritra ny toetra ratsin’ny olona! Efa 600 taona mantsy izy vao tonga ny Safodrano. Azo inoana àry fa tena tsy andriny ny handringanana ny ratsy fanahy!—Genesisy 7:6.
Sahy nankatò an’Andriamanitra izy
“Tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy” i Noa. (Genesisy 6:9) Mariho fa “teo amin’ny” no ampiasaina eto, fa tsy hoe “teo imason’ny.” Teo imason’Andriamanitra ihany àry i Noa no tsy nisy tsiny. Ny mpiara-belona taminy kosa nihevitra azy hoe hafahafa. Azo inoana mantsy fa tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo izy. Tsy nanao ny fanaon’izy ireo koa izy. Ohatra hoe ireo fialam-boly sy fety halan’Andriamanitra. Eritrereto ny nataon’ny olona rehefa nahita azy nanao ilay sambofiara! Azo inoana fa nesoin’izy ireo izy. Tsy nino ny teniny koa ry zareo.
Nanam-pinoana natanjaka koa i Noa. Tsy notazoniny ho azy irery anefa ny zavatra ninoany. Voalaza ao amin’ny Baiboly fa “mpitory ny fahamarinana” izy. (2 Petera 2:5) Fantatr’i Noa fa tsy maintsy hisy hanohitra izy. Azo inoana mantsy fa notoherin’ny olona i Enoka razambeny, satria nilaza tamin’izy ireo fa horinganin’Andriamanitra ny ratsy fanahy. Soa ihany fa tsy navelan’Andriamanitra hovonoin’ny olona i Enoka. (Genesisy 5:18, 21-24; Hebreo 11:5; 12:1; Joda 14, 15) Nanohitra an’i Noa na tsy niraharaha azy ny ankamaroan’ny olona. Teo koa i Satana sy ny demonia ary ny Nefilima. Nila herim-po àry izy. Tsy maintsy nino koa izy fa hahavita hiaro azy i Jehovah.
Toherin’ny olona foana ireo mankatò an’Andriamanitra. Na i Jesosy Kristy sy ny mpianany aza nisy nankahala. (Matio 10:22; Jaona 15:18) Sahy nankatò an’Andriamanitra anefa i Noa, na dia tsy tian’ny olona aza ny nanao izany. Hitany mantsy fa aleo lavitra tian’Andriamanitra. Ary tiany tokoa izy.
Nihaino fampitandremana izy
Sahy nitory i Noa, araka ny hitantsika teo. Nisy nihaino azy ve? Tsia. Hoy ny Baiboly momba ny zavatra nataon’ny olona talohan’ny Safodrano: “Nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.” Tsy niraharaha fampitandremana àry ny olona.—Matio 24:38, 39.
Nilaza i Jesosy fa izany koa no hitranga ankehitriny. Efa ho 100 taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no mampitandrina fa hanao fanovana goavana eto an-tany i Jehovah, mba hanatanterahany ilay fampanantenany hoe hisy tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana. An-tapitrisany ny olona mihaino tsara azy ireo. An’arivony tapitrisa kosa no tsy miraharaha. “Minia tsy mahalala izy ireo” fa tena nisy ny Safodrano sady natao hampitandremana azy.—2 Petera 3:5, 13.
Nino ny fampitandreman’i Jehovah Andriamanitra anefa i Noa. Voavonjy àry izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy.”—Hebreo 11:7.
Modely ho antsika izy
Goavana ilay sambofiara. Lava kokoa noho ny kianja fanaovam-baolina ilay izy, ary mitovy haavo amin’ny trano misy rihana telo. Mbola mihoatra 30 metatra amin’ny halavan’ny sambo Wyoming ny halavany, nefa io no voalaza fa ny sambo hazo lehibe indrindra hatramin’izay. Marina fa tsy tena sambo ilay namboarin’i Noa. Natao hitsingevana fotsiny izy io. Na izany aza, dia teknika avo lenta no nampiasaina nanamboarana azy. Tsy maintsy nohosorana godorao koa ny anatiny sy ivelany. Toa 50 taona mahery vao vitan’i Noa ilay izy.—Genesisy 6:14-16.
Mbola nisy zavatra tsy maintsy nataony anefa. Tsy maintsy nanangona sakafo ampy ho an’ny fianakaviany sy ny biby, nandritra ny herintaona izy. Nila nangonina koa ireo biby, ary nampidirina tao amin’ilay sambofiara. ‘Nataon’i Noa araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy’ izany. Azo inoana fa maivamaivana erỳ izy rehefa vita ny zava-drehetra, ary nakaton’i Jehovah ny varavaran’ny sambofiara!—Genesisy 6:19-21; 7:5, 16.
Tonga tokoa ny Safodrano avy eo. Avy ny orana 40 andro sy 40 alina. Tsy maintsy nijanona tao amin’ilay sambofiara ny rehetra, mandra-pihenan’ny rano. Naharitra herintaona be izao izany. (Genesisy 7:11, 12; 8:13-16) Maty daholo ny ratsy fanahy. Ry Noa mianakavy sisa no velona. Voadio àry ny tany.
Milaza ny Baiboly fa “ohatra fampitandremana momba ny hoavy” iny Safodrano naneran-tany iny. Nahoana? Hoy ihany ny Baiboly: ‘Tahirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.’ Tsy maintsy hisy olona ho voavonjy anefa, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany. Matokia fa “hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena” ho azy.—2 Petera 2:5, 6, 9; 3:7.
Nahafoy tena ho an’Andriamanitra i Noa. Olo-marina koa izy, na dia ratsy fanahy aza ny mpiara-belona taminy. Nankatò tanteraka an’Andriamanitra izy. Sahy nanao ny tsara izy, na dia fantany aza fa tsy maintsy hankahala azy ny olona tsy tia an’Andriamanitra. Raha manahaka an’i Noa isika, dia ho tian’Andriamanitra ka hovonjeny, ary hampidiriny ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy tsy ho ela.—Salamo 37:9, 10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay hoe “Ela Velona Tokoa ve Izy Ireo?”, ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2007, pejy 30.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Toa nalaina avy amin’ny tantaran’ny Nefilima ireo angano misy olona goavam-be mahery setra
[Sary, pejy 7]
Ho tian’Andriamanitra isika, raha manana finoana toa an’i Noa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Alinari/Art Resource, NY